Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana kaominaly : hanao fanaraha-maso ny Safidy

Fifidianana kaominaly : hanao fanaraha-maso ny Safidy

“Ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly amin’izao fotoana izao, eo amin’ny 40 % amin’ny tetibola no hampiasaina.” Io ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ivontoerana Safidy, Andriamoraniaina Harijaona, tamin’ny fampahafantarana ny fanombohan’ny tetikasa fanaraha-maso fifidianana kaominaly, teny Ambatonakanga, omaly. Eo koa ny momba ny fampiasana ny vola 208 000 Euros amin’ny 520 000 Euros avy amin’ny vondrona […]

  Ramamimampionona Gérard : “Mila mahay miara-miasa ny fitondrana foibe sy ny ben’ny Tanàna”

   Ramamimampionona Gérard : “Mila mahay miara-miasa ny fitondrana foibe sy ny ben’ny Tanàna”

   Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Ben’ny Tanàna toy inona no ilaina? Maneho ny  fijeriny ny filoha lefitry ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM), Antananarivo, Ramamimampionona Gérard: ” Izay ben’ny Tanàna rehetra eo, tokony hahay hiara-kiasa amin’ny fitondrana foibe, ary ho hain’ny fitondrana foibe ny miara-miasa aminy.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ben’ny Tanàna toy inona no […]

Medef: “Handraharaha fa tsy diplaomasia”

Medef: “Handraharaha fa tsy diplaomasia”

Mitsidika eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny Hetsiky ny orinasa any Frantsa (Medef), manodidina ny 30. Mitarika azy ireo ny filohan’ny sampana Afrika, i Momar Nguer, nijery ny tontolon’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Nambarany fa mijery akaiky ny fomba ahafahana mampiasa vola eto Madagasikara izy ireo, an-daniny, ary ny hampiasan’ny mpandraharaha eto Madagasikara any Frantsa, an-kilany. […]

Fandrosoana : mahavita ordinatera, fiara, finday… i Rwanda

Fandrosoana : mahavita ordinatera, fiara, finday… i Rwanda

Mihazakazaka ny fandrosoan’i Rwanda, sangany sady fitaratra aty Afrika. Farany teo, nivoaka nanomboka ny volana avrily 2019 teo, ny finday voalohany, avo lenta, novokariny. Fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny orinasa rwandey, MaraPhones tantanin’ilay mpandraharaha teratany rwandey, i Ashish Tahakkkar. Mitentina 24 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ary maherin’ny 20.000 ny mpiasa. Aloan’ny rwandey tsikelikely mandritra ny […]

« Festival Ambony Ambany »: maherin’ny 40 ireo handray anjara              

« Festival Ambony Ambany »: maherin’ny 40 ireo handray anjara              

Anisan’ny hetsika hisongadina amin’ity volana oktobra ity ny « Festival Ambony Ambany », izay fantatra amin’ireo karazam-pifanandrinana na « battle » amin’ny dihy hip-hop. Eo koa anefa ireo endri-javakanto hafa ankafizin’ny tanora aty an-tanàn-dehibe, toy ny dihy, ny mozika sy ny hira, ny « parcours », ny « graffiti », ny slam, sns. Hiparitaka amina toerana maromaro ireo hetsika manodidina ity « festival » ity. […]

Niaina Razafindraibe Quartet: mampahafantatra talenta niafina ny “Madajazzcar 2019”

Niaina Razafindraibe Quartet: mampahafantatra talenta niafina ny “Madajazzcar 2019”

Lanonan’ny mpianakavy… Lanonan’ny mpitia jazz… Ambohi-pihaonana ihany koa ! Samy taratra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Madajazzcar” andiany faha-30 avokoa ireo endrika voalaza ireo. Fa mbola misy ihany koa ny hafa… Nanana ny nampiavaka azy ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra notontosaina tetsy amin’ny Hôtel de l’Avenue (HDA) Analakely, omaly. Fotoana nanasongadina sy nampiharihary indray fa hain’ny Malagasy […]

Fihaonambe iraisam-pirenena : lasa any Lyon, Frantsa, ny filoha

Fihaonambe iraisam-pirenena : lasa any Lyon, Frantsa, ny filoha

Mitarika ny delegasiona malagasy amin’ny fihaonambe ho amin’ny fanarenana ny Tahirim-bola eran-tany fahenina iadiana amin’ny VIH sida sy ny raboka ary ny tazomaka, any Lyon Frantsa, omaly sy anio, ny filoha Rajoelina Andry. Tanjona amin’izany ny fanetsehana ireo mpanome fanampiana sy ny firenena misitraka izany mba handray ny Tahiry ho amin’ny fe-potoana famatsiam-bola, taona 2021- […]

Boriborintany III : namosaka ny hetahetany tamin’ny kandidà Naina A. ny vahoaka ifotony  

Boriborintany III : namosaka ny hetahetany tamin’ny kandidà Naina A. ny vahoaka ifotony  

Fanadiovana ny tatatra fivarinan’ny rano maloto sy ny riaka aminy fotoam-pahavaratra, ny fanatsarana sy fanorenana paompy fantsakana rano madio fisotro, ny fanorenana toerana fanasan-damba, ny fanatsarana ny famatsian-jiro… Ireo no santionan’ny hetaheta sy tena maika amin’ny mponina ao amin’ny boriborintany faha-III, tamin’ny nanohizan’ny kandidàn’ny IRD, kaominina Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, ny fitsidihana ifotony, omaly, izay […]

Anosy: saron’ny polisy ilay pasitera mpisoloky

Saron’ny Polisin’ny ekonomika etsy Anosy, ny 04 sy 05 oktobra lasa teo teny amin’ny Carlton Anosy sy Itaosy ny olona miisa enina, izay voalaza fa nisandoka andraikitra sy naka vola tsy ara-drariny ary nisoloky vehivavy iray. Araka ny fanazavana voaray dia pasitera ny iray amin’ireo mpisoloky ary voatondro ho tompon’antoka an’io asa ratsy io. Fantatra […]

Akondromena: voafonja ny zandary iray nanao fanamparam-pahefana

Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny fampanoavana, omaly ilay zandary voatondro ho nikasa hamono olona, ny tolakandron’ny 26 septambra teo tao Akodromena. Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao dia zandary miasa ao an-toerana ihany ity farany ary manana galona G1C (Gendarme de 1ère Classe). Araka ny fanazavana voaray dia hamamoana diso tafahoatra no nahatonga ity zandary ity […]

Nosy Be: saron’ny polisin’ny PAF ny Kaomorianina saiky hanao kolikoly

Nosy Be: saron’ny polisin’ny PAF ny Kaomorianina saiky hanao kolikoly

  Naiditra am-ponja ireo teratany kaomorianina roa nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Italia rehefa voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny (PAF) Nosy Be, ny 08 oktobra 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 06ora sy 30mn maraina noho ny resaka fampiasana pasipaoro misoratra amin’olon-kafa sy fanaovana kolikoly. Araka ny loharanom-baovao dia nilaza ity lehilahy kaomorianina ity […]

Sambava: vola sandoka 22 tapitrisa Ariary no nandoavana lavanila 23kg

Sambava: vola sandoka 22 tapitrisa Ariary no nandoavana lavanila 23kg

Tantsaha mpamokatra lavanila no nosolokin’ny jiolahy tamin’ny vola sandoka mitentina 22 tapitrisa Ariary rehefa lasan’izy ireo ny entana. Saika hamono tena ny lehilahy iray noho ny fahadisoam-panantenany diso tafahoatra. Ketraka ary saika hamono tena vokatry ny fahadisoam-panantenana tanteraka ny raim-pianakaviana iray noho  ny fisolokiana nahazo azy tao amin’ny Kaomina Nosiarina-Sambava, ny alatsinainy teo. Araka ny […]

Miverena eny an-doharano !

Miverena eny an-doharano !

Rano, mira aina. Aina, manambara fahavelomana. Fahavelomana mahalaza zavatra maro ! Aiza na inona ilay loharano hiverenana ? Raha mbola raisina ho fihemorana ny hevitry ny hoe « miverena », tsy ho voavaly na oviana na oviana io fanontaniana io… Noho izany, mila mahalala ny Malagasy tsirairay fa ilay (na ireo) fototra maha firenena ny firenena, ny maha izy ny […]

Grand Pavois-Mahajanga: zazalahy 13 taona maty nisaringotra tamina vedety

Grand Pavois-Mahajanga: zazalahy 13 taona maty nisaringotra tamina vedety

Tsy fantatra mazava ny nanaovany ilay fihetsika… Efa nisaringotra tamin’ny “helice” an’ny lakana haingam-pandeha iray ilay zazalahy 13 taona no hitan’ny olona. Nifamonjena saingy tsy tana ny ainy… Zava-doza no niseho teny amin’ny Grand pavois Mahajanga, omaly. Tranga nampikoropaka ny mpaka rivotra ny nahazo an’i Flaviot raha nilomano teny an-dranomasina. Araka ny nambaran’ny Adjudant-Chef Sylvestre, […]

Kitra fanomanana: foana ny lalaon’ny Barea sy ny Club M Maorisy

Kitra fanomanana: foana ny lalaon’ny Barea sy ny Club M Maorisy

Araka ny fampitam-baovaon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nofoanana ilay lalao firahalahiana, saika hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Club M Maorisy, hatao, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ny alahady 13 oktobra, ho avy izao. Antony maro ny nahatonga izany. Voalohany aloha, maro ireo mpilalaon’ny Barea any ampitan-dranomasina no tsy afaka hamonjy ny fampivondronana eto Madagasikara, […]

Kitra: tsy afaka milalao 15 andro i Voavy Paulin

Kitra: tsy afaka milalao 15 andro i Voavy Paulin

Miato ny fiakaran’i Voavy Paulin, kianja. Maratra, ity irakiraka mpanafika ao amin’ny Barea de Madagascar ity, izay milalao any Egypta, ankehitriny,  voatery mijanona roa herinandro. Voadona teo amin’ny feny mantsy izy. Vaovao ratsy ho an’ny baolina kitra malagasy sy ny Barea de Madagascar. Araka ny tati-baovao, hita tamin’ny tambajotran-tserasera, maratra, amin’izao fotoana izao, i Voavy […]

“Africa womens seven’s”: nahazo tsodrano ny Makis

“Africa womens seven’s”: nahazo tsodrano ny Makis

Nanainga, omaly ary nandeha nihazo an’i Tonizia, ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona fito, na ny “Africa womens seven’s”. Miisa 12 mirahavavy izy ireo, no hiatrika izany, ny asabotsy 12 sy ny alahady 13 oktobra, ho avy izao. Nialoha ny niaingany, naka ny tso-drano, […]

GES: herinjiro “hybride”

Natao sonia ny 3 oktobra 2019 teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo, ny Jirama ary ny orinasa Green energy solutions (GES). Votoatiny ny fifanarahana vaovao eo amin’ny telo tonta, ny vidin’ny herinaratra mikasika ny angovo iarahan’ny famokarana avy amin’ny gropy termika sy ny avy amin’ny masoandro (hydride) any […]

Telma-Ericsson: dingana ho any amin’ny 5G

Telma-Ericsson: dingana ho any amin’ny 5G

Toerana miisa 2.000 ! Io ny tanjona napetraky ny Telma sy ny orinasa iraisam-pirenena Ericsson, handrakofana manontolo an’i Madagasikara amin’ny fifandraisan-davitra matanjaka, ahafahana mampiasa finday sy ny teknolojia niomerika. Ao anatin’izany ny hampiasana ny tanjaka 4,5 G hahatongavana any amin’ny 5G. Vita sonia, ny 12 jolay teo tany Le Caire Egypta ny fifanarahana eo amin’ny roa […]

Betsiaka Antsiranana: matahotra valifaty ny mpiaro ny ala

Betsiaka Antsiranana: matahotra valifaty ny mpiaro ny ala

Manaitra ny sain’ny fitsarana hampihatra ny sazy henjana amin’ireo mpanimba ny tontolo iainana, tratra ambody omby tany Betsiaka Ambilobe, ny mpiaro ny tontolo ianana any an-toerana. Manaitra ny fiarahamonim-pirenena koa hanaraka akaiky ity raharaha ity satria mihorohoro ireo mponina any ifotony. Miisa valo lahy ireo tratra ambody omby, ny 2 oktobra teo, nanao saribao tsy […]

Madajazzcar – Bara Ravaloson: « Vitsy ny mpitendry « contrebasse » »

Zavamaneno anisan’ny fampiasa eo amin’ny tontolon’ny jazz ny « contrebasse ». Nizara ny traikefany momba azy io, omaly teny amin’ny Conservatoire national de Madagascar (CNM) Ampefiloha i Bara Ravaloson. Fotoana nanazavany ihany koa fa « vitsy loatra ny mpitendry « contrebasse eto Madagasikara ». Nohamafisiny anefa fa tsy eto ihany io fa tranga manomboka miseho any ivelany ihany koa. « Lasa […]

Fanevan’ny fiderana miray: namoaka DVD « Mangataha »

Fanevan’ny fiderana miray: namoaka DVD « Mangataha »

Niorina tamin’ny volana mey 2019. Fanevan’ny fiderana miray, tarika mirona tanteraka amin’ny fivoizana ny hira evanjelika. Mampiavaka ny tarika ny talenta ananany amin’ny filalaovana gadona maroloko toy ny milamina “slow” sy ny mihetsika “salegy…”. “Mangataha”, io no kapila mangirana laharana voalohany voajarin’ny tarika amin’ny endrika rindran-tsary kalitao DVD. Ny ”Mangataha”, “efa voasoratra”, “Inty aho”, “Ny […]

Manomana seho goavana: hiverina an-tsehatra i Poopy

Manomana seho goavana: hiverina an-tsehatra i Poopy

Poopy, araka ilay andrasan’ny mpankafy aminy… Izay ny fanambiny sy ny mpikarakara amin’ilay seho goavana izay hataon’ity mpanakanto ity, afaka iray volana. Vaovao lehibe ho an’ireo mpankafy azy! Ny taona 2016 no niaka-tsehatra irery farany i Poopy, tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Fantatra kosa izao, fa hiverina an-tsehatra indray, ary eo am-panomanana […]

Kolo anaka : Fahiratan-Tsaina – Fieritreretana – Fietseham-Po

Kolo anaka : Fahiratan-Tsaina – Fieritreretana – Fietseham-Po

 (Fizarana 8)   Mety misy koa ve ny fihetseham-po mikobona anaty eo amin’ny adolantsento ? Iaraha-mahalala fa ny fotoanan’ny adolantsento dia fisian’ny fomba sy fihetsika tafahoatra. Izany dia mety ho fihoaram-pefy na koa fikobonana tanteraka eo amin’ny lafiny fihetseham-po. Vokatr’ity farany dia mety hisy fiafenan’ilay zatovo ao anaty fangirifiriana. Mety koa mieritreritra fa tsy misy ilàna […]

Raha tsy mivaly ao anatin’ny 15 andro ny fitakiana: hitokona ny mpampianatra Seces Antananarivo

Hiroso amin’ny fitokonana avy hatrany ireo mpampianatra mpikaroka ao anatin’ny Seces sampana Antananarivo, aorian’ny 15 andro (manomboka omaly) raha toa tsy misy ny valin’ny fitakiana avy amin’ny fitondram-panjakana, araka ny fanambaran’ny filohany Ravelonirina Sammy Grégoire, omaly taorian’ny fivoriambe nataon’izy ireo.  Nohamafisiny fa rehefa tapitra izay fepotoana izay, hiditra amin’ny fitokonana sy ny fampiatoana ny asa […]