Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hahazo tohana ny mpianatra teknika, sokajy zazavavy

Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hahazo tohana ny mpianatra teknika, sokajy zazavavy

Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Unesco ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana momba ny asa. Hapetraka miainga amin’izany famatsiam-bola izany ny klioba ho an’ny fampianarana ho an’ny siansa sy teknolojia, ny injeniera ary ny matematika (Stem). Anisan’ny hisitraka io tetikasa io ireo sekoly miisa 14 amin’ny faritra telo, ahitana an’Analamanga […]

Talenta sy hatsikana: tafitan’i Sombiniaina sy i César Legrand ny hafatra

Talenta sy hatsikana: tafitan’i Sombiniaina sy i César Legrand ny hafatra

Iraisan’izy mirahalahy ny fahaizana sy ny talenta amin’ny fampihomehezana. Na izany aza, samy manana ny manavanana azy kosa eo amin’ny lohahevitra tian-kampitaina. Samy nahatafita izay hafatra izay avokoa na i Sombiniaina, izay somary mirona kokoa any amin’ny tenim-pitolomana (textes engagés), na i César Legrand, nisafidy kokoa ny fanehoana ny fiainana any an-tsekoly. Tsikaritra amin’izy mirahalahy […]

I Anjara sy i Ramy Rentia: namohazana ny maha izy ny tena ny « Moi »

I Anjara sy i Ramy Rentia: namohazana ny maha izy ny tena ny « Moi »

Manana ny maha izy azy ny olona tsirairay. Mety ho hainy ny mamoaka izay ety ivelany, mety hainy ihany koa ny manova izany. Io karazana fifanoherana io no asongadin’ny tetikasa “Moi”. Fampirantiana tabilao narahina poezia. Endrika hetsika iray notontosain’i Anjara Rasoanaivo sy i Ramy Rentia, tao amin’ny #Das Haus etsy Ankadifotsy. Fotoana nanehoan’ireto mpanankato ireto […]

LFR: ahena ny fandaniam-poana

Hentitra ny filoha Rajoelina amin’ny hitantanana matotra sy amin’ny tokony ho izy ny volam- panjakana. Sambany teto amin’ny firenena ny nijerena amin’ny antsipiriany ny hampiasana ny volam-panjakana, hofaritan’ny Tetibolam- panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2019). Fantatra fa hodinihina tsirairay ny vola havoakan’ny minisitera isanisany. Takin’ny filoha sy ny praiminisitra ny fanazavan’ny minisitra tsirairay ny maha zava-dehibe na […]

Trafika vatosoa: quartz 10 taonina tratra tany Dabolava

Trafika vatosoa: quartz 10 taonina tratra tany Dabolava

Tratran’ny zandary, ny alarobia 8 mey teo, tany Madiokely, kaominina Dabolava, distrika Miandrivazo, faritra Menabe, ny fiara lehibe nitatitra vatosoa quartz, milanja 10 taonina. Rehefa nisava ny antontan-taratasy samihafa ny mpitandro filaminana, anamarinana na ara-dalàna na tsia ireo vatosoa ireo, hita fa avy any amin’ny toeram-pitrandrahana tsy ara-dalàna izy ireo. Nisy tsy tomombana koa ny […]

Ceni: “Mbola kandidà ireo manana raharaham-pitsarana”

“Ireo kandidà manana raharaha eny anivon’ny fitsarana: misy amin’ireo kandidà ny nampidirina vonjimaika am-ponja, misy nahazo fahafahana vonjimaika. Mbola mijanona ho kandidà solombavambahoaka hatrany izy ireo. Mbola izy ireo no mitarika ny lisitra amin’izany.” Io ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, momba ireo kandidà solombavambahoaka manana raharaha […]

Tselatra

Olona miisa 52 indray tratran’ny fanapoizinana sakafo vokatry ny fihinanana trondro antsoina hoe « fanohara » misy poizina tany Belo sur Mer, distrikan’i Morondava, ny zoma lasa teo. Namoy ny ainy vokatry ny fihinanana ity trondro ity ny zazakely roa. Fantatra fa mandoa sy mivalana ireto olona nihinana ity trondro tsy azo hanina ity ireto. Nalefa notsaboina haingana […]

Fenoarivo Atsinanana: naiditra am-ponja ireo « trondrovaventy » nangalatra lavanila

Anisan’ny raharaha lehibe voalohany noraisin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenoarivo Atsinanana ity raharaha halatra lavanila maitso sivy kitapo milanja 218 kg nahasamborana olona efa-dahy ity. Halatra teny an-tsaha mihitsy ity nahavoasaringotra mpandraharaha iray ao Fenoarivo Atsinanana ity. Nikasa hidina an-dalambe mihitsy ny mponina ao an-toerana amin’ny fihetsika nataon’ity mpandraharaha « trondrovaventy » ary efa nisy fikasana hanao fitsaram-bahoaka aza […]

Sambava: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray tratran’ny fokonolona teo am-pangalarana lavanila maitso tao amin’ny fokontany Ampialandrano kaominina ambanivohitr’Andrembona Bemarivo, distrikan’i Sambava, ny zoma maraina teo. Mbola hita tany aminy ny lavanila halatra milanja 13 kg. Monina ao an-tanàna ihany ity jiolahy ary efa ikoizana amin’ny halatra lavanila ary vao tsy ela akory izay ny nivoahany ny fonja noho ny raharaha halatra […]

Saika hamidy tao Ambanja: telo lahy nahatrarana rongony 45 kg

Saika hamidy tao Ambanja: telo lahy nahatrarana rongony 45 kg

Voasambotry ny zandary tao Antsaba, kaominina ambanivohitr’Antsahabe, distrikan’Ambanja, ny zoma lasa teo, ireo telo lahy mpamongady rongony. Tratra tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavan’ny zandary, ny rongony milanja 45 kg. Natao tanaty gony lehibe miisa telo ireto zava-mahadomelina ireto. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny borigadin’ny zandary ao Ambanja, ny GPHC Rakotovao Rivo Nirina, saika haparitaka hamidy ao Ambanja ireto […]

Ambondromamy: karandalina nivadibadika, mpandeha 36 naratra mafy

Ambondromamy: karandalina nivadibadika, mpandeha 36 naratra mafy

Mpandeha miisa 36 amin’ireo 50 tao anaty fiara indray naratra mafy. Io ny vokatry ny fivadihadihan’ny taksiborosy “karandalina” iray, omaly tamin’ny 1 ora maraina tao Ambondromamy (RN 6)… Fandehanana mafy nataon’ny mpamily ny nahatonga ity loza mahatsiravina nitranga teny amin’ny RN 6 omaly maraina ity, araka ny fanazavana voaray. Nivadibadika ilay taksiborosy “karandalina” rehefa tsy nahafehy ny […]

Tsy fanarahan-dalàna mahazatra… tsy ho lalàna     

Tsy fanarahan-dalàna mahazatra… tsy ho lalàna     

Mampiteny ny moana sy mampitambim-bava ny tsy fanarahan-dalàn’ny kandidà depiote  sasany amin’izao fampielezan-kevitra izao. Mandeha ho azy? Na tsy misy na tsy hita loatra izay tena hoe fampiharan-dalàna… Tsy mahagaga raha samy manao izay saim-pantany; misy manao fanahy iniana, manararaotra… Mandra-pahoviana? Nilaza tena hampihatra ny lalàna ny Ceni amin’izao indray mitoraka izao. Ho hita eo… […]

Fihoaram-pefy, fandikana fitsipika: polisy telo lahy mamo an-dalambe, naiditra “violon”

Fihoaram-pefy, fandikana fitsipika: polisy telo lahy mamo an-dalambe, naiditra “violon”

“Tranga mamohehitra”. Izay ny nilazan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena ny nafitsok’ireo polisy telo lahy, nanao fanamiana, hitan’ny olona fa mamo an-dalambe sady mamo teo am-pamiliana fiara ka nanimba fiaran’olon-kafa. Ankoatra ny fampidirana “violon” azy ireo, fantatra fa handalo filankevitry fitsipi-pifehezana eo anivon’ny polisim-pirenena izy ireo.    Polisy telo lahy nanao fanamiana ara-dalàna miasa ao amin’ny kaomisarian’ny […]

Escrime – Mada 2019: voailik’i Jennifer i Solange, tompondaka teo aloha

Escrime – Mada 2019: voailik’i Jennifer i Solange, tompondaka teo aloha

 Tontosa omaly teto amin’ny CRJS Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny taranja Escrime. 19 mianadahy avy amin’ny ligin’Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy no nahatonga solontena. Nafana ny famaranana teo amin-dRaharinirina Jennifer Capriati avy amin’ny ligin’Analamanga sy i Solange, ligin’Itasy. Nisalotra ny anaram-boninahitra tamin’izany i Jennifer, izay tena nisongadina tokoa. Raha tsiahivina, i Solange no […]

Kitra – «THB ligue des champions 2019»: hanafika ny Zanakala ao an-kianjany ny AS Adema

Kitra – «THB ligue des champions 2019»: hanafika ny Zanakala ao an-kianjany ny AS Adema

Hitohy, amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifanintsanana hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Thb ligue des champions 2019”. Anisan’ny lalao hanamarika izany ny fihaonan’ny Zanakala Fc sy ny As Adema. Hotanterahina, anio asabotsy 11 sy rahampitso alahady 12 mey ny andro fahefatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Thb […]

Basikety : hiatrika ny manasa-dalana ny ekipan’ny MB2 All 

Basikety : hiatrika ny manasa-dalana ny ekipan’ny MB2 All 

Tontosa omaly zoma, tany Fenoarivo atsinanana, ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety sokajy “N1B vehivavy” sy U20 lehilahy. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, amin’izany ireo ekipan’ny MB2 All Analamanga, anankiroa. Raha ny voka-dalao, teo amin’ny ampahefa-dalana, no ambara. Teo amin’ny vehivavy, resin’ny MB2 All, tamin’ny isa, 69 no ho 23 ny ASF […]

Karate – Fihezama: hihemotra amin’ny 25-26 mey ny fifaninanana

Tsy raikitra ny fifaninanana hifanakalozan’ny mpikatroka, fehikibo “marron”, karakarain’ny Fihezama, nokasaina hotanterahina, anio sy rahampitso, ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity fifaninanana ity izay natokana indrindra ho an’ny karate-ka, sokajy “cadets” sy “juniors”. “Tsy azo tamin’ny ora farany ny efitrano saika hanaovana ny fifaninanana, ka izany indrindra no antony nanemorana azy. Misy fikambanana iray mikarakara hetsika […]

Jica-Fofifa: laboratoara ho an’ny fambolem-bary

Jica-Fofifa: laboratoara ho an’ny fambolem-bary

Nanomboka ny taona 2017  ny tetikasam-pikarohana Fy Vary, iarahan’i Madagasikara sy  i Japana. Tetikasa miompana amin’ny fikarohana teknika fambolem-bary, azo aparitaka amin’ny tantsaha sy ny mpamboly tsy ankanavaka. Natao, omaly, ny fanolorana ireo fitaovana sy fotodrafitrasa ilaina amin’ny fikarohana siantifika mikasika ny vary teny amin’ny Laboratoara Radioisotopes Ambohimirary (LRI) sy teny amin’ny foibe Fofifa Ambatobe. […]

“Fifamatorana sy Lalana”: manamafy ny fisokafana i Sina

“Fifamatorana sy Lalana”: manamafy ny fisokafana i Sina

Mahomby sady mivoatra haingana ny politika toekaren’i Sina, misokatra amin’ny rehetra, nanomboka tamin’ny nametrahany ny paikady “Fifamatorana sy Lalana”, ny taona 2013. Anisan’ny misitraka izany fiaraha-miasa izany i Madagasikara. Foto-kevi-pampandrosoana vaovao ara-toekarena naroson’ny filoha sinoa Xi Jinping, ny Finiavana “Fifamatorana sy Lalana” (la Ceinture et Route), novolavolaina ny taona 2013. Tao anatin’izay enin-taona izay, azo […]

Fiainam-pinoana sy sosialy: hanorina sekoly sy hopitaly ny Sonita

Fiainam-pinoana sy sosialy: hanorina sekoly sy hopitaly ny Sonita

Mitohy ny asa sosialy. Anisan’ny asa sosialy hotanterahin’ny fianakaviamben’ny mozilimanina Sonita eto Madagasikara (CMSM) amin’ity taona ity ny hanorenana sekoly sy hopitaly. “Mangataka amin’ny fanjakana izahay mba hanome alalana sy hanamora ny fanatanteraha izany. Efa natolotra ny mpitondra ny fangatahana momba izany ka manantena ny valiny mahafapo izahay”, hoy izy ireo tetsy 67 ha, omaly. […]

CSA Faravohitra: mangetaheta ny rariny ny fiaraha-monina

CSA Faravohitra: mangetaheta ny rariny ny fiaraha-monina

Nampahafantatra  ny Andro fampielezana ny Vaovao Mahafaly amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana (Journées Sociales de l’Apostolat Social et Ecologique – APSE), andiany fahenina, ny pretra ao amin’ny Fikambanan’i Jesoa, omaly, tao amin’ny Centre Social Arupe (CSA), Faravohitra. Lohahevitra nosafidina amin’ity taona ity ny “Fihavanana sy ny rariny hanorenana fiarahamonina marina sy tontolo  iainana madio”. […]

Misahana CSB I any ambanivohitra: 5 000 ny infirmier mpiasam-panjakana

Nifampizara fahalalana amin’ny fomba fanatontosana ny asa eny anivon’ny toeram-pitsaboana ny infirmiers manerana ny Nosy, tao anatin’ny roa andro tany Toamasina, nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny infirmier, tanterahina isaky ny 12 mey. Teo koa ny fizarana mari-boninahitra ho an’ny infirmier fito. Nikarakara ny hetsika ny Holafitry ny infirmiers izay manana mpikambana manodidina […]

Rasoarinivo Jeannette: « Tsy vonon-kiasa fa te hanana asa fotsiny ireo tanora mivoaka « sage-femme »

Rasoarinivo Jeannette: « Tsy vonon-kiasa fa te hanana asa fotsiny ireo tanora mivoaka « sage-femme »

Tsy maharaka ny isan’ny mponina ny isan’ny rasazy na ny mpampivelona eto amintsika. Raha ny isa farany, rasazy iray monja no misahana vehivavy miisa 1.000. Efa nihatsara io isa io, saingy tsy mbola voavaha tanteraka ny olana, araka ny nambaran-dRasoarinivo Jeannette, filohan’ny fikambanan’ny rasazy eto amin’ny faritra Analamanga. “Betsaka ny asa, kanefa vitsy ny rasazy […]

Oniversite – Minisitra Rejo-Fienena Felicité: « Mandeha tsikelikely ny famahana olana  »

Oniversite – Minisitra Rejo-Fienena Felicité: « Mandeha tsikelikely ny famahana olana  »

Tsy vita indray andro. Napetraka amin’ny fomba ofisialy, omaly ny filohan’ny oniversite Toliary, Razafiarison Andriamanantena. Nivoitra tamin’ny nambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Rejo-Fienena Felicité ny fomba fiasa handaminana ny eny amin’ny ambaratonga ambony. “Mandeha tsikelikely ny famahana ny olana na efa ela aza ny fitakian’ireo mpampianatra. Ohatra ny ora fanampiny… Tsy mora ny manao izany. […]

Ihosy: naiditra am-ponja ny rantsa-mangaikan’ny Ceni

Naiditra am-ponja vonjimaika, ny 7 mey lasa teo, ny rantsa-mangaikan’ny Ceni (Ced) ao amin’ny distrikan’i Ihosy. Anton’izany ny fampitomboana ny anaran’ny mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana mba hahazoana manao fangalaram-bato hampandaniana kandidà iray. Ny fitarainana azo avy amin’ny kandidà hafa sy ny lehibem-pokontany any an-toerana no nahatrarana ny raharaha. Nandefa teknisianina sy sampana informatika any an-toerana […]