Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sady tsy nanao arovava no be famaliana: Afrikanina iray nosamborin’ny polisy teny Besarety

Sady tsy nanao arovava no be famaliana: Afrikanina iray nosamborin’ny polisy teny Besarety

Voatery nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3) teny Besarety, omaly ny teratany afrikanina iray tsy nanao arovava. Nanamafy ny polisin’ny CSP3 fa toy ny Malagasy rehetra mandika lalàna dia am-panajana tanteraka no nanentanana ity teratany vahiny ity mba hanao arovava sy hanao ny asa iombonana ho setrin’ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Tabataba sy fanaratsiana […]

Fakafaka: mila fanarenana goavana ny fampianarana

Nanana fomba maro nentina « nanjanaka » firenena iray ny mpanjakazaka an-tanin’olona. Anisan’ireny ny fanimbana tanteraka ny endri-panabeazana ny taranaka ao amin’ilay tany “zanahina”. Fitaovana nampiasaina tamin’izany ny sekoly sy ny zavatra nampianarina tao. Hatramin’izao anefa, mbola tarazon’izany avokoa no iainan’ny tontolon’ny fampianarana any amin’ireo firenena “nozanahina”, anisan’ireny i Madagasikara. Tsy mifankaiza fa vao mainka aza nohatevenina […]

Kitra sy coronavirus: mpilalao sady mpanazatra i Kasaona Roger

Kitra sy coronavirus: mpilalao sady mpanazatra i Kasaona Roger

Mbola tsy afaka am-bavan’ny olona rehetra ny fahafatesan’i Kasaona Roger, voalaza fa matin’ny coronavirus. Olona tena fantatra teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra tao Toamasina, Itompokolahy. Niaina ary tena nandany ny androny teo amin’io taranja io izy fony fahavelony. Porofon’izany, izy no tale teknika rezionaly (DTR)-n’ny seksiona Toamasina. Vao 17 taona […]

Fanampiana-Lalao Olympika: nanokana 800 tapitrisa dolara ny CIO

Fanampiana-Lalao Olympika: nanokana 800 tapitrisa dolara ny CIO

 Araka ny efa notaterina teto, nifampidinika ny amin’ny hanampiana ny federasiona iraisam-pirenena sy ny komity mpikarakara ny lalao Olympia, ny avy eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympia (CIO). Dinika natao indrindra hanarenana ny krizy ara-bola nanomanana iny lalao Olympika tsy tanteraka iny. Vokatr’izany, nanokana vola mitentina 800 tapitrisa dolara ny CIO ka ny 650 tapitrisa dolara […]

Nicolas Dupuis: mikasa hanangona Barea 20 any Frantsa

Nicolas Dupuis: mikasa hanangona Barea 20 any Frantsa

Miasa hatrany i Nicolas Dupuis, na ao anatin’ny fanatanterahana ny fihibohana amin’ny ady atao amin’ny valanaretina coronavirus  aza. Nambarany, ny faran’ny herinandro teo fa manana fikasana hanangona Barea miisa 20 any Frantsa ny tenany miaraka amin’ireo teknisianina efa niara-niasa taminy hatramin’izay. «Tsy maintsy tsinjovina dieny izao, ireo hisolo toerana ireo mpilalao efa nahazoazo taona», hoy […]

James Rabefitia: “Talenta marolafy, hitsangana ny “Sekolin’ny Karoka” “

James Rabefitia: “Talenta marolafy, hitsangana ny “Sekolin’ny Karoka” “

Ho very momoka ny ezaka ho fampivelarana ny zavakanto raha tsy misy ny fifampizarana. Iray amin’ireo dingana holalovan’i James Rabefitia atsy ho atsy izany… Rafanomezantsoa Todisoa Alain, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto, James Rabefitia. Tovolahy mpiangaly karazan-kanto maro ary tia mikaroka zava-baovao isan-karazany hanabeazam-boa ny talentany. Asa soratra no niandohany, ny taona 2007. […]

Tahirimbolam-panjakana: misy fandaminana ireo zokiolona haka fisotroan-dronono

Nanomboka omaly ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona. Misy hatrany ny fandaminana izay napetraky ny Tahirimbolam-panjakana mba tsy  hisian’ny fitangoronana loatra amin’ireo toerana hakana izany. Voakasiky ny fandaminana manokana ireo rehetra mpandray fisotroan-dronono amin’ny PGA sy  RGA Antaninarenina, Tminfop 67ha, TMA Tsimbazaza, Perception principales  (PP) rehetra eto Antananarivo Renivohitra, Plan Anosy, PP Ambohidratrimo sy ireo […]

Jirama Port-Bergé : 170 tapitrisa Ariary voahodinkodina

Jirama Port-Bergé : 170 tapitrisa Ariary voahodinkodina

Nidina ifotony tany Port-Bergé ny ekipan’ny mpanara-maso ao amin’ny Jirama foibe. Voamarina fa voahodinkodina ny volabe mitentina 170 tapitrisa Ar. Fantatra fa mpiasan’ny Jirama any an-toerana ihany no atidoha nikotrika ity asa ratsy ity, izay nametra-pialana nanomboka ny 4 mey teo, ary tsy fantatra intsony ny momba azy, hatramin’izao. Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny polisim-pirenena sy […]

Faritry ny afovoan-tany: hamirifiry ny alina sy ny maraina

Hidina ambanin’ny 10°C ny mari-pana ho an’ny faritry ny afovoan-tany toy ny eto Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary any Atsimo Atsinanana raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Ahitana fanala mihitsy izany rehefa hadiva haraina ka mila mivonona ny mponina amin’ireo toerana ireo satria tena hamirifiry ny alina sy  ny maraina. Efa tsikaritra […]

Sahirana ny sekoly miahy tena: “Sekoly dimy no voatery nikatona”          

Tsy sasatra miangavy ny fanjakana hijery ny sekoly miahy tena ny fikambanana samihafa. Samy ao anaty fahasahiranana avokoa fa mavesatra kokoa izany ho an’ny mpampianatra eny amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana. Nitohy 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana, mbola ny kilasy manala fanadinana ihany koa no manohy fampianarana amin’izao fotoana izao. Tsy manohitra ny fanohizana […]

Izay tsy mahaloa saram-pianarana: tsy mahazo  certificat de scolarité 

Antony mampisalasala ny ray aman-dreny hanefa ny saram-pianarana ho an’ny kilasy miatrika fanadinana ny tsy fisian’ny toky homen’ny fanjakana fa hotanterahina tokoa ny fanadinana CEPE-BEPC ary ny bakalorea, araka ny fahitan’ny filohan’ny Aile, ivondronan’ny sekoly laika. Raha ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, mifarana ny 30 jona ny taom-pianarana. Vokatry ny hamehana ara-pahasalamana, tsy fantatra […]

Boeny: misokatra ny taom-pamarotana lojy

Boeny: misokatra ny taom-pamarotana lojy

Na eo aza ny tranga Covid-19 sy ny hamehana ara-pahasalamana, mitohy ny fampihodinana ny toekarena any amin’ny faritra Boeny. Nilaza ny lehiben’ny faritra, mpisolo toerana, i  Bazezy V. Clavelah, fa nisokatra, nanomboka omaly 18 mey, ny taom-pamarotana, ny fividianana, ny fanangonana ary ny fanondranana any ivelany ny vokatra lojy mainty maso (black eyes) any amin’ny […]

Depiote mpikambana GPR: laharam-pahamehana ny fambolena, ny fizahantany…

Depiote mpikambana GPR: laharam-pahamehana ny fambolena, ny fizahantany…

Namoaka fehin-kevitra, omaly, ireo solombavambahoaka ao amin’ny GPR (Groupe des Parlementaires Républicains), vondrona parlemantera repoblikana, manoloana ny valanaretina Covid-19. Nasian’izy ireo teny manokana ny fanarenana ny toekarena. Nambaran’ireo depiote mivondrona ao amin’ny GPR ny paikady hanarenana ny toekarena, ravan’izao coronavirus izao. Laharam-pahamehana nosoritan’izy ireo ny sehatry ny fambolena, fizahantany ary ireo orinasa tsy miankina. Betsaka […]

Miatrika valanaretina roa ny ao Boeny: tratran’ny covid-19 ny mpiasan’ny Fitsarana nirahina tany Mahajanga

Ahitana ny coronavirus avokoa izany izao ny faritany enina. Mpiasan’ny Fitsarana namita iraka tany Mahajanga no tratran’ity valanaretina ity, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly. « Tsy misy soritr’aretina izy io. Mipetraka aty Antananarivo fa nirahina niasa any an-toerana… », hoy ny mpitondra teny, ny Pr Vololontiana Hanta. Ankoatra izany, mbola voaporofo fa foiben’ny coronavirus ny […]

Atsimondrano: vita 5 minitra ny sarin-tany

Atsimondrano: vita 5 minitra ny sarin-tany

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny “guichet automatique de certificat de situation juridique et plan ” ho an’ny eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano. Manomboka izao, mahazo sarintany na ny « Plan » sy ny « Certificat de situation juridique » ao anatin’ny dimy minitra ireo tonga maka izany eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eny Anosy. « Anton’izany sy nandraisana ny fepetra  ny […]

Fikasana hanorina valan-javaboahary ao amin’ny Nosy Glorieuses: nampanantsoin’ny MAE  i Christophe Bouchard, ambasadaoro frantsay

  Vaky tanteraka izany ny ady ? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), omaly tamin’ny fampiantsoana ny ambasadaoro Frantsay, i Christophe Bouchard. « Taitra ny fanjakana amin’ny vinavinan’i Frantsa hanangana tahirin-javaboarim-pirenena ao amin’ny Nosy Glorieuses. Toherinay amin’ny fomba hentitra  izany. Miendrika jadona sy tsy fanajana ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana roa tonta momba ireo […]

Sarotiny fa tsy mila ady…

Sarotiny fa tsy mila ady…

Mbola maro ireo mametra-panontaniana amin’ireo teboka sasantsany tao anatin’ny kabarin’ny filoham-pirenena, ny alahady teo. Misy ireo niandry zavatra hafa, ka tsy nifanaraka tamin’izany no henony. Nisy kosa ireo nandray vilana ary maro ireo mbola miandry fanampim-panazavana avy amin’ny fanjakana. Mazava ny mikasika ny ady amin’ny coronavirus: mitohy ary mihahenjana ireo fepetra. Nisy teboka lehibe hafa […]

Tranga nampisahotaka teny Ankazomanga: nitsirara tamin’ny tany ilay lehilahy sempotra tsy nahatsiaro tena

Tranga nampisahotaka teny Ankazomanga: nitsirara tamin’ny tany ilay lehilahy sempotra tsy nahatsiaro tena

Taorian’ny fizahana maimaika nataon’ireo mpitsabo avy eny amin’ny Foibem-pibaikoana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus (CCO), nentina avy hatrany eny amin’ny Hopitaly manara-penitra, CHU Andohatapenaka ilay lehilahy nitsirara tamin’ny tany, sempotra tsy nahatsiaro tena. Tranga nampisahotaka teny Ankazomanga, omaly maraina. Hatairana ny an’ny mponina eny Ankazomanga, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany.  Raim-pianakaviana […]

Tselatra

Nipoaka ny basy teny Ambohijanamasoandro Itaosy, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Nahazo antso ny polisy nanao fisafoana nijery ny zava-nisy. Fantatra fa saika hanafika ireo jiolahy ka nanapoaka basy. Namaly poa-basy anefa ny olona izay manana basy tao an-toerana. Vokany, nitsoaka ireo jiolahy ary tsy tanteraka ny asa ratsy saika nataony. […]

Nandritra ny fihibohana: nihena ny lozam-pifamoivoizana

Nihena ny lozam-pifamoivoizana hatramin’ny nisian’ny fihibohana, raha ny tatitra voaray teny amin’ny tompon’andraikitry ny polisy misahana izany eny Tsaralalana, omaly. Nahatratra 43 izany, nanomboka ny 23 marsa hatramin’ny 17 mey teo. Niisa sivy ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ary 10 ny isan’ireo namoy ny ainy tamin’izany. Mitotaly 32 kosa ireo loza naharatrana olona ary miisa 40 […]

KMF/Cnoe: « Aoka ho hentitra amin’ny fampananjana ireo fepetra »

KMF/Cnoe: « Aoka ho hentitra amin’ny fampananjana ireo fepetra »

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KFM/Cnoe, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny ady atao amin’ny Coronavirus. « Aoka ho hentitra tanteraka ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany amin’ny fampiharana sy ny fampanajana ireo fepetra fiarovana ho an’ny olom-pirenena mpitondra sy ny olom-pirenena entina », hoy izy ireo. Fampidinana ny vidin-tsolika Takin’izy ireo koa ny hanamaivanana ny olana sosialy ka sokafana […]

Antsiranana: voasazy manadio fasana izay tsy manao arotava

Hafa kely! Hentitra ny mpitandro filaminana  amin’ireo olona minia sy/na mafy loha tsy mety manao arotava, amin’izao fihanaky ny valanaretina Covid-19 izay efa namoizana ain’olona iray izao. Nomena baiko rahateo izy ireo ka manatanteraka izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Ho an’ny any Antsiranana manokana, asaina manadio fasana ireo izay tratra tsy manao arotava, araka ny […]

Fitantanana ny Antenimierandoholona: mihozongozona indray ny sezan-dRakotovao Rivo

Fitantanana ny Antenimierandoholona: mihozongozona indray ny sezan-dRakotovao Rivo

Miala any indray ny fikononkonona ny hanonganana amin’ny toerany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo. Efa misy ny fivorivoriana mandeha any ambadika any, amin’izao fotoana izao, raha ny tsilian-tsofina etsy sy eroa. Na izany aza, nilaza ho tsy mahalala izany ireo loholona mpikambana eo anivon’ny antoko HVM, misy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity. Nitondra fanazavana kosa anefa  […]

Analamahitsy: tratra ireo mpangalatra vy fametahana doka varotra

Analamahitsy: tratra ireo mpangalatra vy fametahana doka varotra

Ireo andry vy mitondra ny takelaby fasiana doka varotra indray no robain’ny jiolahy. Roa lahy mpanao izany asa ratsy izany no tratran’ny polisy teny Analamahitsy, ny alahady alina teo. Efa natolotra ny fitsarana izy ireo ary nidoboka am-ponja. Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra andry […]

Judo – TIVA: tokony ho natao ny avrily teo

Taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, tokony ho natao ny volana avrily, tsy tontosa ihany koa ny Tiva (Tournoi international de la ville d’Antananarivo), andiany faharoa, izay amin’ity volana mey ity ny nikasana hanatanterahana izany. Iaraha-mahalala, mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika eto Madagasikara, haharitra hatramin’ny faran’ny volana. Ankoatra izay, amin’ny maha fifaninanana iraisam-pirenena azy, tsy […]