Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Afrique Australe 2019»: nahazo fandresena telo ny Malagasy

Tenisy – «Afrique Australe 2019»: nahazo fandresena telo ny Malagasy

Tsara fanombohana, ny Malagasy teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, isan-tarika, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Fihaonana, tanterahina ao Bulawayo, Zimbaboe. Lalao, natokana ho an’ireo sokajy zandriny, U12. Avy hatrany dia nahazo fandresena telo i Madagasikara, tamin’ireo fihaonana nataony, ho an’ny vondrona «A», misy azy, nikatrohany tamin’i Namibia. Teo amin’ny olon-tokana, […]

Atletisma –15 km de Tana: hatao ny alahady ho avy izao

Hotanterahina, ny alahady 24 marsa ho avy izao, ny hazakazaka “15 km de Tana”. Fihaonana, karakarain’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Hatao manodidina ny tananan’Antananarivo, ity hazakazaka ity. Hisy sokajy telo ny fifaninanana dia ny an’ireo ankizy madinika sy ny olon-tsotra ary ny an’ireo atleta efa manana kara-pilalaovana. Araka izany, misokatra ho an’ny rehetra ny “15 km […]

Sabotsy Namehana: niakatra 700 Ar ny saran-dalana

Sabotsy Namehana: niakatra 700 Ar ny saran-dalana

Niakatra avokoa. Anisan’ireo nampiakatra ny saran-dalany koa izany izao ny zotra fitaterana mampitohy an’Antananarivo  Renivohitra sy ny eny Sabotsy  Namehana. Nampiakarin’izy ireo ho 700 Ar izany, raha 400  Ar izany teo  aloha. Nihatra nanomboka, omaly  izany. Ho  an’ny mampitohy an’Antananarivo sy Ambohimangakely kosa, nisondrotra ho  500 ar izany ary hanomboka hihatra ny 31 marsa ho […]

HJRA-Fitsaboana: mitaraina ny manana ny maty  

  Voadonan’ny fiara teo am-pitondrana moto, ny alatsinainy heriny lasa teo  ny tovoloha  iray ary nampidirina etsy amin’ny HJRA . Nambaran’ny fianakaviana fa anton’ny namoizany ny  ainy, ny alahady  teo ny tandrevak’ireo mpianatra ho dokotera. « Tena voa mafy ny tongony.  Tsy nisy naratra teny amin’ny vatany. Mahagaga anefa fa lisitra amina kahie ny fanafody […]

Rivodoza Idai: ahina ho tafakatra 1.000 ny maty tany Mozambika 

Rivodoza Idai: ahina ho tafakatra 1.000 ny maty tany Mozambika 

Ny alin’ny 14 hifoha 15 marsa teo no nandalo tao Mozambika ilay rivodoza Idai, izay efa nielingelina tany avaratra andrefan’i Madagasikara, herinandro lasa izay. Nandravarava ny rivo-mahery sy ny ora-nikija, nentin’ity andro ratsy ity, tany amorontsirak’i Mozambika sy tany Zimbaboe. Hatramin’izay, tsy mbola misy isa mazava sy voamarina mikasika ireo olona maty vokatr’izany loza izany. […]

Tetikasa Asotry: nihatsara ny fiahiana ara-tsakafon’ny tokantrano 50 000

Tetikasa Asotry: nihatsara ny fiahiana ara-tsakafon’ny tokantrano 50 000

Hifarana ny volana septambra ho avy izao ny tetikasa Asotry fampihenana ny tsy fisian’ny fiahiana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano na Asotry. Miasa amin’ny faritra telo izay ahitana tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ambony ny tetikasa, nanomboka ny taona 2014. Nahitam-pahombiazana ny asa. Ho an’ny faritra Matsiatra Ambony, 65,2% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, mahatratra 64% kosa ho an’ny […]

RN 44: manampy ny BNGRC

RN 44: manampy ny BNGRC

Nisesy ny rotsak’orana andro maromaro izao. ”Aleo misy toy izay tsy misy”, hoy ny tantsaha zokiolona iray. Ny olana anefa ny fotaka amin’ny toerana maro amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN-44). Ny tena mandrevo sy lalim-potaka indrindra ao ambaniatsimon’Andranokobaka, ora telo sy sasany, avy ao Moramanga. Tsy maintsy atosika ny fiara vao afaka. Manafaingana ny fahasimban’ny làlana […]

LFR 2019: arakaraka ny laharam-pahamehana

Natao teny Anosy, omaly, ny fakan-kevitry ny Fiarahamonim-pirenena (OSC), mikasika ny Tetibola nasiam-panitsiana LFR 2019. Nikarakara azy ny fitantanana foibe misahana ny vola sy ny raharaha ankapobeny (DGFAG) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola (MEF). Natao ity fihaonana ity hanangonana ny hevitra sy ny fijery ary ny fanamarihana avy amin’ny OSC amin’ny famolavolana […]

Taolagnaro: natomboka ny tetikasa Defis

Taolagnaro: natomboka ny tetikasa Defis

Nosantarina tany Taolagnaro, omaly 19 marsa, ny tetikasa fampandrosoana ny seha-pihariana fambolena andraisan’ny rehetra anjara (Defis), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono (Maep). Voakasik’ity fandaharanasa ity ny faritra valo, indrindra ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ka anisan’izany, Anosy, Androy, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe. Tanjon’ny Defis […]

Distrikan’i Betroka: tsara ny voly vary noho ny orana

Distrikan’i Betroka: tsara ny voly vary noho ny orana

Ho afa-pahasahiranana ny tantsaha any Betroka satria tsara ny fambolem-bary vokatry ny hamaroan’ny rotsak’orana. Sahirana anefa izy ireo amin’ny famoaham-bokatra satria ratsy ny lalam-pirenena faha-13 mankany an-toerana. Faly ny tantsaha any Betroka noho ny fahamaroan’ny orana, nanomboka ny volana janoary hatramin‘izao, ary firarian’izy ireo ny hitohizan’izany hatrany amin’ny volana avrily. Manampy azy amin’ny fambolem-bary izany, […]

Firotsahana ho depiote: miahiahy ny mpanolontsain’ny CUA

Firotsahana ho depiote: miahiahy ny mpanolontsain’ny CUA

Manahy mafy amin’ny mety ho antsojay. Anisan’ireo kandidà  nirotsaka amin’ny anaran’ny  tsy miankina eto an-dRenivohitra  ny  mpanolotsain’ny tanàna iray eo anivon’ny kaominina  Antananarivo Renivohitra  (CUA). Tsy azoazon’ireo lehibe sy ny mpitantana sasany avy any ambony izany noho ny tsy fanarahana ny toromarika na ny baiko ka tonga  amin’ny fandrahonana amin’ny mety hanesorana azy tsy ho […]

Kandidà minisitra: « Mihataka amin’ny asany

Kandidà minisitra: « Mihataka amin’ny asany

« Araka ny lalàna 2018-008 momba ny fifidianana, misy ny tovona izay tsy milaza manokana ny amin’ny hoe: tafiditra ao amin’ny asam-panjakana ambony tsy maintsy mametra-pialana ve ny minisitra? Rehefa jerena kosa ny fototr’io lalàna io, hita fa heverina ho miala ho azy ny minisitra rehefa voafidy ho solombavambahoaka. » Izay ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, […]

Minisiteran’ ny Raharaham-bahiny: hofoanana ny pasipaoro tsy mbola naverina

Mbola nampahatsiahy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Handraisana fanapahan-kevitra, hofoanana ireo pasipaoro diplaomatika tsy mbola naverina eny anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, manomboka amin’ny herinandro.  Efa nialohavan’ny fampilazana mialoha izao izao fandraisana fepetra izao.  Tsy maintsy ampifanarahina amin’ny lalàna  efa nivoaka ny momba izao, amin’ireny fivoahana any ivelany ireny. Haverina avy hatrany eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny 15 […]

CFM: « Hatao vakoka iraisam-pirenena ny fihavanana malagasy » 

CFM: « Hatao vakoka iraisam-pirenena ny fihavanana malagasy » 

« Fanambarana nataoko mba hampidirana ny fihavanana ho vakoka tsy misy vatana, ho vakoka iraisam-pirenena. Efa manana vakoka iraisam-pirenena hita vatana isika toy ny Rovan’Ambohimanga, ny fahaiza-manaon’ny foko Zafimaniry… «  Io ny nambaran’ny filohan’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, teny Ampefiloha, afakomaly, momba ny fampihavanam-pirenena izay efa irosoana. Ao anatin’ny fivoriambe ara-potoana voalohany rahateo […]

Fifidianana depiote: 803 no isa faran’ny kandidà depiote

Fifidianana depiote: 803 no isa faran’ny kandidà depiote

Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahaoka. Miisa 803 ireo kandidà, izay avy amin’ny tsy miankina avokoa ny 517.   « Amin’ny ankapobeny, mahatratra 862 ny isan’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina voaray tamin’ireo rafitra mpanamarina sy mpandrakitra an-tsoratra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec) 119 manerana an’i Madagasikara. » Io no fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Nanisana, omaly, tamin’ny fanambarana […]

« Rencontres du film court »: ho maromaro ny zava-baovao

« Rencontres du film court »: ho maromaro ny zava-baovao

Hotanterahina, afaka iray volana katroka (19 -27 avrily), ny andiany faha-14 amin’ny “Festival Rencontres du film court”, hetsika tsy zovina intsony ho an’ny mpankafy horonantsary malagasy. Mipetraka hatrany ireo fandaharam-potoana nahazatra ny mpanaraka ity “festival” ity hatramin’izay. Misy koa anefa ny zava-baovao, heverina fa hahaliana ny maro, mandritra ny hetsika. Anisan’izany ny “Worldwide issues”, fotoana […]

« Festival du rire »: hitarika ireo seminarista i Honorat

« Festival du rire »: hitarika ireo seminarista i Honorat

Mahavita mampihomehy ihany koa ireo seminarista… Izay tsy mino izany, afaka manamarina amin’ny 7 avrily ho avy izao, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hotontosaina amin’io fotoana io tokoa mantsy ny “Festival du rire”, hetsika izay iompana amin’ny hatsikana manontolo, hokarakarain’ireo seminariste zandriny eny Ambohipo. Fantatra fa sady hanentana no hitarika ireo seminarista hifandimby an-tsehatra amin’io fotoana […]

Paritana andiany fahatelo: ho fantatra rahampitso ny mpandresy

Paritana andiany fahatelo: ho fantatra rahampitso ny mpandresy

Anisan’ny hanamarika ity herinandro ity, eo amin’ny tontolon’ny zavakanto, ny fampahafantarana amim-pomba ofisialy ny mpandresy amin’ilay fifaninanana ahazoana ny loka Paritana. Hotanterahina, rahampitso etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana mahakasika izany. Hanolotra ny loka i Dwa, mpandresy tamin’ny andiany faharoa. Raha tsiahivina, miisa 10 ireo miatrika ny famaranana amin’ity fifaninanana ity. […]

Hasina Ratera: miara-dia ny mozika sy ny tononkalo

Hasina Ratera: miara-dia ny mozika sy ny tononkalo

Fikarohana vaovao! Manome lanja ny maha Malagasy. Manasongadina mozika sy ny tononkalo ao anatina sanganasa tsirairay. Hasina Ratera manomboka mametraka ny anarany sy ny kanto ataony eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy… Teo amin’ny faha-16 taony i Hasina Ratera no nanomboka nanakorisa ny penina hanjary tononkalo. Mitohy mandraka ankehitriny izany. Rehefa nigadona ny faha-22 taony, nifoha […]

FIGN: hatao veloma farany ny GST Rakotomalala Dera  

FIGN: hatao veloma farany ny GST Rakotomalala Dera   

  Ho tanterahina anio eny FIGN Fort Duchesne amin’ny 7 ora maraina ny fanaovam-beloma farany ny gendarme stagiaire (GST) Rakotomalala Dera Théogène niasa tao amin’ny EP3 FIGN izay lavon’ny dahalo tao Antsirasira, kaominina ambanivohitr’i Betrandraka  distrikan’i Tsaratanàna, ny 18 marsa 2019 lasa teo. Tsiahivina fa nahazo loharanom-baovao momba ny fisiana asan-dahalo tany amin’iny faritra iny ny […]

Sokatra miisa 551: tambajotra matanjaka ireo mpanao trafika

Sokatra miisa 551: tambajotra matanjaka ireo mpanao trafika

Nisy olon-tsotra nampandre ny zandary tany Mahajanga, fa misy sokatra tahirizina ao amin’ny trano iray any Tsararano Mahajanga, ny 26 avrily 2018. Tonga tao ny zandary ary tratra tao ny sokatra miisa 551. Voarohirohy ary notazonina ny olona roa, Rtoa A., nilaza fa mpiandry trano sy ny tompon-trano, Dj. Nisy olona hafa koa karohina, D., […]

Tselatra

Nahazo fitaovana hiadiana amin’ny asan-dahalo, araka ny fampanantenana avy amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ireo mpitandro filaminana miasa any Betroka. Fitaovana nahitana moto miisa 77 sy drones miisa fito. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny avy amin’ny PNUD izay mifandraikitra indrindra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahelamana any amin’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo izao fanolorana fitaovana ny […]

Mahatsinjo: taksiborosy iray notahifin’ny jiolahy

Mahatsinjo: taksiborosy iray notahifin’ny jiolahy

Andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamina fanafihana teny amin’ny RN 4 tao amin’ny fokontany Manjakavarandrano, kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanana, ny herinandro lasa teo. Raha ny fampitam-baovao voaray, taksiborosy avy any Mahajanga hihazo aty an-dRenivohitra ity niharan’ny fanafihan-jiolahy ity rehefa avy nosakanana vatobe ny arabe. Araka ny fanazavan’ny mpandeha iray, vao niala kely ny […]

Andrangy: MD ilay jiolahy nanolana zaza tsy ampy taona nandeha natsaka

Andrangy: MD ilay jiolahy nanolana zaza tsy ampy taona nandeha natsaka

Nidoboka am-ponja vonjimaika (MD) rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo ilay jiolahy nanolana zazakely tsy ampy taona, 11 taona tao Andrangy kaominina ambonivohitr’i Soavinandriana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy any an-toerana, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fametavetana zazavavikely tsy ampy taona ity jiolahy ity. Telo volana lasa izay no nifampitadiavan’ny polisy ity jiolahy ity […]

Soavinandriana: nidoboka am-ponja ilay miaramila tratra namaky trano

Soavinandriana: nidoboka am-ponja ilay miaramila tratra namaky trano

Io sahady indray koa! Miaramila iray indray tratra namaky trano tany Soavinandriana Itasy. Naiditra am-ponja vonjimaika izy rehefa avy natolotra ny fampanoavana… Nidoboka am-ponja vonjimaika ny jiolahy raindahiny amin’ny famakiana trano tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana Itasy. Nisy trangana vaky trano tao Soavinandriana an-tampon-tanàna tamin’io fotoana io ka voarohirohy ho isan’ireo tompon’antoka tamin’izany ity […]