Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanohanana fampianarana any Atsimo : nanome 4,16 tapitrisa dolara i Norvezy

Nanome fanampiana vaovao ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara ny fanjakana norvezianina ary vita ny volana jona lasa teo ny fa­naovan-tsonia ny tohana. Mitentina 4,16 tapitrisa dolara ny sorabola hampiasaina mandritra ny enim-bolana faharoa, amin’ity taona ity hanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 eo amin’ny fampianarana. Hi­antefa amin’ny faritra telo izany : Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana ny […]

Fisandohana ben’ny Tanàna : naiditra am-ponja koa ny Sefo Zap

Olona miisa dimy naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ ny fonjan’i Maevatanana, afakomaly, taorian’ny fampanoavana. Voarohirohy tamin’ny fisandohana ny ben’ny Tanàna ao an-toerana izy ireo. Tafi­ditra ao anatin’ny raharaha ihany koa ny Sefo Zap ao amin’ny kaominina Mahazoma Maevata­nana, natao fitaovana hifampiresahana tamin’ilay kolonely saika hosolokina. Voasarin­gotra anatin’ny raharaha maha­voarohirohylehilahy iray vao 22 taona nisandoka ho […]

Miaraka amin’ny PAM : mitohy ny fizarana Tosika fameno

Miverina mihiboka ny faritra Analamanga hisorohana ny fiakaran’ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Covid- 19. Ho fanampiana ireo olona marefo eto an-dReni­vo­hitra, niditra amin’ ny andiany faharoa ny fizarana Tosika fameno, ny alatsinainy lasa teo miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka : PAM, minisiteran’ny Mponina, BNGRC ary ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Vola 100 000 Ar no zaraina ho an’ny tokantrano marefo ary […]

Fenoarivo Atsinanana : jiolahy naha­trarana basy sy lavanila halatra 78 kg

Ny 15 jolay ho avy izao vao hisokatra ny taom-piota­zana vokatra lavanila ho an’ny faritra Analanjirofo. Mano­loana izany, miseholany ny tsy fandriampahalemana ary nilaza ny tsy handefitra amin’izany mihitsy ny zandary ao Fenoa­rivo Atsinanana. Efa misy ra­hateo ny paikady manokana napetrak’izy ireo hiatrehana izany. Nahitam-bokany izany satria jiolahy iray nahatrarana lavanila masaka milanja 78 kg […]

Dokambarotra amin’ny fitsaboana : noraràna ny an’ny Fitrama tarihin’i R. Jean Nirina

Tsy mpikambana ara-da­làna ao amin’ny ANTM ny Fi­trama. Voarara ny fanao­vana dokambarotra momba ny fitsaboana nentim-paharazana sesilany amin’ny haino aman-jery, indrindra amin’ izao vanimpotoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao. Namoahan’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka taratasy manokana mihitsy ny fandrarana ny dokambarotra sesilany amin’ny haino aman-jery, ataon’ny fikambanana Fi­trama, tarihin’ny filohany Ra­fanomezantsoa Jean Nirina. Voararan’ny lalàna ny fa­naovana karazana […]

Tsenan’Andravoahangy: nidina an-tsehatra nampody ireo mpivarotra ny polisy

Niroso tamin’ny fandravana tsena ny polisy. Nampodiana avokoa ireo mpivarotra sy ny olona nifamezivezy rehetra rehefa tonga ny ora ahafahana mivezivezy, omaly. Noravana ny tsena ary nampodian’ny polisy avokoa ireo olona mbola nifanaretsaka rehefa tonga ny ora tokony hodiana any an-trano. Nidina an-tsehatra nanao fanentanana sy nandrava ireo mpivarotra ary nanampy azy ireo tamin’ny fangoronan’entana […]

Ranesa Firiana : “Mila fandraisana andraikitra ny fitsarana mpitondra ambony”

“Mba tsy ho sakana amin’ny asam-pitsarana, andraikitry ny solombavambahoaka ny mandray izay fanapahan-kevitra izay. Mba hahazoana mamaly mivantana sy mampahafantatra ny olom-pirenena izay voakasiky ny raharaha izany” hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, ny amin’ny tsy handinihan’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimieram­pi­re­nena nandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany teo ny antontan-taratasy mahakasika ireo mpitondra ambony tokony hotsairana […]

Asam-pitsarana : tsy misy ady madio sy ady heloka…

Asam-pitsarana : tsy misy ady madio sy ady heloka…

“Misy fepetra manokana ny fitsarana ho an’ny faritra Analamanga, Vakinan­ka­ra­tra, Alaotra Mangoro, Atsi­na­nana, Analanjirofo. Misy ny fiandrasan-draharaha atao amin’ireo, fa mijanona avokoa aloha ny asam-pitsarana, na ady madio na ady heloka tsotra.” Izay ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, ny amin’ny dingana sy fomba arahina amin’ny raharaham-pitsarana. Satria tsy maintsy arahina an-tsakany […]

Fifindran’ny valanaretina : eto Antananarivo ny 215 amin’ireo tranga vaovao 222

Fifindran’ny valanaretina : eto Antananarivo ny 215 amin’ireo tranga vaovao 222

Mbola lohalaharana ha­trany. Miisa 222 ireo nifindran’ny covid-19, araka ny tatitry ny CCO, omaly. Avy eto Antananarivo ny 215 amin’ireo. Mitsinjara ho 210 ho an’ny faritra Analamanga raha telo avy any Vakinan­ka­ratra ary roa kosa avy any Itasy. Nidiran’ny coronavirus koa ny any Nosy Be nahitana tranga iray vaovao tany Atsinanana raha efa tsy nisy […]

Tena ady fa tsy sarin’ady izao…

Tena ady fa tsy sarin’ady izao…

Fanazaran-tena amin’ny ady ny hoe sarin’ady, na tsy tena ady fa endri-javatra ivelany ihany. Tsy sarin’ady izao ady amin’ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus izao. Anisan’ny ao anatin’ny fahaizana miady sy hahombiazana amin’izany ny fanovana paikady, arakaraka ny fisehon’ny ady. Mby aiza àry ny ady amin’ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus, amin’izao? Tsy misy tsy mahalala sy […]

Tsy nandaitra ny herin’ilay mpampandro dahalo: mpanao odibala, maty voatifitra

Tsy nandaitra ny herin’ilay mpampandro dahalo: mpanao odibala,  maty voatifitra

Mpampandro dahalo sy malaza ho mpimasy mpamatsy odigasy sy odibala ireo dahalo no lavon’ny balan’ny zandary tao Anterimihila, kaominina Mahazoarivo, distrikan’Isandra, ny faran’ny herinandro teo. Basy Kalachnikov iray sy basy vita gasy telo tratra… Nahazo angom-baovao ireo zandary miasa ao amin’ny borigady Ma­ha­zoarivo fa nisy nahatsikaritra ao an-toerana ity mpimasy mpampandro dahalo ity sady lehiben’ireo […]

Kick Boxing-Maitre Gildas: manome fampikotranana an-trano

Kick Boxing-Maitre Gildas: manome fampikotranana an-trano

Miroborobo amin’izao fotoan’ny fihibohana izao ny fanaovana fanazaran-tena sy fikotranana ao an-trano noho ny tsy fahafahana manatona ireny toeram-pikotranana ireny. Maro ireo manam-pahaizana manokana sy mpampikotrana no te hizara ny traikefany sy hanampy ny mpiara-belona aminy, isan’izany i Maitre Razanajatovo Gildas André, isan’ireo kalaza teo amin’ny taranja Kick Boxing. Ho fanampiany ireo mpanao fanatanjahan­tena manome […]

Kitra any Alemaina: novidian’ny Bayern de Munich i Sané

Niverina any amin’ny tanindrazany any Alemaina ilay mpilalao baolina kitra, i Leroy Aziz Sané. Tontosa ny zoma lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo aminy sy ny Bayern de Munich. Hilalao ao amin’ity ekipan’ny renivohitr’i Alemaina ity ny tovolahy, manom­boka izao ary hiatrika ny fifaninanam-pirenena alemà na ny Bun­desliga. Haharitra hatramin’ny 30 jona 2025 ny faharetan’ny fifana­rahan’ny […]

Fankatoavana ny fepetra: mankasitraka ny fahendren’ny mpanao fanatanjahantena ny minisitra

Isan’ireo manana ny andraikiny amin’izao toe-draharaha, amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Coronavirus eto Madaga­sikara izao, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Manoloana izany, tsy mitsahatra ny manentana ny tontolon’ny fanatanjahantena ny minisitra Tinoka Roberto amin’ny fanajana ny fepetra, toy ny tsy fahafahana mikarakara hetsika fanatan­jahantena, mikatona avokoa ihany koa ny toeram-pikotranana sy ny dojo rehetra, ho an’ny […]

Kitra – «Orange Pro league»: hihemotra indray ny fiverenan’ny fifaninanana

Manahy ny tsy hisian’ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”  ny rehetra. Mbola hihemotra indray mantsy ny fiverenan’ny fihaonana. Raha heverina fa amin’ny volana aogositra ho avy izao no hanohizana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara “Orange pro league”, taranja baolina kitra, tsy ho tanteraka indray izany. Anton’izany […]

Fanoratana tononkalo, tantara…: “Miankina amin’ny fatran’ny talenta izy io”, hoy i Eric Ravalisoa

Nanompana ny ankamaroany ny asa sorany any amin’ny tantara foronina i Eric Ravalisoa. Misy ihany ny tononkalo fa vitsy dia vitsy raha ny fanazavany. “Miankina amin’ny fatran’ny talenta ao amin’ny tsirairay ny mahatonga izany”, hoy ity andrarezin’ny asa soratra malagasy ity. Mizara telo izy io raha ny fanazavany hatrany. Ireo talenta hanoratra mahavaky ilay fotoana. […]

Kolontsaina malagasy: ny fandrosoana tsy hoenti-manary ny fototra

Kolontsaina malagasy: ny fandrosoana tsy hoenti-manary ny fototra

Mandroso, hono, ny kolontsaina malagasy ! Mivoatra, hono, ny mpanakanto ankehitriny! Manana saina tia karokaroka, hono, ny mpikirakira ny kanto eto Madagasikara! Sns. Mety ho marina ihany ireo raha… … Jerena amin’ny voka-kanto mifanaretsaka etsy sy eroa, maharaka fandrosoana ny zavakanto malagasy. Rehefa mety ho zavakanto, toa ahitana io tranga io avokoa. Ny kabary, efa […]

Fakafaka: Aiza ilay kolontsaina malagasy ?

Mahay miray hina e ! Trano atsimo sy avaratra e !, Voin-kava-mahatratra e! Tanan-kavia sy havanana e ! Aza ny lohasaha mangi­na no jerena e ! sns ! Kolontsaina malagasy avokoa ireo fa tsy zava-baovao nentin’ny vahiny akory. Ankehitriny, mandalo fotoan-tsaro­tra ny firenena. Nankaiza avokoa ireo? Zary misongadina ny fanara­rao­­ta­na, ny tsindrio fa lavo… Sa ve miankina amin’ny zava-mi­tranga ny […]

Faritra Sofia: nitotongana ny vidin’ny lavanila

Distrika dimy ao amin’ny faritra Sofia mamokatra lavanila betsaka. Ahitana izany ny any Befandriana Avaratra, Mandritsara, Analalava, Antsohihy, Bealanana. Any Port Bergé sy Mampikony ihany no tsy ahitana io vokatra io ao amin’ny faritra Sofia. Mampitaraina ny mpamboly ny vidim-bokatra latsaka ambany, 50 000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso, raha 200 000 Ar izany ta­min’ny taon-dasa. Talohan’io […]

Jirama: vahana eo no ho eo ny olan’ny faktiora

Jirama: vahana eo no ho eo  ny olan’ny faktiora

Efa miasa ireo ivontoerana manokana manerana ny masoivohon’ny Jirama, miisa enina eto Antananarivo. Nidina ifotony tetsy amin’ny masoivoho Ambatonakanga ny tale jeneraly, Andriamanga Vonjy, omaly, nijery ny fizotry ny asa. Am-perinasa ny tranoheva manokana, mandray ny mpanjifa manana faktiora tsy araka ny fandaniana ka manitsy izany. Vahana eo no ho eo ny olana amin’ny fidangan’ny […]

Fampiharana ny fepetra: miasa amin’ny 2 ora – 8 ora alina ireo mpitatitra entana

Fampiharana ny fepetra: miasa amin’ny 2 ora – 8 ora alina ireo mpitatitra entana

Voafetra ny fotoana ahafahan’ny fiara mitatitra entana mivezivezy sy ny isan’ny olona manaraka ny mpamily. Na tsy miasa aza ny taxi-be, tsy tena manome vahana ny taxi izany, satria vitsy koa ny olona tena mila azy, afa-tsy ny hamehana. Hentitra ny fepetra amin’ny fivezivezen’ny fiara eto amin’ny faritra Analamanga. Tsy afaka miasa daholo ny taxi-be […]

Tetiandro: ho fantatra aorian’ny 20 jolay ny datim-panadinana

Aorian’ny fiafaran’ny hamehana ara-pahasalamana fahasivy, ny 20 jolay ho avy izao, hanambara ny tetiandron’ny fanadinana ofisialy ny fanjakana, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriantongarivo Lalatiana. Betsaka ny ray aman-dreny sahiran-tsaina momba izay ka mila vaovao marim-pototra. Nanambara kosa ny teo anivon’ny sampandraha­raha misahana ny fampianarana katolika fa tsy hotontosaina indray ny […]

Fiaraha-miasan’ny CCO sy ny CUA: misy toerana roa hanitrihana razana eny Anjanahary

Fiaraha-miasan’ny CCO sy ny CUA: misy toerana roa hanitrihana razana eny Anjanahary

Misy lamina napetraka handevenana ireo faty tsy afaka mivoaka ny faritra Analamanga ao anatin’ny 15 andro manaraka. Tokony hanaraka izany ny fianakaviana manana razana.  Araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, nandritra ny faran’ny herinandro teo, tsy afaka mivoaka sy miditra ny faritra Analamanga intsony ny fiara ka tafiditra ao anatin’izany koa ireo mitondra […]

“Plateforme digital” : fitaovana hitantanana ny fivoaran’ny Coronavirus

Afaka miasa manomboka rahampitso ny plateforme digital ahitana ny antontan-kevitra telo lehibe momba ny fitantanana ny fivoaran’ny valanaretina Covid-19, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Ahmad Ahmad teo amin’ny fahitalavitra nasionaly, ny alahady lasa teo. Ho fantatra ao anatiny ny tahiry rehetra momba ny fitaovana sy ny toerana misy azy ny fiara mpitatitra […]

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Malagasy sy vahiny 213 nampodiana eto Madagasikara

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Malagasy sy vahiny 213 nampodiana eto Madagasikara

Miisa 213 ireo teratany malagasy sy vahiny tonga ary niverina an-tanindrazana, notsenaina teny Ivato, omaly. Tsy maintsy nampanarahana fepetra avokoa anefa izy ireo hisorohana ny mety ho fihanaky ny valanaretina.  Avy any Amerika, Londres, Ejypta, Brezila ny maro amin’izy ireo. Nambaran’ny mpandrindra ny CCO ny Jly Andriankaka Elack Olivier nitsena azy ireo fa efa misy […]