Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa miova izao ny atao…  

Efa miova izao ny atao…  

        Taona itsy, itsy ny lalana; taona ity, ity ny lalana… Misy ve ny fiovana sy ny fanovana? Eo am-perinasa ny fitondrana amin’izao. Ny voany no ahalalana sy itsarana ny hazo, hahitana ihany koa izay azo raisina amin’ny vokatra amin’izany. Misy ny fiovana sy ny fanovana amin’ny fomba fiasa sy ny fitantanana; eny, na ny fomba […]

Fanolanana ankizivavy sivy taona: nidoboka am-ponja i Eddy, polisy kaominaly

Fanolanana ankizivavy sivy taona: nidoboka am-ponja i Eddy, polisy kaominaly

  Nidoboka avy hatrany am-ponja taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana ao Fenoarivo Atsinanana, ny alakamisy lasa teo, ilay polisy kaominaly antsoina hoe Eddy, miasa ao anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Vavatenina… Taorian’ny fahavotsoran-dRatiarisonina Nirina, fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe Eddy, polisy kaominaly ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Vavatenina, ny 2 janoary lasa teo noho […]

Kitra – «Can 2021»: Niova ny datin’ny lalao fifanintsanana ho an’ny Barea

Kitra – «Can 2021»: Niova ny datin’ny lalao fifanintsanana ho an’ny Barea

Noho ny fiovan’ny daty hanatontosana ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2021”, tanterahina any Kameronina, ny 9 janoary ka hatramin’ny 6 febroary, amin’ny taona ho avy , nisy fanamboarana ihany koa ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ireo ekipam-pirenena rehetra. Anisan’ireo voakasik’izany, ny Barea de Madagascar, ho an’ny vondrona “K”. Araka izany, naroso avokoa […]

Rugby – «Gold Top 20»: hiatrika ny CCCOI izay tafita amin’ny famaranana

Rugby – «Gold Top 20»: hiatrika ny CCCOI izay tafita amin’ny famaranana

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny lalao manasa-dalana, hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “Gold Top 20”. Hiatrika ny CCCOI ireo ekipa roa tafita amin’ny famaranana. Ho fantatra rahampitso alahady 19 janoary, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo ekipa roa tafavoaka ka hanao ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, na ny “Gold […]

Tenisy – «Afrique Australe U14»: manohy ny lalany ny ekipa vehivavy

Tenisy – «Afrique Australe U14»: manohy ny lalany ny ekipa vehivavy

Nitohy omaly zoma, tany Windhoek Namibia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo na ny “Afrique Australe”, taranja tenisy ho an’ny ekipa isan-tarika, lahy sy vavy. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy zandriny U14. Manohy ny lalany ny ekipam-pirenena vehivavy. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 3 no ho 0 i Botsoana. […]

Cnaps: mpiasa 66 nomena mari-boninahitra

Cnaps: mpiasa 66 nomena mari-boninahitra

Nankasitrahana ny mpiasa nahavita be tao amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Miisa 66 izy ireo notolorana mari-boninahitra, commandeur de l’ordre national (1), officier de l’ordre national (42) ary chevalier de l’ordre national (23). Nanolotra izany ny mpitantana ny CNaPS, notronin’ny minisitry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam- panjakana ary ny lalàna sosialy (MTEFPLS), […]

AVG: nitohy tany Andasibe ny fambolen-kazo

AVG: nitohy tany Andasibe ny fambolen-kazo

Mitohy ny fankalazana ny fahafolo taon’ny Alliance voahary gasy (AVG), nosantarina ny desambra 2019 teo. Efa nisy ny fambolen-kazo natao teny amin’ny Saf FJKM Soavina Ambanintsena, ary nitohy koa ny hetsika, omaly 17 janoary tany Andasibe Moramanga, notarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razakamanarina Ndranto. Miisa 500 ny zana-kazo nambolena, ka maherin’ny 50 ny nandray anjara nahitana […]

ORTM – Fanalana ireo mpiasa ECD : “Tsy maintsy miroso fa tsy hiaina gaboraraka foana”

Hentitra ny valin-kafatry ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana. “Misy ny fanovana tiana hapetraky ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana, mahakasika ny fanadiovana ny asam-panjakana. Tsy maintsy niroso tamin’izany koa izahay fa tsy hiaina anaty gaboraraka foana”, hoy izy, nanoloana ny mpanao gazety, teny amin’ny birao fiasany teny Nanisana, omaly. 52 ny isan’ireo mpiasa […]

Asa fanaovan-gazety: hisy ny fampiofanana ho matihanina

Asa fanaovan-gazety: hisy ny fampiofanana ho matihanina

Fampitomboana ny lenta, mba ho matihanina kokoa ireo mpanao gazety. Izay no tanjona amin’ny fampiofanana hatokana ho an’ny mpanao gazety, hataon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Nisy ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy Nanisana. Vokatry ny fahatsapana fa marisarisa ny lentam-pahalalan’ny mpanao gazety indraindray, ka mahatonga fanakianana maro avy amin’ireo mpanara-baovao no anton’izany. […]

Ivon’ny fankalazana ny faha-10 taona: hanatontosa lanonana lehibe ny Fimpima Frantsa

Ivon’ny fankalazana ny faha-10 taona: hanatontosa lanonana lehibe ny Fimpima Frantsa

Taona 2019, nanombohan’ireo hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taon’ny faritany Fimpima Frantsa. Amin’ity taona 2020 ity kosa, hiavaka ny lanonana hanamarihana ny ivon’io fankalazana io… Raha niainga teto Madagasikara ny fampianarana mikabary, anisan’ny voalohandohany tamin’ireo firenena nandray izany i Frantsa. Nitsimoka tany an-toerana ihany koa ny sampan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima). Tsy lalovam-potsiny […]

Toamasina: mikatso tanteraka ny fampianarana  

Toamasina: mikatso tanteraka ny fampianarana  

Taorian’ny tsy fisian’ny fahombiazan’ny fifampiresahana teo amin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpampianatra eto Toamasina, ny herinandro lasa teo, nitohy ny fitokonan’ny mpampianatra mivondrona anatin’ny sendikà Sempama. Nanomboka ny alatsinainy teo ary mbola mitohy hatramin’ny hahatongavan’ny lelavola 65.000 Ar eo am-pelatanan’ izy ireo izany, araka ny fanazavany. “Tsy resy lahatra tamin’ny fanazavana nataon’ny minisitra izahay, […]

Hikija ny orana: fritra maro nahazo filazana manokana

Hikija ny orana: fritra maro nahazo filazana manokana

Raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, dia hisy tangoron-drahona ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika, rahampitso alahady. Etsy an-daniny, hahazo hery ny tsioka talio ka hitarika faharatsian’ny andro amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Vokatr’izany, ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny ilany andrefana sy atsimo atsinanan’ny Nosy ary hiitatra tsikelikely hahazo ny faritra maro izany. Tombanana […]

Fahasalamana: nanolotra fitaovana mitentina 4,5 tapitrisa dolara ny Amerikanina

Fahasalamana: nanolotra fitaovana mitentina 4,5 tapitrisa dolara ny Amerikanina

  Manohana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara i Etazonia amin’ny fanomezana fitaovana ara-pitsaboana sy teknika mitentina 4,5 tapitrisa dolara. Hanampiana ny mpiasan’ny fahasalamana eto an-toerana hanatsara ny kalitaon’ny asa ara-pahasalamana eto Madagasikara izany. Mandritra ny lanonana tao Toamasina no nanoloran’ny tale jeneralin’ny USAID ny  kaontenera roa ahitana fitaovana ara-pitsaboana samy hafa ho an’ny tobim-pahasalamana ao […]

Beloha Androy: sokatra 18 tratran’ny fokonolona

Nahita andian’olona tsy fantatra nandalo tanaty ala ny fokonolona, ny alatsinainy 13 janoary, vao maraimbe teo, tany amin’ny fokontany Beborodoke, kaominina Beloha, faritra Androy. Narahina izy ireo ka hita fa nandeha bisikileta avy any Belindo, distrika Bekily, tratra niaraka tamin’ny sokatra miisa 18, karazana Asterochelys radiata, efa voafatotra tao anaty ala. Tafatsoaka ny iray tamin’ireo […]

Loka Airtel Madagascar: manampy amin’ny fahalalan-javatra

Loka Airtel Madagascar: manampy amin’ny fahalalan-javatra

Natao omaly teny amin’ny foiben-toerany Andraharo, ny fizaràn’ny Airtel Madsagascar ireo lokabe ho an’ny mpanjifa nahazo tamin’ny fisarihana. Mpampiasa Airtel miisa 600 000 no nandray anjara manerana ny Nosy tamin’ny Tombola facebook M’Lay ka nahazo loka ny 114 tamin’ireo.  « Tao anatin’ny mangarahara hatrany ny nanaovana ny fisarihana natrehin’ny manam-pahefana, ary toy  izany koa  izao fizarana loka […]

Kaominina Ivato: hanohy ny fitantanany anaty mangarahara i Penjy  

Kaominina Ivato: hanohy ny fitantanany anaty mangarahara i Penjy  

Nandray ny fitantana ny kaominina Ivato  indray,  taorian’ny famindram-pahefana natao, omaly ny  ben’ny  Tanàna, Andrianarisoa Penjy. Mazava ny  lahateniny, nanoloana ny vahoaka eny an-toerana. “Hiasa avy hatrany isika. Tsy maintsy madio kaominina Ivato, ary aza fendrofendroana izahay fa tanjona ny  hampamirapiratra ity Tanàna iombonana  ity ao anatin’ny fotoana fohy”,  hoy izy. Nisaotra sy nankasitraka  ireo […]

Taratasin’ny zanak’i Fandriana ho an’ny filoha: “Mangataka izahay ny hamoahana ny depiote Hasimpirenena”

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoha Rajoelina ny solontenan’ny vahoakan’i Fandriana, amin’ny alalan’ireo olobe sy Tangalamena.  Manao antso avo izy  ireo.  “Mangataka am-panajana aminao  izahay mba  hanomezanao fahafahana vonjimaika ny depiote voafidy teto Fandriana, Rasolomampionona Hasimpirenena. Ahazoany manatanteraka ny toromarika nomenao : Anaovana  asa fampandrosoana avokoa ny distrika rehetra tsy an-kanavaka ka mitarika sy mandrindra […]

Fitoriana ny filoham-pirenena teny amin’ny HCC: nomelohin’ireo loholona namany Rakotovao Rivo

Fitoriana ny filoham-pirenena teny amin’ny HCC: nomelohin’ireo loholona namany Rakotovao Rivo

Nitondra  valin-kafatra.« Melohinay  tanteraka ny fihetsiky ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo. Tsy nifampierana  tamin’ny loholona rehetra na ny birao maharitra iny fangataham-panazavana nataony  teny anivon’ny HCC   iny. Heviny samirery ary afangarony ny raharahan’ny Andrimpanjakana sy ny resaka politika. Tsy iombonanay hevitra aminy izany”, hoy   ireo loholona moosa valo, tetsy  Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Anisan’ny anton’izany ny fitorian’ny filohan’ny […]

Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly: nametrahana « camera » miisa 78 ny tribonaly Anosy

Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly: nametrahana « camera » miisa 78 ny tribonaly Anosy

Vaky tanteraka ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny tontolon’ny Fitsarana. Notokanana, omaly ny fanavaozana ny fotodrafitrasa hanamafisana ny ady amin’io aretina iray mihanaka io ho an’ny tribonaly etsy Anosy. Anisan’izany ny nametrahana “camera” miisa 78,  ety ivelany sy ny manodidina. Hatrany anaty efitra sy ny lalan-tsara rehetra.  “Ho vita hatreo na farahafaratsiny hihena ny kolikoly, […]

Herintaona ny fianianan’ny filoha : efa misy ny fanatanterahana fanamby

Herintaona ny fianianan’ny filoha : efa misy ny fanatanterahana fanamby

19 janoary 2019-2020. Herintaona sahady sa vao herintaona ny fianianan’ny filohan’ny  Repoblika, Rajoelina Andry, teny Mahamasina? Raha ny kabary fandaharanasany tamin’izany, efa nisy ny natomboka sy tanterahina amin’izao. “Raha nisafidy ahy ho filoham-pirenena ny vahoaka malagasy, tsy nifidy mpitarika fotsiny fa nisafidy vina fampandrosoana, fandaharanasa, tetikasa, nisafidy drafitra maty paika hitondra any amin’ny fivoarana haingana, […]

Jery taratra… herinandro: miroso amin’izay izao…  

Nilaza ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fiarahaban’ireo governoran’ny faritra sy ny Ceni ary ny Akademia malagasy azy noho ny taona vaovao fa tsy mbola nampangala-bato izy sady tsy mahay mangala-bato. Tsy mbola nanome toromarika ny Ceni hanao an’izany koa izy, ary tsy manana fahefana hiteny io rafitra io hanao an’izany. Hahazoana manafaingana ny fampandrosoana ity taona […]

Toliara: novakin’ny jiolahy ny fasana jeneraly iray

 Betsaka ny fitarainana amina vaky fasana fa tsy tratra ny olona manatanteraka ireo asa ratsy ireo. Lasibatra daholo ny fasana rehetra manodidina ny tanàn’ny Toliara ka samy ahitana izany ny eny Andranomena, Haviro, Belalanda. Araka ny vaovao azo, efa miroso amin’ny fikarohana ny mpiatdro filamianana any an-toerana ary efa manana olona ahina ka miroso amin’ny […]

Toeram-pisakafoana voatafika teny Ivato: nofatoran’ireo jiolahy ny mpiasavavy roa sy Sinoa iray

Notafihin’ny jiolahy miisa telo nitondra basy PA ny toeram-pisakafoana iray eny Ivato, ny alarobia tamin’ny 10 ora sy 30 mn alina. Nofatoran’ireo jiolahy ny Sinoa tompon’ilay toeram-pivarotana niaraka tamin’ireo mpiasa vavy roa mpandroso sakafo. Lasan’ireo jiolahy nandritra ny fanafihana ny vola mitentina 10 tapitrisa Ar. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina, jiolahy telo mody nanao toy ireny olona hisakafo […]

Saika hoentina aty an-drenivohitra: krevety 400 kg nogiazan’ny zandary tao Miandrivazo

Nandritra ny fitsirihan’ny zandary avy ao amin’ny BPR Miandrivazo ireo fiara mifamezivezy amin’iny lalana iny no nahatrarana fiarabe iray nitondra hazan-dranomasina (krevety) milanja 400 kg sy trondro 30 kg tao Analamaizina, kaominina ambanivohitr’Andranomainty, distrikan’i Miandrivazo, afakomaly. Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena anefa fa voararan’ny lalàna ny fitondrana sy/na fanondranana itony hazan-dranomasina itony satria mbola tsy misokatra […]