Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana vonjimaika  : ranolava ny fahatongavan’ny fitoriana eny amin’ny HCC

Voka-pifidianana vonjimaika  : ranolava ny fahatongavan’ny fitoriana eny amin’ny HCC

Miisa folo ireo fitarainana voarain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, momba ny fifidianana loholona, araka ny voarakitra ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana, hatramin’ny afakomaly.   Anisan’ny nahazoana fitarainana, ohatra, ny Mapar, avy amin’ny distrikan’i Maevatanàna, Mampikony, Marovoay, Soalala. Fangatahan’ny vondrona politika Malagasy miara-miainga (MMM) ny fanafoanana tanteraka sy manontolo ny fifidianana loholona ny 29 desambra […]

Asa sosialy : nizara sakafo ny Tim

Asa sosialy : nizara sakafo ny Tim

 Anisan’ireo tsy namaly ny fanasana teny Iavoloha ny depiote Tim. Na izany aza, nitondra ny anjarany amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo sahirana ity antoko naorin-dRavalomanana ity ka nizara sakafo ny zoma teo. Anisan’ny nahazo tombony amin’izany ny mponina eny amin’ny boriborintany I, niaraka amin’ny Distim eny an-toerana. Tetsy Mahamasina kosa, ny nanaovana izany ho an’ny […]

Fifandraisana amin’ny any ivelany : hanao tombana ara-politika koa ny Amerikanina

Fifandraisana amin’ny any ivelany : hanao tombana ara-politika koa ny Amerikanina

 Taorian’ny iraky ny Vondrona afrikanina (UA). Efa eto amintsika, hatry ny faran’ny herinandro teo ny sekreteram-panjakana lefitra Amerikanina, misahana an’i Afrika, Linda Thomas-Greenfield. Anton-diany eto ny hijery sy hanombana ny resaka politika sy ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana ny tsenan’ny Agoa, anisan’ny ifandraisantsika amin’i Etazonia ary nametrahan’izy ireo fepetra maromaro. Eo ny fanajana […]

Manao antso avo ireo zanak’Antandroy : hiato ny famatsiana omby, ahina hiakatra ny vidin-kena

Manao antso avo ireo zanak’Antandroy : hiato ny famatsiana omby, ahina hiakatra ny vidin-kena

Tsy azo ihodivirana ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo ny Antandroy ka nilaza fa tsy hivarotra omby intsony aloha. Nambaran’izy ireo ho anton’izany ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana ny tranga nihatra amin’izy ireo tato ho ato. Tapaka nandritra ny hetsika nataon’ny zanaka atsimo (Antandroy), ny asabotsy teo tao Tsarafaritra, Amparihikambana, kaominina sy distrikan’i Tsiroanomandidy fa […]

Fantina sy fintina

Hisolo toerana vonjimaika ny solontenan’ny Firenena mikambana amin’ny alalan’ny Pnud eto amintsika i Marie Dimond raha efa nandao an’i Madagasikara, afakomaly kosa i Fatma Samoura, nisahana izany andraikitra izany. Tsiahivina fa noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina ny tenany nanao veloma ny asabotsy teo teny Iavoloha. Nandray ny iraka manokan’ny Vondrona afrikanina, Lakhdar Brahimi ny filoha Rajaonarimampianina, ny […]

Analankinina – Toamasina : mihorohoro ny manan-janaka vavy, tsy mbola voasambotra ilay mpanolana

Analankinina – Toamasina : mihorohoro ny manan-janaka vavy, tsy mbola voasambotra ilay mpanolana

 Mikononkonona ny hanao fitsaram-bahoaka amin’ilay raim-pianakaviana nanolana ankizivavikely 14 taona ny andiana tanora ao Toamasina rehefa tsy handray andraikitra ny zandary. Simba tanteraka ilay niharam-boina vokatry ny fanolanana azy… Mihorohoro ny ray aman-dreny manan-janaka vavikely tsy ampy taona ao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe Toamasina, noho ny tsy fandraisan’ny zandary andraikitra izay nametrahan’ny ray aman-drenin’ i […]

Tselatra

Fiaramanidina an’ny kaompania iray no nandona ny « antenne équaliseur » raha iny izy hipetraka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny asabotsy hariva teo. Voalaza fa lasa aloha loatra ny fipetrahany ka nandona ny “antenne équaliseur” ny kodiarana havian’ilay fiaramanidina. Vokany, vaky ny kodiarana havia aoriana. Nahitana fahasimbana ilay antenne voadonan’ny kodiarana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy […]

Aleo mifanena amin’ny mpamosavy

Aleo mifanena amin’ny mpamosavy

Aleo, hono, mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga. Zava-doza ny lainga: mora atentina, fa sarotra ialana. Toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona. Toy ny salaka, ny tompony ihany no afatony. Hehezin’ny akoho tokana anaka ny lainga marivo tototra. Inona no itanisana izany eto? Mampandainga ny zava-misy: sanatria, zary rivotra fohina […]

By-Pass : raim-pianakaviana iray maty voahosin’ny fiara

Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana voadonan’ny fiara teny By-Pass, ny asabotsy hariva teo. Tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Araka ny fanazavana voaray, nandeha tamin’iny lalan’i By-Pass iny ilay raim-pianakaviana. Sendra hiampita tampoka anefa izy no somary niahotra kely. Nihazohazo teo afovoan-dalana izy ka voafaokan’ilay fiara avy hatrany. Nandeha mafy anefa […]

Nosy Be Hell Ville : may ny hotely Nosy Lodge

 Kila hotohoton’ny afo ny hotely Nosy Lodge an’ny teratany Belge ao Ambondrona, kaominina Djamanjar Nosy Be Hell Ville, ny zoma hariva teo. Araka ny fanazavana voaray, fipoahana herinaratra no nahatonga ny firehetana. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo nandritra ny firehetana. Samy niolomay namono ny afo ny olona teo an-toerana nampian’ny mpamonjy voina, saingy […]

Ambohidratrimo : ankizikely roa lahy maty an-drano

 Ankizilahikely roa lahy (9 sy 10 taona) indray maty an-drano tao amin’ny renirano Dabo, afakomaly tolakandro teny Avara-piangonana fokontany Avaratsena Ambohidratrimo. Araka ny fanazavana voaray, ankizy telo mianadahy no indray nilomano tao amin’io renirano io. Somary nahazo teny amin’ny lalina anefa izy roa lahy niharam-boina ka nilentina avy hatrany. Ny zokin’izy ireo vavy kosa no […]

Vitsy ny nanoina ny antson’ny mpitaky ny « Iles Eparses » : niatrana ny Emmo/Far, nirava maina ny hetsika

Vitsy ny nanoina ny antson’ny mpitaky ny « Iles Eparses » : niatrana ny Emmo/Far, nirava maina ny hetsika

Tsy hanasarika ny olona fanentanana nataon’ireo mpitarika ny hetsika fitakiana ireo Nosy manodidina “Iles Eparses”, omaly tetsy Ambohijatovo. Niatrana ny Emmo/Far ary rava main any hetsika avy eo. Ny mpitandro filaminana indray no maro noho ny olona tonga teny an-toerana. Tsy voarindra sady efa kely hery ka vitsy nanoina ? Tsy tanteraka araka ny niheveran’ireo mpitarika […]

Fiarovana ny tontolo iainana : betsaka ny asa miandry ankoatra ny fambolen-kazo

Fiarovana ny tontolo iainana : betsaka ny asa miandry ankoatra ny fambolen-kazo

 Nandritra ny fifampiarahabana natratra ny taona 2016, nanaovan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola fambolen-kazo. Zana-kazo 5.000 novolena tamin’izany teny Andranovelona, kaominina Mahitsy. Nambaran’ny minisitra Rakotoarimanana Gervais fa adidin’ny rehetra ny voly hazo ho fiatrehana ny loza voajanahary, indrindra manoloana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Betsaka ny asa miandry raha ny fiarovana ny tontolo iainana eto […]

Tabataban’ny milina eny Antanandrano : omena iray volana hamahana ny olana ny Jirama sy ny minisitera

Tabataban’ny milina eny Antanandrano : omena iray volana hamahana ny olana ny Jirama sy ny minisitera

Voarain’ny filohan’ny Repoblika koa ny fitarainan’ny mponina eny Antanandrano amin’ny tabataba sy ny setroka avoakan’ny milina mamokatra herinaratra. Nomeny fe-potoana iray volana ny Jirama sy ny minisiteran’ny Angovo, hamahana ity olana ity. Tsy nanome antsipiriany ny filoha Rajaonarimampianina, na hoesorina na atao ahoana, fa anjaran’iretsy tompon’andraikitra roa voalaza ny mikaroka izany ao anatin’io fotoana fohy […]

Iavoloha : tsy voaresaka indray ny kolontsaina

Iavoloha : tsy voaresaka indray ny kolontsaina

Ambanin-javatra sa ambin-javatra?…. Tsy nasian-teny indray ny kolontsaina nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2016 notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Voaporofo fa tsy laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra isan’ambaratongany ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mbola raiki-tampisaka ny fametrahana azy ireo (kolontsaina sy zavakanto) ho ambin-javatra. Efa voaporofon’ny mpahay tantara sy ny mpandinika ny fiarahamonina anefa […]

Kitra Afrikanina : lasan’i Aubameyang ny “Glo Caf Award 2015”

Kitra Afrikanina : lasan’i Aubameyang ny “Glo Caf Award 2015”

 Niova tanana ny nahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrika indrindra aty Afrika, ho an’ny taona 2015. Ilay Gaboney, Pierre Emerick Aubameyang, milalao any Alemaina no nahazo izany.   Voahosotra ho mpilalao baolina kitra Afrikanina, mendrika indrindra “Glo Caf Award”,  ho an’ny taom-pilalaovana 2015, ilay Gaboney, Pierre Emerick Aubameyang. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy lasa teo, […]

Iavoloha : nomena hasina kely ny fanatanjahantena

Eny, fa na dia naseho nandritra ny lanonam-panjakana tamin’ny fifampiarahabana nahatratry ny taona, teny Iavoloha, aza ireo atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena, tsy voaresaka tamin’ny lahatenin’ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampianina Hery, mihitsy ny mikasika ny fanatanjahantena  eto Madagasikara. Tsy nisy voaasa, na dia iray aza, ireo federarasiona ara-panatanjahantena misy sy mijoro ara-dalàna eto amintsika. Raha ny […]

 Mpiasam-panjakana : hisondrotra 7,5% ny karama

Efa mahazatra ! Toy ny isan-taona, nanondrotra ny karama ho an’ny mpiasam-panjakana ny fanjakana. Nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina, fa 7,5% izany amin’ity taona ity, izay mihoatra “kely” mihoatra amin’ny fisondrotan’ny vidim-piainana (7,2%). Notsoriny fa io aloha no zaka. Nanome fanazavana koa izy fa natokana handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny 60%-n’ny volam-panjakana avy amin’ny hetra sy ny haba. […]

Fananan-tany : maimaimpoana ny famindrana ny lova

Fananan-tany : maimaimpoana ny famindrana ny lova

Eo am-pamolavolana ny fanavaozana dingana faharoa ny lalàna mikasika ny fananan-tany. Mahatsapa koa ny filoha Rajaonarimampianina fa maro ny fitarainana ary fantany ny olana amin’ity lafiny ity, toy ny fandovana ny tany, ohatra. Noho izany indrindra, nambarany fa tsy hisy ny vola aloa amin’ny famindrana ny tany amin’ny mpandova, manomboka ny volana janoary izao hatramin’ny […]

Fanarenana ny toekarena : mitohy ny fanamboarana fotodrafitrasa 

Fanarenana ny toekarena : mitohy ny fanamboarana fotodrafitrasa 

Lalana, fambolena, fiompiana, fananan-tany, famatsiana angovo, fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nasian’ny filoha Rajaonarimampianina Hery tsindrim-peo manokana ireo ho fanarenam-pirenena, nandritra ny kabary nataony teny Iavoloha, omaly. Mitentina 983 tapitrisa dolara ny fitambaran’ny famatsiam-bola avy any ivelany andrasana. Ho an’ny taona 2016-2017, tetibola 450 tapitrisa euros atokana ho an’ny fanamboaran-dalana manerana ny Nosy. Nasiany teny […]

Sosialim-bahoaka : mbola hitohy ny vatsin’ankohonana

Sosialim-bahoaka : mbola hitohy ny vatsin’ankohonana

 Nibahana tao anatin’ny kabarin’ny filoham-pirenena, omaly teny Iavoloha, ny sosialim-bahoaka izay nanana ny anjara toerany tamin’ny taon-dasa,  raha ny tombana nataony. Voakasika avokoa ny sehatra sosialy rehetra ary anisan’ny tena nasiany teny ary nanomezany toky fampanantenana ny mbola hitohizan’ny tetikasa vatsin’ankohonana. Hitarina amin’ny faritra dimy ity tetikasa ity raha ny filazan’ny filoham-pirenena. Notsimbinina manokana ny […]

Indray mijery

Lany ho filohan’ny oniversiten’I mahajanga ny profesora Rakotoarivony Emmanuel. Hitantana ny oniversite mandritra ny telo taona misesy ity profesora ity. Marihina fa nandray anjara tamin’ny fifidianana  ireo mpandraharahan’ny oniversite sy ny mpampianatra raikitra rehetra. Mbola betsaka ny asa miandry ity filoha vaovao ity amin’ny fandaminana ny disadisa niseholany tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Namoizana ain’olona mihitsy tao […]

Tsy laharam-pahamehana ? : tsy afaka  ny fako amin’ny toerana sasany

Raha efa hita mba nihena ny fiavosan’ny fako amin’ny toeram-panariana sasany eto an-dRenivohitra, mbola miparitaka mila hanapa-dalana izany amin’ny toerana sasany. Manao ezaka ny mpiasan’ny Samva manala ny fako fa tsy maharaka ny kamiao ka mampanontany tena ny mponina amin’ireny faritra tsy andalovan’ny fiarabe ireny mihitsy. Eny Alarobia, Ambatolampy Antehiroka, Behoririka, Andravoahangy Tsena… mbola mitobaka […]

Filoha Rajaonarimampianina  : “Antoky ny fiainam-bahoaka ny fahamarinan-toerana politika”

Filoha Rajaonarimampianina  : “Antoky ny fiainam-bahoaka ny fahamarinan-toerana politika”

Mby aiza ny fiahian’ny fitondram-panjakana ny fiainam-bahoaka. Antoky ny fiainam-bahoaka ny fahamarinan-toerana politika… “Nandritra izay roa taona izay, nokatsahiko ary notandroviko fatratra ny fahamarinan-toerana ny fiainana politika eto amin’ny firenena. Antoka voalohany handrosoantsika amin’ny fanarenana ny fihariankarena ny fahamarinan-toerana ny fiainana politika. Izay ihany no hitondra fihatsaram-piainana ho an’ny Malagasy.” Kabarin’ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny fifampiarahabana […]