Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amboasary : dahalo 60 nitondra Kalach nanafika, olona iray maty

Amboasary : dahalo 60 nitondra Kalach nanafika, olona iray maty

 Tompon’omby iray maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo miisa 60 nitondra basy Kalachnikov sy basim-borona tany Amboasary, fokontany Lanivato Ikalamavony, kaominina ambanivohitr’i Mangidy ny alatsinainy teo. Araka ny fanazavana voaray, nirodorodo niditra an-keriny tao amin’ity tanàna ity ireo dahalo ka nitifitra avy hatrany ny lehilahy iray tompon’ireo omby nangalarin’izy ireo. Voalaza fa nanao fanamiana miaramila ny […]

“Villa” mihosin-dra teny Ambohidratrimo : vehivavy iray hita maty nokapaina famaky

“Villa” mihosin-dra teny Ambohidratrimo : vehivavy iray hita maty nokapaina famaky

 Nihosin-dra ny tanàna. vehivavy iray feno diam-pamaky no hita tao amin’ny Parking an’ny Villa iray eny Ambohidratrimo. Novonoin’ny mpiambina ny tanàna izy io… Raha vao afakomaly no nisy renim-pianakaviana iray norasarasain’ny jiolahy tao an-tranony teny Ambavahaditokana Itaosy, ity indray teny Ambohidrarimo, andro mitovy ihany. Fatim-behivavy iray no hitan’ny tompon-trano tamina villa iray eny Ilaivola Ambohidratrimo, […]

Hampiasa olona 400… : hanaovana asa tanamaro ny fandraofana fako

Hampiasa olona 400… : hanaovana asa tanamaro ny fandraofana fako

 Hifandrimbonan’ireo minisitera ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo.Omaly, nampahafantatra ny minisiteran’ny Mponina sy ny raharaha sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy fa hanatanteraka asa tanamaro ho fandraisana anjara amin’ny fanadiovana. Mahatratra 400 ireo olona hanatanteraka izany asa tanamaro izany. Hiasa andro aman’alina eny Ambolokandrina, Ambohipo, Ankatso, Andavamamba, Ilanivato ary Anosipatrana ireo olona ireo. Sady fandraisana anjara amin’ny […]

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika… Tsy iza fa Rabefikasana. Be loatra ny fikasana hanorina an’itsy, hanarina an’iroa. Very anarana hoe Rabefika amin’izany izy, fa tsy firy na tsy misy tanteraka izay fikasana… lainga sy fitaka, fampandriana adrisa. Tanàna tsy ilaozan’adala, hoy ny fitenenana. Tsy ilaozan-dRabefika koa ny tanàna, ny tany sy ny fanjakana. Tsy vitan’ny hoe be fikasana Rabefika […]

Beach volley : hatao eto Dago ny “Coupe de la Nation Zone 7”

Beach volley : hatao eto Dago ny “Coupe de la Nation Zone 7”

Mazava. Vantany vao tontosa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny beach volley, ny volana desambra lasa teo, tany Mahajanga, efa miomanomana amin’ny fampiantranoana ny fiadiana ny « Coupe de la Nation de la Zone 7 » ny federasiona malagasin’ny volley (FMVB) tarihin’ny filohany, Ramandimbisoa Jocelyn, amin’izao fotoana izao. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava kosa ny torapasika […]

Beach soccer : tafiditra ao anaty «Top 30 Mondial» ny Barea

Beach soccer : tafiditra ao anaty «Top 30 Mondial» ny Barea

Namoaka ny filaharan’ireo firenena, amin’ny taranja beach soccer, ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), nandritra ny taom-pilalaovana 2015 lasa iny. Tafiditra ao anatin’ireo ekipa 30 tsara indrindra eran’izao tontolo izao ny Barea de Madagascar. Laharana faha-22 mantsy no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Tena nampisongadina an’i Madagasikara ny fahazoan’ny Barea de Madagascar ny tompondakan’i Afrika sy ny “Cosafa”. […]

Basikety – Fiba 3×3 : hiroso amin’ny fifaninanam-pirenena ny FMBB

Basikety – Fiba 3×3 : hiroso amin’ny fifaninanam-pirenena ny FMBB

Manomboka avy hatrany ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja basikety. Hiroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Fiba 3×3 sahady ny federasiona amin’ity volana janoary ity. Tsy miandry ela. Vao miandoha ny taona, manomboka avy hatrany koa ny taom-pilalaovana 2016 ho an’ny taranja basikety. Araka izany, hiroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sahady ny federasiona […]

Hisongadina… : 15 taona ry Rakoto Frah Junior

Hisongadina… : 15 taona ry Rakoto Frah Junior

Hanan-tantara eo amin’ny tarika Rakoto Frah Junior ity taona 2016 ity. Hanamarika ny faha-15 taona nijoroany izy ireo. Hatevina ny fandaharam-potoana efa nomanin’ny tarika amin’izany. Hosokafana amim-pomba ofisialy, ny volana mey, izany fotoam-pankalazana izany. Anisan’ireo hetsika goavana indrindra, hotanterahina amin’io fotoana io, ny fitokanana ny lalana mitondra ny anaran-dRabezoza Rakoto Philibert, fantatry ny maro amin’ny […]

Indray mijery

 Nanambara ny solontenan’ny mpampianatra eny amin’ny politeknika Vontovorona fa tsy handray ny asa fampianarana raha tsy mahazo ny tambin-karama amin’ny ora fanampiny tapany faharoa nandritra ny taom-pianarana 2013-2014 izy ireo. Hifidy izay ho filohan’ny oniversite vaovao kosa anefa izy ireo, ny alatsinainy izao. Anisan’ny mbola mamita ny taom-pianarana 2014-2015 ny eny Vontovorona satria nisy ny […]

Fampivelarana ny kolontsaina : tafatsangana ny Ako Miantefa

Fampivelarana ny kolontsaina : tafatsangana ny Ako Miantefa

Mirona tsikelikely any amin’ny fahapotehana ny kolontsaina malagasy. Tsy nijanona hatreo amin’ny fanekena izany ny olona maromaro fa nanangana ny Ako Miantefa. Fikambanana naorina ho amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny kolontsaina malagasy. Raha ny fanazavan’ny filohany, manomboka amin’ny tontolon’ny hira ny fandaharanasan’ity fikambanana ity. Hitrandraka ireo hira tranainy. Hikajy izany amin’ny alalan’ny fitaovana samihafa mifanaraka […]

Androy : olona 10 000 tohanana ara-tsakafo

Hitohy hatramin’ny volana febroary ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mitondra vohoka 10 000 sy zaza latsaky ny 5 taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, nanomboka ny volana novambra lasa teo any amin’ny faritra Androy. Nisy ny fizarana fanampin-tsakafo Plumpy Sup (ahitana voanjo, siramamy, menaka, proteine azo avy amin’ny soza ary ronono) ary serealy notovonana vitamine sy singa mineraly […]

Avy tany Frantsa : hihaona amin’ny mpankafy i Black Nadia

Avy tany Frantsa : hihaona amin’ny mpankafy i Black Nadia

Efa nampanantena izy nialoha ny niaingany fa tsy maintsy hisy ny seho ho mariky ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, eo amin’i Black Nadia sy ny mpankafy azy eto an-toerana. Fantatra, fa higadona anio rehefa avy nanatontosa seho vitsivitsy  tany Frantsa i Black Nadia sy ny tariny. Manome fotoana avy hatrany ireo mpankafy azy etsy […]

Atsy ho atsy : 500 Ar isan’ora ny fiantsonan’ny fiara

Nivory omaly ny tompon’andraikitry ny “parking” ao amin’ny kaominin’Antananarivo miaraka amin’ireo mpiara-miasa ka nanapaka fa hasondrotra 500 Ar isan’ora ny saram-piantsonan’ny  fiara amin’ireo toerana telo ao Analakely sy ny manodidina. Voakasik’izany ny toeram-piantsonana eo amin’ny Esplanade Analakely, Antaninarenina ary Antsahavola. Tsy mbola hihatra avy hatrany anefa izany raha tsy tafapetraka ny “horodateur”, ilay milina mamoaka […]

Apipa : halalinina ny lakandrano

Apipa : halalinina ny lakandrano

 Ho fanalefahana ny mety hisian’ny tondra-drano amin’ny faritra iva mandritra ny fotoam-pahavaratra, miditra amin’ny fanadiovana ny lakandrano ny Apipa. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany sy ny C3 izay tanterahin’ny Apipa. Iarahana amin’ny  fanjakana foibe ny fanatanterahana ny asa raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rateloson Philippe. Halalinina ny lakandrano, kaohina amin’ny fitaovana […]

Kabary fifampiarahabana eny Iavoloha  : andrasana izay tena fijerena ny fiainam-bahoaka amin’izay

Kabary fifampiarahabana eny Iavoloha  : andrasana izay tena fijerena ny fiainam-bahoaka amin’izay

Ho taon’ny inona indray ity taona ity? Taon’ny fanadiovana tamin’ny taon-dasa, raha ny nambara herintaona lasa toy izao, ny 9 janoary 2015. Nefa ao anaty fako Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara tamin’ny faran’ny taona. Hatramin’izao, mbola tsy afaka izany. Tsy afaka faran’ny lohany, fa sasatry ny miarina sy manombo-javatra? Amin’izao lanonana fifampiarahaban’ireo filohan’andrimpanjakana miaraka amin’ny solontenan’ny masoivoho […]

Vatovavy Fitovinany : mitsipaka ny voka-pifidianana ny mpanolotsaina

« Hijoro hatramin’ny farany izahay ary efa nandefa ny fitoriana amin’ireo ambaratonga samihafa, manoloana ny tsindry sy ny fandrahonana nahazo anay mpifidy any amin’ny distrikan’i Manakara. Tsy haniky lembenana izahay fa hiaro ny zonay hatramin’ny farany », hoy ny filohan’ny mpanolotsaina any an-toerana, Tsabotokay Francis, omaly tetsy 67 ha. Notanisain’izy ireo ny tranga niseho, toy ny fividianana […]

Toliara : nampiaka-peo ireo kandidà 10

Manao ranolava tonga hatrany Toliara koa. Nivondrona ireo kandida 10 tsy lany tamin’ny fifidianana loholona hanohitra ny voka-pifidianana noho ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana. Nambaran’izy ireo amin’ny mpanao gazety ny fiandohan’ny herinandro teo fa marika hafa ankoatry ny X sy lavotondro, voarakitra amin’ny lalàna momba ny fifidianana  no hita amin’ireo vato. Ohatra, ny A,V,C, […]

Fadintseranana : tsy asiana resaka intsony ny tolotra ho an’ny tsy miankina

Fadintseranana : tsy asiana resaka intsony ny tolotra ho an’ny tsy miankina

Nitondra fanazavana ny sendikàn’ny fadintseranana (Sempidou), omaly teny Antaninarenina, tohin’ilay fitsipahan’izy ireo, tamin’ny 17 desambra 2015, ny tolotra tadiavin’ny fanjakana ho an’ny sehatra tsy miankina, hanao asa fanaraha-maso aorian’ny fampidirana entana. Taorian’izay, nanome fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana  izy ireo ny 22 desambra. Noraisin’ny tao Mahazoarivo ka nangatahin’ny governemanta ny hidiran’io sendikà io ao anatin’ny […]

Rasolo André : “Mila sahy miatrika ny fampihavanam-pirenena isika rehetra”

Rasolo André : “Mila sahy miatrika ny fampihavanam-pirenena isika rehetra”

 Taona vaovao izao… Mby aiza ny fampihavanam-pirenena? Manazava ny avy amin’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fampihavanam-pirenena, Rasolo André: “Raharaha iombonan’ny samy Malagasy ny fampihavanana, ka tsy hisy hanao tompony mangataka atiny isika. Samy tokony ho sahy maka ny andraikiny.” Dinidinika…   Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza izao ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena amin’izao […]

Fantina sy fintina

Hitsidika eto amintsika, ny asabotsy izao, ny sekretera lefitra amerikanina misahana ny raharaha afrikanina, Linda Thomas-Greenfield. Anisan’ny handray azy amin’izany ny filoha Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice. Hatao ani, eny Alarobia, ny famindram-pitantanana eo amin’ny filohan’ny Cenit, Ralaiariliva Mamy, sy ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery. Tombanana fa hanan-kambara momba ny fifidianana rehetra […]

Zaka tsara : politika… tsy ihinanana

Amin’izao fiandohan’ny taona izao: raikitra sy manomboka koa ny politika, na noho ny fisian’ny vokatry ny fifidianana loholona natao ny 29 desambra ihany aza. Mitondra inona eo amin’ny fiainan’ny vahoaka ifotony ny politika? Tsy fandriampahalemana izao, faharavam-pananana amin’izany, kere, tsy fisiana asa… Ho an’ny sarambabem-bahoaka, eo ihany ny eo: miharatsy aza… Politika tsy ihinanan-kanina? Mbola […]

Fiaraha-miasa amin’ny UA : tonga hanombana ny fifidianana i Lakhdar B.

Fiaraha-miasa amin’ny UA : tonga hanombana ny fifidianana i Lakhdar B.

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, tetsy Anosy omaly, ny Vondron’ireo olon-kendry eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Lakhdar Brahimi. Tafiditra amin’ny tomban’ny fifidianana teto amintsika sy ny fametrahana fitoniana izao fahatongavan’izy ireo eto izao. « Efa nampahafantarin’ny minisitra anay ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Hoentina any amin’ny fivorian’ny UA, ny faran’ny volana izao, izany », hoy […]

 Mpifidy vaventy :  « Tsy mila vidiana izahay…”

Aty amin’ny fitondrana foibe ny ain’ny kaominina : fototra ivelomany ny « subvention », 12 tapitrisa Ar isan-taona. Ataon’ny fanjakana tara fotsiny ny fanampiana ka kofona ny kaominina. Mazava ny tenin’ilay ben’ny Tanàna  any atsimo ka nanambara ampahibemaso fa hifidy ny lisitra « fantatra fa ho lany”. Mety ho teo ny teritery sy ny vola saingy ireo no  nambaran’ireo […]

Fiainana antoko : nanampy ireo sahirana ny Arema  

Ankoatra ny teto an-dRenivohitra, nanatanteraka ny fanambiny, hanampy ireo sahirana sy tratry ny tsy fanajarian-tsakafo tany amin’ny faritra Anosy sy Androy ny eo anivon’ny antoko Arema ny faran’ny taona teo. Mbola hitohy amin’izao taona vaovao izao izany ary hahazo avokoa ny faritra rehetra, araka ny voalaza.      Nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa tafiditra amin’ny fankalazana sy […]

Toerana avo : tsy lonaka sy tsy mamokatra ny tany

Toerana avo : tsy lonaka sy tsy mamokatra ny tany

Na maro tsy mahatsikaritra aza, nilaza ny teknisianina avy amin’ny Foibe misahana ny fikarohana amin’ny fambolena (Fofifa), fa tsy mamokatra loatra ny tany aty afovoan-tany sy toerana avo. Antony, kivatovatoana ny tany ary lasa any amin’ny morontsiraka sy ny lemaka ny tsiron’ny tany. Tsy mahagaga noho izany raha mamokatra kokoa any amin’ny toerana midadasika sy […]