Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minia jamba mijabajaba an-jambany…

Minia jamba mijabajaba an-jambany…

5 febroary omaly, 7 febroary rahampitso. Tantara avokoa izany, raha itodihana ny omaly ary banjinina ny rahampitso. Faha-41 taon’ny nandraisan’ny kolonely Ratsimandrava fahefana tamin’ny jeneraly Ramanantsoa, ny 5 febroray 1975, omaly; ary  fahafito taon’ny nisian’ny fitifirana mpanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny 7 febroary 2009, rahampitso. Tena misy ve izay hoe fitodihana ny lasa […]

Jery taratra… herinandro  : Loholona… hafahafa amin’ny lohan’ny olona

Nahabe resaka ny sasany ny fanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo loholona 21. Tsy misy izay fisokafana, raha ny fijerin’ny sasany azy. Fanomezan-toerana izay manahirana, hono: tsy hita izay vitany, nefa tsy foy esorina. Ao aza ny vaky vava fa fampialokalofana politika ihany ny raharaha, mahahafahafa ny lohan’ny olona. Hitondra ho amin’ny fahamarinan-toerana sy fitoniana politika ny […]

 Saika nipoaka ny sarom-bilany… : nirongatra ireo mpivarotra amoron-dalana, tsy nahovoka ny Emmo/Reg

 Saika nipoaka ny sarom-bilany… : nirongatra ireo mpivarotra amoron-dalana, tsy nahovoka ny Emmo/Reg

 Nikatona ny ankamaroan’ny magazay. Tapaka nandritra ny ora vitsivitsy ny lalana. Horakoraka, hikiaka, fivelesana koveta lovia, vilany…, miampy filanjana sorabaventy. Izany no hetsika goavana nataon’ireo mpivarotra amoron-dalana marobe, tetsy Analakely, izay efa nahiana hivadika hetsi-bahoaka mihitsy, omaly. Tsy nahovoka, na tsy sahy nihetsika firy ny Emmo/Reg…   Niavaka ! Tsy toy ny fanenjika sy fangalapiery mahazatra […]

Vatovavy-Fitovinany  : clin d’œil au Chef de l’Etat

Vatovavy-Fitovinany  : clin d’œil au Chef de l’Etat

Remettre les pendules à l’heure. C’est ce à quoi les natifs de la région Vatovavy-Fitovinany procèdent ces temps-ci. Des personnalités issues de cette région estiment que la nomination du colonel Botomanovatsara comme sénateur reflète la volonté du chef de l’Etat d’accorder plus de latitude à chaque région du pays dans la prise de responsabilité pour […]

Primature : Alain Marsaud à Mahazoarivo

Primature : Alain Marsaud à Mahazoarivo

Les visites se suivent et se ressemblent auprès de la Primature. Le député français Alain Marsaud y a rencontré hier le Chef du gouvernement. Le Premier ministre Jean Ravelonarivo a reçu hier, le député français Alain Marsaud, représentant les Français établis hors de France (10è circonscription) et membre de la commission des Affaires étrangères, mais […]

Kitra – «Chan 2016» : «Tirs au but» vao afaka ny RD Kongo

Kitra – «Chan 2016» : «Tirs au but» vao afaka ny RD Kongo

Tafita hiatrika ny famaranana, amin’ny andiany fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2016), taranja baolina kitra, ny Leopard avy any amin’ny RD Kongo. Resiny, teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny alalan’ny fandakana ny «tirs au but», 5 noho 4, ny Syli Nacional avy any Ginea, ny alarobia lasa teo. Anisan’ny nanavotra ny Kongoley, i Ley […]

Kitra Analamanga : mpilalaon’ny Uscafoot IFC 9 horoahina

Kitra Analamanga : mpilalaon’ny Uscafoot IFC 9 horoahina

 Mandalo fotoan-tsarotra ny kitra eto Analamanga, ankehitriny. Klioba roa anisan’ny mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka no misedra olana. Eo ny Uscafoot IFC, tompondaka, sy ny Vesta Team FC. Nanomboka, omaly, ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Betsaka ireo klioba mandalo fahasahiranana, ka mety tsy hahatanteraka, hatramin’ny farany na mety hanao […]

Volam-panjakana : vita ny tatitry ny Cour des comptes

 Natolotry ny mpikambana ao amin’ny rafi-pitsarana Cour des comptes, ny 3 febroary teo, ny filoha Rajaonarimampianina, ny antontan-taratasy mirakitra ny fanadihadiana amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Nitarika azy ireo ny filoha vonjimaika, Rtoa Rabakovololona Bodo Saholy, nilazany fa andraikitr’izy ireo ny fijerena ny lafiny ratsy sy ny tsara amin’ny fitantanana ny volam-panjakana, ahafahana mijery ny fomba […]

Zotra 194 : hajaina ny lalàn’ny fifamoivozana

Zotra 194 : hajaina ny lalàn’ny fifamoivozana

Nihaona tetsy Ambodivona, ny alarobia teo, ny tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena sy ny kaoperativa Mirindra, misy ny zotra 194. Nahatonga ny fotoana ny fametrahana fifanajana sy ny fanarahan-dalàna mikasika ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra. Tsiahivina fa nisy lozam-pifamoivoizana, andro vitsy lasa izay, nandonan’ny fiara zotra 194 polisy nitarika manam-pahefana teny amin’ny lalana Vahilava (route digue). Nitarika […]

Teny reny, tenindreny… Teny ho eny ! : omeo lanja ny mpikaroka sy ny asany

Teny reny, tenindreny… Teny ho eny ! : omeo lanja ny mpikaroka sy ny asany

Ho avy tsy ho ela ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny reny ». Mankalaza io tsy tapaka i Madagasikara. Sehatrasa, fikambanana, sampandraharaha isan-tokony, sns, samy manatanteraka « hetsika » avokoa. Tsy manalavitra azy ireny ny      manampahaizana sy ny avara-pianarana. … Mikaroka, mandany rondoha sy vola aman-karena, mihafy, kanefa toa sasa-poana ihany noho ny antony samihafa. Goavana […]

Ako Miantefa : hovelarina ny tontolon’ny sary sy ny mozika

Ako Miantefa : hovelarina ny tontolon’ny sary sy ny mozika

Tsy ampy intsony ny filazana fa difotry ny kolontsaina vahiny ny kolontsaina malagasy. Handray andraikitra manandrify azy ny Ako Miantefa, fikambanana ivondronana teknisianina amin’ny mozika sy sary (mpampianatra, mpitahiry, mpanao sary, mpitendry zavamaneno, mpahay tantara, sns). « Hovelarina ny tontolon’ny sary sy ny mozika. Asa maromaro no hatao. Anisan’izany ny fampianarana ireo taranjan-javakanto roa ireo », hoy […]

Fetin’ny mpifankatia : hanome sehatra ireo hiram-pitiavana ny “Smooth Night Love”

Fetin’ny mpifankatia : hanome sehatra ireo hiram-pitiavana ny “Smooth Night Love”

Hetsika miavaka amina toerana miavaka. Izay no tanjona amin’ny “Smooth Night Love”. Hamerina ireo hiram-pitiavana malaza ireo mpanakanto nosafidina manokana.   Hetsika miavaka amin’ny lafiny maro. Tanjon’ny Ivenco izany ho an’ny “Smooth Night Love”. Hotontosaina ny 13 febroary izao manomboka amin’ny 8 ora alina izany. Hampiavaka voalohany ny hetsika ny toerana hanatontosana azy. Nosafidiana manokana […]

Taratry ny kanto

Silo, etsy amin’ny Piment Café Behoririka Hiverina an-tsehatra indray ny trio Silo. Rehefa nijanona volana maromaro, manome fotoana ireo mpankafy etsy amin’ny Piment Café Behoririka indray i Silo anio, manomboka amin’ny 9 ora alina, Christelle Ratri ary Cedrick. Noho i Christelle tera-bao, sy i Silo tsy teto an-tanindrazana no tena anton’ny fitsaharana fohy. Ankoatra ireo […]

Fiarovana ny natiora : hamoaka ny « Hazo kely » i Seheno

Fiarovana ny natiora : hamoaka ny « Hazo kely » i Seheno

Na tsy fantatra loatra aty an-tanindrazana aza, misy mpanakanto malagasy, any ivelany any, mametraka ny maha izy azy ary mizotra mankany amin’ny fahombiazana amin’izany lalana nosafidiny izany. Anisan’ireny i Seheno, tovovavy manan-talenta monina any Pantin Frantsa. Mifototra tanteraka amin’ny tontolo iainana, ny voajanahary ary ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ny aingam-panahiny. Izay no mampiavaka an’i […]

Ambanidia : tratran’ny polisy ny lehilahy iray nisandoka ho zandary

Ambanidia : tratran’ny polisy ny lehilahy iray nisandoka ho zandary

 Noraisim-potsiny! Nidoboka avy hatrany eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray nisandoka ho zandary tratran’ny polisy avy ao amin’ny Boriborintany faharoa eny Ambohijatovo…   Voasambotry ny polisy teny Ambanidia, afakomaly ity zandary sandoka ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisakafo tao amin’ny hotely iray eo Ambanidia ary efa somary mamomamo izy […]

Jao’s Pub : hiverina i Vaiavy Chila

Jao’s Pub : hiverina i Vaiavy Chila

Naharitra ela ny fihodinana nataon’i Vaiavy Chila tany amin’ireo Nosy manodidina, indrindra ny tao Mayotte ny volana desambra lasa teo. Vantany vao nigadona teto an-tanindrazana, tonga dia nantao ny fitetezam-paritra tany Analanjirofo izy sy ny tariny tamin’iny volana janoary iny. Fantatra kosa izao fa manome fotoana ireo mpankafy azy eto Antananarivo indray ity mpanjakavavin’ny “salegy […]

Haody : mpanakanto…

 … Mpamoha ny lasa, mpampiranty ny ankehitriny ary mpamboraka ny ho avy ! « Mety ho mpaminany tapany ihany ny mpanakanto », hoy ny mpahay filozofia iray. Mety ho vokatry ny fandinihana noteren’ny aingam-panahy ihany koa anefa no nikorisan’ny peniny raha mpanoratra izy. Niantefan’ny fandraka raha mpanao sary sokitra, sns. Adidy lehibe eo an-tsoroky ny mpanakanto ireo saingy […]

Antananarivo-Renivohitra : mpiasan’ny kaominina 200 naato amin’ny asany

Antananarivo-Renivohitra : mpiasan’ny kaominina 200 naato amin’ny asany

Ny talata teo, nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa hatsahatra amin’ny asany ireo mpiasa manana fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin’ny fotoana fohy (ECD). Mahatratra 200 mahery ireo mpiasa naato amin’ny asa ireo. Voalazan’ny tatitra fa noho ny fandaminana tsy maintsy atao eo amin’ny kaominina no anton’izao fampitsaharana ny mpiasa marobe amin’ny asa izao. Nambara […]

Famindram-pahefana tamin’ny Kly Ratsimandrava : latsaka an-katerena ny fitondrana jeneraly Ramanantsoa

Famindram-pahefana tamin’ny Kly Ratsimandrava : latsaka an-katerena ny fitondrana jeneraly Ramanantsoa

Raharaha Ratsimandrava. 41 taona lasa izay! Latsaka an-katerena ny fitondran’ny jeneraly Ramanantsoa…  41 taona katroka, anio, ny nanoloran’ny filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana tamin’ny kolonely Ratsimandrava Richard, teny amin’ny toby Ampahibe, ny 5 febroary 1975. Antony, latsaka an-katerena tanteraka ny firenena. “Ny zavatra […]

Nankatoavin’ny HCC ny lalàn’ny sata afrikanina

 Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna lah. 2015-034 nandanian’i Madagasikara ny Sata afrikanina momba ny demokrasia sy ny fifidianana ary ny fitantanam-pitondrana. Araka ny fanapahan-kevitra lah.04-HCC D1, ny 4 janoary 2016, ary navoakany ny 3 febroary lasa teo. Nankatoavin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (UA) tamin’ny fivoriana an-tampony faha-8 […]

Avaratra : hanorana hatramin’ny faran’ny herinandro

Miovaova be hatrany ary mbola mando ny atmosfera ho an’ny tapany avaratry ny Nosy. Mbola hitohy hatrany ny rotsak’orana betsaka hatramin’ny fiafaran’ny herinandro. Efa nihena kely, raha mitaha ny tamin’ny fiandohan’ny herinandro, ny refin’ny orana ho avy sy ny faritra hirotsahany, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Misy andro ratsy koa […]

Fantina sy fintina

Hifamotoana eny Imerinkasinina, hamboly hazo ny eo anivon’ny antoko Tim, rahampitso asabotsy tontolo andro.  Sambany indray ny fiarahan’izy ireo amin’ny filoha teo aloha,  amin’ny fambolen-kazo tahaka izao raha notarihin’ireo lohandohany ihany ny Tim tamin’ny  fanaovana izany adidy izany. Efa teto ihany ny filoha nasionaly, Ravalomanana tamin’ny taon-dasa, saingy tsy afa-niteny sy narahi-maso akaiky. Hanao ny […]

Toamasina : mpitsara roa lahy nifamely totohondry

Lasa raharaha hafa manokana ny miseho eo anivon’ny sampam-pitsarana ao Toamasina taorian’ny famakiana bantsilana tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpitsara misotro ronono, Randriamanantena Jules, tapa-bolana lasa izay momba ny raharaha maizina ataon’ny mpitsara sasany eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ambony ao an-toerana. Vokany, raikitra ny fifamaliana tamin’ny mpitsara roa afakomaly teo […]

Ampasikobo-Toliara : rongony 5 kg sy sasany saron’ny polisy

Ampasikobo-Toliara : rongony 5 kg sy sasany saron’ny polisy

Saron’ny polisy misahana ny zava-mahadomelina tao an-tranon’ny lehilahy iray ao Ampasikibo Toliara, ny alarobia teo ny rongony 5 kg sy sasany. Ny ankamaroan’ireto rongony ireto, hatao tahiry efa vonona hovolena fa ny sasany kosa hamidy. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ity voarohirohy ity, 20 000 Ar ny vidin’ireto rongony ireto ka 200 Ar ny iray fonosana rehefa […]

Hisokatra amin’ny 2017 ny radiothérapie-n’ny fanjakana

Hisokatra amin’ny 2017 ny radiothérapie-n’ny fanjakana

  Manomboka mahazo vahana ny homamiadan’ny havokavoka sy ny tsinay, ary ny taova rehetra amin’ny lalan-kanina amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana misahana ny fitsaboana ny homamiadana ao amin’ny HJRA, Rabarijaona Léontine, omaly, teny Anosy. Antony miteraka izany ny fomba fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Manampy trotraka ny rivotra iainana sy ny setroka samihafa ka […]