Par Taratra sur 18/02/2016
Divers, NS Malagasy
Fanamboarana ihany sa fanovana tanteraka ny governemanta no hatao ato ho ato? Mandeha ny tombantombana, mety mitombina na tsia. Tsy misy olona tsy azo soloina na tsy azo ovaina. Na ahoana na ahoana, tsy azo ihodivirana ny fanamboarana noho ireo minisitra roa notendrena ho loholona. Mahabe resaka… Tsy nahomby ve izy ireo ka nesorina? Mbola […]
Par Taratra sur 18/02/2016
NS Malagasy, NS-Politique

Mby aiza ny fanarenam-pirenena? Mihalalina sy maharitra ny fahasahiranam-bahoaka. Maneho ny heviny ny mpampianatra sôsiôlôjia politika eny amin’ny oniversite sady mpikambana ao amin’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fampihavanam-pirenena, Rasolo André: “Tsy maintsy marin-toerana ny fahefana vao afa-miatrika ny ady amin’ny fahantrana sy ny asa fampandrosoana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny fanombanana ity taona […]
Par Taratra sur 18/02/2016
NS Malagasy, NS-Politique

Mby aiza izay hoe fanovana amin’izao Repoblika IV izao? Na eo amin’ny fomba fanaovana politika ihany aza… Tsy vitan’ny hoe tsy misy izay fiovana sy fanovana, fa vao mainka miharatsy noho ny teo aloha aza ny raharaha. Manomboka eo amin’ny antokom-panjakana izany. Tsy ny maha antoko politika matanjaka no hahazoana fitondrana, fa ny fahazoana fitondrana […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Economie, NS Malagasy

Nanomboka ny 1 hatramin’ny 10 febroary 2016, nahitana andiana kijeja vitsivitsy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Menabe. Mahatonga izany ny firotsahan’ny orana, mamelona sy mampitombo azy ireny. Tany amin’ny lemaka Manja, any Toliara sy lemak’I Bekily Fotadrevo, nisy andiam-balala, miaraka amin’ny andiany hafa. Na izany aza, milaza ny tatitry ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Voasambotry ny polisin’ny BC, sakelika faharoa, ny herinandro teo, ireo jiolahy miisa valo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana miharo halatra menaka miisa 32 bidao teny amin’ny tranombarotra iray eny an-toerana. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny alahady maraina tamin’ny 2 ora no nitrangan’ny fanafihana tao amin’ity tranombarotra ity. Jiolahy miisa dimy nitondra fitaovam-piadiana no niditra an-keriny […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Economie, NS Malagasy

Notanterahina, omaly teny Antaninarenina, ny fandraisana ny toerana fandraisam-bola nohavaozina, fampitambarana ny ao amin’ny Paierie générale d’Antananarivo (PGA) sy ny Recette générale d’Antananarivo (RGA). Fanavaozana natao indrindra ho fanamoràna ny fandraisam-bola ho an’ireo beantitra misotro ronono. Niampy enina ny isan’ny « caisses » ho an’ny daholobe ka lasa 18 izany ankehitriny ary roa ny toerana fandrotsaham-bola. […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Tafakatra valo mianadahy ireo olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fatim-behivavy norasarasaina valo tao Toamasina, ny herinandro teo… Hatolotra ny fampanoavana anio ireo olona miisa valo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana tao Salamazay Toamasina, ny herinandro teo. Vory lanonana teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny olona raha nandre fa hoentina […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Miangatra Andriamanitra… Dibo-drano ny tany avaratra, avaratra andrefana ary eto afovoan-tany. Any amin’ny tapany atsimo kosa, maina ny tany, mihantona ny orana, tsy misy ny sakafo… mba toy ny ahoana aza ity Madagasikara ity raha jerena avy eny an-danitra? Sao milentika anaty rano ny tendrony avaratra ary miakatra manakaiky masoandro kosa ny tendrony atsimo? Ny […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Divers, NS Malagasy
Mahatsikaiky sady mahavariana ! Tapaka tampoka, omaly, ny fifampidinihana teo amin’ny hamaritana ny karaman’ny mpiasa eny amin’ny orinasa tsy miankina, vokatry ny nataon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama). Efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), misolo tena ny mampiasa, andaniny, sy ny fiombonan’ny sendikà, misolo tena ny mpiasa, ankilany. Tinapaka fa hasondrotra […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Divers, NS Malagasy
Nitranga ny nampoizina. Tsy miombon-kevitra amin’ireo namany sasany, nanome fe-potoana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny mpiara-miasa aminy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpiasan’ny CUA, ny Dr Tsinjo. « Efa tsy mahagaga ireny nanao fanambarana ireny. Tsy mahafantatra izy ireo fa tokony handalo dingana sy an-tanan-tohatra fa tsy mbola miditra amin’ny fanomezana fe-potoana 48 ora ny mpitantana izany », hoy […]
Par Taratra sur 18/02/2016
Faits Divers, La Une, NS Malagasy

Nitsitra teo amin’ny tany, nihoson-dra, nifatotra tongotra aman-tanana, notapenana ny vavany… Izany no nahitana ity Karana vavy, 69 taona, mipetra-drery teny, Tanjombato, maty novonoina, tao an-tranony rehefa avy norobaina, ny alarobia 11 febroary lasa teo. Voasambotry ny polisy ireo 6 mianadahy tompon’antoka sy mpiray tetika tamin’izany. “Ny mpiasavavy tao an-tranony sy ny mpamily ihany no […]
Par Taratra sur 17/02/2016
NS Malagasy, NS-Sports

Mandalo fotoan-tsarotra ny baolina kitra ao Kenya, ankehitriny. Tsy milamina ny Gor Mahia, taorian’ny tsy fahombiazany, nanoloana ny Cnaps Sport. Vokany, mifanipaka toy ny valala an-karona, ny mpilalao sy ny mpanazatra ary ny mpijery. Misavoritaka tanteraka ny klioban’ny Gor Mahia Kenya, amin’izao fotoana izao. Tsy levon’ny vavonin’izy ireo mihitsy manko ny nandresen’ny Cnaps Sport azy […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Divers, NS Malagasy
Mazava. Notoloran’ny federasiona iraisam-pirenen’ny lomano (Fina) fanasana manokana na « wild-card » hiatrehana ny Lalao Olympika 2016 (J.O) any Rio, Brezila, ireo mpilomano malagasy roa, Rabetsara Fils Estellah sy Ralefy Sitraka Anthony. Noho ny zava-bitan’izy ireo nandritra ny hetsika iraisam-pirenena natrehiny, indrindra tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Kazan, Rosia, no nahazoan’izy ireo io fanasana manokana avy […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Nifarimbona ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika niaraka tamin’ny IRD avy any Afrika Atsinanana sy Afrika Aostraly ary ny Nosy La Réunion tamin’ny fanatanterahana ny fihaonana ara-tsiantifika avo lenta tamin’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny maha zava-dehibe ny sehatry ny fikarohana eto Madagasikara sy ny voka-tsoa entin’izany fikarohana izany amin’ny faritra tsirairay ny fihaonana. […]
Par Taratra sur 17/02/2016
NS Malagasy, NS-Sports

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fifanintsanana amin’ireo Zones roa, Ouest, any Tsiroanomandidy sy Sud, any Fianarantsoa, amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety. Araka izany, mitarika vonjimaika amin’ny filaharana ankapobeny ny USF avy any Matsiatra Ambony, mpampiantrano, ao amin’ny vondrona “A” misy azy, sy ny ASS avy any Amoron’i Mania, ao amin’ny vondrona […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Divers, NS Malagasy
Hanomboka, anio alarobia 17 febroary any Maorisy, ny fivorian’ny komity iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), eo amin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy 2019. Mialoha ny hanatanterahana izany anefa, mitaky ny trosany, amin’ireo firenena nandray anjara, tamin’ny Lalaon’ny Nosy farany teo, ny komity mpanomana ny lalao, tamin’ny taona 2015 (Coji La Réunion). Nambaran’ny tomponandraikitra amin’izany fa anisan’ireo ananany vola, […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Divers, NS Malagasy
Mahafaty olona ary miteraka fifindra-monina ny hamafin’ny kere any amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana ary Anosy. Hafanana migaingaina, maina ny tany, ritra ny rano, tsy misy ny hanin-kohanina. Refona tanteraka ny mponina any an-toerana. Tsy mbola nisy ny rotsak’orana tamin’ity taona ity hatramin’izao. Miseho isan-taona ny kere any atsimo, saingy hetsika vonjy tavanandro hatrany no […]
Par Taratra sur 17/02/2016
NS Malagasy, NS-Culture

Fanorona, kilalao. Fanorona, paikady hoenti-manafika sy miaro vohitra. Fanorona, fitaizan-tsaina sy fo, sns. Raha tamin’ny alalan’ny lakam-panorona sy vatom-panorona no nilalaovana azy hatramin’izay, efa azo lalaovina amin’ny « tablette » sy « smartphone » izy ity amin’izao fotoana izao. Efa afaka mifanandrina ihany koa ny olona roa samihafa na mifanalavitra aza ny toerana na firenena misy azy ireo na […]
Par Taratra sur 17/02/2016
NS Malagasy, NS-Culture

Vonona i Francis Turbo. Efa liana ihany koa ireo mpankafy, hihaino sy hahita izay nomaniny. Ny fantatra aloha, horesahina ny resaka finoana sy fivavahana… Tsy haniratsira fivavahana akory! Mila hapetraka mialoha izay, sao misy mihevitra fa hanao an’izany i Francis Turbo, mandritra ny fampisehoana indroa miantoana, hotontosainy ny zoma 19 febroary amin’ny 7 ora hariva […]
Par Taratra sur 17/02/2016
NS Malagasy, NS-Culture

« Ambony ambany », hetsika iray manandratra ny dihy an-tanàn-dehibe, anisan’ireo efa mahazatra sy tsy zovina amin’ny mpankafy dihy intsony noho izy efa fanao isan-taona. Tonga amin’ny andiany fahefatra àry ny amin’ity 2016 ity ary hatao ny 20 sy 21 febroary izao, etsy amin’ny Institut Français de Madagasikara (IFM) etsy Analakely sy eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Hahazo tombontsoa ny olona 1 200 amin’ny fametrahana ny paompin-drano iraisana eny amin’ny fokontany Tsiadana izay natolotra ny mponina, omaly. 17, amin’izao fotoana izao, ny paompin-drano sy ny fotodrafitrasam-pidiovana ampiasain’ny mponina 15 433, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany ao Tsiadana, Ravelomanantsoa Solofohery Harison. Fokontany iray amin’ny efatra nomena ny paompin-drano ny fokontany Tsiadana. Raha misy paompin-drano telo […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Divers, NS Malagasy
Nitokona ny ampahany tamin’ny fiara mpitaritra ao anatin’ny kaoperativa Avotra 162 mampitohy an’Analamahitsy sy Anosizato, omaly maraina. Nitangorona teny Betongolo toerana nanaovan’ny zandary fanadihadiana ny olona izay nisora-tena ho filohan’ny fikambanana, izy ireo. Notorin’ny mpikambana sasany ao anatin’ny Avotra ity rangahy iray ity fa nisalotra ny andraikitra ho filoha nefa tsy nisy teny nifampierana tamin’ny […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Divers, NS Malagasy
Fa maninona no amin’izao vanim-potoana izao no hiresahana fanadinana ? Satria raha dila amin’izao ny fanomanana lasa rotoroto ka tsy misy antoka intsony. Ireto misy torohevitra vitsivitsy avy amina mpanabe nandinika manokana ny toetry ny tanora… “Comment réussir à coup sur son examen?”. Io ny lohahevitra novoaboasin’i Isabelle Delacroix, mpanabe sady mpikaroka manokana momba ny toetry […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Divers, NS Malagasy
Hitohy ny fitotongana? Samy mandray fepetra sady maminavina ny hoavy avokoa ny mpisehatra sy ny mpanara-maso maneran-tany mikasika ny vidin-tsolika. Rah any omaly 16 febroary, manodidina ny 29 dolara ny vidin’ny iray barila eo amin’ny tsena iraisamè-pirenena. Mahatonga ity fitotongan’ny vidiny ity ny hakelin’ny mpanjifa, izany hoe ny tinady miohatra amin’ny tolotra. Manoloana izany, nanapa-kevitra […]
Par Taratra sur 17/02/2016
Economie, NS Malagasy

Nampahafantarina, ny zoma 12 febroary teo, ny fijroan’ny fikambanana Fivondronan’ny avara-pianarana hampandrosoana an’i Vakinankaratra. Nambaran’ny filohany, Randriamampionona Céléstin, fa maro izay fitondrana nijro teto amintsika izay, nefa mijanona sy mijaly ao anaty fahantrana ny 85%-n’ny Malagasy. Tsy afa-bela amin’izany ny eto Vakinankaratra, izay tantsaha mpamboly sy mpiompy ny ankamaroany. Tsy manana vina lavitra ezaka ny […]