Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody : ny zaza no dondrona sa ny raiamandreny no votsa saina ?

Andro eran-tany ho an’ny tenin-dreny! Saika isan-taona, marihina sy ankalazaina eto Madagasikara izy io. Ventesina sy voizina hatrany ny tokony hilolohavana ny teny malagasy, saingy tsy izay ny zava-misy sy iainana andavanandro eny anivon’ny fianakaviana, ankohonana, fiarahamonina… Zaza malagasy tsy mahay miteny malagasy. Raiamandreny malagasy, te hisongadina amin’ny teny vahiny. Raha ny lamina voajanahary, tsy […]

Fantina sy fintina

Natolotry Samifin tamin’ny alalan’ny filohany, Razaraniaina Jean Claude, ny filoha Rajaonarimampianina, omaly, teny Iavoloha ny tatitry ny asan’izy ireo ho an’ny taona 2014. Nivoitra tamin’izany ny sakana mahazo azy ireo sy ny olana samihafa nosedraina, indrindra amin’ireo raharaha tonga eny amin’ny fitsarana nefa rava maina.   Nilaza ny tsy hiditra anaty governemanta raha misy ny […]

Fampandrosoana : manohana tetikasa mitondra fivoarana ny ACDM

 « Miasa ho amin’ny tetikasa fampandrosoana ny ONG Actions concrètes pour le developpement (ACDM). Manohana ireo fikambanana eny anivon’ny faritra izahay, toy ny fampitaovana ny fambolena sy ny fiompiana ary koa ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy ny filohan’ny fikambanana, Hanitriniaina Chilo, tetsy Ambatomitsangana, omaly. Nambarany fa miompana amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy sosialy, toy ny […]

Milaza ho kapitenin-tsambo : rangahibe efa 60 taona nahavita misoloky mivarotra fiara

Voasambotry ny polisin’ny SUT Tsaralalana ny alarobia teo, teny Soarano, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ny lehilahy iray 60 taona voalaza fa mpisoloky, monina any Isorana Fianarantsoa. Mitonona ho Kapitenin-tsambo izy rehefa manao ny asa ratsiny ka milaza ho Rahakavelo no fiantsoana azy amin’izany. Mivarotra fiara sy ordinatera izy ka mitondra sarina fiara Sprinter […]

Asan-jiolahy ao Toamasina : sasatry ny misambotra ny polisy

Asan-jiolahy ao Toamasina : sasatry ny misambotra ny polisy

Sasatry ny misambotra ny mpitandro ny filaminana, noho ny famotsarana sahady ny lehilahy iray voalaza fa tratra ambodiomby namaky trano, tany Ambohijafy Toamasina, ny alin’ny 13 febroary lasa teo. Nangalatra moto sy fitaovana maro samihafa tao an-tokatranon’ olona izy ireo, izay mbola tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny. Tsy naiditry ny fitsarana amponja ny iray […]

Vonoan’ olona mahatsiravina tany Salazamay : Seraphin, ny vadiny ihany namono nandrasarasa ilay ramatoa

Vonoan’ olona mahatsiravina tany Salazamay : Seraphin, ny vadiny ihany namono nandrasarasa ilay ramatoa

Rangahy vadiny ihany, antsoina hoe Seraphin, nahavita namono tamin’ny fomba feno habibiana an-dramatoa. Efa voasambotra avokoa ireo nahavanon-doza nahavita nitetitetika antsy an’ ilay renim-pianakavina novonoina tamin’ny fomba feno habibiana natsipy tany Salazamy Avaratra Toamasina, ny 9 febroary teo. Nivoaka aloha hatreto ny ampahany amin’ny marina.  Fantatra ny nahavanon-doza, izay tsy iza fa ny vadin’ i […]

Haintrano goavana teny Ambohimangakely : orinasa, trano, fiara maro hotohoton’ny afo

Haintrano goavana teny Ambohimangakely : orinasa, trano, fiara maro hotohoton’ny afo

 Trano lehibe iray, trano fivarotan-kazo sy fandrafetana hazo (atelier), masinin-kazo miisa 14, fiara miisa enina ary môtô roa no indray kilan’ny afo nandritra ny haintrano teny Ambodivoara Ambohimangakely, omaly maraina. Araka ny fitantaran’ireo mpiasa tao an-toerana, nanomboka nirehitra ny afo tamin’ny 8 ora maraina. Niainga avy ao amin’ny trano hazo iray tao ambony rihana ny […]

Tselatra

Nanatanteraka fihaonana tao amin’ny birao fiasan’ny lehiben’ny boriboritany fahafito, etsy 67ha, ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahafito sy ny filohan’ny fokontany rehetra ao amin’ny faritra iadidiany. Dinidinika mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy fametrahana indray ny lamin’asa vaovao hiatrehana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny niompanan’ny adihevitra tamin’izany. Ny sinto […]

Fanapotehana ny fampiasam-bola : herinandro sisa dia mety ho faty Ambatovy #canada #sherrit #ambatovy

Fanapotehana ny fampiasam-bola : herinandro sisa dia mety ho faty Ambatovy #canada #sherrit #ambatovy

 Mihitsoka avokoa ny entana hafarana sy ny tokony haondran’ny Tetikasa Ambatovy ankehitriny, vokatry ny fanerena hampiharana ny hetra Advanced Cargo Declaration (ACD). Herinandro sisa ny fahafahan’ity orinasa vaventy ity miaina, ary ho faty tanteraka raha mitohy izao kenda roroka ataon’ny fanjakana izao. Efa niaiky ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany fa tsy voakasik’ilay hetra Advanced […]

ComNat/Unesco – Raboanary Hanta : « Manana anjara asa goavana eo amin’ny fiarahamonina ny Radio »

ComNat/Unesco – Raboanary Hanta : « Manana anjara asa goavana eo amin’ny fiarahamonina ny Radio »

13 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Radio. Nandritra ny fivahinianan-dRaboanary Hanta, sekretera jeneralin’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (ComNat/Unesco) tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) no nanamafisany ny lanja lehibe ananan’ny Radio eo amin’ny fiainam-piarahamonina. Notsiahiviny tamin’izany fa « tsy azo ialana sady mitana ny laharana voalohany amin’ny fampitam-baovao, indrindra ho antsika eto Madagasikara, ny Radio ». Nampahatsiahiviny […]

Pancrace : hidona amin’i La Réunion i Dago

Tsy miandry ela. Efa eo am-panomanana sahady ny fandraisana ilay « Gala international » eo amin’ny taranja haiady, pancrace, ny fikambanana Perfect Fighting Commission sy ireo taranja miaraka aminy na PFC & DA tarihin’ny filohany, Rakotonindriana Parfait. Raha ny fanazavana, hetsika hifanandrinan’i Madagasikara amin’i La Réunion io « Gala international io ». Hotanterahina  indroa miantoana kosa izany, raha ny […]

Basikety – Coupe du Président : mandravarava ireo ekipan’i Vakinankaratra

Basikety – Coupe du Président : mandravarava ireo ekipan’i Vakinankaratra

Tsy mbola resy. Mandravarava aloha, hatreto, ireo ekipa misolo tena an’i Vakinankaratra amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, ho an’ny Zone Ouest, any Tsiroanomandidy. Araka ny efa fantatra mantsy, vantany vao tontosa ireo fifanintsanana tamin’ireo Zones Nord (tany Antsiranana) sy Centre (tany Toamasina), nanomboka ny faran’ny herinandro kos,a ny teo anivon’ireo […]

Fikambanana Bel Avenir : hihazo an’i Azia ny Bloco Malagasy

Nanainga omaly tao Toliara ary hihazo ny kaontinanta aziatika ireo andriambavilanitra, mpively amponga, ao anatin’ny tarika Bloco Malagasy, izay novolavolain’ny fikambanana Bel Avenir any Toliara any. Hisantatra sahady ny fitetezam-paritra any ivelany any izy ireo, saingy toy ny mahazatra, manana lohahevitra hatrany ny fampisehoana hatolotry ny tarika. Hiompana amin’ny fanentanana momba ny fizahantany tompon’andraikitra ity […]

«Ligue des champions» : resin’ny PSG ny Chelsea

Lavon’ny PSG, tamin’ny isa 2 noho 1, ny Chelsea, ny talata lasa teo, tao amin’ny kianja Parc des Princes. Fihaonana ampahavalon-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Nanehoan’ny Frantsay ny heriny ry zareo Anglisy, tamin’ity. Tsy namelan’izy ireo mihitsy mantsy raha tsy niondrika teo anatrehany ny Chelsea. Anisan’ireo mpilalao nisongadina […]

Beach soccer : “Mondialiste” 8 nantsoina ho Barea

 Nanomboka, omaly alarobia ary haharitra hatramin’ny alahady 21 febroary ho avy izao, any Fenoarivo Atsinanana, ny fampivondronana voalohany, ho an’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny taranja beach soccer. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2016) izany. Mpilalao 20 nantsoina hiatrika izany, tamin’ity, ka ny 8 amin’ireo, efa tao anatin’ny Barea […]

Miomana amin’ny fiavian’ny Zika ny COI

Miomana amin’ny fiavian’ny Zika ny COI

 Manoloana ny fiparitahan’ny tsimokaretin’ny Zika amin’ny firenena maro, nandinika ny asa tokony hatao sy ny fiomanana ny vondron’ny firenena aty amin’ny ranomasina Indianina (COI) ny herinandro lasa teo tany Seychelles. Manana tambazotra fanaraha-maso ny valanaretina sy fitantanana ny fampilazana ny loza (Sega) ny firenena rehetra mpikambana amin’ny COI. Lohahevitra telo no nojerena manokana, hamafisina ny […]

Fanabeazana mampiaty : hampiarahana mianatra ny sembana sy ny mpianatra tsotra 

Miara-miasa nanomboka omaly, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Handicap International hampiditra ny ankizy rehetra voailika amin’ny rafi-panabeazana omen’ny minisitera. Fanabeazana mampiaty ny iantsoana azy ary tsy tokony hisy ankizy voailika intsony fa ho tafiditra an-dakilasy avokoa. Ao anatin’izany ny ankizy voafonja, kamboty, manana fahasembanana samihafa… « Misy ny rafitra hapetraka hanatanterahana ny asa manomboka eny amin’ny […]

Hahatsiaro an-dRanavalona III ny Zaikabe Merina

Hahatsiaro an-dRanavalona III ny Zaikabe Merina

Manomana hetsika eny Manjakamiadana ny Zaikabe Merina, tarihin’Andrianarivo Jonah, ho fanamarihana ny faha-27 febroary taona 1897, alina nanonganan’ny mpanani-bohitra ny mpanjaka Merina farany, ary ny 28 febroary, andro nandefasany azy sesitany mandra-pahafatiny. “Haranty amin’izany ny tantaran’ny mpanjaka Ranavalona III, manomboka ny 26, 27, ary 28 febroary izao”, hoy izy. Hisy boky volamena hanehoana hevitra momba […]

Tolo-tanana : nahangona 10 tapitrisa Ar Atsimo Andrefana

Tolo-tanana : nahangona 10 tapitrisa Ar Atsimo Andrefana

Vola 10 020 990 Ar ny voaangona nandritra ny “Tolo-tanana ho an’Androy” natao teto Toliara tao anatin’ny telo andro. Nanampy ireo ny vary 60 gony, tsako dimy gony, sira 31 gony, voamaina 32 gony, siramamy iray gony lasaka, lamba fitafy 59 fonosana ary lay efatra   fonosana lehibe… Araka ny fanambaran’ny lehiben’ny faritra, havadika ho sakafo ireo vola […]

Noho ny fifindra-monina sy ny kere : mitombo 50 isan’andro ny mponina ao Toliara

Noho ny fifindra-monina sy ny kere : mitombo 50 isan’andro ny mponina ao Toliara

 Vokatry ny hamafin’ny kere any atsimon’ny Nosy. Mifindra monina mamonjy tanàn-dehibe avokoa ireo afaka manao izany. Ao Toliara, tafakatra 50 isan’andro ireo tonga mifindra monina. Mitombo 50 isan’andro ny mponina eto Toliara vokatry ny fifindra-monina noho ny fisian’ny kere aty atsimo. Miezaka mamaha ny olany ny olona tsirairay izay manana fahefana manafatra ny havany tratry […]

English Microscholarships A.P : mpianatra 57 mahafehy ny teny anglisy

Nahavita ny fianarana teny anglisy ireo mpianatra 57 avy amin’ny fianakaviana tena sahirana. Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa fizarana vatsi-pianarana momba ny fampianarana teny anglisy na English Microscholarships ataon’ny masoivoho amerikanina no nahafahan’izy ireo nanao izany fampianarana izany. Notolorana ny marim-pahahaizana manokana ireto mpianatra 57 ireto tamin’ny herinandro teo. Notronin’ny masoivoho amerikanina Robert Yamate sy ny sekretera jeneralin’ny […]

KMF/Cnoe : “Zava-dehibe ny fifandanjan-kery amin’ny fampandrosoana”

KMF/Cnoe : “Zava-dehibe ny fifandanjan-kery amin’ny fampandrosoana”

Manjaka tokana ny antokon’ny fitondrana.  Zava-dehibe ny fisian’ny hevitra samy hafa, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny KMF/Cnoe.  “Tsy tokony hatao tsinontsinona ny fifandanjan-kery. Satria zava-dehibe ny fisian’ny hevitra maro samihafa, indrindra ny hevitry ny vitsy anisa eo amin’ny fampandrosoana.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny KMF/Cnoe, Raharisoamalala Patricia, teny Antanimena, afakomaly, momba ny fanjakan’ny antoko […]

Fiahiana ara-tsosialy : nanampy ny kamboty sy ireo zaza nania ny Freedom

Fiahiana ara-tsosialy : nanampy ny kamboty sy ireo zaza nania ny Freedom

 Tsy any amin’ny resaka politika ihany. Nanao fitsidihana sy fanomezana fitaovam-pianarana toy ny penina, kahie, solaitra ho an’ireo zaza kamboty sy nania, miisa 300, tezain’ny fikambanana Fiankinantsoa etsy Ankorondrano Andranomahery ny antoko Freedom, omaly. Tsy hijanona eo ihany anefa izany, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrazafy Lalatiana. « Mampanantena izahay fa mbola hanohy fanampiana maharitra ary hanorina […]

Fikaroham-bahaolana : hampiditra ny FFKM  amin’ny fampihavanana ny FFM

 Tombanana fa mety hiara-kiasa ? Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM, afakomaly, fa anisan’ny noraisina sy nampidirina ao amin’ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena ny fehinkevitry ny fihaonambem-pirenena, natao teny Ivato tamin’ny taon-dasa. Efa nanambara ny tokony hidiran’ny FFKM ho anisan’ny mpikambana eo anivon’ny FFM ireo komity teknika mpamolavola izany lalàna izany. Na izany aza, andrasana ny mety […]

Fantina sy fintina

Nasiam-panitsiana hijerena ny tombontsoany  ny fitsipika anatin’ny Antenimierandoholona. Voafaritra ao fa 5 tapitrisa Ar ny tambin-karaman’izy ireo ka ny 2 tapitrisa Ar vatan-karama raha ho an’ny solika sy ny fahana ary tombontsoa samihafa kosa ny 3 tapitrisa Ar. Tsy voafaritra ao kosa anefa ny hahazoan’izy ireo fiara 4×4. Mbola handalo ny HCC izany ary izy […]