Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CCEsca – Francis Turbo : nahazo ny anjarany avokoa ny tsirairay

CCEsca – Francis Turbo : nahazo ny anjarany avokoa ny tsirairay

Tonga maro ny mpijery ! Liana sy voasariky ny fampisehoana in-droa nisesy notontosain’i Francis Turbo ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Seho nanehoany ankolaka na mivantana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny finoana. Tehaka nirefodrefotra naneho fankasitrahana no nasetrin’ny mpijery tonga marobe nanatrika ny seho an-tsehatra « Andriamanitra ô ! Inona ary ity ? » niarahana tamin’i Francis Turbo […]

SZM : nifandray tetsy Mahamasina ireo skoto

SZM : nifandray tetsy Mahamasina ireo skoto

Nomarihina omaly tetsy Antsahamanitra ny Andro eran-tany ho an’ny skotisma. Maherin’ny 2.500 ireo skoto zazalahy sy zazavavy ary ankizy avy eto Antananarivo sy ny manodidina tonga nanotrona ny fotoana. « Fifandraisana » ny lohahevitra novoizina nandritra ny fankalazana. Fifandraisana amin’ny namana, amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ireo samy skoto ary indrindra amin’ny alalan’ny fivoaran’ny teknolojia moderina no nasongadina tamin’izany. Novoizina […]

Kitra – Barea de Madagascar : hanatevina ny ekipa teknika i Baovola sy Rabesandratana

Kitra – Barea de Madagascar : hanatevina ny ekipa teknika i Baovola sy Rabesandratana

Nohatevenina ny ekipa teknikan’ny Barea de Madagascar, mialoha ny hiatrehana ireo fihaonana iraisam-pirenena ambiny. Nantsoina hanampy ireo  efa ao anatiny, Augustin Baovola sy Rabesandratana. Notapahin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nandritra ny fivoriambe, nataony tany Fenoarivo Atsinanana, ny asabotsy lasa teo fa hampidirina ao anatin’ny ekipa teknikan’ny Barea de Madagascar, sokajy “senior”, Andriamiharinosy Augustin (Baovola) […]

Adala mirenireny : loza mitatao amin’ny fiarahamonina

Adala mirenireny : loza mitatao amin’ny fiarahamonina

Midaroka tampoka amin’ny hazo, mamelaka teha-maina, misintona ny sakafo eny an-tanàn-jaza, mandona mafy be, mitabataba, mandrora….. Ampahany amin’ny fihetsika ataon’ireo adala mirenireny eto Antananrivo ireo. Ao ireo torana mihitsy tratry ny felaka teha-maina mandrivorivo ataon’izy ireny. Ny sasany mandringo-bolo ka hifarimbonan’ny olona maromaro mihitsy vao afaka eo ny tanan’ilay adala. Maratra sy mitondra takaitra mihitsy […]

Indray mijery

 Hotanterahina ny 9 sy 10 marsa izao etsy amin’ny Carlton Anosy ny Salon des études Internationales amin’ity taona ity. Ho tazana amin’izany ireo oniversite efatra sangany ao Afrika Atsimo. Tanjona ny hahafantaran’ny tanora Malagasy ireo karazana oniversite manan ireo lalam-piofanana azo hanitarana ny fianarana. Hampahafantatra rahateo ireo karazana lalam-piofanan izay tsy mbola misy eto amintsika […]

Anketa – Toliara  mitaky ny fameranana ny lakan-drano ny fokonolona

Anketa – Toliara  mitaky ny fameranana ny lakan-drano ny fokonolona

Nametraka sora-baventy sy naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny biraon’ny fokontany ny mponina ao amin’ny fokontany Anketa, ny 20 febroary teo, noho ny fanampenan’ ny ramatoa iray ny lakan-drano manary rano mankany an-dranomasina. Fotodrafitrasa efa tamin’ny taona 1935 ity lakan-drano ity, mamakivaky ny tanànan’Anketa. Fokontany efatra mahazo tombontsoa avy amin’izany : Anataravay, Anketa Voalohany, Anketa […]

Beach Soccer : nomena “ordre du merite sportif” ny mpilalaon’ny Barea

Beach Soccer : nomena “ordre du merite sportif” ny mpilalaon’ny Barea

Notoloran’ny fitondram-panjakana, «ordre du merite sportif », ireo mpilalao nandrafitra ny Barea de Madagascar, nahazo ny Can 2015, eo amin’ny taranja beach soccer. Ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Rakotomamonjy Neypatraiky, nisolo tena ny tomponandraikitra misahana izany, no nanolotra izany, ho an’ireo mpilalao. “Chevalier de l’ordre nationale“, kosa ny an’ireo mpanazatra 3 mirahalahy dia i […]

Seha-pihariana iray : homen-danja ny fiompiana alika Berger Allemand Lof

Seha-pihariana iray : homen-danja ny fiompiana alika Berger Allemand Lof

Nampahafantatra ny fijoroany, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny oniversite E-Media eny Tsiadana, ny fikambanana mpiompy alika AMBA (Association malgache de Berger Allemand) tarihin’ny filohany, Rakotobe Tony. Mpiompy karazana alika Berger Allemand (BA) ireo ao anatin’ny fikambanana, nefa koa tsy misakana ny hafa izay te hiditra. Any Eoropa, na amin’ny firenena sasany afrikanina, efa lasa […]

Federasiona malagasin’ny baolina kitra : efa nampoizina ny “Quitus 100%” avy amin’ireo ligy

Tsy nahataitra ny mpanara-baovao intsony fa efa nampoizina ny nanomezan’ireo ligim-paritra 22 fitokisana ny mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nahazo “quitus 100%” indray mantsy i Ahmad sy ny ekipany. Nandritra ny fivoriamben’ny federasiona natao tany Fenoarivo Antsinanana, ny asabotsy lasa teo, no nanaovana izany. Na nisy aza ireo filohana ligy vitsivitsy tsy […]

Lomano – Mada Jeunes 2016 : nahavita « meilleures performances » i Mamihaja Nathan sy Idealy

Lomano – Mada Jeunes 2016 : nahavita « meilleures performances » i Mamihaja Nathan sy Idealy

Nahitana « meilleures performances » roa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja lomano, sokajy tanora. Ny iray, tamin’ny alalan’i Mamihaja ary ny iray tamin’ny alalan’Idealy. Niady ny fihaonana. Tontosa tetsy amin’ny dobo filomanosana Olympika, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, rehefa nizotra nandritra ny hateloana (19 – 21 febroary). Nahavita « meilleures performances » […]

Basikety – Coupe du Président : ekipa 12 indray hikatroka amin’ny Play-off

Basikety – Coupe du Président : ekipa 12 indray hikatroka amin’ny Play-off

Ekipa 12. Ireo no indray hikatroka amin’ny dingana “Play-off” amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, andiany faharoa. Fifaninanana hotanterahina, ny 27 febroary – 6 marsa izao, any Mahajanga, ao amin’ny kianja mitafo vaovao. Araka ny voalahatra sy araka ny lalàn’ny fifaninanana, valo amin’ireo ekipa 12 hiatrika ny “Play-off”, ireo ekipa roa voalohany tafavoaka […]

Kempo – Fiofanana : nanomanana sahady ireo hetsika nasionaly

Kempo – Fiofanana : nanomanana sahady ireo hetsika nasionaly

Niatrika fiofanana, nandritra ny roa andro, ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny dojo “sous-gradin”, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpikatroka eo amin’ny kempo sy MMA (Mixed Martial Art). Fiofanana nokarakarain’ny fikambanana Perfect Fighting Commission na PFC notarihin’ny filohany, Rakotonindriana Parfait. Nizara telo niavaka tsara ny fampianarana tamin’izany. Ny tapany voalohany, natokana fotsiny ho an’ireo mpitsara […]

Opta – Ramarosaona Fara Bernard  – “Ady amin’ny kolikoly: olana ny fitondrana sy ny fitsarana”

Opta – Ramarosaona Fara Bernard  – “Ady amin’ny kolikoly: olana ny fitondrana sy ny fitsarana”

 “Olana amin’izao ady amin’ny kolikoly izao ny fitondrana sy ny fitsarana. Nefa avy any aminy ny zava-drehetra… Efa manao antso fanairana foana izahay firaisamonina sivily, ary tsy mitsahatra amin’izany”, hoy ny avy amin’ny firaisamonina sivily Olom-pirenena tompon’andraikitra (Opta), Ramarosaona Fara Pierre Bernard, teny amin’ny Cite, Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo. Nijoro tamin’ny 2006 ny Opta, […]

Badminton : nanokatra ny taom-pilalaovana ny FMBad

Badminton : nanokatra ny taom-pilalaovana ny FMBad

Notontosain’ny federasiona malagasin’ny badminton na FMBad tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena, efitrano kely, Mahamasina, ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2016 eo amin’ny taranja badminton. Raha ny fanazavana, fifaninanana natao sahady hanomanana ireo ankizy hiatrika ireo fifaninanana federaly ho amin’ity taona ity izany. Teo ihany koa ny fampandraisana anjara amina fifaninanana ireo ankizy, mpianatra teny anivon’ireo sekoly […]

Filoha Rajaonarimampianina : « Efa manomboka manga ny lanitra fa tsy maitso intsony… »

Filoha Rajaonarimampianina : « Efa manomboka manga ny lanitra fa tsy maitso intsony… »

 Nitsidika ny orinasam-panjakana Fanjarian’ala Ambatondrazaka Moramanga (Fanalamanga) ao Tsirinala Moramanga ny filoha Rajaonarimampianina, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny resaka toekarena, nanaovany sarin-teny ny resaka politika.   « Efa manomboka manga ny lanitra tato anatin’ny herintaona fa tsy maitso intsony », hoy izy. Na tsy nivantana aza, anisan’ny tiany hambara ny fahazoan’ny antokony, HVM ny maro anisa […]

Fantina sy fintina

Efa eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Ravalomanana rehefa avy nivahiny nandritra ny andro maromaro tany Inde. Niompana amin’ny resaka toekarena sy fandraharahana ny anton-diany tany amin’ity firenena anisan’ny Brics ity. Tafiditra amin’ny famelomana indray ny orinasa Tiko izao fivoahana matetika ataon’ity mpandraharaha sady mpanao politika ity. Manana vahaolana hivoahana amin’ny krizy Rasambozafy Cyril. Nambarany, […]

Nijoro ny Achropol hiaro ny mpanao gazety

Nijoro ny Achropol hiaro ny mpanao gazety

Hifampitaiza sy hifanakalo traikefa ary hanamafy ny firaisankina sy hiaro ny asa fanaovan-gazety, indrindra manoloana ny olana ara-politika ka hanenjehana ny mpanao gazety. Antom-pijoroan’ny fikambanan’ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovao politika (Achropol) ireo. Tontosa ny asabotsy teo teny Tsiadana ny fifidianana ny birao vaovao hitantanana ny fikambanana mandritra ny telo taona. Voafidy ho filohan’ny Achropol […]

Holafitry ny mpisolovava  : “Mbola mafimafy ny kolikoly eny amin’ny fitsarana”

Holafitry ny mpisolovava  : “Mbola mafimafy ny kolikoly eny amin’ny fitsarana”

 “Irahantsika mahafantatra ny filazana sy fanazavan’ny rafitra sy tomponandraikitra samihafa miasa eto amintsika: mbola mafimafy ihany ny resaka kolikoly amin’ny fitsarana eto Madagasikara. Milaza izahay fa samy tomponandraikitra amin’io avokoa.” Io no nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, Raharison Hubert, tamin’ny andron’ny mpisolovava teny Anosy, afakomaly. Nifantohana tamin’izany ny hoe: “Ny andraikitry ny mpisolovava amin’ny fampanjakana […]

Nikasa hisoloky 40 tapitrisa Ar : noraisim-potsiny ireo telo lahy nisandoka ho talen’ny kabinetra

Nikasa hisoloky 40 tapitrisa Ar : noraisim-potsiny ireo telo lahy nisandoka ho talen’ny kabinetra

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Manakarabe, ny 19 febroary 2016 teo ireo telo lahy nisandoka ho Dir Cab-n’ny Antenimieram-pirenena. Nikasa haka vola mitentina 40 tapitrisa Ar tamin’olona iray tany an-toerana izy ireo…   Nokasain’ireto mpisoloky ireto hakana lelavola mitentina 40 tapitrisa Ar ny fianakaviana manam-boninahitra mipetraka ao Manakarabe, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray any […]

Tselatra

Mpamily iray naratra teo amin’ny lohany. Io no vokatry ny fanafihana nataona andian-jiolahy, ny zoma teo, tao Fanandrahana Toamasina II. Fiara miisa efatra no indray voatora-bato ka tamin’izany no nahavoatoraka ny mpamily iray. Tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy. Olona efatra indray voasambotry ny zandary tany Ampanihy atsinanana, ny herinandro teo izay voarohirohy […]

Iantonana-Antsirabe : tratra ireo olona nandoro ny tranon’ny kaominina

 Voasambotry ny Emmo/Reg, ny asabotsy teo ireo olona miisa fito voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandorana ny biraon’ny kaominina Iantonana Betafo. Ny 4 febroary  2016 lasa teo nitrangan’ity fandorana ny tranon’ny kaominina ity. Tsy fantatra marina hatreto izay antony nahatonga ireo olona handoro ny biraon’ny kaominina fa iray amin’ireo voarohirohy ao anatin’ity raharaha ity ny ben’ny […]

Mosary… moa sarin’ady?  

Mosary… moa sarin’ady?  

Tsy fahampian-tsakafo sa mosary na kere ny any atsimo? Tsy any loatra ny olana na adihevitra. Inona ny vahaolana? Na maika io, na maharitra. Mila jerena akaiky izay, tanterahina, tohizana. Tsy fisehoana hoe mijery sy manao zavatra izany, tsy vonjy tavanandro, tsy fialana bala. Fa tena fahatapahan-kevitra, fahasahiana, finiavana, fahavononana: asa haingana sy mivaingana. Moa […]