Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Ballon d’or 2015” : namoa-tsampona indray ny Fifa

Kitra – “Ballon d’or 2015” : namoa-tsampona indray ny Fifa

 Nanaotao foana indray ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), omaly. Nivoaka tao anatin’ny tranonkalan’ity andry voalohan’ny kitra eran-tany ity mantsy fa i Lionel Messi  hahazo ny “Ballon d’or 2015”. Zava-doza ny nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny federasioan iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Namoaka ny anaran’ny mpilalao hahazo ny “Ballon d’or 2015” tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany mantsy izy ireo. […]

Tenisy – «Afrique Australe» : tsy nanampy ny minisitera

Nanainga omaly ny delegasiona malagasy, eo amin’ny taranja tenisy, handeha hanatrika ny fifaninanana,  fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly. Fihaonana, hotanterahina  any Pretoria, Afrika Atsimo ny 9 ka hatramin’ny 16 janoary ho avy izao, ho an’ny sokajy zandriny U12, U14 ary U16 lahy sy vavy. Mpilalao 12 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena, amin’izany ka roa […]

Fizahantany sy fampandrosoana : hiroso amin’ny matihanina hatrany ny Ortana

Fizahantany sy fampandrosoana : hiroso amin’ny matihanina hatrany ny Ortana

Tohizina ny tetikasa efa natomboka. Hirosoana hatrany koa ny haha matihanina ireo rantsa-mangaikan’ny fizahantany sy ny fampandrosoana. Anisan’ny nisongadina ireo nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana) sy ny mpitantana teo aloha. Hatsaraina hatrany ny tolotra omen’ny Ortana amin’ny alalan’ny fampidirana ireo voakasiky ny tontolon’ny fizahantany ho eo […]

Karaté – Open de Paris 2016 : tsy fantatra ireo hiaro ny voninahi-pirenena

Baraingo aloha, hatreto, ny fandraisana anjaran’i Madagasikara na tsia amin’ilay hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny taranja karate “Open de Paris”, andiany faha-20. Fifaninanana karakaraina sy hotanterahin’ny federasiona frantsay (FFK), ny 22 – 24 janoary izao, ao amin’ny kianja Pierre de Coubertin, Paris, Frantsa. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’io hatrany i Madagasikara, eny, fa na tsy nandefa […]

Ravalomanana : « Manohana ny fitakiana ireo Iles Eparses aho »

Ravalomanana : « Manohana ny fitakiana ireo Iles Eparses aho »

 Nivoaka amin’ny fanginany ary naneho hevitra tamin’ny mpanao gazety ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly teny Faravohitra. Noresahiny ny fifidianana loholona farany teo sy ny momba ireo Nosy manodidina.   « Manohana aho rehefa antsika ireo Nosy ireo… Tsy azo ekena izany taninao lasan’olon-kafa izany. Voahitsakitsaka amin’ny fananantsika isika… », hoy izy. Ankoatra izany, nahitsy ny fanehoan-keviny […]

Fambolena sy fizahantany : nanome fanampiana 7,5 tapitrisa euros ny Frantsay

Fambolena sy fizahantany : nanome fanampiana 7,5 tapitrisa euros ny Frantsay

Vita, omaly tao amin’ny minisiteran’ny Fitantanambola sy ny tetibola, ny fanaovan-tsonia fanomezan’ny Agence française de développement (Afd) ny fanjakana malagasy ho fanampiana ny sehatry ny fambolena sy ny fizahantany. Niara–nanao sonia ny masoivoho frantsay, Vouland-Aneini, sy ny minisitra Rakotoarimanana Gervais. Faritra Vakinankaratra, Alaotra, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ireo no faritra hanaovana tetikasa manokana ho […]

Fandaharam-potoana janoary : mitohy ireo hetsika mahazatra ao amin’ny IFM

Fandaharam-potoana janoary : mitohy ireo hetsika mahazatra ao amin’ny IFM

Na vao manomboka aza ny taona, efa matevina ny fandaharam-potoana sy ireo ara-kolontsaina sy ara-javakanto etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely. Hisantatra izany ary anisan’ny vaovao lehibe eo amin’ny tontolon’ny asa soratra, ny hivoahan’ny sanganasan’i Michèle Rakotoson, mpanoratra tsy zovina amin’ny maro intsony. “Madame à la campagne” no lohatenin’ity boky ity; asa […]

BFV-SG  : masoivoho vaovao eny Andraharo

Nahatratra 40 ny masoivohon’ny banky BFV-SG nohavaozina tato anatin’ny telo taona ary telo ny vaovao nosokafana. Ao anatin’ireo koa ny fiovan-toerana, toy ny tetsy amin’ny Galaxy ary nifindra eny amin’ny Cap 3.000, samy eny Andraharo. Tanjona ny hanomezana tolotra sahaza ny mpanjifa mifanandrify amin’ny toetrandro sy ny teknolojia maoderina. Hitohy any amin’ny faritra hafa ny […]

“Ciné Attac” : hiainga amin’ny “Ady gasy” ny adihevitra  

Mitety firenena sy karazana hetsika samihafa ny “Ady gasy”, sarimihetsika malagasy notontosain’i Lova Nantenaina. Mitohy ny fahombiazana ho an’ity tantara an-tsary ity raha ny fandefasana azy any ivelany any no resahina. Hisantatra izany sahady ny amin’ny 11 janoary izao, any Paris. Tsy “festival”, toy ny fandre matetika, no nisafidy ity horonantsary ity, amin’io fotoana io […]

Toliara : manao antso fanairana momba ny fifidianana ny Fitiba

Toliara : manao antso fanairana momba ny fifidianana ny Fitiba

 « Mampaneno lakolosy izahay manoloana ny tranga niseho tamin’ny fifidianana loholona farany teo. Tsy mpanohitra ny fitondrana izahay, saingy miantso ny raiamandreny eto amin’ny firenena,  ny filoha, ny praiminisitra, ny Ceni ary ny HCC mba hijery izany », hoy ny kandidàn’ny Fitiba, Nakany Charly, omaly tetsy Ankorondrano, nanoloana ny mpanao gazety. Notanisainy amin’izany ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa […]

HVM –Faritra V7V : « Fanambaniana mpifidy vaventy ny nataon’ireo resy »

HVM –Faritra V7V : « Fanambaniana mpifidy vaventy ny nataon’ireo resy »

Nitondra fanazavana, tao Le Louvres Antaninarenina omaly,  ny mpikambana ao amin’ny HVM avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, nitsipaka tanteraka ny fandotoana azy ireo  tamin’ny fifidianana loholona, ny 29 desambra lasa teo, indrindra tao amin’ny kaominina Vohipeno sy Ambila. « Fanambaniana mpifidy vaventy ireny filazana nataon’ny vondron’olona resy ireny ; politika hikotrehana fanakorontanana », hoy ny minisitry ny […]

Amparafaravola sy Tsiroanomanddiy : olona roa indray no matin’ny pesta

Amparafaravola sy Tsiroanomanddiy : olona roa indray no matin’ny pesta

 Tao anatin’ny roa herinandro farany, olona roa no matin’ny aretina pesta miseho amin’ny atoditarimo. Nahitana tranga roa tao amin’ny distrikan’Amparafaravola ka iray tamin’ireo namoy ny ainy. Efa razana tsy misy aina intsony no nentin’ny fianakaviana teny amin’ny tobim-pahasalamana, araka ny fanazavana azo. Nisy tranga koa tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ary maty ivelan’ny hopitaly ihany koa […]

Iavoloha : tsy voaasa ny federasion’ny fanatanjahantena

 Tsy fahita firy ? Tsy anisan’ireo voaasa amin’ny lanonana fifampiarahaban’ny andrimpanjakana eny Iavoloha anio ireo federasiona ara-panatanjahantena rehetra eto amintsika. Nambaran’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny lanonana ao Ambohitsorohitra fa niainga amin’ny taratasy avy anivon’ny minisitera ihany no nanomezana ny fanasana. Avy amin’iza izany ny hadisoana na ny mety ho fanadinoana na fanilihana  ? Tsy azo hadinoina fa […]

Nolanian’ny filankevitry ny Tanàna : hosokafana ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo

Nolanian’ny filankevitry ny Tanàna : hosokafana ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo

 « Mahita izahay fa rariny raha miroso amin’ny fahafahana miteny sy maneho hevitra isika. Mivoatra ny raharaham-pirenena. Hovahan’ny mpanolotsaina amin’izao fotoana izao ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo rehefa nakaton’ny mpanolotsaina tamin’ny foton’androny », hoy i Andriambahoaka Faustin, omaly tamin’ny mpanao gazety, nialoha ny nandanian’ny mpanolotsaina izany tetsy Analakely. Nandany izany, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana avokoa  ireo mpanolotsaina maherin’ny 40, […]

Avy amin’ny tanoran’ny fiadidiana ny Repoblika : olona sahirana 1 000 nahazo fanampiana

Avy amin’ny tanoran’ny fiadidiana ny Repoblika : olona sahirana 1 000 nahazo fanampiana

 Nitondra fanampiana ho an’ny olona 1 000 sahirana amin’ny fokontany amin’ny faritra iva , Isotry, Ampefilohe Ambodirano, Andavamamba sy ny manodidina ny tanora ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Vary 60 kitapo, siramamy 20 gony, ronona 1000, pâte 32 baoritra ary biskoy 20  baoritra no nozaraina ho an’ireo fianakaviana ireo. Nisy ny fizarana tapakila mialoha hanamarinana […]

Filankevitry ny minisitra : hanendry loholona avy amin’ireo rafitra sosialy sy toekarena ny filoha

 Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha ny nanampiana tovana ny andininy amin’ny didim-panjakana, momba ny fanendren’ny filoham-pirenena ny loholona. Tafiditra ao anatin’izany ny fahazoan’ireo vondrona na rafitra ary koa fikambanana mijoro ara-dalàna manolotra olon-tokana na maromaro hofidin’ny filoham-pirenena ho anisan’ireo loholona 21 anjara tendreny, hanampy ireo 42, nofidin’ny mpifidy vaventy farany teo. […]

Taona 2015 : miisa 15 ireo zandary matin’ny dahalo  

Taona 2015 : miisa 15 ireo zandary matin’ny dahalo  

 Henjana ho an’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena iny taona 2015 lasa teo iny. Miisa 15 ireo zandary lavo am-perinasa nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Teo koa ireo zandary nanaratsy endrika ny zandarimariam-pirenena amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Paza Didier Gérard raha nanao jery todika fohy momba ny taona 2015 nandritra […]

Centre ClayM : hampahafantarina ny momba ny AVC

Maro ireo mpamaky manaraka ny fampianaran’ny Dr ClayM eto amin’ny gazety Taratra isaky ny alarobia  hoe « Ny tsara ho fantatra avy amin’ny dokotera ». Hiverina indray izany ka ny momba ny karazana AVC (fahatsentsenan’ny lalandra) no harosony manomboka ny 27 janoary izao. “Noho ny fangatahan’ny maro ny anton’io fanapahan-kevitra io », araka ny nambarany. Marihina fa mampianatra […]

Amboasary : dahalo 60 nitondra Kalach nanafika, olona iray maty

Amboasary : dahalo 60 nitondra Kalach nanafika, olona iray maty

 Tompon’omby iray maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo miisa 60 nitondra basy Kalachnikov sy basim-borona tany Amboasary, fokontany Lanivato Ikalamavony, kaominina ambanivohitr’i Mangidy ny alatsinainy teo. Araka ny fanazavana voaray, nirodorodo niditra an-keriny tao amin’ity tanàna ity ireo dahalo ka nitifitra avy hatrany ny lehilahy iray tompon’ireo omby nangalarin’izy ireo. Voalaza fa nanao fanamiana miaramila ny […]

“Villa” mihosin-dra teny Ambohidratrimo : vehivavy iray hita maty nokapaina famaky

“Villa” mihosin-dra teny Ambohidratrimo : vehivavy iray hita maty nokapaina famaky

 Nihosin-dra ny tanàna. vehivavy iray feno diam-pamaky no hita tao amin’ny Parking an’ny Villa iray eny Ambohidratrimo. Novonoin’ny mpiambina ny tanàna izy io… Raha vao afakomaly no nisy renim-pianakaviana iray norasarasain’ny jiolahy tao an-tranony teny Ambavahaditokana Itaosy, ity indray teny Ambohidrarimo, andro mitovy ihany. Fatim-behivavy iray no hitan’ny tompon-trano tamina villa iray eny Ilaivola Ambohidratrimo, […]

Hampiasa olona 400… : hanaovana asa tanamaro ny fandraofana fako

Hampiasa olona 400… : hanaovana asa tanamaro ny fandraofana fako

 Hifandrimbonan’ireo minisitera ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo.Omaly, nampahafantatra ny minisiteran’ny Mponina sy ny raharaha sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy fa hanatanteraka asa tanamaro ho fandraisana anjara amin’ny fanadiovana. Mahatratra 400 ireo olona hanatanteraka izany asa tanamaro izany. Hiasa andro aman’alina eny Ambolokandrina, Ambohipo, Ankatso, Andavamamba, Ilanivato ary Anosipatrana ireo olona ireo. Sady fandraisana anjara amin’ny […]

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika… Tsy iza fa Rabefikasana. Be loatra ny fikasana hanorina an’itsy, hanarina an’iroa. Very anarana hoe Rabefika amin’izany izy, fa tsy firy na tsy misy tanteraka izay fikasana… lainga sy fitaka, fampandriana adrisa. Tanàna tsy ilaozan’adala, hoy ny fitenenana. Tsy ilaozan-dRabefika koa ny tanàna, ny tany sy ny fanjakana. Tsy vitan’ny hoe be fikasana Rabefika […]

Beach volley : hatao eto Dago ny “Coupe de la Nation Zone 7”

Beach volley : hatao eto Dago ny “Coupe de la Nation Zone 7”

Mazava. Vantany vao tontosa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny beach volley, ny volana desambra lasa teo, tany Mahajanga, efa miomanomana amin’ny fampiantranoana ny fiadiana ny « Coupe de la Nation de la Zone 7 » ny federasiona malagasin’ny volley (FMVB) tarihin’ny filohany, Ramandimbisoa Jocelyn, amin’izao fotoana izao. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava kosa ny torapasika […]

Beach soccer : tafiditra ao anaty «Top 30 Mondial» ny Barea

Beach soccer : tafiditra ao anaty «Top 30 Mondial» ny Barea

Namoaka ny filaharan’ireo firenena, amin’ny taranja beach soccer, ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), nandritra ny taom-pilalaovana 2015 lasa iny. Tafiditra ao anatin’ireo ekipa 30 tsara indrindra eran’izao tontolo izao ny Barea de Madagascar. Laharana faha-22 mantsy no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Tena nampisongadina an’i Madagasikara ny fahazoan’ny Barea de Madagascar ny tompondakan’i Afrika sy ny “Cosafa”. […]

Basikety – Fiba 3×3 : hiroso amin’ny fifaninanam-pirenena ny FMBB

Basikety – Fiba 3×3 : hiroso amin’ny fifaninanam-pirenena ny FMBB

Manomboka avy hatrany ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja basikety. Hiroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Fiba 3×3 sahady ny federasiona amin’ity volana janoary ity. Tsy miandry ela. Vao miandoha ny taona, manomboka avy hatrany koa ny taom-pilalaovana 2016 ho an’ny taranja basikety. Araka izany, hiroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sahady ny federasiona […]