Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vakinankaratra : hankalazaina ao Antsirabe ny Andro eran-tany ho an’ny tenindreny

Vakinankaratra : hankalazaina ao Antsirabe ny Andro eran-tany ho an’ny tenindreny

Fifaninanana roa hotontosaina ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina Antsenakely. Endrika anisan’ny hanamarihan’ny mponin’i Vakinankaratra ny Andro eran-tany ho an’ny tenindreny io ny 21 febroary izao. Fifaninanan-kira vakodrazana ho an’ny ankizy. Lohahevitra amin’izany, « Ny teny sy vakoka malagasy ». Fifaninanana vakisaova miompana amin’ny lohahevitra « Ny teny sy ny vakokira malagasy ». Mbola ny ankizy ihany koa no entanina handray […]

« Festival » : Poeta 70 hi-« Rombom-panahy »

« Festival » : Poeta 70 hi-« Rombom-panahy »

Raha 25 izy ireo tamin’ny herintaona, tafakatra 70 amin’ity taona ity. Tsy iza izany fa ireo mpanoratra, poeta handray anjara amin’ny « Rombom-panahy », « festival » tokana miompana tanteraka amin’ny tontolon’ny tononkalo. Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 10 avrily izao, any an-drenivohitr’i Vakinankaratra, ity andiany faharoa ity. Avy amin’ny faritra manerana ny Nosy izy 70 mianadahy ireto, izay nentanin’ireo […]

Fitrandrahana solika : nangoron’entana ny Exxon, hanaraka koa ny Madagascar Oil ?

 Misedra olana ny fitrandrahana vaventy amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika. Mety handao an’i Madagasikara koa ny mpitrandraka menaka mavesatra, Madagascar Oil, amin’ny volana marsa 2016. Mihapotika hatrany ny tontolon’ny fampiasam-bola, indrindra ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy solika. Araka ny loharanom-baovao avy any amin’ny teknisianina iray, niala teto Madagasikara nanomboka ny jolay 2015 […]

CCI Antananarivo : lany filoha Rtoa Andriamamonjison Noro

Nametra-pialana satria voatendry ho loholona ny filoha am-perinasan’ny Antenimeran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), Rakotozafy Martin. Natao, omaly, ny fifidianana vaovao, ka lany filoha Rtoa Andriamamonjison Noro. Filohan’ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) rahateo izy ary tompon’ny orinasa Gemu. Manotrona azy ny filoha lefitra telo, Rajaonarivelo Herintsalama, tompon’andraikitry ny kabinetra Conseil en management entreprise […]

Tsiahin’ny fahazazana ho fampandrosoana : hifamotoana ao Mandrosoa 106 ireo zanaky ny tanàna

Tsiahin’ny fahazazana ho fampandrosoana : hifamotoana ao Mandrosoa 106 ireo zanaky ny tanàna

Sambany ! Hihaona ao amin’ny tranompokonolona Mandrosoa, Andramasina 106, ireo zaza niara-nilalao fahiny tany alohan’ny taona 1990 teo an-tampon-tanànan’i Mandrosoa. Hotanterahina ny asabotsy 26 marsa izao izany ary hiompana amin’ny tononkiran’ny tarika Mahaleo, « Mba jerijereo ny tananàntsika » ny lohahevitr’ity fihaonana ity. Hanasana sy iantsoana ireo rehetra niara-nilalao teo an-tanàna tamin’izany fotoana izany ny hetsika. Nofidina rahateo […]

Tononkalo : “Hitanao?”

“Hitanao?”                                     any atsimo any ange                                   mihaodihaody ny kere   Taolana mifono hoditra, zara raha mitafy tapaka efa rota sady loditra no mihanjahanja eo an-kianja, fa tsy trano akory ialofana… Ny hany sisa atafy azy ho solon-damba firakofana: ny masonao, ny masonao… tsy hahavatra hijery fotsiny izao fahoriana izao, na hikimpy rahateo, fa […]

Tontolo politika : ifampihenohenoana fotsiny ny toe-draharaham-pirenena

Tontolo politika : ifampihenohenoana fotsiny ny toe-draharaham-pirenena

Ifampihenohenoana, ifampiandrasana kendry tohina… Tsy fantatra na tsy mazava loatra intsony ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tandindomin’ny hoe fanovana tanteraka na fanamboarana ny governemanta? Mandeha avokoa ny resaka sy paipaika ary kajikajy politika amin’izany. Misy, ohatra, ny minisitra mahavatra manao izay hisehoana matetika amin’ny haino aman-jery. Antony: fanamarinan-tena hoe miasa sy mahavita zavatra. Tsy efa […]

Fitantanana ny tanàna : nihaino ny eny ifotony ny CUA

Fitantanana ny tanàna : nihaino ny eny ifotony ny CUA

Tsy any amin’ny birao ihany. Nidina ifotony nihaino ny hetahetaha sy ny olan’ny mponina ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), omaly. Anisan’ny nihaona amin’izy ireo ny mponina ao amin’ny tsenan’Ambanidia sy ny eny Ambohipo. Fantatra tamin’izany fa mila fanavaozana avokoa ny fotodrafitrasa. « Aoka isika hanaja ny fahadiovana, ny filaminana hoentintsika hanarina ity Renivohitra ity », […]

Haody : ny zaza no dondrona sa ny raiamandreny no votsa saina ?

Andro eran-tany ho an’ny tenin-dreny! Saika isan-taona, marihina sy ankalazaina eto Madagasikara izy io. Ventesina sy voizina hatrany ny tokony hilolohavana ny teny malagasy, saingy tsy izay ny zava-misy sy iainana andavanandro eny anivon’ny fianakaviana, ankohonana, fiarahamonina… Zaza malagasy tsy mahay miteny malagasy. Raiamandreny malagasy, te hisongadina amin’ny teny vahiny. Raha ny lamina voajanahary, tsy […]

Fantina sy fintina

Natolotry Samifin tamin’ny alalan’ny filohany, Razaraniaina Jean Claude, ny filoha Rajaonarimampianina, omaly, teny Iavoloha ny tatitry ny asan’izy ireo ho an’ny taona 2014. Nivoitra tamin’izany ny sakana mahazo azy ireo sy ny olana samihafa nosedraina, indrindra amin’ireo raharaha tonga eny amin’ny fitsarana nefa rava maina.   Nilaza ny tsy hiditra anaty governemanta raha misy ny […]

Fampandrosoana : manohana tetikasa mitondra fivoarana ny ACDM

 « Miasa ho amin’ny tetikasa fampandrosoana ny ONG Actions concrètes pour le developpement (ACDM). Manohana ireo fikambanana eny anivon’ny faritra izahay, toy ny fampitaovana ny fambolena sy ny fiompiana ary koa ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy ny filohan’ny fikambanana, Hanitriniaina Chilo, tetsy Ambatomitsangana, omaly. Nambarany fa miompana amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy sosialy, toy ny […]

Milaza ho kapitenin-tsambo : rangahibe efa 60 taona nahavita misoloky mivarotra fiara

Voasambotry ny polisin’ny SUT Tsaralalana ny alarobia teo, teny Soarano, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ny lehilahy iray 60 taona voalaza fa mpisoloky, monina any Isorana Fianarantsoa. Mitonona ho Kapitenin-tsambo izy rehefa manao ny asa ratsiny ka milaza ho Rahakavelo no fiantsoana azy amin’izany. Mivarotra fiara sy ordinatera izy ka mitondra sarina fiara Sprinter […]

Asan-jiolahy ao Toamasina : sasatry ny misambotra ny polisy

Asan-jiolahy ao Toamasina : sasatry ny misambotra ny polisy

Sasatry ny misambotra ny mpitandro ny filaminana, noho ny famotsarana sahady ny lehilahy iray voalaza fa tratra ambodiomby namaky trano, tany Ambohijafy Toamasina, ny alin’ny 13 febroary lasa teo. Nangalatra moto sy fitaovana maro samihafa tao an-tokatranon’ olona izy ireo, izay mbola tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny. Tsy naiditry ny fitsarana amponja ny iray […]

Vonoan’ olona mahatsiravina tany Salazamay : Seraphin, ny vadiny ihany namono nandrasarasa ilay ramatoa

Vonoan’ olona mahatsiravina tany Salazamay : Seraphin, ny vadiny ihany namono nandrasarasa ilay ramatoa

Rangahy vadiny ihany, antsoina hoe Seraphin, nahavita namono tamin’ny fomba feno habibiana an-dramatoa. Efa voasambotra avokoa ireo nahavanon-doza nahavita nitetitetika antsy an’ ilay renim-pianakavina novonoina tamin’ny fomba feno habibiana natsipy tany Salazamy Avaratra Toamasina, ny 9 febroary teo. Nivoaka aloha hatreto ny ampahany amin’ny marina.  Fantatra ny nahavanon-doza, izay tsy iza fa ny vadin’ i […]

Haintrano goavana teny Ambohimangakely : orinasa, trano, fiara maro hotohoton’ny afo

Haintrano goavana teny Ambohimangakely : orinasa, trano, fiara maro hotohoton’ny afo

 Trano lehibe iray, trano fivarotan-kazo sy fandrafetana hazo (atelier), masinin-kazo miisa 14, fiara miisa enina ary môtô roa no indray kilan’ny afo nandritra ny haintrano teny Ambodivoara Ambohimangakely, omaly maraina. Araka ny fitantaran’ireo mpiasa tao an-toerana, nanomboka nirehitra ny afo tamin’ny 8 ora maraina. Niainga avy ao amin’ny trano hazo iray tao ambony rihana ny […]

Tselatra

Nanatanteraka fihaonana tao amin’ny birao fiasan’ny lehiben’ny boriboritany fahafito, etsy 67ha, ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahafito sy ny filohan’ny fokontany rehetra ao amin’ny faritra iadidiany. Dinidinika mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy fametrahana indray ny lamin’asa vaovao hiatrehana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny niompanan’ny adihevitra tamin’izany. Ny sinto […]

Fanapotehana ny fampiasam-bola : herinandro sisa dia mety ho faty Ambatovy #canada #sherrit #ambatovy

Fanapotehana ny fampiasam-bola : herinandro sisa dia mety ho faty Ambatovy #canada #sherrit #ambatovy

 Mihitsoka avokoa ny entana hafarana sy ny tokony haondran’ny Tetikasa Ambatovy ankehitriny, vokatry ny fanerena hampiharana ny hetra Advanced Cargo Declaration (ACD). Herinandro sisa ny fahafahan’ity orinasa vaventy ity miaina, ary ho faty tanteraka raha mitohy izao kenda roroka ataon’ny fanjakana izao. Efa niaiky ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany fa tsy voakasik’ilay hetra Advanced […]

ComNat/Unesco – Raboanary Hanta : « Manana anjara asa goavana eo amin’ny fiarahamonina ny Radio »

ComNat/Unesco – Raboanary Hanta : « Manana anjara asa goavana eo amin’ny fiarahamonina ny Radio »

13 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Radio. Nandritra ny fivahinianan-dRaboanary Hanta, sekretera jeneralin’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (ComNat/Unesco) tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) no nanamafisany ny lanja lehibe ananan’ny Radio eo amin’ny fiainam-piarahamonina. Notsiahiviny tamin’izany fa « tsy azo ialana sady mitana ny laharana voalohany amin’ny fampitam-baovao, indrindra ho antsika eto Madagasikara, ny Radio ». Nampahatsiahiviny […]

Pancrace : hidona amin’i La Réunion i Dago

Tsy miandry ela. Efa eo am-panomanana sahady ny fandraisana ilay « Gala international » eo amin’ny taranja haiady, pancrace, ny fikambanana Perfect Fighting Commission sy ireo taranja miaraka aminy na PFC & DA tarihin’ny filohany, Rakotonindriana Parfait. Raha ny fanazavana, hetsika hifanandrinan’i Madagasikara amin’i La Réunion io « Gala international io ». Hotanterahina  indroa miantoana kosa izany, raha ny […]

Basikety – Coupe du Président : mandravarava ireo ekipan’i Vakinankaratra

Basikety – Coupe du Président : mandravarava ireo ekipan’i Vakinankaratra

Tsy mbola resy. Mandravarava aloha, hatreto, ireo ekipa misolo tena an’i Vakinankaratra amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, ho an’ny Zone Ouest, any Tsiroanomandidy. Araka ny efa fantatra mantsy, vantany vao tontosa ireo fifanintsanana tamin’ireo Zones Nord (tany Antsiranana) sy Centre (tany Toamasina), nanomboka ny faran’ny herinandro kos,a ny teo anivon’ireo […]

Fikambanana Bel Avenir : hihazo an’i Azia ny Bloco Malagasy

Nanainga omaly tao Toliara ary hihazo ny kaontinanta aziatika ireo andriambavilanitra, mpively amponga, ao anatin’ny tarika Bloco Malagasy, izay novolavolain’ny fikambanana Bel Avenir any Toliara any. Hisantatra sahady ny fitetezam-paritra any ivelany any izy ireo, saingy toy ny mahazatra, manana lohahevitra hatrany ny fampisehoana hatolotry ny tarika. Hiompana amin’ny fanentanana momba ny fizahantany tompon’andraikitra ity […]

«Ligue des champions» : resin’ny PSG ny Chelsea

Lavon’ny PSG, tamin’ny isa 2 noho 1, ny Chelsea, ny talata lasa teo, tao amin’ny kianja Parc des Princes. Fihaonana ampahavalon-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Nanehoan’ny Frantsay ny heriny ry zareo Anglisy, tamin’ity. Tsy namelan’izy ireo mihitsy mantsy raha tsy niondrika teo anatrehany ny Chelsea. Anisan’ireo mpilalao nisongadina […]

Beach soccer : “Mondialiste” 8 nantsoina ho Barea

 Nanomboka, omaly alarobia ary haharitra hatramin’ny alahady 21 febroary ho avy izao, any Fenoarivo Atsinanana, ny fampivondronana voalohany, ho an’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny taranja beach soccer. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2016) izany. Mpilalao 20 nantsoina hiatrika izany, tamin’ity, ka ny 8 amin’ireo, efa tao anatin’ny Barea […]

Miomana amin’ny fiavian’ny Zika ny COI

Miomana amin’ny fiavian’ny Zika ny COI

 Manoloana ny fiparitahan’ny tsimokaretin’ny Zika amin’ny firenena maro, nandinika ny asa tokony hatao sy ny fiomanana ny vondron’ny firenena aty amin’ny ranomasina Indianina (COI) ny herinandro lasa teo tany Seychelles. Manana tambazotra fanaraha-maso ny valanaretina sy fitantanana ny fampilazana ny loza (Sega) ny firenena rehetra mpikambana amin’ny COI. Lohahevitra telo no nojerena manokana, hamafisina ny […]