Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FMBM : hanampy amin’ny famahana ny krizy ny ABU

FMBM : hanampy amin’ny famahana ny krizy ny ABU

Miroso tsikelikely amin’ny famahana ny krizy miantraika aminy ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy (FMBM) etsy Antaninarenina. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Alliance biblique universelle (ABU) amin’ny famoahana ny fikambanana ao anaty krizy. Nanome Baiboly mitentina 50.000 dolara ny ABU ary 50.000 hafa ihany koa avy amin’ny fikambanana malala-tanana mikirakira Baiboly, raha ny nambaran’ny pasitera Rakotoarivony Lalarinjato […]

Depiote Randrianarisoa Guy Rivo  : “Mila governemanta hiasa izahay”

Depiote Randrianarisoa Guy Rivo  : “Mila governemanta hiasa izahay”

“Mangataka ny governemanta hanome rano madio ny mponina aho, solombavambahoaka Tim, hanala ny fako, hanome fahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka. Mangataka ny governemanta ho demokraty koa aho, hanokatra ny MBS, hanokatra ny Tiko, hanokatra ny orinasa tsirairay avy eto Madagasikara izay sahirana.” Io no navalin’ny solombavambahoaka avy amin’ny Tim, Randrianarisoa Guy Rivo, teny Tanjombato, afakomaly, […]

MMM, Mapar, Monima, Marina, Mamimad : « Tsy ara-dalana ny voka-pifidianana loholona »

MMM, Mapar, Monima, Marina, Mamimad : « Tsy ara-dalana ny voka-pifidianana loholona »

 Tsy mbola nifarana eo. Nitondra ny heviny taorian’ny nanambaran’ny HCC ny voka-pifidianana ireo antoko sy fikambanana politika niatrika fifidianana loholona farany teo. Nanao antso fanairana sy nampaneno lakolosy izy ireo.   « Tokony henjehina sy hosaziana ireo nanao hosoka fa mbola hanao ny ataony ireo amin’ny fifidianana manaraka eo ary hanao ny ratsy kokoa noho ireny », […]

Zaka tsara : vahoaka tsy marin-toerana  

Ahoana ihany ny amin’ny sosialim-bahoaka? Fanatsarana mivantana ny fiainana eny ifotony… Aleo hitsara ny vahoaka, raha misitraka inona amin’izay ataon’ny mpitondra na tsia; eny, na toy inona filaza etsy sy eroa. Tsy vitan’ny fandresen-dahatra io, na fanamarinan-tena. Tena mipaka mivantana any amin’ny vahoaka ifotony ve ny fandriampahalemana, famoronana asa, fanalefahana ny vidim-piainana na fiakaran’ny fahefa-mividy… […]

Filankevitry ny ministra : nesorina ny talen’ny Samva

Filankevitry ny ministra : nesorina ny talen’ny Samva

 Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha, ny nanesorana ny talen’ny Samva, Ratsimbazafy Serge.        Tsy mbola voafaritra kosa ny olona notendrena hisolo ny toerany. Anisan’ny niteraka resabe teto an-dRenivohitra hatramin’ny faran’ny taona teo noho mankaty ny resaka fako, nisavovona manerana ny tanàna. Nifanilihana andraikitra tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany. « Anjaranay ny manadio […]

Radanoara Julien : “Tsy azo ny vola raha tsy tanteraka ireo fepetran’ny iraisam-pirenena”

Radanoara Julien : “Tsy azo ny vola raha tsy tanteraka ireo fepetran’ny iraisam-pirenena”

Ahoana ihany ny amin’ny famatsiam-bolan’ny fiombonambe iraisam-pirenena? Toy ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina, ohatra. Maneho ny fijeriny ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien: “Raha tsy tanteraky ny tena ny iray amin’ireo fepetran’ny fiombonambe iraisam-pirenena, tsy mahazo vola.” Dinidinika…   Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny iraky ny Vondrona afrikanina manara-maso sy manao tombana ny fanatanterahana […]

Ady amin’ny kolikoly sy andramena : notsikerain’ny amerikanina ny fitondrana

Ady amin’ny kolikoly sy andramena : notsikerain’ny amerikanina ny fitondrana

 « Tsy misy ny fisamborana ireo mpandraharaha tafiditra amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena. Na eo aza ny ezaky ny Bianco sy ny fitondrana, tsy mety mivoaka ny anaran’ireo trondro vaventy », hoy ny ambasadaoro amerikanina, Robert Yamate, omaly teny Tanjombato. Nohitsiny fa tafaporitsaka hatrany ivelany aza ireo mpandraharaha tafiditra amin’izany trafika izany. « Mila tohizina ny ezaka natao […]

Jovenna : zon’ny mpanjifa ny mametraka fitarainana raha…

Jovenna : zon’ny mpanjifa ny mametraka fitarainana raha…

Nampahafantatra ny kalitaon’ny solika ao aminy, omaly, ny orinasa Jovenna amin’ny fanamarinana rehetra tsara ho fantatry ny mpanjifa. Marihina fa eto Madagasikara, ny sampandraharaham-panjakana, «Service de la métrologie légale», minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, manamarina ny kalitao sy ny fatra amin’ireo tobin-tsolika rehetra. Misy fitaovana,  izay io SML io ihany no mametraka azy amin’ny toby […]

 Mihemotra fa tsy mandroso : nihena 43% ny fandrosoan’i Madagasikara tato anatin’ny 54 taona

 Mihemotra fa tsy mandroso : nihena 43% ny fandrosoan’i Madagasikara tato anatin’ny 54 taona

 Tsy firenena an-dalam-pandrosoana i Madagasikara fa firenena tsy mitsahatra mihemotra. Tsy fantatra na fanahy iniana na fifanandrifiana fa mipoitra ny krizy rehefa mba miarina kely ny toekarena. Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ny taona 2015, tsy mandroso i Madagasikara, raha nojerena araka ny tondro ara-toekarena amin’ny alalan’ny Vokatra anatiny ankapobeny na ilay antsoina hoe […]

Andohan’Ilakaka Ihosy : saron’ny zandary ny lehilahy iray nitady ankizy hakana taova

Andohan’Ilakaka Ihosy : saron’ny zandary ny lehilahy iray nitady ankizy hakana taova

 Noraisim-potsiny ny lehilahy iray nitady ankizikely hakana taova hamidy tao amin’ny fokontanin’Andohan’Ilakaka Ihosy, afakomaly. Niresaka tamin’ny sefom-pokontany ao an-toerana izy fa hoe mitady ankizy hakana taova…   Mahoraka izaitsizy, tato ho ato, ity resaka halatra taova ity na eto an-dRenivohitra izany na any amin’ny faritra. Midika izany fa tena misy tokoa ity resaka halatra taova […]

Indray andro vao hita ny razana : tovolahy iray maty an-drano tao Ikopa

Indray andro vao hita ny razana : tovolahy iray maty an-drano tao Ikopa

Tovolahy iray manodidina ny 16 taona eo no latsaka tao anaty rano teny amin’ny reniranon’Ikopa, ambanin’ny tetezana Anosizato, afakomaly hariva. Omaly maraina vao hita ny razana, rehefa nanao ny fikarohana ny mpamonjy voina. Araka ny fanazavana, niampita teo amin’ny renirano izy io, afakomaly hariva. Sendra ny lalina anefa izy ka natelin’ny rano. “Roa lahy ireo […]

Ambodisaina Ivondro : nomen’Ambatovy velon-tena ny mponina sahirana #canada #sherrit #ambatovy

Ambodisaina Ivondro : nomen’Ambatovy velon-tena ny mponina sahirana #canada #sherrit #ambatovy

Nomen’Ambatovy alalana ny fikambanana Love and Care, hamboly sy hiompy maimaimpoana, mandritra ny telo taona, eo amin’ny faritry ny tanin’Ambatovy, antsoina hoe “Tsaralakana” sy “Tanilemaka I”, manamorona ny lalana mankany Ambodisaina Ivondro. Entina hamatsiana ny toeram-pisakafoana, mamahana mpianatra 750 ao amin’ny sekoly Bethany school any Toamasina ny vokatra, sy ho an’ny asa soa hanampiana ny […]

ORTVA – Vakinankaratra : nahazoana fankasitrahana ny fitantanana

Notanterahina ny 22 janoary lasa teo, tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe, ny fivoriambe voalohany nataon’ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny Office régional du tourisme Vakinankaratra (ORTVA). Fivoriambe notarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Andrianaivo Rosette (PCA), sy ny tale mpanatanteraka, Rija Disaine, nahitana mpandray anjara 54 avy ao Vakinankaratra. Nandritra izany fivoriambe izany, nanao jery todika ny vokatra […]

Toamasina : mitohy ny olana, mahazo loza ny mpanao gazety

Toamasina : mitohy ny olana, mahazo loza ny mpanao gazety

Zandary iray nandrahona hanapotika “camera“-na mpanao gazety tany Toamasina, omaly. Voalaza fa mpanao gazety nanao ny asany nandritra ny zava-misy any an-toerana no saika niharan’ny herisetran’izy io teo anoloan’ny lapan’ny Tanàna. Niray hina ny mpanao gazety teo anoloan’izany ka tsy sahy ilay mpitandro filaminana. Rakotra mpitandro filaminana tany an-toerana noho ny hetsika nataon’ireo mpiasan’ny kaominina. […]

Tselatra

Nisehoana haintrano teny Ambodin’Isotry, afakomaly alina. Voalaza fa nisy trano maromaro may tamin’izany, ary maro tamin’ireo ny hazo. Tsena avokoa ny ankamaroan’ireo, nahitana toeram-pivarotan-toaka. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono izany, izay naharitra adiny iray vao maty ny afo. Voalaza fa noho ny fipoahan’ny herinaratra ihany koa no nahatonga izany. “Mahagaga ihany ity haintrano […]

Moramanga : tafakatra 19 ireo olona maty narendriky ny lakana

 Hita, afakomaly, avokoa ny fatin’ireo olona rendrika tamin’ilay lakana tao Moramanga. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, tafakatra 19 ny isan’ireo olona namoy ny ainy tamin’ity loza ity. Tsiahivina fa ny alahady tolakandro teo no nitrangan’ny loza tao Moramanga. Mpivavaka miisa 30 niaraka tamin’ny mpivoy lakana roa lahy ireo niampita ny reniranon’i Mangoro teo […]

Filoha Rajaonarimampianina : « Hihazakaza amin’ny sosialim-bahoaka isika… »

Filoha Rajaonarimampianina : « Hihazakaza amin’ny sosialim-bahoaka isika… »

 « Hanamarika ity taona ity ny hihazakazahantsika amin’ny sosialim-bahoaka ary indrindra ny toekarena », hoy ny filoha Rajaonarimampianina, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, omaly teny Iavoloha. Notsiahiviny ny handraisantsika ireo fihaonana an-tampony, Frankofonia sy ny Comesa. Nambarany fa hiantraika amin’ny toekarena sy ny sosialy izany. « Hiteraka asa io hanararaotana hanorenana fotodrafitrasa samihafa. Fanitarana ny seranana Ivato. […]

Bedy lava

Bedy lava

Mety hoe fanaitairana ny fitondrana no nitondran’ny masoivoho amerikanina ny kabariny, saingy rehefa dinihina tsara, fibedesana indray izany. Bedy satria miraviravy tanana amin’ny resaka kolikoly. Bedy satria mitazam-potsiny ny mpanondrana andramena. Izay aloha no tena nisongadina, saingy tsy izay ihany no efa nibedesan’ireo firenena matanjaka ny mpitondra malagasy. Fa nahoana moa izy ireo no mibedy? […]

Valin-kafatra ho an’ny polisy momba ny « Raharaha Arnaud » : mitaky porofo amin’ny namoahana  gadra ny mpiandry fonja

Valin-kafatra ho an’ny polisy momba ny « Raharaha Arnaud » : mitaky porofo amin’ny namoahana  gadra ny mpiandry fonja

Raikitra fifamaliana sy fifanazavana momba ny maha voarohirohy ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja fa namoaka gadra hanao kidnapping. Nitondra fanazavana momba izany ny sendikàn’izy ireo, omaly tetsy Andrefan’Ambohijanahary. « Takinay ny porofo amin’ny filazana fa namoaka voafonja hanao izany ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja. Mandalo vaomiera manokana avokoa ireo mahazo alalana hiasa any ivelan’ny […]

Fifa : dimy ny kandidà hifaninana ho filoha

Fifa : dimy ny kandidà hifaninana ho filoha

 Ho fantatra, afaka iray volana, izay hitantana indray ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Kandidà dimy ihany no neken’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana hifaninana, amin’izany.   Namoaka ny anaran’ireo kandidà, afaka mirotsaka hofidina, ho filohan’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), izay hatao ny 26 febroary ho avy izao, ny tomponandraikitra eo anivon’ity andrin’ny baolina kitra […]

Vokatry ny ranobe : tafakatra 4 no maty, atahorana ny valanaretina

Vokatry ny ranobe : tafakatra 4 no maty, atahorana ny valanaretina

Mampanahy ny mety hisian’ny valanaretina any amin’ny tapany avaratry ny Nosy raha ny tatitry ny BNGRC. Tsy misy ny rano fisotro madio ho an’ny mponina. Atahorana ny aretin-kibo sy ny fivalanana vokatry ny fotaka sy ny rano miandrona. Heverina ihany koa ny hahamafy ny tsy fanjarian-tsakafo satria dibo-drano avokoa ny fambolena izay nandrandraina rehetra any […]

Kung-Fu Wisa : niara-nikotrana ireo maître rehetra

Ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, izay hatao ny volana aogositra ho avy izao, sy hanomezana toromarika ary mba hampakarana ny lentan’ny kung-fu Wisa, nanatanteraka fanazarantena miaraka ireo «style» rehetra mivondrona ao anatin’ny federasiona, ny asabotsy 23 janoary lasa teo, tao amin’ny foiben’ny kung-fu Wisa Waishi Ampasapito. Tamin’izany no nanambaran-dRakotoarisoa Victor, filohan’ny federasiona, […]

Boriborintany I : hizarana karatra ireo mpivarotra  

Manomboka amin’ny volana febroary io, hanomboka ny fizarana ny karatry ny mpivarotra matihanina ao amin’ny boriborintany voalohany. Amin’izao fotoana izao, efa mandeha ny fanangonana ny lisitr’ireo tena hivarotra anaty tsena. Afaka misoratra anarana amin’izany fidirana ho mpivarotra anaty tsena izany avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana raha ny fanazavana. Nilaza ny delegen’ny boriborintany voalohany fa” mbola any […]

Combats libres : handray fifaninanana iraisam-pirenena i Madagasikara

Combats libres : handray fifaninanana iraisam-pirenena i Madagasikara

Eny fa na tsy mbola tafatsangana ara-dalàna aza ny federasiona eo amin’ny Perfect fighting commission sy ireo taranja miaraka aminy eo amin’ny « combats libres » (kempo, pancrace ary ny MMA) na PFC Kempo/DA, efa maromaro ireo hetsika nokarakarain’ireo mpitantana eto Madagasikara nanomboka tamin’iny taona lasa iny. Ho an’ity taom-pilalaovana 2016 ity, hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena i Madagasikara. […]

Fankafizana manokana : mahazo vahana ny fitiavana ny  “miniature” eto Madagasikara

Fankafizana manokana : mahazo vahana ny fitiavana ny  “miniature” eto Madagasikara

 Tsy fitiavana fotsiny… Fankafizana mihitsy ny an’ireo mpanangona ireo zavatra amin’ny endriny bitika, na ny “miniature”. Efa maro ireo mpankafy, ary manana fikambanana izy ireo. « Association des passionnées des miniatures », afohezina hoe Aspam. Io no fikambanana ivondronan’ireo mpankafy ireo zavatra amin’ny endriny bitika, na ny « miniature ». Tsy vao izao akory no nisy ny mpankafy, satria […]