Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dren Vakinankaratra : nahavory 10 tapitrisa Ar ho an’Androy

Mihamafy ny haintany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy tato ho ato. Vokany, vao mainka nihamafy ny mosary, ary zara raha mahita hohanina ny mponina ao anatin’ny iray andro. Noho izany, tsy afaka mianatra koa ny mpianatra amin’ny ankapobeny any Androy satria  noana.  Tsy mijery fotsiny izany loza mianjady amin’ireo ankizy malagasy traboina izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa […]

Androy : nohavaozina ny famatsiana rano fisotro madio ao Ampotaka

Androy : nohavaozina ny famatsiana rano fisotro madio ao Ampotaka

 Nitokana ny fotodrafitrasa nasiam-panavaozana ao amin’ny tanànan’ Ampotaka, kaominina Marolinta, distrikan’i Beloha, faritra Androy, ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery, ny alatsinainy teo.    Efa tranainy satria niorina tamin’ny taona 1990 ary nohavaozina ity toeram-pamatsian-drano any an-toerana ity. Iandraiketan’ny AES kosa ny fitantanana izany fotodrafitrasa izany hampirindra tsara ny fahazoan’ny mponina misotro rano madio. Mahatratra 45 ireo […]

R’Imbosa sy Kolibera : ho harena iraisam-pirenena ny bagasy

R’Imbosa sy Kolibera : ho harena iraisam-pirenena ny bagasy

Raikitra ny « Tournée Internationale R’Imbosa-Kolibera 2016 » ! Ankoatra ny fampisehoana, « ho fiarovana sy fanapariahana ny bagasy ny dianay any ivelany », hoy i Mbosa. Goavana indrindra amin’izany ny hampidirana ny bagasy ao anatin’ny harentsaim-pirenena tsy mivainga, raha ny fanazavany. Manaraka an’io ny fampahafantarana ny bagasy eo anivon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) […]

Sarimihetsika : hisy komity mpanohana ny RFC

Sarimihetsika : hisy komity mpanohana ny RFC

Havondrona anaty komity ireo rehetra vonona ny hanohana ny « Rencontres du film court » (RFC), hetsika miompana amin’ny horonantsary fohy ary fanao isan-taona eto amintsika. Izay no anisan’ny misongadina manomboka amin’ny andiany faha-11, hatao ny 15 hatramin’ny 23 avrily izao eto Antananarivo. Mihamivelatra hatrany ny tanjon’ny RFC. Amin’izao fotoana izao, anisan’ny kendren’ny mpikarakara ny hahamatihanina kokoa […]

Manomboka anio : hihatsara ny toetry ny andro

 Hihatsara ny toetry ny andro manerana ny Nosy manomboka anio. Hidina ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny efatra andro manaraka. Ahina kosa anefa ny oram-baratra eto afovoan- tany sy ny faritra atsimo atsinanana vokatry ny fisian’ny andro ratsy fahefatra ao amin’ny ranomasina Indianina. Ahina ny mety ho fiakaran’ny rano vokatr’izany amin’ny distrikan’i Betafo, Faratsiho, Antsirabe, Ambatofinandrahana, […]

Banky Iraisam-pirenena : mila ezaka ny fitantanam-panjakana

Banky Iraisam-pirenena : mila ezaka ny fitantanam-panjakana

 Vonona hamatsy vola 230 tapitrisa dolara isan-taona (mandritra ny telo taona) ny Banky iraisam-pirenena. Hanampiana ny firenena marefo io vola io, saingy mila miezaka ny fanjakana amin’ny fomba fitantanany sy fampandrosoany an’i Madagasikara. Nampahafantarina ny mpanao gazety, omaly, ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Nilaza ny talen’ny tetikasa ho an’i Madagasikara, Mark […]

Andranofeno : maro lafy ny fotodrafitrasa ho an’ny sahirana

Hotokanana anio ny fotodrafitrasa maro lafy izay vita eny Andranofeno Atsimo, toerana itobian’ireo fianakaviana sahirana sy rava trano nandritra ireny fandalovan’ny rivodoza tamin’ny taon-dasa ireny Tafiditra ao anatin’ny asa vita zato andro andiany faharoa nataon’ny minisitera maromaro miandraikitra ny sehatra sosialy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo. Natsangana ny trano honenan’ireo fianakaviana nanapa-kevitra ny hihary eny […]

Tanora tsy tara – Fetin’ny mpifankatia : efa lasa raiki-tampisaka eto amintsika

“Fetin’ny mpifankatia”, efa saika lasa raiki-tampisaka eto amintsika ny fankalazana azy. Mitobaka ny fanomezana eny an-tsena. Saingy, tsy voatery amin’ny androm-pankalazana ihany anefa vao afaka manaporofo ny fifankatiavana eo amin’ny olon-droa miaraka. “Saint-Valentin”. Betsaka no efa mandika azy io ho “Fetin’ny mpifankatia”, hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy kolontsaina malagasy loatra izy io, saingy efa tafiditra eto […]

Goût de/Good France : eto amintsika ny 8 amin’ireo trano fisakafoana 1.500

Le B, 313, Oasis, Kudéta, Lartistika, Café de la Gare, Tsara be vaovao ary ny La Table des Hautes Terres. Ireo ny trano fisakafoana eto amintsika, handray anjara amin’ny « Goût de/Good France », hetsika karakarain’ny minisitera frantsay misahana ny raharaham-bahiny entina manandratra hatrany ny haify an-dry zareo frantsay. Tonga amin’ny andiany faharoa ny « Goût de/Good France », […]

Hizara « Fitia mandrakizay » ny Mage 4

Hizara « Fitia mandrakizay » ny Mage 4

Elaela tsy nisy ny seho an-tsehatra goavana. Fantatra kosa izao fa nisafidy ny manodidina ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia ny tarika Mage 4, hanomezany fotoana ireo mpankafy. « Fitia mandrakizay », izay nalaina tamin’ny hiran’izy ireo ihany, no hampisalorana ny fampisehoana hotontosaina ny alin’ny zoma 12 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora etsy amin’ny Dôme Ankorondrano. Mazava […]

Fijoroan’ny andrimpanjakana : tafapetraka ny birao maharitry ny Antenimierandoholona

Fijoroan’ny andrimpanjakana : tafapetraka ny birao maharitry ny Antenimierandoholona

 Tsy niandry ela. Nofidina omaly avy hatrany taorian’ny nifidianana ny filohan’ny Antenimierandoholona ny handrafitra ny birao maharitra, hotarihin’ny Pr Rakotomanana Honoré.   Voafidy ho filoha lefitra voalohany ny Praiminisitra teo aloha, Kolo Roger. Loholon’ny HVM avy any amin’ny faritanin’i Toliara. Nahazo vato 56 amin’ny 61 izy. Voafidy ho filoha lefitra faharoa kosa ny loholona Malo […]

Loholona Ramalason Olga : « Tsy mpanohitra izahay… »

Loholona Ramalason Olga : « Tsy mpanohitra izahay… »

Nitondra ny heviny momba izao fijoroan’ny Antenimierandoholona izao ny loholona Tim, Ramalason Olga. « Tsy ho mpanohitra be fahatany izahay… Tsy nanolotra kandidà ho filohan’ny Antenimierandoholona ny Tim noho ny fahatsapana fa manana ny traikefa sy efa nitondra ity andrimpanjakana ity ny filoha Rakotomanana Honoré, ny taona 2001-2002.  Olon-kendry sady manana ny maha izy azy izy », […]

Hetra ACD : andrasana ny tena finiavan’ny fanjakana

Tsy vaovao intsony! Tsy vao izao ny sehatra tsy miankina niteny fa tsy mifanaraka amin’ny lafiny lalàna ny “hetra terena” hataon’ny fanjakana, amin’ny fanafarana sy fanondranana entana avy any ivelany, Advanced Cargo Declaration (ACD). Efa ela ny mpandraharaha tsy miankina nitaky fifampidinihana, toy ny Vondron’ny mpandrahaaha eto Madagasikara (Gem), fa nanao bemarenina foana ny fanjakana. […]

Andramena : mitaky sazy ny mpanao trafika ny vondrona iraisam-pirenena

Niaiky ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, fa ny vokatra azo tsapain-tanana, manasazy ny tompon’andraikitra amin’ny fanaovana trafika amin’ny andramena no tena andrasan’ny vondrona iraisam-pirenena, toy ny Cites. Hanamarinana izany, niova ny voambolana nampiasain’ny minisitry ny Tontolo iainana, omaly, ary sahiny novaina ny fiteniny, fa tsy ny hivarotana ny tahiry andramena nogiazan’ny fanjakana no […]

Antenimierampirenena  : saro-toerana indray ny birao maharitra

Mijoro ny birao maharitry ny Antenimierandoholona. Saro-toerana kosa ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, misy ny fangatahana hanova ny birao maharitra.   Eo am-pananganana birao maharitra ny Antenimierandoholona, amin’izao fotoana izao. Ny eo anivon’ny Antenimierampirenena kosa, saro-toerana tanteraka… Mandeha indray ny resaka ny amin’ny tokony hanovana ireo mpikamban’ny birao maharitra. Efa misy aza ny tsilian-tsofina ny amin’ny fisian’ny […]

Fantina sy fintina

Efa tafaverina an-tanindrazana ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, rehefa avy niatrika ny fivorian’ny ben’ny Tanàna aty amin’ny ranomasimbe Indianina, tatsy amin’ny Nosy La Réunion ny herinandro teo.  Nifampizara traikefa sy ny fomba fitantanana ary nitady fiaraha-miasa ny tenany tamin’izany. Hamoaka ny bokikely mirakitra ny fanambarana nataony tamin’ny taona 2015 ny fiarahamonim-pirenena Sefafi, ny zoma izao. […]

Miaramila malagasy : niofana tamin’ny Cutlass express 2016

Miaramila malagasy : niofana tamin’ny Cutlass express 2016

Niofana tao amin’ny fandaharan’asa Cutlass express 2016 ireo miaramila malagasy an-dranomasina, mpampiasa ny RC Trozona. Vita ny faran’ny herinandro teo ity karazana fanazarantena nokarakarain’ny Forces navales des USA en Europe-Afrique ity, izay ahitana firenena 18 mandray anjara amin’izany, ka anisan’izany ny miaramila malagasy. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny fifanakalozam-baovao, fiarovana ny ranomasina sy ny asa […]

Tsy nandray vatsim-pianarana enim-bolana : nidina an-dalambe ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato

Tsy nandray vatsim-pianarana enim-bolana : nidina an-dalambe ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato

 Nanao diabe ny mpianatry ny oniversite Fianarantsoa, omaly. Niatrana ny Emmo/Reg nanoloana izany. Efa nangitakitaka nahita ny hamaroan’ny mpianatra ny olona. Nitokona ireo mpianatry ny oniversiten’Andrainjato, Fianarantsoa, omaly. Nivory tao amin’ny faritry ny oniversite ireo mpianatra ary nanapa-kevitra fa hanao diabe hamakivaky ny tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Niroso tamin’izany tokoa ireo mpianatra, izay efa nandrasan’ny Emmo/Reg teny […]

Analakely : nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana ny Jly Florens

Analakely : nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana ny Jly Florens

Hentitra ny jeneraly Florens, omaly, nanoloana ireo mpitarika ny hetsik’ireo mpivarotra amoron-dalana fa tsy hitsitsy intsony ny Emmo/Reg, anio, manoloana ireo mpanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny mpanelingelina ny fifamoivoizana. Milaza hiroso amin’ny fisamborana sy ny fanaparitahana amin’izay izy ireo, raha mbola manao ny ataony ireo mpivarotra amoron-dalana. Ireto farany, nanohy ny hetsika fanaony amin’ny fitakiana […]

Tselatra

Manjaka tanteraka ireo jiolahy manendaka any anaty fitohanan’ny fifamoivoizana eny Faravohitra. Manao andiany ireo jiolahy sady mitondra sabatra. Mitebiteby ny olona eny an-toerana satria tsy afa-manoatra manoloana ireo jiolahy. Manahy ny sasany amin’izy ireo fa mety hiitatra hanafika trano ry zalahy rehefa tsy mahita fiara hoendahina.   Jiolahy miisa efatra nitondra basy iray no tompon’antoka […]

Antenimierandoholona : voafidy ho filoha Rakotomanana Honoré

Antenimierandoholona : voafidy ho filoha Rakotomanana Honoré

Fombafomba fotsiny sisa… Voafidy ho filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré, tamin’ny fivoriana manokan’ny Antenimierandoholona teny amin’ny lapan’Anosikely, omaly. Kandidà tokana tsy nisy mpifaninana izy, zokiolona indrindra, ary natolotra ny antokom-pitondrana maro anisa izay manana loholona 34 amin’ny 63 mandrafitra io andrimpanjakana io. Nahazo vato 60 amin’ny 62 izy, ary nanao vato fotsy roa. Tsy tonga ny […]

Ralay Christian : “Tsy manao kolikoly amin’ny voafonja ny mpiandry fonja”

Manoloana ny nahavoatifitra an’i Dorice, jiolahy nitsoaka ny fonja tao Ambalatavoahangy izay lavon’ny zandary tao Anivorana ny herinandro lasa teo, nitondra fanamarihana, ny lehiben’ny fonja amin’ny filazan’ny olona sasany fa voafonja niniana nampandosirina iny voafonja iny. “Noho ny olana amin’ny tsy maintsy mampiasa kitay ny fonja saika ireny gadra be efa voatsara ireny no azo […]

Vitsy mikitrana irery…

Vitsy mikitrana irery…

Fiteny mahazatra ny hoe: ny vy, tsy mikitrana irery. Ilazana ny ady, misy antony fa tsy tongatonga ho azy na mandeha irery io: matoa misy ady, misy ankolafiny roa mifanohitra sy mifanandrina ao. Fa mety misy ny hoe vitsy mikitrana irery: miady irery, mitabataba irery… Amin’izany, mety misy mpihaino na tsia. Tsy karazan’ny vitsy mikitrana […]

Vonoan’olona feno habibiana tao Salazamay, Toamasina : norasarasaina, niparitaka ny vatan’ilay vehivavy

Vonoan’olona feno habibiana tao Salazamay, Toamasina : norasarasaina, niparitaka ny vatan’ilay vehivavy

Tombanana ho 20 hatramin’ny 23 taona eo ho eo ity vehivavy hita faty teo Salazamay, Toamasina, omaly maraina ity. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, satria norasarasaina, niparitaka tanteraka ny vatany. Tsy hita teo kosa anefa ny foto-peny, ny tendany, ny lelany, ny fivaviany ary ny fony. Halatra taova ?   Nampihoron-koditra ! Fatim-behivavy iray notapatapahina valo no […]

Judo – Grand Slam de Paris : nody maina ireo mpikatroka malagasy

Judo – Grand Slam de Paris : nody maina ireo mpikatroka malagasy

Tsy namokatra. Tsy nisy tafavoaka ka nahazo toerana tsaratsara tamin’ireo sokajin-danja nandraisantsika anjara tamin’ny fiadiana ny « Grand Slam de Paris », taranja judo, ireo solontenan’i Madagasikara dimy mianadahy (Ratiarson Asaramanitra, Chan Ling Janeiro, Andrianjakavelo Sandaniaina, Rakotoarivony Royal, Ratsimiziva Fetra). Fifaninanana iraisam-pirenena notanterahina tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vokatra, tsy nisy tafavoaka teo […]