Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiantsonan’ny fiara : nanome safidy ny Easy Park

 Tafiditra amin’ny fandaminana ny tanàna. « Nomenay safidy telo ny mpanjifa ho amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia amin’ireo faritra filamatra anaovana andrana eto an-dRenivohitra », hoy ny tompon’andraikitry ny Easy Park, Rakotoson Manitra, afakomaly tetsy Behoririka. Eo ny famandrihana isan-taona omena isaky ny laharan’ny fiara, andoavana 750 000 Ar. Manampy izany ny tolotra isan’andro, andoavana 7 000 Ar. Farany ny 500 […]

Banky iraisam-pirenena : mahasarotra ny fanarenana ny fitantanana tsy mahomby

Banky iraisam-pirenena : mahasarotra ny fanarenana ny fitantanana tsy mahomby

Arahin’ny Banky iraisam-pirenena maso akaiky ny fomba fiasa eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana. Efa nametraka ny fepetra momba izany ny ao amin’ny filankevi-pitantanana. Mbola betsaka anefa ny tsy mazava, raha ny fanamarihana nataon’ny teknisianina iray.   Tsiahivin’ny teknisianina amin’ny Banky iraisam-pirenena ny fepetra takin’izy ireo momba ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana eto Madagasikara. Fitantanana tsy mahomby no antony […]

45 taon’ny FMBM : hotohizana amin’ny «Sekolin’ny Baiboly» ny fankalazana

45 taon’ny FMBM : hotohizana amin’ny «Sekolin’ny Baiboly» ny fankalazana

Mitohy ny fankalazana ny faha-45 taon’ny Fikambanan’ny mpiara-mamaky Baiboly Malagasy (FMBM). Taorian’ny fanokafana ofisialy ny taon-jobily, tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, ny asabotsy 30 janoary 2016 lasa teo, hitohy amin’ny alalan’ny « Sekolin’ny Baiboly » indray izany. Fotoana handalinana misimisy kokoa ny Baiboly, hanomboka anio hatramin’ny zoma ho avy izao, izay hotanterahina etsy amin’ny fiangonana Anglikana Avaratr’Anjoma, […]

Ambalavao Isotry : 4’mi anjatony nampandrosoana an-trano

Ambalavao Isotry : 4’mi anjatony nampandrosoana an-trano

Ny alin’ny asabotsy teo, 4’mi, mpatory an-tsena, tsy manan-kialofana anjatony avy amin’ny fianakaviana 96 teny an-tsisin-dalan’Antananarivo no nanaiky hiantrano etsy amin’ny foibe fampiantranoana ny tsy manan-kialfona etsy Ambalavao Isotry. Niandraiketan’ny minisiteran’ny mponina ny fandraisana an-tanana azy ireo tamin’izany fampiantranoina izany. Teny amin’ny tonelina Ambanidia ny fianakaviana 10 amin’izy ireo. Teny amin’ny tonelina Ambohidahy kosa ny […]

Fahalafosan’ny fidirana any Isalo : manomboka mihena ny fidiram-bolan’ny mponina

Fahalafosan’ny fidirana any Isalo : manomboka mihena ny fidiram-bolan’ny mponina

Tsy laharana voalohany mahasarika mpizahatany betsaka intsony ny valan-javaboary Isalo amin’izao fotoana izao. Efa lasa any amin’ny laharana fahefatra, angamba, raha ny fanamarihan’ny avy any an-toerana. 80 %-n’ny mponina manodidina io valan-javaboary io anefa mivelona amin’ny fizahantany, ohatra, ireo guide, mpanao asa tanana sy mpiasa any amin’ireo hotely manodidina. Vokatr’izany, manomboka mihena ny fidiram-bola amin’ireo […]

Vision Madagascar : hajaina ny fenitry ny fitrandrahana ala

Vision Madagascar : hajaina ny fenitry ny fitrandrahana ala

Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana ny mari-pankasitrahana FSC ho an’ny Vision Madagascar izay antoka iray amin’ny fanajana ny fenitra amin’ny alalàn’ny fitrandrahana ny ala. Anisan’ny orinasa vaventy mitrandraka sy manodina hazo eto Madagasikara ny Vima Woods. Amina hektara maro ny alan’ity orinasa ity ao Moramanga. Mampiasa olona mivantana […]

«Cross Country Analamanga» : resin’i Marinah Ralisinirina

«Cross Country Analamanga» : resin’i Marinah Ralisinirina

Tontosa ny asabotsy lasa teo  teny Ambohidratrimo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja «cross country». Nisongadina ny fandresena teo amin’ny vehivavy, izay nandavoan’i Marinah, avy amin’ny Cnaps Sport, an-dRalisinirina, atletan’ny 3FB, tompondakan’ny seksiona Analamanga, ho an’ny sokajy «sénior» vehivavy, izay nihazakazaka ny 10 km. Nitarika am-boalohany Ralisinirina ary narahin’i Marinah akaiky fotsiny. Nosongonany kosa […]

«Chan 2016» : nanofan’i Kabila fiaramanidina ireo mpijery Kongoley

«Chan 2016» : nanofan’i Kabila fiaramanidina ireo mpijery Kongoley

Na firenena be olana ara-politika sy ao anatin’ny ady an-trano aza ny ao amin’ny Repoblikan’ny demokratikan’i Kongo, tsy manao ambanin-javatra ny baolina kitra ny fitondrana. Nanofan’ingahy, Joseph Kabila, filoham-pirenen’ny Repoblika demokratikan’i Kongo (RDC), fiaramanidina manokana, avy amin’ny kaompaniam-pitaterana Congo Airways, ireo mpijery kongoley, nandeha nijery ny famaranana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2016), […]

Kitra – «Chan 2016» : lasan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny medaly alimo

Kitra – «Chan 2016» : lasan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny medaly alimo

Laharana fahatelo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2016), ny Elefanta avy any Côte d’Ivoire. Norombahin’izy ireo izany ny medaly alimo. Resiny, teo amin’ny fiadian-toerana, tamin’ny isa tery, 2 noho 1, ny Syli Nacional avy any Ginea. Fihaonana notanterahina, omaly alahady, tao amin’ny kianja Amahoro, Kigali. Baolina roa tafiditr’i Youla, teo amin’ny minitra […]

Rugby – «VI Nations» : resin’i Frantsa ny Italianina

Rugby – «VI Nations» : resin’i Frantsa ny Italianina

Tsara fanombohana ny Les Bleus, ekipam-pirenena Frantsay, teo amin’ny fanombohan’ny fifaninanana «Tournoi des VI Nations», eo amin’ny taranja rugby. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa tery 23 noho 21 ny Squadra Azzurra, avy any Italita. Fihaonana natao ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny Stade de France. Na nivoaka ho mpandrey aza, tamin’ity ny Frantsay, dia tsy afa-po, […]

Fanafoanana ny fifidianana loholona : nolavin’ny HCC ny fangatahan’ny Antoko Malagasy miara-miainga

Fanafoanana ny fifidianana loholona : nolavin’ny HCC ny fangatahan’ny Antoko Malagasy miara-miainga

Araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny 22 janoary, nitsara ny raharaha araka ny And. 132 amin’ny lalàm-pifidianana: ho an’ireo voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, nandray anjara tamin’ny fifidianana, ny fanoherana ny fifidianana. Tsy azo raisina ny fanoherana ny fifidianana amin’ny anaran’ny antoko politika, na voasoratra ao amin’ny lisitry ny mpifidy na kandidà […]

Hifidy ny ho filohany ny Antenimierandoholona

Hivory manokana ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, rahampitso etsy amin’ny lapan’Anosikely. Anisan’ny hiompan’ny dinika amin’izany ny fametrahana ny fitsipika anatiny sy ny hifidianana ireo handrafitra ny birao maharitra ka anisan’izany ny ho filohan’ity andrimpanjakana ity. Mifarana avy hatrany ny fivoriana raha vao vita ireo ary ny volana mey indray vao miverina mivory ara-potoana. Synèse R.

ESGN Moramanga : zandary 161 nahavita fiofanana SMP/BS1

ESGN Moramanga : zandary 161 nahavita fiofanana SMP/BS1

 Notanterahina, ny zoma 5 febroary 2016 tao amin’ny Sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena Moramanga (ESGN) ny lanonana ara-miaramila namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo andiany faha-27 SMP/BS1. Miisa 161 mirahalahy ireo zandary nahavita fiofanana tao amin’ny sekoly. Lanonana teo ambany fiahian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Paza Didier. Nisolo tena azy, ny talen’ny kabinetran’ny Seg, ny […]

Fantina

Randriamananjara Philibert no misolo toerana ny depiote teo aloha, Ramarosoa Emiline, tamin’ny lisitra Fitarikandro, tao Amparafaravola, araka ny fanapahan’ny HCC ny 3 febroary,  nivoaka ny 5 febroary. Noho ny fahitana fahabangan-toerana izany, fa nametra-pialana ny depiote Ramarosoa Emiline, izay voafidy ho loholona, tamin’ny listra Mifanasoa, faritany Toamasina. Hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia hatao eto Antananarivo, […]

Miandrivazo : vao mainka mirongatra ny ambalavelona

Miandrivazo : vao mainka mirongatra ny ambalavelona

 Mihamitombo hatrany ireo olona tratran’ny ambalavelona any Miandrivazo. Iaraha-mahita amin’ny sary izao ireo mpiandry mpanala devoly, afakomaly tao Miandrivazo. Ireo tanora sy ankizy no tena lasibatra amin’ity trangana aretina hafahafa ity. Hatreto tsy ahitam-panafahana izany fa mionona amin’ny fametrahan-tanana ataon’ny mpiandry izany. Na efa nigadra aza i Kohen izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany, vao mainka […]

Tsy mbola nanomboka akory ny fiofanana… : mpianatra ho zandary namoy ny ainy tany Ambositra

Tsy mbola nanomboka akory ny fiofanana… : mpianatra ho zandary namoy ny ainy tany Ambositra

 Namoy ny ainy sahady ny tovolahy iray mpianatra ho zandary, ny asabotsy teo tany amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambositra. Tsy mbola nanomboka anefa ny fiofanana dia izao maty izao izy…   Tovolahy iray antsoina hoe Rasolofoniaina Angelo Alexandre, mpianatra ho zandary ity namoy ny ainy tao Ambositra ity, ny asabotsy antoandro teo. Araka ny fanazavana […]

Fanafihana tao Ambohibe : vehivavy iray voatifitra…

Fanafihana tao Ambohibe : vehivavy iray voatifitra…

 Renim-pianakaviana iray voatifitra,  fiara 4×4 iray sy trano dimy indray kila, vokatry ny fanafihana tao Ambohibe, Vavatenina, ny asabotsy alina teo. Fantatra fa jiolahy 10 nirongo basy sy nanao fanamian’ny mpitandro filaminana no nanafika mpandraharaha ara-toekarena iray. Voalaza fa vao avy nivarotra jirofo ity niharam-boina ka nihevitra ry zalahy fa misy volabe. 400 000 Ar anefa […]

Tselatra

 Maty voatifitry ny zandary i Doris nandritra ny fisamborana azy tao Tsahavita, fokontany Hanahana, distrikan’i Vohibinany, ny zoma teo. Nomelohin’ny fitsarana, sazy 20 taona an-tranomaizina noho ny famonoana olona nataony, saingy nandositra ny fonjan’Ambalatavoahany Toamasina nitazomana azy izy, ny 9 novambra 2012. Nitohy hatrany ny fikarohana ity jiolahy ity taorian’izay. Ny 1 janoary 2016 lasa […]

Antaninarenina : samy nandeha samy mitady ireo nahatsiaro ny 7 febroary

Antaninarenina : samy nandeha samy mitady ireo nahatsiaro ny 7 febroary

 Efa nampoizina ihany. Nangingina nefa koa nilamina ny fanamarihana ny tsingerin-taona fahafito ny 7 febroary 2009. Vao mainka nizara sy nivaky tanteraka anefa izany fahatsiarovana izany, omaly.  Tonga vao maraina nametraka fehezam-boninkazo teny Antaninarenina ny avy amin’ny AV7, tarihin’i Boana Jean-Pierre. « Tsy azo ekena ny hanaovana fitaovana politika ireo niharam-boina sy hanaovana sorona indray ny […]

Mba tsy hampisy fitoniana ny fahasahiranam-bahoaka…

Mba tsy hampisy fitoniana ny fahasahiranam-bahoaka…

Haintany sy kere any atsimo, tondra-drano any avaratra… Inona koa? Tsy fandriampahalemana: tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra. Eo koa ny tsy fisian’ny asa, ny saritaka lava eto an-tampon-tanàn’ny Renivohitr’i Madagasikara amin’ny fandaminana sy fanadiovana: fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana, fivangongoan’ny fako… Manampy trotraka ny ady tany etsy sy eroa. Inona no itanisana izany? Tsy misy zava-baovao. Ny […]

Tratry ny famoizam-po…. : maty nananton-tena i Bob Kely, mpilalaon’ny Barea

Tratry ny famoizam-po…. : maty nananton-tena i Bob Kely, mpilalaon’ny Barea

 Nivarahontsana ary sanganehana tanteraka izay naheno ny vaovao. Maty nananton-tena, tao an-tranony,  eny Ivandry i Bob Kely, mpilalaon’ny Barea de Madagascar. Voalaza fa noho ny famoizam-po, fahakiviana noho tsy fikarakarana azy, tao anatin’ny aretiny, no anton’izany.   Hatairana ny an’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina ary indrindra, ny tontolon’ny baolina kitra fa nodimandry i Njilamanana Yvon […]

Mahazoarivo  : accord finalisé avec le GFATM

Un nouvel accord-cadre entre Madagascar et le Fonds mondial pour la lutte contre le paludisme, le VIH/sida et la tuberculose (GFATM) a été signé, jeudi dernier au palais d’Etat de Mahazoarivo. « Beaucoup d’efforts ont été déployés par le Gouvernement et ses partenaires en 2015, au profit de la santé publique, mais beaucoup reste à faire […]

Cnaps sy Dinec : filankevitry ny sekoly tany Farafangana

Cnaps sy Dinec : filankevitry ny sekoly tany Farafangana

Nitohy ny 3-5 febrary teo, tany Farafangana, ny fiaraha-miasan’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) sy ny Fitantanana ny sekoly katolika (Dinec), hampahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy, ho an’ny taona 2016. Voakasik’izany ny diosezy 10, nampahafantarana ny lalàna mifehy asa sy ny fiahiana ara-tsosialy, ny fanampiana omen’ny Cnaps ny mpiasa sy ny fiankaviany, ny fandraisana an-tanana […]