Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Momba ny toetry ny andro anio, ho an’ny tolakandro, hanorana tandrifin-drahona arahin-kotroka any Diana sy Sava, miampy ny any Menabe , Atsimo Andrefana ary Androy. Hanorana malefaka ny faritanin’i Toamasina, Antananarivo sy Fianarantasoa. Handrahona na handrahona vitsy ny faritra sisa rehetra. Betsaka sahady ny toerana difotry ny rano, omaly, vokatry ny orana nijojo ny asabotsy […]

“Marathon de Dakar” : laharana faha-11 i Hajanirina

Tsy afa-nanoatra i Hajanirina, nanoloana ireo kalazalahy kenyanina, nandritra ny fanatanterahina ny “Marathon de Dakar”. Tany amin’ny laharana faha-11, no nisy azy, tamin’izany fifaninanana izany. Tsy ratsy ny vokatra azon’i Hajanirina, teo amin’ny fifaninanana “Marathon de Dakar”, natao ny asabotsy lasa teo, tany Sénégal. Laharana faha-11 no nisy azy, tamin’ity ary 2 ora 25 mn […]

Rugby : nahemotra ny fambolen-kazon’ny federasiona

Rugby : nahemotra ny fambolen-kazon’ny federasiona

Alevina anio any Castres, Frantsa, ny nofo mangatsiakan’i Jean-Luc Barthez, talen’ny fampandrosoana ny rugby aty Afrika. Noho ity fandevenana ity, voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fambolen-kazo, tokony notanterahin’ny federasiona malagasin’ny rugby. Ny faran’ny herinandro lasa teo, ny voatondro fa hanaovana izany, tany Mandraka. Nanapa-kevitra, araka izany, ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona fa hatao […]

Hanamorana ny asa  : nahazo ordinatera ny CEG Manandriana

Nahazo ordinatera iray avy ny EPP Ambohibao sy ny CEG Manandriana Avaradrano avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Voahangy ny faran’ny herinandro teo teny Ambohitsorohitra. « Hanampy amin’ny fandrindrana ny asa fitantanana ny sekoly sy hikarakarana ny fanadinana samihafa ny fitaovana vaovao », hoy ny mpitantana ny CEG Manandriana, Randriamihaja Solofo. Efa miroso amin’ny fampiasana ny informatika rahateo […]

Kianja filalaovam-baolina : nambolena fandrotrarana i Mahamasina

Nanomboka ny talata 9 febroary lasa teo ny fambolena bozaka tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Araka ny nambaran-dRasoanaivo Charly, tomponandraikitra misahana izany, bozaka fandrotrarana gasy ihany no novolena eo aminy. Mitovy karazana amin’ilay bozaka “green” avy atsy Afrika Atsimo, ihany izy io, fa ny fikarakarana azy ihany ny mahatsara sy maharatsy azy, fa ny azo antoka […]

Kitra – Tompondakan’i Afrika 2016 : resin’ny Cnaps tao amin’ny kianjany ny Gor Mahia Kenya

Kitra – Tompondakan’i Afrika 2016 : resin’ny Cnaps tao amin’ny kianjany ny Gor Mahia Kenya

 Nivoaka ho mpandresy teo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny Cnaps Sport. Lavony teo amin’izany dingana izany ny Gor Mahia, avy any Kenya. Fahombiazana ny lalao voalohany nataon’ny Cnaps Sport, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Resiny, tamin’ny isa 2 noho 1, ny Gor Mahia, tompondakan’i Kenya. Fihaonana mandroso, notanterahina […]

Basikety – «Amboaran’ny Filoha» : misongadina ny 2BC Vakinankaratra

Anisan’ny ekipa misongadina, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha amin’ny fahazoana fandresena, raha ho an’ny faritra andrefana, , eo amin’ny taranja basikety, ny 2BC Vakinankaratra. Fihaonana izay hatao any Tsiroanomandidy. Nomontsaniny, tamin’ny isa mazava, 77 noho 46, ny Fanatic avy any Vakinankaratra ihany. Lalao izay tsy niady satria nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny taktika, […]

Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona : resin’ny Harare FC tany amin’ny minitra farany ny Adema

Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona : resin’ny Harare FC tany amin’ny minitra farany ny Adema

Lavon’ny Harare FC, tamin’ny isa tery 3 noho 2, ny AS Adema, teo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Harare, Renivohitr’i Zimbaboe, ny asabotsy tolakandro lasa teo. Niady ny fihaonana ary ekipa tsy atahorana mihitsy ny Zimbaboeanina. Raha ny tati-baovao, efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana (88 mn) vao […]

Kitra atsy Afrika : naka mpilalao brezilianina ny Tout Puissant Mazembe

Kitra atsy Afrika : naka mpilalao brezilianina ny Tout Puissant Mazembe

Nanamboatra ny mpilalao mandrafitra azy  ny Tout Puissant Mazembe, avy any RD Kongo, ankehitriny. Fantatra izao fa nanamafy ny lohalaharany izy ireo ka naka mpilalao brezilianina. Marco Antonio Silva Cortez ny anaran’io mpilalao io. Nilalao tany amin’ny klioban’ny Al Orooba, Emirats Arabo mitambatra izy io, teo aloha. Nahatafiditra baolina 21 izy, nandritra ny fifaninanam-pirenena arabo. Tsy […]

R. Hasimpirenena, filoha nasionalin’ny Mafami : « Tsy misy fandrosoana  raha tsy mivondrona sy manambatra hery »

R. Hasimpirenena, filoha nasionalin’ny Mafami  : « Tsy misy fandrosoana  raha tsy mivondrona sy manambatra hery »

  Fihaonambe voalohany amin’ny itantanan’ny filoha nasionaly vaovao, R. Hasimpirenena, ny Mafami ny asabotsy teo. Tratra ny tanjon’ny fikambanana amin’ny fampihavanana sy fampivondronana ho anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena. Olona avara-pianarana avokoa rahateo ny mpikambana. Tontosa ny asabotsy teo teny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola ny fihaonambe voalohan’ny fikambanana Mafami, ivondronan’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga […]

Olan’ny Gem sy ny fanjakana : andrasana ny fifampidinihana

Olan’ny Gem sy ny fanjakana : andrasana ny fifampidinihana

Tsy mbola nivaha ny olana! Araka ny notaterina teto, nilaza ampahibemaso ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) fa tsy hifampidinika amin’ny fanjakana intsony izy ireo raha tsy foanana ny didy mamaritra ny Advanced Cargo Declaration (ACD). Nohazavain’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny varotra iraisam-pirenena sy ny hetra eto Madagasikara ny faneren’ny fanjakana […]

Kolo TV/FM – Valy Tiana : lasan’i Victor sy Marthe mivady ny tany 320 m2

Kolo TV/FM – Valy Tiana : lasan’i Victor sy Marthe mivady ny tany 320 m2

 Anisan’ireo tsara vintana nahazo ny tany 320 m2 eny Fonenana Imerintsiatosika avy amin’ny Master Immobilier Services Razanajatovo Victor sy Razafiarisoa Marthe mivady. Niainga tamin’ny lalao nokarakarain’ny Kolo TV/FM sy ny Valy Tiana ny fisarihana nahazoan’izy ireo izany tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia, ny asabotsy teo. Nanatona ny mpijery sy mpihaino ny Kolo TV/FM ny ekipan’ny […]

Fantina sy fintina

Any Inde efa hatramin’ny herinandro teo ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Niala an-tanindrazana ny herinandro teo izy, niray fiaramanidina amin’ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, sy ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, nihazo an’i Maorisy. Tafiditra amin’ny famelomana indray ny orinasa Tiko izao diany any izao. Efa fito herinandro izao, tsy mbola voatendry ny talen’ny TVM. Notapahin’ny filankevitry […]

Oniversite GSI : hisokatra amin’ny any ivelany

Oniversite GSI : hisokatra amin’ny any ivelany

“Misokatra amin’ny any ivelany, ary efa misy ny fifanarahana vita ny amin’ny oniversite GSI sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny GSI, Randrianaivo Geremioh. Ity farany izay nahazo fifanarahana tamin’ny minisitry ny Fambolena frantsay, Stéphane Le Foll, ny volana janoary lasa teo, nandritra ny diany tany Frantsa, nandray anjara tamin’ny atrik’asa lehibe momba ny […]

Mangamila Anjozorobe : mpianatra sivy vavy indray nihetsika ambalavelona

Mangamila Anjozorobe : mpianatra sivy vavy indray nihetsika ambalavelona

Tsy nijanona tany Morondava na Miandrivazo intsony ny resaka ambalavelona fa tonga hatrany Anjozorobe. Lasibatra indray ny tovovavy tany an-toerana. Mpianatra sivy vavy no indray nihetsika an’ity aretina hafahafa ity tany Mangamila Anjozorobe. Manodidina ny 14 ka hatramin’ny 17 taona eo ireo, ka ny roa amin’ireo mpianatry ny lycée ary ny fito mpianatry ny CEG. […]

Anosizato : jiolahy roa voatifitry ny tompon-trano voatafika

Anosizato : jiolahy roa voatifitry ny tompon-trano voatafika

Sambany, mba ny tompon-trano notafihana indray no nahatifitra ireo jiolahy. Teny Anosizato nitrangan’izany ny asabotsy alina teo. Araka ny vaovao voaray, fito lahy mitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika tamina tranombarotra iray, ka teo am-pitaomana ny menaka tamin’ny “bidon” izy ireo no hitan’ny tompon-trano. Teny ambony rihana, trano mifanila amin’ny fitoeran’entana no misy ireto […]

Praiminisitra Ravelonarivo : “Tsy vita irery ny fampandrosoana”

Praiminisitra Ravelonarivo : “Tsy vita irery ny fampandrosoana”

 “Tsy vita indray andro sy tsy vitan’olona irery ny fampandrosoana, fa manana andraikitra lehibe amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy isika. Andao hanambatra hery hijery ny faritra niaviantsika, hijery ny hoavin’i Madagasikara.” Kabarin’ny Praiminisitra Ravelonarivo io, tamin’ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2016 nataon’ny fikambanana Grand sud-est, teny amin’ny By Pass, afakomaly. Ilaina ny […]

Filankevitra nasionaly teny Ivato : noroahina ny mpikamban’ny Leader Fanilo miisa 11

Filankevitra nasionaly teny Ivato : noroahina ny mpikamban’ny Leader Fanilo miisa 11

Ny an’iza na iza no marina? Nampiato ny birao nasionaly mpandrindra, tarihin-dRakotomamonjy Jean-Max, ny komity mpihevi-draharaha izay nijoro ho filankevi-pifehezana, ny 16 desambra 2015. Namaly izany ireo naato, nampiantso filankevitra nasionaly tsy ara-potoana, teny Ivato, afakomaly. Tapaka tamin’izany fa roahina ny mpikambana miisa 11: Esoavelomandroso Manassé, Andriamiarisatrana Noël, Rabesa Zafera Antoine, Mahosindrahaja Heriniaina, Raveloson Hasina, […]

Lamoka lamokany ny vahoaka

Lamoka lamokany ny vahoaka

Aleo hazava sao tsy mifankahazo ny resaka: leo sy tofoka ny hoe lamoka, ary izay tsy foy sy tsy tanteraka hatramin’ny farany ny lamokany: lamokan’atody, lamokan’olona, lamokam-paty izay mamo tsy mahatsiaro tena, lamokan-torimaso izay torimaso tsy vanona na fohy loatra… Inona no itanisana izany eto? Lasa adihevitra be ny amin’ny hoe “Manotrika atody lamokany” navoakan’ny […]

Antsiranana : dokotera mpivady notifirin’ny jiolahy tao an-tranony

Antsiranana : dokotera mpivady notifirin’ny jiolahy tao an-tranony

Maty tsy tra-drano ilay rangahy vazaha frantsay voatifitra. Teny an-dalana halefa amin’ny fiaramanidina ho any ivelany kosa no maty ramatoa. Dokotera malaza ao Antsiranana ao ireto maty ireto. Manahy fanirahana hamono ny havany… Asan-jiolahy sa irak’olona! Mpivady iray maty notifirin’ny jiolahy tao an-tranony, tany Betahitra, lalana Ramena Antsiranana, ny alin’ny zoma lasa teo. Voan’ny bala […]

Fivelaran’ny kabary : nivoaka ny « Le kabary expliqué et traduit en français »

Fivelaran’ny kabary : nivoaka ny « Le kabary expliqué et traduit en français »

Nody ventiny ny rano nantsakaina. Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny Alliance française Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fivoahan’ny boky « Le kabary expliqué et traduit en français ». Sanganasan-dRamandraivonona Dera sy Razanamalala Henriette. Boky vaovao, hoenti-mampivelatra ny kabary malagasy maneran-tany. « Tsy maintsy hay sy mazava tsara aloha ny heviny, ny dikany (haiteny, voambolana…) amin’ny teny malagasy, izay vao atao […]

 Team Safelika : hihodina an’i Madagasikara ny « Miara-mifety jiaby »

 Team Safelika : hihodina an’i Madagasikara ny « Miara-mifety jiaby »

Taorian’ilay seho goavana tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 13 desambra teo, mahatratra 40 ny fampisehoana hotontosain’ny Team Safelika manerana ny Nosy. Hahitana hetsika mandritra ny roa andro isaky ny toerana lalovany ny « Miara-mifety jiaby ». Ny andro voalohany, atomboka amin’ny « carnaval » lehibe hotarihin’ireo mpilalao sarimihetsika. Tohizana amin’ny fampisehoana natokana ho an’ny olona mahatratra […]

Hira vaovao : “Mbola tia”, fanomezan’i Jirah ho an’ny mpifankatia

Hira vaovao : “Mbola tia”, fanomezan’i Jirah ho an’ny mpifankatia

Anisan’ireo mpanakanto vao misondrotra kanefa efa mametraka ny anarany i Jirah. Araka ny fampitam-baovao nataony, nisafidy manokana ny fetin’ny mpifankatia izay hankalazaina amin’ity faran’ny herinandro ity izy, hamoahany ny hira noforoniny voalohany. “Mbola tia” rahateo ny lohatenin’ny hira, izay mazava loatra fa miresaka izay fitiavana mivaivay eo amin’ny olon-droa izay. “Fanomezana hatolotro ireo mpifankatia io, […]

Kitra afrikanina : vonona handresy avokoa ny Adema sy ny Cnaps Sport

Kitra afrikanina : vonona handresy avokoa ny Adema sy ny Cnaps Sport

 Hifantoka any Harare sy Nairobi avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio asabotsy. Amin’ity tolakandro ity, hiatrika ny lalao mandroso amin’ny fifaninanana afrikanina, ny AS Adema, tompon’ny amboara, sy ny Cnaps Sport, tompondakan’i Madagasikara. Tonga, omaly any Zimbaboe, ny AS Adema, hiatrika ny Harare FC, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Efa tamin’ny alakamisy kosa […]