Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kempo – Fiofanana : nanomanana sahady ireo hetsika nasionaly

Kempo – Fiofanana : nanomanana sahady ireo hetsika nasionaly

Niatrika fiofanana, nandritra ny roa andro, ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny dojo “sous-gradin”, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpikatroka eo amin’ny kempo sy MMA (Mixed Martial Art). Fiofanana nokarakarain’ny fikambanana Perfect Fighting Commission na PFC notarihin’ny filohany, Rakotonindriana Parfait. Nizara telo niavaka tsara ny fampianarana tamin’izany. Ny tapany voalohany, natokana fotsiny ho an’ireo mpitsara […]

Opta – Ramarosaona Fara Bernard  – “Ady amin’ny kolikoly: olana ny fitondrana sy ny fitsarana”

Opta – Ramarosaona Fara Bernard  – “Ady amin’ny kolikoly: olana ny fitondrana sy ny fitsarana”

 “Olana amin’izao ady amin’ny kolikoly izao ny fitondrana sy ny fitsarana. Nefa avy any aminy ny zava-drehetra… Efa manao antso fanairana foana izahay firaisamonina sivily, ary tsy mitsahatra amin’izany”, hoy ny avy amin’ny firaisamonina sivily Olom-pirenena tompon’andraikitra (Opta), Ramarosaona Fara Pierre Bernard, teny amin’ny Cite, Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo. Nijoro tamin’ny 2006 ny Opta, […]

Badminton : nanokatra ny taom-pilalaovana ny FMBad

Badminton : nanokatra ny taom-pilalaovana ny FMBad

Notontosain’ny federasiona malagasin’ny badminton na FMBad tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena, efitrano kely, Mahamasina, ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2016 eo amin’ny taranja badminton. Raha ny fanazavana, fifaninanana natao sahady hanomanana ireo ankizy hiatrika ireo fifaninanana federaly ho amin’ity taona ity izany. Teo ihany koa ny fampandraisana anjara amina fifaninanana ireo ankizy, mpianatra teny anivon’ireo sekoly […]

Filoha Rajaonarimampianina : « Efa manomboka manga ny lanitra fa tsy maitso intsony… »

Filoha Rajaonarimampianina : « Efa manomboka manga ny lanitra fa tsy maitso intsony… »

 Nitsidika ny orinasam-panjakana Fanjarian’ala Ambatondrazaka Moramanga (Fanalamanga) ao Tsirinala Moramanga ny filoha Rajaonarimampianina, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny resaka toekarena, nanaovany sarin-teny ny resaka politika.   « Efa manomboka manga ny lanitra tato anatin’ny herintaona fa tsy maitso intsony », hoy izy. Na tsy nivantana aza, anisan’ny tiany hambara ny fahazoan’ny antokony, HVM ny maro anisa […]

Fantina sy fintina

Efa eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Ravalomanana rehefa avy nivahiny nandritra ny andro maromaro tany Inde. Niompana amin’ny resaka toekarena sy fandraharahana ny anton-diany tany amin’ity firenena anisan’ny Brics ity. Tafiditra amin’ny famelomana indray ny orinasa Tiko izao fivoahana matetika ataon’ity mpandraharaha sady mpanao politika ity. Manana vahaolana hivoahana amin’ny krizy Rasambozafy Cyril. Nambarany, […]

Nijoro ny Achropol hiaro ny mpanao gazety

Nijoro ny Achropol hiaro ny mpanao gazety

Hifampitaiza sy hifanakalo traikefa ary hanamafy ny firaisankina sy hiaro ny asa fanaovan-gazety, indrindra manoloana ny olana ara-politika ka hanenjehana ny mpanao gazety. Antom-pijoroan’ny fikambanan’ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovao politika (Achropol) ireo. Tontosa ny asabotsy teo teny Tsiadana ny fifidianana ny birao vaovao hitantanana ny fikambanana mandritra ny telo taona. Voafidy ho filohan’ny Achropol […]

Holafitry ny mpisolovava  : “Mbola mafimafy ny kolikoly eny amin’ny fitsarana”

Holafitry ny mpisolovava  : “Mbola mafimafy ny kolikoly eny amin’ny fitsarana”

 “Irahantsika mahafantatra ny filazana sy fanazavan’ny rafitra sy tomponandraikitra samihafa miasa eto amintsika: mbola mafimafy ihany ny resaka kolikoly amin’ny fitsarana eto Madagasikara. Milaza izahay fa samy tomponandraikitra amin’io avokoa.” Io no nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, Raharison Hubert, tamin’ny andron’ny mpisolovava teny Anosy, afakomaly. Nifantohana tamin’izany ny hoe: “Ny andraikitry ny mpisolovava amin’ny fampanjakana […]

Nikasa hisoloky 40 tapitrisa Ar : noraisim-potsiny ireo telo lahy nisandoka ho talen’ny kabinetra

Nikasa hisoloky 40 tapitrisa Ar : noraisim-potsiny ireo telo lahy nisandoka ho talen’ny kabinetra

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Manakarabe, ny 19 febroary 2016 teo ireo telo lahy nisandoka ho Dir Cab-n’ny Antenimieram-pirenena. Nikasa haka vola mitentina 40 tapitrisa Ar tamin’olona iray tany an-toerana izy ireo…   Nokasain’ireto mpisoloky ireto hakana lelavola mitentina 40 tapitrisa Ar ny fianakaviana manam-boninahitra mipetraka ao Manakarabe, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray any […]

Tselatra

Mpamily iray naratra teo amin’ny lohany. Io no vokatry ny fanafihana nataona andian-jiolahy, ny zoma teo, tao Fanandrahana Toamasina II. Fiara miisa efatra no indray voatora-bato ka tamin’izany no nahavoatoraka ny mpamily iray. Tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy. Olona efatra indray voasambotry ny zandary tany Ampanihy atsinanana, ny herinandro teo izay voarohirohy […]

Iantonana-Antsirabe : tratra ireo olona nandoro ny tranon’ny kaominina

 Voasambotry ny Emmo/Reg, ny asabotsy teo ireo olona miisa fito voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandorana ny biraon’ny kaominina Iantonana Betafo. Ny 4 febroary  2016 lasa teo nitrangan’ity fandorana ny tranon’ny kaominina ity. Tsy fantatra marina hatreto izay antony nahatonga ireo olona handoro ny biraon’ny kaominina fa iray amin’ireo voarohirohy ao anatin’ity raharaha ity ny ben’ny […]

Mosary… moa sarin’ady?  

Mosary… moa sarin’ady?  

Tsy fahampian-tsakafo sa mosary na kere ny any atsimo? Tsy any loatra ny olana na adihevitra. Inona ny vahaolana? Na maika io, na maharitra. Mila jerena akaiky izay, tanterahina, tohizana. Tsy fisehoana hoe mijery sy manao zavatra izany, tsy vonjy tavanandro, tsy fialana bala. Fa tena fahatapahan-kevitra, fahasahiana, finiavana, fahavononana: asa haingana sy mivaingana. Moa […]

Lozam-pifamoivoizana – Anjomakely : nifandrotehan’ny olona ny entana nentin’ilay kamiaobe nivadika

Lozam-pifamoivoizana – Anjomakely : nifandrotehan’ny olona ny entana nentin’ilay kamiaobe nivadika

   Tsy gisitra amin’ny zava-mitranga ny mpanararaotra. Nifandrotehan’ny olona nanatri-maso sy nahita ny loza nihatra tamin’ity kamiaobe iray, tapaka ”frein” ary nivarina an-tanimbary, tetsy Anjomakely, ny asabotsy teo, ny entana. Naratra mafy ny mpamilin’ilay kamiaobe sy ny mpanampy azy vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Anjomakely, akaikin’ny Resto Gasy, ny asabotsy tolakandro teo. Voalaza fa noho ny […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2019) : hiadiana medaly volamena koa ny Rugby à 7

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2019) : hiadiana medaly volamena koa ny Rugby à 7

 Taranja vaovao ho an’ny lalaon’ny Nosy 2019, hatao any Maorisy, ny Rugby lalaovina olona fito. Ankoatra izay, 14 ny isan’ny lalao hiadiana medaly volamena, ho an’ity andiany fahafolo ity. Tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny filankevitra iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), natao tatsy Maorisy fa anisan’ireo taranja hiadiana medaly volamena koa ny rugby lalaovin’olona 7, ho an’ny sokajy […]

Kitra malagasy : nahazo fitaovana avy amin’ny Telma ny FMF

Hotanterahina anio, any Fenoarivo Atsinanana ny fivoriamben’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Manoloana izany, nanolotra fitaovana toy ny “Power box” 4G, ho an’ireo filohan’ny ligim-paritra 22 ny orinasan-tserasera Telma Madagascar. Mba hahazoana mifanerasera sy mifampita vaovao amin’ny samy tomponandraikitry ny ligy, ny antony voalohany. Eo koa ny “routeur wifi”, hahafahana mifandray amin’ireo mpikambana eo anivon’ny […]

Lomano – Mada Jeunes : hiady filaharana ireo ligim-paritra efatra

Raikitra. Hotanterahin’ny federasiona malagasin’ny lomano, amin’ity faran’ny herinandro ity (asabotsy 20 febroary sy alahady 21 febroary), ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy tanora. Etsy amin’ny dobo filomanosana Olympika ANS Ampefiloha kosa no hizoran’ny fifaninanana mandritra io roa andro io. Raha ny vaovao voaray, indray hiady ny lohany amin’izany ny ligim-paritra efatra : Analamanga, […]

«Course pour la solidarité féminine» : anisan’ireo hifaninana i Dah Mama

Efa mihamaro hatrany ireo olon-tsotra sy orinasa ary fikambanana, misoratra anarana, amin’ilay fifaninanana «Course pour la solidarité féminine», karakarain’ny fikambanan’ireo Malagasy niatrika ny “Lalao Olympika” (Amao). Anisan’ireo nanambara ny fahavononany hiatrika ity fihaonana ity i Dah Mama, ary hitarika ireo mpanakanto namany handray anjara amin’izany. «Amiko, rehefa mifono firaisankina sy fampiarana ny miralenta ny zavatra […]

Hevitry ny mpiasan’ny kaominina sasany : mba hisian’ny korontana ny fanenjehana ireo mpivarotra

Hevitry ny mpiasan’ny kaominina sasany : mba hisian’ny korontana ny fanenjehana ireo mpivarotra

Tsy tapaka mitombo isa hatrany ny mpivarotra amoron-dalana eto Antananarivo. Tsy eo Analakely enjehin’ny kaominina ihany, fa feno azy ireo Behoririka, Mahamasina, 67 ha, Isotry, saika manerana ny Renivohitra. Ao ireo efa manana ny toerany manokana, fa ao koa ireo manao varo-mandeha manerana ny tanàna hatrany anelakela-trano. Tsy mahasakana ireo mpivarotra ireo mihitsy ny ataon’ny […]

 Manakhasy : nahomby ny « Zegnahary mahery »

 Manakhasy : nahomby ny « Zegnahary mahery »

Nifarana ny 17 febroary teo, teny amin’ny Craam eny Ankatso, ny « Zegnahary mahery », hetsika lehibe voalohany nampahafantarana sy namerenan’ny tarika Manakhasy indray ny hasin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary, indrindra, ny maha Malagasy antsika. Natomboka tamin’ny fampisehoana izany, satria, tsiahivina fa mpanakanto mandala tanteraka ny mozika nentim-paharazana, avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, […]

Basikety – Coupe du Président : hidona amin’ny 2BC Vakinankaratra ny ASB Itasy

Hangotraka ny manasa-dalan’ny fiadiana ny “Coupe du Président” taranja basikety, ho an’ny Zone Ouest any Tsiroanomandidy, amin’ity indray mitoraka ity. Araka ny efa fantatra mantsy, ekipan’i Vakinankaratra roa, 2BC sy Fanatic, indray tafakatra hiatrika ny manasa-dalana avokoa, miampy ireo ekipan’Itasy sy Bongolava, mpampiantrano. Eo amin’ny fihaonana voalohany, anio, ny 2BC hidona amin’ny ASB avy any […]

Gadona vaovao : namorona ny « zag zig » i Blezz’o

Gadona vaovao : namorona ny « zag zig » i Blezz’o

Andriamiaramanana Dimbiniaina Duc, fantatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny anarana Blezz’o. Hafa noho ny efa faheno hatramin’izay ny gadon-kira noforoniny.         « Zag zig », fitambarana gadona samihafa hita eto Madagasikara. Ao anatina hira iray, ahenoina gadona avy any atsimo, andrefana, atsinanana ary avaratry ny Nosy. Tombony lehibe ho an’i Blezz’o ny fananana feo avo dia avo sy […]

Vokatra labiera : niova tsiro sy endrika ny Skol

Vokatra labiera : niova tsiro sy endrika ny Skol

“Vao mainka…”, hoy ny dokambarotra fanairana, efa nandeha tamin’ny fahitalavitra, andro vitsivitsy izay. Tsy nisy nahalala hoe inona no tao ambadik’izay, raha tsy nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, teny amin’ny foiben’ny orinasa Star Andraharo. Mahakasika ny labiera Skol izy io, izay fantatra fa niova endrika fa indrindra niova tsiro ihany koa. “Ao […]

Ihorombe : namboly zanakazo 3.000 ny faritra

Nosantarina ny 29 janoary teo ny taom-pambolen-kazo any Ihorombe, nosantarin’ny lehiben’ny faritra, Mosa Ferdinand. Nambolena teny amin’ny toerana akaiky loharano any Ihosy  ny zanakazo 3.000, mamatsy ny rano ny renivohitr’Ihorombe rahateo. Notohizana tany amin’ny kaominina Soamatasy, ny fambolen-kazo ny 16 febroary teo, tao amin’ny tokotanin-tsekoly roa sy ny toby fahasalamana, niarahana tamin’ny fokonolona. Nisy koa […]

Atsimo Andrefana : niakatra 200 % ny hetra niditra ny taona 2015

 Tanteraka ny 16 febroary teo, teto Toliara, ny fihaonana teo amin’ny mpandraharaha sy ny avy ao amin’ny sampandraharaha fampidiran-ketra, nanamafisana ny fanentanana ny rehetra  hanao fanambarana mazava mahakasika ny vola aloa amin’ny fanjakana. Nampahafantarina ireo karazan-ketra voarakitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2016 takina amin’ny mpandraharaha eto Madagasikara. Natao izany fampahafantarana izany mba hialana amin’ny hosoka. Noho […]

Antsirabe : namboly zana-kazo 1 000 ny Fiova 

Antsirabe : namboly zana-kazo 1 000 ny Fiova 

 Nanatanteraka adidy amin’ny alalan’ny fambolen-kazo fanao isan-taona ny Fivondronan’ny orinasa ao Vakinankaratra (Fiova) ho fiarovana ny tontolo iainana, ny asabotsy lasa teo.  Mpiasa tsy latsaky ny 300 avy amin’ireo orinasa isan-karazany mpikambana ao anivon’ny Fiova notarihin’ny filohany, Ramarijaona Andrianjafy, no nandray anjara. Eny amin’ny fokontanin’Ambatolahy, kaominina ambanivohitra Vinaninkarena, distrikan’Antsirabe II, no misy ny toerana natokan’ny […]