Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosizato : nisy nandoro ny biraon’ny Hafari Malagasy

Tapitra kila hotohoton’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo antontan-taratasy rehetra tao amin’ny biraon’ny Hafari Malagasy nandritra ny fahamaizan’ny trano, afakomaly hariva. Araka fanazavan’ny mpikambana iray nahita ny niantombohan’ny afo, mety ho fanahiniana nodorana ilay birao satria tsy misy lalana hafa ahafahana miditra ao amin’ny faritra misy ity birao fitehirizana ny antontan-taratasy mahakasika ny fikambanana sy ny […]

Trafikana fitaovam-piadiana : Kalachnikov 2 sy bala 178 sarona teny Tanjombato

Trafikana fitaovam-piadiana  : Kalachnikov 2 sy bala 178 sarona teny Tanjombato

 Bala an-jatony niaraka tamin’ny basy Kalachnikov roa, ary fanamiana miaramiala maromaro. Ireo no saron’ny polisin’ny Commissariat Central, Tsaralalana, tamin’ity lehilahy iray sy ny namany, teny Anosipatrana, ny zoma 26 aogosotra lasa teo. Saika halefa an-tsokosoko any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto no izao sarona izao.    Lehilahy iray 45 taona no […]

Kitra – «Can 2017» : andraikitra goavana ny miandry an’i Nampiandraza

Kitra – «Can 2017» : andraikitra goavana ny miandry an’i Nampiandraza

 Anisan’ireo mpitsara notendren’ny (Caf), hitsara ny fifanintsanana ho an’ny Can 2017, i Nampiandraza Hamada. Lalao hanan-danja no hotsarainy dia ny an’i Côte d’Ivoire sy Sierra-Leone. Ilay Malagasy, Nampiandraza Hamada no hitsara ny lalao hikatrohan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy Sierra-Leone, eo amin’ny andro farany amin’ny fifanintsanan’ny Can 2017. Fihaonana, hotanterahina ao amin’ny kianja Bouaké  Bouaké, Abdijan […]

Dokambarotra, “pylone”, “antenne” : mahatratra hatramin’ny 3 tapitrisa Ar ny vola aloa

Dokambarotra, “pylone”, “antenne”  : mahatratra hatramin’ny 3 tapitrisa Ar ny vola aloa

 Niova avokoa ny karazan-ketra aloa amin’ny sokajina dokambarotra eto Antananarivo. Niova koa ny hetra alaina amin’ny “pylone” sy “antenne relais” Nampahafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly ny naoty fanazavana mikasika ny vinavina fanitsiana ny tetibola mikasika ny tahan’ny hetra amin’ireo karazana peta-drindrina mirakitra dokambarotra sy ny « antenne relai » ary ny « pylone » eto Antananarivo. Voafaritra ao anatin’ity […]

Tenisy – «Afrique U12» : mandravarava i Sampras

Tenisy – «Afrique U12»  : mandravarava i Sampras

Niditra tamin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, iraisam-paritra, taranja tenisy ho an’ny sokajy U12. Fihaonana mizotra any Casablanca, Maraoka. Anisan’ireo mpilalao misongadina ilay Malagasy, Rakotondrainibe Sampras, izay mandrafitra ny ekipan’i Afrika Aostraly. Tsy mbola resy mihitsy mantsy ny tovolahy, tamin’ireo lalao nataony. Omaly, resiny tamin’ny seta 2 noho 0 (6/2 ; 7/5) […]

Afrobasket Women U18 : hiady filaharana ao amin’ny vondrona « A » i Madagasikara

Afrobasket Women U18  : hiady filaharana ao amin’ny vondrona « A » i Madagasikara

Mafy ny ady. Hatramin’ny nanombohan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taranja basikety, sokajy U18 zazavavy, na “Afrobasket Women U18”, tany Le Caïre, Egypta (26 aogositra – 4 septambra 2016), tsy mbola nahita fandresena i Madagasikara eo amin’ny vondrona “A” misy azy. Faharesena indroa nisesy no azontsika hatreto. Ny voalohany, nanoloana an’i Angola, resy tamin’ny isa 53 […]

Raharaha Soamahamanina : manjaka ny tsaho isan-karazany

Mbola manjavozavo hatrany ity resaka Soamahamanina ity. Manjaka indray ny tsaho, ankehitriny, voizin’andian’olona any an-toerana amin’ny hoe fikotrehan’ireo Sinoa mpitrandraka any an-toerana fanafihana. Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny orinasa fa tsaho iniana aely hanakorontanana ny saim-bahoaka izany. Mpiasa mpiambina ireo fitaovana ao an-toerana ireo lazain’ny sasany fa manao sarinady amin’ny alina izay nandeha an-tongotra […]

Mahamasina : tsenaben’ny fitaovam-pianarana

Hisokatra anio ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 4 septambra izao ny hetsika La Grande Braderie de Madagascar (GBM) etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izay karakarain’n y orinasa Madavision . Hiavaka amin’ny alalan’ny tsenaben’ny fitaovam-pianarana ny hetsika amin’ity andiany  faharoa ity. Ambohi-pihaonan’ny ray aman-dreny miantsena ny kojakojam-pianaran-janany araka izany ao Mahamasina […]

« Ohabolana Rakikevitra Rakipahalalana» : boky miendrika rakibolana

« Ohabolana Rakikevitra Rakipahalalana»  : boky miendrika rakibolana

Nisy ny fanentanana ny amin’ny tokony hanangonana ireo ohabolana sy ohapitenenana vaovao na tranainy nataon’ny Akademia Malagasy nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Eo ihany koa ny fanohizana ny asa efa nataon’i DI… Anisan’ny antony nandrisika an-dRabenandrasana Lalao François (Nandrasana) hamoaka tsy ho ela ny boky « Ohabolana Rakikevitra Rakipahalalana » ireo, raha […]

Dren Analamanga : miofana ny mpampianatra 1 745

Nanomboka, ny alatsinainy teo, ny fiofanana ho an’ny mpampianatra Fram voaray ho mpiasam-panjakana ho an’ny Dren Analamanga. Haharitra hatramin’ny 7 oktobra izany. Tsy maintsy miatrika fiofanana ny mpampianatra mpiasam-panjakana mialoha ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao. Haharitra enina herinandro ny fiofanana izay tontosaina amin’ny toerana efatra : INFP Mahamasina ho an’ny mpampianatra avy eto Antananarivo Renivohitra eny […]

Antananarivo : hivoaka amin’ny zoma ny valin’ny bakalorea

Hivoaka, ny zoma ho avy izao eny amin’ny foibem-panadinana, ny lisitr’ireo mpiadina afaka tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea 2016, araka ny fanazavan’ny talen’ny ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo, Rakotoarison Olivier, omaly. Hotontosaina ny alakamisy amin’ny 9 ora maraina ny délibération ataon’ny tomponandraikitra samihafa. Amin’izao fotoana izao, mitohy ny fanamarinana farany ny zava-drehetra isorohana ny fahadisoana tsy nahy. Eto […]

Korontanina ny harena an-kibon’ny tany : tsy hita izay fanavaozana ny lalàna sady tsy ilaina

Korontanina ny harena an-kibon’ny tany  : tsy hita izay fanavaozana ny lalàna sady tsy ilaina

Tsy hita ny vokatry ny fikoropahana ataon’ny fanjakana hanovana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Terena saika holaniana teny amin’ny fivoriamben’ny Antenimiera roa tonta, ny volana mey sy jona teo, saingy tsy tanteraka. Tsy mazava rahateo ny anton’izany ankamehana izany. Teo koa ny fikasana hanova andininy vitsivitsy tao anatin’ilay tolo-dalàna vaovao, saingy tsy nampahafantarina […]

Marovoay : maizin-kitroka sy fahirano

Marovoay  : maizin-kitroka sy fahirano

Miaina anaty aizina tanteraka ny tampon-tanànan’ny distrikan’i Marovoay, nanomboka ny alatsinainy teo. Tratry ny fahirano koa nanomboka omaly maraina. Santionan’ny delestazy sy ny tsy fahaizan’ny fanjakana mamaha ny olana ireo, efa-taona aty aoriana, raha telo volana ny fanamby sy nofy nampanantenaina tsy tanteraka.     Mipoitra tsikelikely na iniana afenina aza! Vokatry ny tsy fisian’ny […]

Tanora tsy tara – « Cités Universitaires » : fianarana mihafy koa ho an’ireo mpianatra

Tanora tsy tara – « Cités Universitaires » : fianarana mihafy koa ho an’ireo mpianatra

Mila mihafy raha te ho tafita… Niomana sy efa vonona amin’izany ireo mpianatra, indrindra ireo eny amin’ny trano natokana ho an’ny mpianatra avy lavitra. « Fiainana hafa mihitsy no hita any amin’ireny tranon’ny mpianatry ny Oniversite ireny. Olona mahay miara-monina kanefa mifandona lava, mifandefitra kanefa samy manana ny heviny, mihafy kanefa manana tanjona no hitanao eny. […]

« Jazz it up ! » 2 : hahazo sehatra ny tanora

« Jazz it up ! » 2 : hahazo sehatra ny tanora

Hotanterahina, ny zoma 2 septambra izao etsy amin’ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba, ny andiany faharoa amin’ny « Jazz it up !», karakarain’ny Jazz club ao amin’ity foibe ity ihany. Araka izany anarany izany, fotoana iray hanandratana ny mozika jazz io. Anisan’ny hampiavaka ity andiany faharoa ity ny fahitana fa mihatanora hatrany ireo hiaka-tsehatra, raha mitaha ny […]

Taona 2017 – Valiha : hitsangana ny ivontoeram-pikarohana

Goavana ny tetikasa ! Sambany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara no hanana ivontoeram-pikarohana manokana ny valiha sy ny tontolony. Hisokatra ny taona 2017 izao ity toerana ity ka ankoatra ny fitrandrahana ny tany aloha (tantaran’ny valiha, ny kolontsaina fonosin’ny valiha…), hitana anjara toerana lehibe ao ihany koa ny fampanarahana fenitra iraisam-pirenena ny fampianarana mitendry valiha. Raha ny […]

Manome rariny ny mpanohitra Ravalomanana

Manome rariny ny mpanohitra Ravalomanana

« Rariny ny hetsika ataon’izy ireo ary tsy manome tsiny izahay satria tsy misy mihaino izy ireo… Azo atao  ny miroso amin’ny fifidianana mialoha ny fotoana, toy ny any Venezuela ohatra, nitaky izany izy ireo. Miankina amin’ny besinimaro na ny fifanarahana politika anefa izany ary  dinihina eo ambony latabatra », hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanan, omaly […]

Tsy mbola voazara ny CLD : tsy maintsy laniana mialoha ny faran’ny taona

Mahavariana ny fomba fiasan’ny fanjakana. Atao ren-tany ren-danitra fa nankatoavin’ny fanjakana ny famatsiambola 200 tapitrisa Ar isaky ny distrika, tafiditra ao anatin’ny Komitim-paritry ny fampandrosoana (CLD). Nivory mikasika izany ny distrika sy ny kaominina isanisany, ary natsangana ny vaomieran’ny CLD tarihin’ny solombavambahoaka voafidy isan –toerana. Nambaran’ny ben’ny Tanàna vitsivitsy fa tsy mbola tonga eny anivon’ny […]

KMF/Cnoe : “Tsy mety ny fomba fitondrana matoa miteny ny rehetra”

KMF/Cnoe : “Tsy mety ny fomba fitondrana matoa miteny ny rehetra”

Mahomby amin’ny asany ve ny mpitondra? Tsy mety ny fomba fitondrana matoa miteny ny rehetra, raha ny hevitry ny KMF/Cnoe.  “Tokony hanao izay faraheriny handray ireo fanairana sy sosokevitra ataon’ny rehetra ny mpitondra amin’izao fotoana izao, izay milaza fa tena voafidim-bahoaka marina: inona no hanatsarana ny fomba famindra? Tsy mety ny natao sy ny fomba […]

Fantina sy fintina

Misolo toerana vonjimaika ny Praiminisitra Mahafaly ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanajariana ny tany, Rafidimanana Narison. Miatrika ny fihaonana an-tampon’ny Sadc any Soazilandy, misolo tena ny filoham-pirenena ny lehiben’ny governemanta amin’izao fotoana izao. Miantso fanangonan-tsonia hatao etsy Analakely ny Hetsiky ny mpanao gazety, ny asabotsy izao. Tafiditra amin’ny fanoherana ny hampiharana […]

Efa nigadra teny Antanimora… : saron’ny polisy teny Ilanivato i Pato sy ny namany

Efa nigadra teny Antanimora…  : saron’ny polisy teny Ilanivato i Pato sy ny namany

Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Anosipatrana, ny alahady sy afakomaly i Pato sy ny namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, raindahiny amin’ny fanaovana sinto-mahery sy fanendahana ry zalahy ireto. Lehilahy iray hody no tratran’izy ireo teo amin’ny Trano dimy eo Ilanivato. Nitondra sabatra ry zalahy nandritra […]

Ady amin’ny kolikoly : vonona ny paikadim-pirenena, fanatanterahana sisa…

Amin’ny taona 2025, ho fanjakana tan-dalàna i Madagasikara ary ho afaka amin’ny kolikoly ny fampandrosoana ara-toekarena, sosialy ary tontolo iainana. Izay no tanjona amin’ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC). Hatolotra amin’ny fomba ofisialy amin’ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly izany paikady izany eny Andrainarivo, rahampitso. Amin’ny fanatanterahana io paikady vaovao io miaraka amin’ny mpisehatra voakasik’izany, […]

Tselatra

Tsy nahazo fahafahana vonjimaika teny amin’ny fitsarana Anosy ny filohan’ny Hafari, Rafanomezantsoa Jean Nirina, raha nangataka izany ny alatsinainy teo. Voampanga ho nisandoka andraikitra izy ity. Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora izy noho izany. Fantatra fa marary mafy amin’izao fotoana izao ity filohan’ny Hafari ity, ary mangataka ny hitsaboana azy ny mpisolovava azy.

Ankazomborona Ambilobe : trano miisa 425 kilan’ny afo, olona 4 000 tsy manan-kialofana

Ankazomborona Ambilobe  : trano miisa 425 kilan’ny afo, olona 4 000 tsy manan-kialofana

Mitentina 1 miliara Ar ny tentimbidin’ny entana levon’ny afo nandritra ny haintrano tao Ankazomborona Beramanja Ambilobe, afakomaly sy omaly. Trano anjatony maro kilan’ny afo, anarivony ireo olona tsy manan-kialofana…   Trano miisa 425 indray kilan’ny afo tao amin’ny fokontanin’Ankazomborona kaominin’i Beramanja Ambilobe, afakomaly tolakandro. Trano biriky ny 15 amin’ireo raha trano falafa kosa ny ambiny. […]

Ankazobe : taksiborosy notafihin’ny jiolahy

 Lasan’ny dahalo ny vola 160 tapitrisa Ar sy ny entan’ireo mpandeha nandritra ny fanafihana taksiborosy iray tao amin’ny fokontany Andoharano, kaominina ambanivohitr’ Ankazobe, afakomaly misasakalina. Fiara taksiborosy Sprinter iray avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina tamin’ny alalan’ny tatitra voaray, nobahanan’izy ireo vatobe ny lalana. […]