Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andohan’Analakely : olona iray naratra mafy nofaohin’ny taxi-be tapaka frein

Andohan’Analakely : olona iray naratra mafy nofaohin’ny taxi-be tapaka frein

 Io indray! Taxi-be iray no tapaka frein tamin’ny fidinana avy eny Ambohijatovo mihazo an’Andohan’Analakely, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Olona iray naratra mafy voafaoka ary nifatratra teo amin’ny tambohon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena vao nijanona…   Saika zava-doza no nitranga raha tsy nidona tamin’ny tambohon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ity taxi-be namoa-doza teny Andohan’Analakely ity. Avy […]

Analakely : mitohy ny fangala-pierin’ny mpivarotra amoron-dalana

Mitohy isan’andro ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 7 ora maraina ny fidinan’ny polisy kaominaly  sy ireo mpiasan’ny tsena eny Analakely, Tsaralalàna sy Behoririka. Fangala-piery hatrany anefa no ifanaovan’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpiasan’ny kaominina ary ny polisy kaominaly. Efa mifanome toromarika ireo mpivarotra amoron-dalana rehefa handalo ny avy […]

Handray an-tanana ny raharaha ny prezidansa ? : nafindra aty Antananarivo avokoa ireo voarohirohy niisa 27

Handray an-tanana ny raharaha ny prezidansa ? : nafindra aty Antananarivo avokoa ireo voarohirohy niisa 27

Taitra sy gaga ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehetra ao Toamasina : ny mpitandro filaminana, ny avy ao amin’ny fitsarana sy ny fonja… Tampoka tamin’izy ireo ny nahatongavan’ny ekipa mafonja avy ao amin’ny prezidansa avy aty Antananarivo, notarihin’ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena iray, niaraka tamin’ny andiana mpitandro filaminana misahana ny fiambenana ny fiadidiana ny Repoblika, notarihin’ny lehibeny, ny talen’ny fiarovana […]

« Raharaha kidnapping » – Toamasina : lavon’ny balan’ny polisy i Fredo iray amin’ireo mpaka an-keriny

« Raharaha kidnapping » – Toamasina : lavon’ny balan’ny polisy i Fredo iray amin’ireo mpaka an-keriny

 Taorian’ny fifanenjehana sy fifampitifirana henjana, nandritra ny 20 minitra teo ho eo, tao amin’ny fokontany Tanambao faha-V, afakomaly alina, lavo rotiky ny balan’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle avy aty Antananarivo sy ny polisy tany an-toerana i Fredo, iray amin’ireo tena rain-dahiny tafiditra amin’ity raharaha kidnapping tany Toamasina ity. Ity farany izay anisan’ireo jiolahy […]

Fiba 3×3 – Mada 2016 : ekipa 20 indray hiady lohany nasionaly

Fiba 3×3 – Mada 2016 : ekipa 20 indray hiady lohany nasionaly

Raikitra. Hisantatra ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny Fiba 3×3 ireo mpilalao basikety. Ekipa 20 avy hatrany indray hifaninana sy hiady lohany amin’izany. « Asio telo any e ! ». Io ny anarana nampitondraina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo Fiba 3×3 na basikety lalaovin’olona telo isaky ny ekipa, amin’ity taom-pilalaovana ity. Araka izany, hetsika […]

Lomano : nanatsara zava-bita efatra i Tendry

Zava-bita efatra eo amin’ny taranja lomano, sokajy «poussine», no nohatsarain’i Tendrinavalona Idealy Diaritiana, mpilomano avy amin’ny klioba Sirènes 110 Antsirabe, nandritra ny «XXVIIème Meeting de natation de l’océan Indien», notontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 desambra lasa teo, tao amin’ny tanànan’i Saint Paul : ny teo amin’ny “50 mètres nage libre”, «400 mètres nage libre», ny «200m […]

Tokony ho fanta-daza… : vitsy mpahalala ny mpanao hosodoko

Tokony ho fanta-daza… : vitsy mpahalala ny mpanao hosodoko

Pablo Picasso, Léonard de Vinci, Van Gogh Vincent… Malaza eran’izao tontolo izao ireo mpanao hosodoko vahiny ireo. Tokony tsy ho ambakan’izany koa ny Malagasy. Ny olana, tsy ampy na tsy nisy mihitsy aza ny fampahafantarana azy ireo. Araka ny fitantaran’i Hemerson Andrianetrazafy, mpanao hosodoko sy haikanto araka endrika amam-bika, misy tabilao manodidina ny 300 eo […]

Tenisy – «Afrique Australe» : nandresy avokoa ireo mpilalao malagasy

Tenisy – «Afrique Australe» : nandresy avokoa ireo mpilalao malagasy

Nandravarava indray ireo katitakely malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U16 lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina ao Pretoria, Afrika Atsimo. Nisongadina izy ireo, teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, satria nivoaka ho mpandresy avokoa izay rehetra niakatra kianja, omaly nandritra ny andro fahadimy, amin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny teo amin’ny […]

Feno Tolotra R., Ragasy, Masoandro : hanolotra antsa « Fo vato »

Feno Tolotra R., Ragasy, Masoandro : hanolotra antsa « Fo vato »

Taorian’ny fandraisana anjara tamin’ny « Rombom-panahy » I, nanapa-kevitra i Feno Tolotra Ramihary sy Ragasy miampy an’i Masoandro fa hanolotra ny « Fo vato ». Antsa tononkalo tontosaina etsy amin’ny Cemdlac Analakely ny tolakandron’ny 2 marsa izao. Raha ny heviny mivantana, olona tsy manana fo antra, tsy manana fangorahana no antsoina amin’ny hoe, « fo vato ». « Tsy izay loatra anefa […]

Fivelaran’ny zavakanto : tsy fantatry ny vahiny ny hira malagasy

Miaina amina endri-javatra roa mifanohitra ny zavakanto malagasy indrindra fa ny hira sy ny dihy. Raha tonga eto Madagasikara ny vahiny, liana amin’ny hira sy dihy malagasy. Raha mankany ivelany anefa ny mpanakanto malagasy, vitsy ihany ireo mahavaly ny filan’ny tsena iraisam-pirenena. Vokatr’izay, saika mionona amin’ny famaliana ny fanasan’ireo teratany malagasy monina any ivelany ny […]

Fanabeazana : mitondra fihavaozana hatrany ny fitaizana skotisma

Fanabeazana : mitondra fihavaozana hatrany ny fitaizana skotisma

Mbola betsaka ireo tanora tsy resy lahatra amin’ny fidirana ao anatin’ny fitaizana skoto. Indraindray aza toa esoesoin’ireo namany ireo tanora mpikambana ao anatin’izy ireny rehefa eny an-dalana eny mivimbina vilany, saina… Diso hevitra anefa ireny tanora mpanenjika ireny. Manana ny fanabeazana mampivelatra sy mitaiza ny tanora tsy hivaona sy hahafantatra ny tokony hatao manoloana ny […]

Indray mijery

 Nambaran’ny tomponandraikitry ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny fitantanam-bolan’ny mpiasam-panjakana fa mpiasa miisa 30 411 no tsy hita tao anatin’ny antontan-kevitra (base de données) mihitsy ny daty nahaterahany. Amin’izao fotoana izao, mpiasa 10 104 no efa nahazoana kara-panondro ka efa fantatra avokoa ny mombamomba azy. 109 amin’izy ireo no efa feno 60 taona no ho miakatra. Hatreto, 80 […]

Fampianarana : manomboka ny fikarakarana ireo taratasim-panadinana

Nanomboka ny alatsinainy teo ny fotoana fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea.Tsy mbola misy hatry ny omaly ny taratasy tonga eny amin’ny Ofisin’ny bakalorea raha ny fanazavana. Efa betsaka kosa ireo sekoly naka ny taratasy tokony hofenoin’ny mpiadina teny an-toerana. Ankoatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana bakalorea, fotoana hikarakarana ireo karazana taratasim-panadinam-panjakana ihany […]

Rano miakatra : mbola misy filazana loza manambana

Rano miakatra : mbola misy filazana loza manambana

 Tsy afabela amin’ny fiakaran’ny rano Antananarivo sy ny manodidina. Ny eny amin’ny faritra iva, vao mirotsaka ny orana, hatrany amin’ny ranjo ny rano miditra ao an-trano. Amin’izao fotoana izao, kaominina maromaro, mila miomana amin’ny mety ho fikaran’ny rano. Eny Belanitra, simba ny fantsona lehibe mitondra ny rano.       Mbola mitoetra ny filazana loza manambana amin’ny […]

Mpampianatra mpiasam-panjakana : hitohy ny febroary ny fizarana fifanarahana asa

Mpampianatra mpiasam-panjakana : hitohy ny febroary ny fizarana fifanarahana asa

Nosantarina tany  Toamasina ny fizarana ny antontan-taratasy fifanarahana asa ho an’ny mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana amin’ireo 10 000 andiany faharoa.  Mpampianatra ao Toamasina I sy II mahatratra 174 no nahazo izany any an-toerana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hitohy amin’ny volana febroary ny fitsinjarana ny fifanarahana asa manerana ny Nosy. Efa vita avokoa ny antontan-taratasy rehetra ho […]

Fitakiana ireo Nosy malagasy   : “Tokony ho tonga saina ny Malagasy”, hoy ny AKFM

Fitakiana ireo Nosy malagasy   : “Tokony ho tonga saina ny Malagasy”, hoy ny AKFM

“Ahoana moa ny fomba hahazoana ireo Nosy malagasy ireo, raha misakana izany ny fitondrana malagasy?” hoy ny eo anivon’ny Hetsika Madagasikara miaro ny Nosy malagasy, ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, teny Andravoahangy Ambony, afakomaly, momba ny fitakiana ireo Nosy malagasy. Anjaran’ny Malagasy ny mieritreritra hoe: izany ve ny fipetraky ny raharaha amin’izao fotoana izao? […]

Ralambomahay Toavina  : “Azo eritreretina ny mety handravana ny Antenimierampirenena”

Ralambomahay Toavina  : “Azo eritreretina ny mety handravana ny Antenimierampirenena”

 Vita iny ny fifidianana loholona. Andrasana ny vokatra ofisialy. Eo koa izay ho tohin’ny raharaha… Maneho ny fijeriny ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina: “Azo eritreretina ny mety handravan’ny filohan’ny Repoblika ny Antenimierampirenena.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fizotran’ny fifidianana loholona farany teo?   Ralambomahay Toavina (-): Azo eritreretina ny mety handravan’ny filohan’ny […]

Fantina sy fintina

Nandray ambasadoro vaovao telo ny filoha Rajaonarimampianina, omaly teny Iavoloha. Anisan’izany ny avy any Niger, amin’ny alalan’i Mayaki Rakiatou, ny ambasadaoron’i Israely, ny Dr Eli Ben-Tura ary ny avy Italia, Pietro Giovanni Donnici. Samy nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivohon’ireo firenena ireo avokoa izy ireo ary naneho fahavononana hiara-kiasa amintsika. Nivoitra tamin’ny dinika nifanaovan’ny […]

Jirama  : tsy mbola vita ireo milina simba eny Mandroseza

Jirama  : tsy mbola vita ireo milina simba eny Mandroseza

 Tsy misy mahafantatra ny mikasika ny famindrana ny fitantanana ny Jirama eny Mandroseza amin’ilay orinasa amerikanina Symbion power. Tsy fantatra, toraka izany, koa ny fanamboarana ireo milina efatra simba. Tsy mazava intsony ny tohiny ! Nangingina ny delestazy fa mateti-pitranga indray ny  fahatapahana ara-teknika, amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Anisan’ny mamatsy herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina (hatrany […]

Antenimierandoholona  : sy fahaizana politika ny fanjakazakan’ny HVM        

Antenimierandoholona  : sy fahaizana politika ny fanjakazakan’ny HVM        

Mazava ny vokatra vonjimaika, raha ny fifidianana loholona. Hanjaka tokana eny amin’ny Antenimierandoholona ny HVM. Tsy fahaizana politika…  Toerana enina amin’ny 42 no hifampizaran’ny antoko hafa ivelan’ny HVM amin’ny fifidianana loholona, raha ny vokatra vonjimaika. Mety ho lasan’ny HVM aza ny toerana 57 amin’ny 63 mandrafitra ny Antenimierandoholona, raha izao ny fandehany. Asa izay ho […]

Maherin’ny 60 ireo kandidà loholona hotendren’ny filoha

Manao tsy omby aloha amin’ny resaka seza. Tafakatra 60, hatry ny omaly, araka ny loharanom-baovao, ireo mihazakazaka manatitra ny antontan-taratasiny mba ho anisan’ireo loholona 21 hotendren’ny filoha Rajaonarimampianina. Araka ny feo miely, anisan’ny efa nanao izany ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo. Eo koa ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana, Maharante Jean de Dieu. Manampy izany […]

Frankofonia : 3 tapitrisa euros sy 20 miliara Ar ny tetibola ilaina

Frankofonia : 3 tapitrisa euros sy 20 miliara Ar ny tetibola ilaina

Nihaona tamin’ny komity mpanomana ny Frankofonia ireo mpandraharaha 60 tompona trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana, omaly. Anisan’ny norasehina ny fenitra sy ny fepetra ilaina amin’io fivoriamben’ny Frankofonia, atao eto Antananarivo ny 19 sy 20 novambra 2016, io. Eo amin’ny fanomanana, nilaza ny delege jeneralin’ny fitantanana ao amin’ity komity mpanomana ity, Rajaobelina Mamy, fa efa nankatoavin’ny Antenimierampirenena […]

Analakely : tsy raikitra ny hetsiky ny mpivarotra

 Nirava maina. Tonga mialoha, tamin’ny 7 ora maraina, niatrana anefa ireo polisy kaominaly sy ny mpitandro filaminana, omaly, ka tsy afa-nanoatra ireo mpivarotra amoron-dalana, nikasa ny hanao hetsika, eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna, Analakely. Nesorin’ny polisin’ny kaominina avy hatrany ireo mpivarotra amoron-dalana, nikasa hamelatra entana. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa hitohy ny fanadiovana ny tanàna. Anisan’izany ny fampidirana […]

Farira Vakinankaratra : ezahina ny manarina ny voly ovy

Farira Vakinankaratra : ezahina ny manarina ny voly ovy

Malaza amin’ny famokarana ovy ny faritra Vakinankaratra. Avy any avokoa ny 80 %-n‘ny  vokatra, amin’ny karazany maro, eto an-toerana.  Tato anatin’ny 5 taona anefa izay, nidina ambany dia ambany ny vokatra, noho ny aretina “bactériose” manimba azy. Tsy voafehin’ny tantsaha ny voly ovy, nitarika fahavoazana any amin’ny kaominina maro, Faratsiho, Antanifotsy, Betafo, Manandona. Any Manandona […]

Faritra telo : andrasana ny fanombohana ny Pic II

 Andrasana ny fanombohana ny Pic II (Pôle intégrée de croissance) any amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana ary Diana, izay nahazoana famatsiam-bola 50 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tetikasa atokana indrindra momba ny fambolena, famatsiana angovo, fotodrafitrasa, famatsian-drano ary fizahantany. Betsaka ny tetikasa tokony hatao amin’ireo sehatra ireo any amin’ireo faritra telo ireo fa miankina […]