Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby : mpilalao matanjaka no mandrafitra ny Makis

Rugby : mpilalao matanjaka no mandrafitra ny Makis

Vonona tanteraka ny Makis de Madagascar, hiatrika ny Can 2016. Efa fantatra avokoa ireo mpilalao hiatrika izany. Ao anatin’ny fifantohan-tsaina ankehitriny ny mpilalao rehetra. Ora sisa andrasana dia raikitra ny lalao. Nanomboka androany ny fampivondronana ireo mpilalao 25 mandrafitra ny Makis de Madagascar, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 1B), eo amin’ny taranja […]

Kitra – Cosafa Cup 2016 : mpilalao 20 ny mandrafitra ny Barea

Kitra – Cosafa Cup 2016 : mpilalao 20 ny mandrafitra ny Barea

Nanainga, ny talata lasa teo, ary nihazo an’i Windhoek, Namibia, ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny faritra tapany atsimon’i Afrika na ny “Cosafa cup 2016”. Fihaonana hatao ny 11 ka hatramin’ny 26 jona ho avy izao. Mpilalao 20 mirahalahy ihany no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hifaninana amin’izany lalao izany, […]

Fahasalamana : hampihatra ny 5S ireo CHRR

Tontosa ny 2 sy 3 jona teo ny fanofanana ireo tale eny amin’ny hopitalim-paritra (Centre hospitalier de référence régionale na CHRR) sy ireo hiahy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa eny amin’ireny toeram-pitsaboana ireny. Niompana tamin’ny paikady 5S izany fiofanana izany, izay tetikasan’ny masoivoho japoney momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny JICA sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. […]

« Jazz@Tohatohabato »» : nahatarafana ny hoavin’ny jazz ny « Jazz kids »

Nosokafana omaly tao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny « Jazz@Tohatohabato » 2016. Tamin’ny alalan’ny « Jazz kids », fampisehoana an-tsehatra nitondran’ireo ankizy sy tanora ny talentany eo amin’ny fitendrena sy fihirana ity karazana mozika ity. Nivoaka teny am-bavan’ireo mpijery tonga marobe ny « mahay, manan-talenta ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy. Hanana ny hoaviny tsara ny mozika jazz […]

Tabera Randriamanantsoa : « Tsy vahaolana io lalàn’ny fampihavanana io »

Tabera Randriamanantsoa  : « Tsy vahaolana io lalàn’ny fampihavanana io »

 Nahitsy tamin’ny fanehoan-keviny. « Tokony ho hita ao anatin’io volavolan-dalàna momba ny fampihavanana io ny fanorenana ifotony ny firenena. Tsy famotsoran-keloka fotsiny ihany koa ny fampihavanana. Tsy handeha io raha izao namolavolana azy izao», hoy ny mpitarika ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa, omaly tamin’ny haino aman-jery. Notanisainy ho anton’izany ny fanendrenan’ny filoham-pirenena olona enina eo anivon’ny […]

Zaka tsara : tabataba lalandava…

Ny vava no tsy atao be, tsy laitra ny mamerina azy. Nefa misy ny manao teny tsy tsaroana tato ho ato, teny tsy voahevitra. Izay miseho sy atao rehetra, mampiteny ny moana. Izany no mampitabataba? Amin’izany, teny mampisaraka no afitsoka fa tsy izay mampiombona, mampitambatra, ifampitokisana, ahazoana miara-miasa…Tenenin-dava ny hoe fitoniana. Tabataba no entina hampitony? […]

Pr Rakotonirina Solonjatovo : “Tsy misy intsony ny fifampitokisan’ny vahoaka sy ny mpitondra”

Pr Rakotonirina Solonjatovo  : “Tsy misy intsony ny fifampitokisan’ny vahoaka sy ny mpitondra”

 Mby aiza ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? Maneho ny fijeriny ny mpikaroka sady filohan’ny Vovonana kristianina malagasy (VKM), Pr Rakotonirina Solonjatovo: “Tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fijerinao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? Pr Rakotonirina Solonjatovo (-): Ny zavatra niseho farany, ireny fisavana ireny. Ny […]

Resaky ny mpandeha : “Mitovy hatrany ny mpitondra”

“Toa mety hisy izany Repoblika faha-10-n’i Madagasikara izany raha izao ny fandehany ”, hoy ny vazivazin’ny mpandeha taksiborosy mankany Antsihanaka. “Raha raisina ho fampimirana indray kosa ny fiainam-pirenena, toa efa misy  “tsimiova”(constantes) ao anatin’io:  mitovy foana no nitondran’izay nahazo ny fahefana . Isan’izany ny  fampanjakana antoko tokana sy fianteherana amin’io. Niverimberina ary notsipahan’ny vahoaka  foana […]

Fivorian’ny parlemanta : 15 andro sisa ny fahazoana mandinika lalàna

Fivorian’ny parlemanta : 15 andro sisa ny fahazoana mandinika lalàna

Tonga amin’izay nokendreny ny governemanta? Na ny politika maloto amin’ny fandinihana sy fandaniana volavolan-dalàna eny anivon’ny Antenimiera roa tonta hatao totoafo sy alasafay… 15 andro sisa ny fe-potoan’ny parlemanta amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany fandinihana sy fandaniana lalàna izao. Tsy nisy inona natao sy vita ny amin’izany tao anatin’izay iray volana sy tapany izay, nanomboka ny […]

Firaisamonina sivily : dimy ireo kandidà ho HCDDED

Ny avy amin’ny Accès zon’olombelona, Randriamanalina Maminirina Valson; ny avy amin’ny Action sociale pour développer (ASD), Ravalitera Jacques Mickaël; ny avy amin’ny Fikambanana tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF), Ramiarondraibe Hajason. Ireo no kandidà solontenan’ny firaisamonina sivily mirotsa-kofidina ho mpikamban’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna […]

Fiahiana ara-tsosialy : fiaraha-miasan’ny Cnaps sy ny fiangonana advantista

Fiahiana ara-tsosialy : fiaraha-miasan’ny Cnaps sy ny fiangonana advantista

Betsaka ny fanampiana ara-tsosialy omen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny mpiasa, saingy vitsy ireo misitraka izany, latsaky ny 10%. Araka izany, niantso ny tompon’andraikitry ny Sampandraharaha asa sosialy sy ny fahasalamana (Sass) ao amin’ny Cnaps ny mpitantana ny fiangonana advantista, hanofana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’izy ireo. “Tanjon’ny fiangonana advantista ny hanaja ny […]

Fantina sy fintina

Hanangana rafitra iraisana hisahana ny fifidianana ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI), araka ny tatitry ny delegasiona nihaona tamin’ny filoha Rajaonarimampianina, omaly teny Iavoloha. Niatrika izany ny solontena avy amin’ny Maorisy, Kaomoro, Seychelles ary i Madagasikara. Tanjona ny hikarakarana fifidianana milamina, hifanakalozana traikefa sy ny fanaraha-maso miaraka izany. Eo koa ny fametrahana foibe fanofanana […]

FMI – Fec 310 tapitrisa dolara : miankina amin’ny filankevi-pitantanana ny hahazoana izany

FMI – Fec 310 tapitrisa dolara  : miankina amin’ny filankevi-pitantanana ny hahazoana izany

Nifarana, omaly, ny dian’ireo delagasiona avy amin’ny FMI, nanomboka ny 25 mey. Nijery ireo tetikasa azo anohanana ny fitondram-panjakana malagasy izy ireo hatramin’ny taona 2019 sy nifanakalo hevitra momba izany tamin’ny mpitondra. Hatramin’ny faran’ny volana jolay handinihan’ny filankevi-pitantanan’ny FMI izay haroson’i Madagasikara hahazoana io Fec io. Neken’ireo delegasiona avy amin’ny FMI notarihin’i Mills ny hahazoan’i […]

Rehefa tsy hay ny « miady » amin’ny trafika : hihamafy ny sazin’ny Cites

Andrasana amin’ny volana jolay ho avy izao ny tatitry ny fanjakana malagasy any amin’ny rafitra iraisam-pirenena misahana ny biby sy ny zavamaniry ahiana ho lany tamingana (Cites). Ao anatin’izany ny paikady horaisina manoloana ny hiadiana amin’ny trafika harena voajanahary, indrindra ny andramena. Ho fantatra amin’ny volana septambra, fara fahatarany ny fanapahan-kevitry ny Cites, ary voalaza […]

Nosy Be : tsy hita popoka ilay vazaha frantsay natelin’ny ranomasina

Tsy hita popoka hatramin’ny omaly ny teratany frantsay antsoina hoe M. M. Mestre Jacques Robert Jean, monina ao Azid Hotel Nosy Be Hell Ville. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, olona telo no nandeha vedety niaraka nanjono tao amin’ny ranomasin’i Nosy Be Hell Ville teo anelanelan’Ambatoloaka sy Anositanikely, ny alatsinainy maraina teo tamin’ny 8 ora […]

Tselatra

Nitory olona roa izay ben’ny Tanàna ny iray, ho nanao fandrahonana ho faty, ny lehilahy iray manana kilema tany Ambanja, ny 6 jona lasa teo. Tsy mbola vita anefa ny fanolorana ireo notorina ny fitsarana noho ilay ben’ny tanana toriny io mbola nivory tany Antsiranana. Tsy nanaiky izany ilay mpitory ka nanoratra tamin’ny taratasy A4 […]

Fampianarana : hatao fanadinam-panjakana ny “paramédicaux”

Saika isaky ny elakelan-trano ny sekoly ambony mampianatra momba ny “paramédicaux” eto Antananarivo. Ifandrombahan’ny tanora rahateo ny mianatra mikasika ireo lalam-piofanana ao anatin’ny “paramédicaux” ka mihazakazaka manangana sekoly avokoa izay rehetra manam-bola. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika fa hatao fanadinam-panjakana ny fanadinana hataon’ireo mpianatra “paramédicaux”. Hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eo […]

Nambara fa nitondra ny senatera Lylison… : saika haka marary ilay fiaramanidina

Niteraka resabe, omaly, ny nambaran’ny haino manan-jery isan-karazany, mikasika ilay fiaramanidina nosavain’ny mpitandro filaminana tany Amborovy, Mahajanga. Voalaza mantsy fa nitondra ny senatera Lylison sy ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Sodiat, Ravatomanga Mamy, io fiaramanidina io. Fantatra anefa fa vaovao diso no novoizina, satria fiaramanidina natokana hitondrana marary, izay niainga tany Ivato nihazo an’i Mahajanga […]

Toamasina : tratran’ny polisy ireo jiolahy mpangalatra kaonteran’ny Jirama

Toamasina : tratran’ny polisy ireo jiolahy mpangalatra kaonteran’ny Jirama

Noraisim-potsiny! Niampy roa indray ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra kaonteran’ny Jirama voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly. Tsy vitan’izay fa misandoka ho mpiasan’ny Jirama koa ireto jiolahy ireto…   Taorian’ny fitoriana napetraky ny orinasa Jirama no nahafahan’ny polisy nanenjika ireto jiolahy raindahiny amin’ny halatra kaontera ireto, araka ny tatitra avy amin’ny polisy. Voalaza fa tambajotra goavana mihitsy […]

Hetsika fanentanana : azo sorohina ny tranga fanaintainana

Hetsika fanentanana : azo sorohina ny tranga fanaintainana

 Azo sorohina amin’ny fihetsika samihafa eo amin’ny fiainana andavanandro ny fanaintainana miseho amin’ny vatana. Matetika anfagaron’ny olona ny fanaintainana sy ny aretina. Indraindray, fanairana ataon’ny vatana ny fisehoan’ny fanaintainana, ka tokony ho mailo hatrany izay hitrangan’izany. Iray amin’ny fisehoan’ny aretin’andoha ny fanaintainana antsoina hoe « migraine ». Tsapa fa ny zaza no matetika isehoany araka ny fizahana […]

Hanorina efitrano fianarana : hampivotra an’Ampazony ny association VGB

Hanampy ny fokontany Ampazony, kaominina Belobaka ao Mahajanga II, hampivotra ny mponina ao aminy ny fikambanana Vivre et grandir à Madagascar izay efa niasa teto nandritra ny dimy taona. Hanangana efitrano fianarana telo izy ireo, hanaovana CEG sy lycée ho an’ny mpianatra 360 ao amin’ny EPP amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, tsy hianatra fotsiny ny […]

Jly Rakotomahanina Florens : « Efa azonay ny anaran’ireo mikasa hanakorontana »

Jly Rakotomahanina Florens  : « Efa azonay ny anaran’ireo mikasa hanakorontana »

Miatrana ny Emmo/Far. Nampitandrina ireo mikasa ny hanakorontana amin’izao fetim-pirenena izao ny lehiben’ny CIRGN, ny Jly Rakotomahanina Florens. « Efa misy anarana azonay amin’ireo mihevitra ny hanakorontana, araka ny angom-baovao ka efa miomana hiatrika izany izahay ary handray andraikitra raha mitombina izany… Aoka tsy hanakorontana fa tsy maintsy ho tratranay ianareo… », hoy izy, tetsy Ankadilalana omaly. […]

Fitsaram-bahoaka tany Ampitatafika… : nodoran’ny olona, nasitrika tao anaty tanimbary ilay lehilahy

Fitsaram-bahoaka tany Ampitatafika…  : nodoran’ny olona, nasitrika tao anaty tanimbary ilay lehilahy

Teo am-baravaran’ny tokatrano iray no tratran’ny fokonolona, tao amin’ny fokontany Ambonivary, kaominina ambanivohitra Ampitatafika, ity lehilahy iray saika hamaky trano ka niharan’ny fitsaram-bahoka. Rehefa avy nodarohana sy nodorana tamin’ny kitay, nasitriky ny olona tao anaty tanimbary ka maty sempotra tao. Leom-boanana! Tratran’ny fokonolona teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray tany Mahatazana Antanifotsy, ny alatsinainy […]

Saina sy ny saina…

Saina sy ny saina…

Efa mihofahofa any an-tanànan’i Mahajanga, amin’ny ankamaroan’ny trano sy ny biraom-panjakana, ny sainam-pirenena. Tsy niandry ny toromarika sy ny fanentanana ny any an-toerana fa efa nanomboka izany ny herinandro teo. Efa mivolon’andro fety ny ao an-drenivohitr’i Boeny ao. Ny eto Antananarivo indray, mbola ny biraom-panjakana sasany no ahitana izany, miaraka amin’ny ravaka samihafa… Tsy mbola […]

Rallye Dzama : hatao eto Antananarivo

Hiavaka ny dingana faharoa, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny rallye. Fihaonana izay karakarain’ny klioba Asacm. Tsy hotontosaina any Antsirabe araka izay efa voalaza mantsy ity, fihaonana ity, fa hatao eto Antananarivo. “Rallye Asacm indray andro”, ny anarana nampitondraina ny fifaninanana. Araka izany, ny asabotsy 18 jona tontolo andro ny hanaovana azy ity. Araka […]