Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Compomac-Colas : tsy mila ahandroina intsony ny godirao

Compomac-Colas : tsy mila ahandroina intsony ny godirao

Mitondra teknolojia vaovao amin’ny fanamboaran-dalana ny orinasa Colas. Ny mahavariana, maromaro ny haitao efa tonga eto amintsika, saingy tsy mitohy ny fanatanterahana azy satria miankina amin’ny finiavan’ny mpitondra. Natao, omaly ny andrana ny akora compomac, novokarin’ny orinasa Colas, misehatra amin’ny asa vaventy (BTP), tetsy Antaninandro. Tsiranoka menaka sy godirao manokana, afangaro amin’ny vatokely ary azo […]

Institut Pasteur : fitiliana ny vokatra ara-pambolena

Maro ny sehatra sahanin’ny fikambanana Institut Pasteur eto Madagasikara (IPM). Ao anatin’izany ny fitiliana ireo vokatra ara-pambolena, ny hadion’ny rano, ankoatra ny maha foibem-pikarohana azy. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny fandaharanasa Edes, niaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny ao amin’ny Varotra sy ny fanjifana. Vatsin’ny Vondrona eoropeanina ara-bola, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ara-pambolena, indrindra […]

Taratry ny kanto

« Folk & Roots » etsy amin’ny Piment Café Fiarahana miavaka indray ity hiseho etsy amin’ny Piment Café Behoririka anio alina ity. «Folk & Roots », iarahana amin’i Fara Gloum, Tafaranitse ary Johnny Bass izany. Araka ny anarany, hifandimby ireo vazo an-gitara sy ireo trandraka manokana, hoentin’ireto mpanakanto ireto. Raha toa ka havanana kokoa amin’ny famerenana ireo hiran’olon-kafa […]

Lasan’i Nathaniela ny lokan’ny mpijery

« Je veux faire un film ». Norombahin-dRandrianomearisoa Nathaniela, tamin’ny alalan’io horonantsary « fiction » io, ny Lokan’ny mpijery, nandritra ny « Festival Rencontres du film court » (RFC) andiany faha-11. Araka izany, ny sanganasan’ity tanora ity no nankafizin’ny olona indrindra tamin’ireo 17 naseho hisafidianan’izy ireo. Notontosaina omaly, teny amin’ny hotely Carlton Anosy, ny fanolorana ny « Zébu d’or » ho an’i Nathaniela, […]

18 jona : hafana ny « Fetin’ny mozika »

18 jona  : hafana ny « Fetin’ny mozika »

Na ahina mbola hitohy aza ny hatsiaka, tsy ho toy izany ny amin’ny 18 jona izao. Hafana ny fanamarihana ny « Fetin’ny mozika », amin’io tontolo andro io, manerana ny Renivohitra. Toy ny isan-taona, tato anatin’ny 13 taona izay, mikarakara hetsika goavana ny Alliance française etsy Andavamamba. Hosantarina amin’ny « Musicar », diabe arahina mozika sy dihy ary fampisehoana […]

« Festival Gasy Bulles » : tsy ambakan’ny vahiny ny tanora malagasy mpanao tantara an-tsary

« Festival Gasy Bulles »  : tsy ambakan’ny vahiny ny tanora malagasy mpanao tantara an-tsary

Mahavelom-bolo ny hoavin’ny tantara an-tsary na « bandes dessinées » (BD) malagasy. Hita amin’ireo fampirantiana samihafa, mandritra ny « Festival Gasy Bulles », fa tsy ambakan’ny vahiny ny tanora malagasy amin’ity karazan-javakanto iray ity. Ao ny mahavita maneho an-tsary ny voalazan’ny tononkira ka ny an-dRolf no nosafidiana tamin’ity. Tsy ambanin’ny lehilahy ihany koa ny andriambavilanitra. Ary mahatsiahy sy manamarika […]

« bip » Mizara tsik’ : ho maimaimpoana ny « Méga Concert »

« bip » Mizara tsik’  : ho maimaimpoana ny « Méga Concert »

« bip », tambajotran-tserasera zandriny indrindra eto Madagasikara satria vao herinandro mora izay no nampahafantarana ny fisiany. Tao anatin’ny telo andro monja anefa, mihoatra ny 10.000 sahady ny mampiasa ny « bip ». Tsy mitsaha-miakatra izany ankehitriny. Ho an’ny pejin’ny « Facebook »-n’ny « bip », efa mahatratra 11.000 sahady ny isan’ny olona mitia sy mankasitraka izany. Ho setrin’ireo rehetra ireo sady ho […]

Haody : Malagasy tsy mahay teny gasy !

Tena misy ? Rehefa tsy nipetraka teto Madagasikara hatramin’izay naha olona azy ve izy hahay teny gasy ? Tsy ny tranga tahaka izay no hanaovana haody eto fa ilay Malagasy niaina ampolo taona teto kanefa milaza fa tsy mahay teny gasy. Tsy vitsy amin’izy ireny no mamadika azy io ho rehareha mihitsy. Ny vahiny tonga eto Madagasikara […]

Kaominina Alasora : tsy manaiky hanovana ny fiantsonan’ny 192 ny mponina

Kaominina Alasora  : tsy manaiky hanovana ny fiantsonan’ny 192 ny mponina

 Mangataka ny tsy hamindrana intsony ny fiantsonan’ny zotra 192 eny Amoron’Ankona ny mponina amin’ny fokontany dimy : Ankazobe, Ambohipeno, Mahitsy, Amoron’Akona, Mahatsinjo. Manampy ny mponina (mpianatra sy mpiasa) ny fijanonan’ny taxi-be amin’ny fiantsonana amin’izao fotoana izao. Raha miditra amin’ny 7 ora sy 55 mn ny mpianatra ka miala ao an-trano amin’ny 6h30 maraina, tsy raisin’ny taxi-be […]

Minisiteran’ny Fifandraisana : « Tsy hogadraina intsony ny mpanao gazety… »

Minisiteran’ny Fifandraisana : « Tsy hogadraina intsony ny mpanao gazety… »

Efa eny anivon’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna momba ny fifandraisana sy ny serasera. « Miandry ny fotoana handinihana azy sisa isika. Misongadina amin’io ny tsy tokony hanagadrana ny mpanao gazety intsony raha miseho ny fanalam-baraka na heloka tsotsotra eo am-panaovana ny asany. Notapahina fa lamandy ambonimbony no sandany sy haloa raha miseho izany », hoy ny sekretera jeneralin’ny […]

Leader Fanilo : amin’ny 15-16 jolay ny filankevi-pirenena

Leader Fanilo  : amin’ny 15-16 jolay ny filankevi-pirenena

“Hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny antoko Leader Fanilo aorian’ny filankevi-pirenena  hatao eto Antananarivo, ny 15-16 jolay.”  Fanambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Leader Fanilo, Mahosindrahaja Heriniaina na Babala, teny Antaninandro, omaly, io. Nanotrona azy ny filohan’ny birao mpandrindram-paritany, Antananarivo, Lalaina Berthnes. Hatrehina amin’izany ny fanavaozana ny birao nasionalin’ny antoko sy ny fandinihana ny toe-draharaham-pirenena ary ny toeran’ny antoko […]

Fantina

Hitombo hatrany amin’ny 10 tapitrisa ireo mpifidy eto amintsika, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, omaly teny Alarobia. Nanteriny anefa fa mila fiaraha-mientana vao ho tratra izany satria ilaina ny fanabeazana ny olom-pirenena. Fa eo koa ny toerana ara-jeografia misy ny mponina. Hiseho vahoaka ny Vondrona miara-dia amin-dRavalomanana Marc (VMMR).  Hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety […]

Any am-ponja ny lefitry ny ben’ny Tanàna

 Tsy afa-bela. Nidoboka am-ponja any Maroantsetra ny ben’ny Tanàna lefitra faharoa ao amin’ny kaominina Mananara Avaratra. Miaraka voarohirohy aminy amin’izany koa ny mpanangona ny hetran’ny kaominina. Voalaza fa noho ny fanodinkodinam-bola nataon’izy ireo no anton’izao fampidirana am-ponja izao. Niditra an-tsehatra rahateo ny eo anivon’ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly (Bianco), ny 2 […]

Tselatra

Namerina nampianatra ireo teboka rehetra tokony ho fantatry ny polisy rehefa miasa, ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police, Rajaobelina Joachim nandritra ny famoriana ireo polisy agents sy inspecteurs andiany Hasina, omaly maraina teny amin’ny Toby Razafindrazaka Berthin, eny amin’ny Fip Antanimora. Isan’ireo teboka notsindriny manokana ny fomba fandraisana olona na any anaty […]

Hanentana ny mpianatra ny PSI : avo telo heny ny tahan’ny IST ho an’ny 13-24 taona

Hanentana ny mpianatra  ny PSI  : avo telo heny ny tahan’ny IST ho an’ny 13-24 taona

Araka ny fanadihadiana ESD 2008-2009, manao firaisana ara-nofo isan’andro ny 27% amin’ny tanora 20-24 taona. Ny tahan’ny fampiasana ny fimailo nefa 6% monja eo amin’ny tovovavy raha 12% ho an’ny ankizilahy, araka ny antontanisa nivoitra omaly, teny Ankatso. « Avo telo heny koa ny tahan’ny ankizivavy 15-24 taona mahazo aretina azo avy amin’ny firaisana, toy izany […]

Sefafi : “Tofoky ny kabary tsara lahatra ny vahoaka”

Sefafi : “Tofoky ny kabary tsara lahatra ny vahoaka”

“Tofoky ny kabary tsara lahatra sy ny safosiaka mampandry adrisa ny vahoaka, leon’ny politika miezinezina sy ambony fitetika nefa tsy misy drafitrasa maty paika, na mifanipaka amin’ny zava-misy mihitsy aza.“ Io ny fanambaran’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi) “Asa sy fampandrosoana”, ny 4 jona, ary nampitaina tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly, momba ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. […]

Soanierana Ivongo : tsy hita popoka ireo mpanjono natelin’ny ranomasina

Soanierana Ivongo : tsy hita popoka ireo mpanjono natelin’ny ranomasina

 Tsy fantatra na maty na velona ireo mpanjono roa lahy natelin’ny ranomasina tao Manakatafana Soanierana Ivongo, ny talata teo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, miisa enina ireo mpanjono niaraka nandeha nanjono tamina lakana roa tamin’io fotoana io. Nony niverina nody anefa nivadika ho ratsy tampoka ny andro ka nampisamboaravoara ny onjan-dranomasina. Nitombo hatrany ny […]

Miandahy miambavy… : mpanakan-dalana fito mianadahy indray voasambotry ny zandary

Miandahy miambavy…  : mpanakan-dalana fito mianadahy indray voasambotry ny zandary

Avy aty an-dRenivohitra ny sasany ary avy any Antsirabe ny hafa, ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Fito mianadahy indray tratran’ny zandary, taorian’ny fanafihana nitranga tamina rangahy mpividy volamena iray, ny zoma lasa teo. Roa lahy tratra nandritra ny fanafihana, ka ireo no nanoro ny namany. Nandeha ny fikarohana ka tamin’izany ny […]

Didipoitra amerikanina : hatrany amin’ny 100.000 Ar ny famoran-jaza

Ankavitsiana sisa ireo ray aman-dreny manao famoran-jaza manaraka ny fomban-drazana rah any eto an-dRenivohitra. Efa mandroso be ny teknolojia. Betsaka ireo misafidy ny didipoitra amerikanina na ilay famorana tsy mandeha ra ary tsy dia mampijaly zaza loatra. Tsy an’ny tsy manam-bola anefa ny fanaovana izany. Tafakatra hatrany amin’ny 100.000 Ar mahery ny saran’ny famorana zaza […]

Miverina ny fandefanasa mpiasa any ivelany

Fantatra, omaly nandritra ny fampitam-baovao nataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana momba ny asa, tetsy Ampefiloha, fa hiverina indray manomboka izao ny fandefasana mpiasa any ivelany. Hentitra ny fepetra takina amin’ireo orinasa mpandefa mpiasa. 40 ireo orinasa miandraikitra izany ankehitriny saingy 11 ihany ireo efa nahafeno ny fepetra amin’ny fanarahan-dalàna.  4 amin’ireo mandefa […]

Raikitra ary raikitra ny baolina

Raikitra ary raikitra ny baolina

Vaovao lehibe ary nahafaly ny mpankafy eto Madagasikara fa halefa mivatana amin’ny TVM ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Euro 2016 ». Hatao any Frantsa ity andiany ity manomboka anio hariva. Ho tazana ao avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao sangany eran-tany hiaro ny voninahi-pireneny sy hampiseho ny talentany. Fialamboly, fanovozana traikefa sy fahaizana, fa fakana torimaso kosa ho […]

Hoesorina ny zo tsy azo enjehina ? : nosokajian’ny mpampanoa lalàna ho tratra ambodiomby i Lylison

Ho sarotra ny raharaha ? Nambaran’ny mpampanoa lalàna iray tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina, omaly fa tratra ambodiomby ny loholona Lylison noho ny fanakorontanana nataony, amin’ilay antso ho an’ny tanàna maty. Anisan’izany ny fanaingana sy ny nanaovana sakana ny lalana amin’ny ankamaroan’ireo tanàna teto an-dRenivohitra, araka ny nambarany. Notanisainy tamin’izany koa ny andinin-dalàna, toy ny fanohintohinana […]

Ambatolampy : mpihady volamena telo lahy maty tototry ny tany

Ambatolampy  : mpihady volamena telo lahy maty tototry ny tany

 Nanao izay ho afany ihany ireo namonjy, saingy tsy afa-nanoatra noho ny halalin’ilay lavaka. Vokany maty sempotra, tototry ny tany ireto mpihady volamena telo lahy. Tao Ambatomainty, Ambatolampy no nisehoan’ity loza ity ny talata teo.   Tsy nanampo ireto mpirahalahy nihady volamena tany Ambatomainty Ambatolampy, ny talata lasa teo tamin’ny 2 ora tolakandro, fa nihotsaka […]

Toliara : miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpanakanto

Mihetsiketsika ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto any Toliara, hanampiana ireo sahirana, indrindra amin’ny tsy fahampiana sy tsy fisian’ny sakafo any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana. Ny asabotsy izao, ohatra, hisy ny kaonseritra fiaraha-mientana ao amin’ny Vakok’Arts Trano. Hetsika karakarain’ny CultuléarT sy ny foibe ara-javakanto sy mozika an’ny fikambanana Bel Avenir, samy […]

Toliara : miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpanakanto

Mihetsiketsika ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto any Toliara, hanampiana ireo sahirana, indrindra amin’ny tsy fahampiana sy tsy fisian’ny sakafo any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana. Ny asabotsy izao, ohatra, hisy ny kaonseritra fiaraha-mientana ao amin’ny Vakok’Arts Trano. Hetsika karakarain’ny CultuléarT sy ny foibe ara-javakanto sy mozika an’ny fikambanana Bel Avenir, samy […]