Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

R. Hasimpirenena, filoha nasionalin’ny Mafami : « Tsy misy fandrosoana  raha tsy mivondrona sy manambatra hery »

R. Hasimpirenena, filoha nasionalin’ny Mafami  : « Tsy misy fandrosoana  raha tsy mivondrona sy manambatra hery »

  Fihaonambe voalohany amin’ny itantanan’ny filoha nasionaly vaovao, R. Hasimpirenena, ny Mafami ny asabotsy teo. Tratra ny tanjon’ny fikambanana amin’ny fampihavanana sy fampivondronana ho anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena. Olona avara-pianarana avokoa rahateo ny mpikambana. Tontosa ny asabotsy teo teny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola ny fihaonambe voalohan’ny fikambanana Mafami, ivondronan’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga […]

Olan’ny Gem sy ny fanjakana : andrasana ny fifampidinihana

Olan’ny Gem sy ny fanjakana : andrasana ny fifampidinihana

Tsy mbola nivaha ny olana! Araka ny notaterina teto, nilaza ampahibemaso ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) fa tsy hifampidinika amin’ny fanjakana intsony izy ireo raha tsy foanana ny didy mamaritra ny Advanced Cargo Declaration (ACD). Nohazavain’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny varotra iraisam-pirenena sy ny hetra eto Madagasikara ny faneren’ny fanjakana […]

Kolo TV/FM – Valy Tiana : lasan’i Victor sy Marthe mivady ny tany 320 m2

Kolo TV/FM – Valy Tiana : lasan’i Victor sy Marthe mivady ny tany 320 m2

 Anisan’ireo tsara vintana nahazo ny tany 320 m2 eny Fonenana Imerintsiatosika avy amin’ny Master Immobilier Services Razanajatovo Victor sy Razafiarisoa Marthe mivady. Niainga tamin’ny lalao nokarakarain’ny Kolo TV/FM sy ny Valy Tiana ny fisarihana nahazoan’izy ireo izany tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia, ny asabotsy teo. Nanatona ny mpijery sy mpihaino ny Kolo TV/FM ny ekipan’ny […]

Fantina sy fintina

Any Inde efa hatramin’ny herinandro teo ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Niala an-tanindrazana ny herinandro teo izy, niray fiaramanidina amin’ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, sy ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, nihazo an’i Maorisy. Tafiditra amin’ny famelomana indray ny orinasa Tiko izao diany any izao. Efa fito herinandro izao, tsy mbola voatendry ny talen’ny TVM. Notapahin’ny filankevitry […]

Oniversite GSI : hisokatra amin’ny any ivelany

Oniversite GSI : hisokatra amin’ny any ivelany

“Misokatra amin’ny any ivelany, ary efa misy ny fifanarahana vita ny amin’ny oniversite GSI sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny GSI, Randrianaivo Geremioh. Ity farany izay nahazo fifanarahana tamin’ny minisitry ny Fambolena frantsay, Stéphane Le Foll, ny volana janoary lasa teo, nandritra ny diany tany Frantsa, nandray anjara tamin’ny atrik’asa lehibe momba ny […]

Mangamila Anjozorobe : mpianatra sivy vavy indray nihetsika ambalavelona

Mangamila Anjozorobe : mpianatra sivy vavy indray nihetsika ambalavelona

Tsy nijanona tany Morondava na Miandrivazo intsony ny resaka ambalavelona fa tonga hatrany Anjozorobe. Lasibatra indray ny tovovavy tany an-toerana. Mpianatra sivy vavy no indray nihetsika an’ity aretina hafahafa ity tany Mangamila Anjozorobe. Manodidina ny 14 ka hatramin’ny 17 taona eo ireo, ka ny roa amin’ireo mpianatry ny lycée ary ny fito mpianatry ny CEG. […]

Anosizato : jiolahy roa voatifitry ny tompon-trano voatafika

Anosizato : jiolahy roa voatifitry ny tompon-trano voatafika

Sambany, mba ny tompon-trano notafihana indray no nahatifitra ireo jiolahy. Teny Anosizato nitrangan’izany ny asabotsy alina teo. Araka ny vaovao voaray, fito lahy mitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika tamina tranombarotra iray, ka teo am-pitaomana ny menaka tamin’ny “bidon” izy ireo no hitan’ny tompon-trano. Teny ambony rihana, trano mifanila amin’ny fitoeran’entana no misy ireto […]

Praiminisitra Ravelonarivo : “Tsy vita irery ny fampandrosoana”

Praiminisitra Ravelonarivo : “Tsy vita irery ny fampandrosoana”

 “Tsy vita indray andro sy tsy vitan’olona irery ny fampandrosoana, fa manana andraikitra lehibe amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy isika. Andao hanambatra hery hijery ny faritra niaviantsika, hijery ny hoavin’i Madagasikara.” Kabarin’ny Praiminisitra Ravelonarivo io, tamin’ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2016 nataon’ny fikambanana Grand sud-est, teny amin’ny By Pass, afakomaly. Ilaina ny […]

Filankevitra nasionaly teny Ivato : noroahina ny mpikamban’ny Leader Fanilo miisa 11

Filankevitra nasionaly teny Ivato : noroahina ny mpikamban’ny Leader Fanilo miisa 11

Ny an’iza na iza no marina? Nampiato ny birao nasionaly mpandrindra, tarihin-dRakotomamonjy Jean-Max, ny komity mpihevi-draharaha izay nijoro ho filankevi-pifehezana, ny 16 desambra 2015. Namaly izany ireo naato, nampiantso filankevitra nasionaly tsy ara-potoana, teny Ivato, afakomaly. Tapaka tamin’izany fa roahina ny mpikambana miisa 11: Esoavelomandroso Manassé, Andriamiarisatrana Noël, Rabesa Zafera Antoine, Mahosindrahaja Heriniaina, Raveloson Hasina, […]

Lamoka lamokany ny vahoaka

Lamoka lamokany ny vahoaka

Aleo hazava sao tsy mifankahazo ny resaka: leo sy tofoka ny hoe lamoka, ary izay tsy foy sy tsy tanteraka hatramin’ny farany ny lamokany: lamokan’atody, lamokan’olona, lamokam-paty izay mamo tsy mahatsiaro tena, lamokan-torimaso izay torimaso tsy vanona na fohy loatra… Inona no itanisana izany eto? Lasa adihevitra be ny amin’ny hoe “Manotrika atody lamokany” navoakan’ny […]

Antsiranana : dokotera mpivady notifirin’ny jiolahy tao an-tranony

Antsiranana : dokotera mpivady notifirin’ny jiolahy tao an-tranony

Maty tsy tra-drano ilay rangahy vazaha frantsay voatifitra. Teny an-dalana halefa amin’ny fiaramanidina ho any ivelany kosa no maty ramatoa. Dokotera malaza ao Antsiranana ao ireto maty ireto. Manahy fanirahana hamono ny havany… Asan-jiolahy sa irak’olona! Mpivady iray maty notifirin’ny jiolahy tao an-tranony, tany Betahitra, lalana Ramena Antsiranana, ny alin’ny zoma lasa teo. Voan’ny bala […]

Fivelaran’ny kabary : nivoaka ny « Le kabary expliqué et traduit en français »

Fivelaran’ny kabary : nivoaka ny « Le kabary expliqué et traduit en français »

Nody ventiny ny rano nantsakaina. Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny Alliance française Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fivoahan’ny boky « Le kabary expliqué et traduit en français ». Sanganasan-dRamandraivonona Dera sy Razanamalala Henriette. Boky vaovao, hoenti-mampivelatra ny kabary malagasy maneran-tany. « Tsy maintsy hay sy mazava tsara aloha ny heviny, ny dikany (haiteny, voambolana…) amin’ny teny malagasy, izay vao atao […]

 Team Safelika : hihodina an’i Madagasikara ny « Miara-mifety jiaby »

 Team Safelika : hihodina an’i Madagasikara ny « Miara-mifety jiaby »

Taorian’ilay seho goavana tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 13 desambra teo, mahatratra 40 ny fampisehoana hotontosain’ny Team Safelika manerana ny Nosy. Hahitana hetsika mandritra ny roa andro isaky ny toerana lalovany ny « Miara-mifety jiaby ». Ny andro voalohany, atomboka amin’ny « carnaval » lehibe hotarihin’ireo mpilalao sarimihetsika. Tohizana amin’ny fampisehoana natokana ho an’ny olona mahatratra […]

Hira vaovao : “Mbola tia”, fanomezan’i Jirah ho an’ny mpifankatia

Hira vaovao : “Mbola tia”, fanomezan’i Jirah ho an’ny mpifankatia

Anisan’ireo mpanakanto vao misondrotra kanefa efa mametraka ny anarany i Jirah. Araka ny fampitam-baovao nataony, nisafidy manokana ny fetin’ny mpifankatia izay hankalazaina amin’ity faran’ny herinandro ity izy, hamoahany ny hira noforoniny voalohany. “Mbola tia” rahateo ny lohatenin’ny hira, izay mazava loatra fa miresaka izay fitiavana mivaivay eo amin’ny olon-droa izay. “Fanomezana hatolotro ireo mpifankatia io, […]

Kitra afrikanina : vonona handresy avokoa ny Adema sy ny Cnaps Sport

Kitra afrikanina : vonona handresy avokoa ny Adema sy ny Cnaps Sport

 Hifantoka any Harare sy Nairobi avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio asabotsy. Amin’ity tolakandro ity, hiatrika ny lalao mandroso amin’ny fifaninanana afrikanina, ny AS Adema, tompon’ny amboara, sy ny Cnaps Sport, tompondakan’i Madagasikara. Tonga, omaly any Zimbaboe, ny AS Adema, hiatrika ny Harare FC, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Efa tamin’ny alakamisy kosa […]

«Cross country – Mada 2016» : ho any Mayotte izay telo voalohany

Anisan’ny fifaninanana, hanamarika ity faran’ny herinandro ity, koa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja “cross country”. Fihaonana tanterahina any amin’ny renivohitr’Amoron’i Mania, amin’ity asabotsy ity. Hangotraka ny fihaonana satria ankoatra ny maha fifaninanam-pirenena azy, handeha hiatrika fifaninanana any Mamoudzou, Mayotte, ireo telo voalohany isan-tsokajy, ho an’ny “senior”, lahy sy vavy. Marihina fa […]

Manome vatsim-pianarana ny Iranianina

 « Mpirahalahy efa hatramin’ny ela i Madagasikara sy Iran ary niara-niasa hatrany ny firenena roa tonta, nanomboka ny taona 1988 », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, ny talata teo tetsy Anosy, tamin’ny fanamarihana ny faha-37 taon’ny fandresen’ny revolisionina Iranianina. Anisan’ny niompanan’ny fiaraha-miasantsika amin-dry zareo ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Tafiditra ao anatin’izany […]

Indray mijery

Momba ny fanovana ny fanoratana ny teny frantsay, mbola mandalo eny anivon’ny filankevitra nasionalin’ny fanabeazana ny tolo-kevitra na hanaraka izany isika eto Madagasikara na tsia. « Tsy mbola mahamaika ny amin’izany aloha hatreto », hoy ny fanazavana. Ny famerenana ny kalitaon’ny fanabeazana no tanjona goavana. Miaraka amin’izay ny fanajana ny kolontsaina malagasy sy ny soatoavina mampiavaka antsika. […]

Fenoarivo Atsinanana : vita ihany ny tetezana Marokiso

Fenoarivo Atsinanana : vita ihany ny tetezana Marokiso

22 taona aty aoriana, vita ihany ny tetezana Marokiso, tapaka hatramin’ny taona 1994. Anisan’ny mampifandray fokontany maro eo amin’ny kominina ambonivohitr’ i Fenoarivo Atsinanana ity tetezana ity. Lasa tetezana fampiasan’ ireo mpanao politika ho fakana vato nandritra ny fifidianana rehetra nifandimby teo ity tetezana ity. “Raha lany eo izahay, hamboarina ny tetezana ao Marokiso“, hoy […]

Loza voajanahary : hiara-manonja ireo Radio anio  

Hiavaka. Marihina, anio ny Andro maneran-tany ho an’ny onjam-peo ka anisan’ny hankalaza izany ny eto amintsika ary hiaraka handefa fandaharana iraisana. Mikarakara izany hetsika izany ny eo anivon’ny Fiombonan’ireo radio miisa 24 sy ny Liberty 32 . Mazava ny lohahevitra :  « Ny onjampeo miatrika ny loza voajanahary ». Anisan’ny fitaovana iray eo anivon’ny firenena amin’ny fotoan-tsarotra tahaka […]

Mpamongady : tsy mahazo manome entana ny mpivarotra amoron-dalana intsony

Mpamongady : tsy mahazo manome entana ny mpivarotra amoron-dalana intsony

Hanomboka ny fanisana ny mpivarotra ara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny kaominina. Manatona ny lehiben’ny tsena tsirairay ny mpivarotra maka ny antontan-taratasy rehetra ilaina ary mameno izany ara-potoana. Ho an’ireo vonona hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna, hahazo karatra izy ireo aorian’ny fanaterana ny antontan-taratasy fanamarinana. Hozaraina manomboka amin’ny volana marsa ny karatra. 15 000 Ar ny vola […]

Principauté de Monaco : nahazo ordinatera sy fahitalavitra ny CEG Ivohitra

Principauté de Monaco : nahazo ordinatera sy fahitalavitra ny CEG Ivohitra

Natolotry ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra, Andrianjanaka Mandrindra Albert tamin’ny talen’ny CEG Ivohitra Antsirabe I, Ranaivoarison Richard Maria William, ny ordinatera dimy, fanomezana avy amin’ny Principauté de Monaco. Nambaran’ny lehiben’ny faritra fa natao  izao mba hahazoan’ny mpianatra aty amin’ny CEG mandalina sahady ny tontolon’ny informatika. Voalaza mantsy fa izay rehetra tsy mahay mikirakira ny antsipirian’ny informatika […]

Miasa mafy tsy misy tambiny : mangataka tambin-karama ireo mpanentana ara-pahasalamana

Miasa mafy tsy misy tambiny : mangataka tambin-karama ireo mpanentana ara-pahasalamana

 Nivoitra nandritra ny roa andron’ny zaikabe notanterahina tetsy Ivato izay niarahana tamin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony ny fitakian’izy ireo tambin-karama manoloana ny asa mafy hataon’izy ireo. Resadresaka. Tolojara Felix, Bealanana Manentana ara-pahasalamana ao amin’ny kaominina Ambararata, distrikan’i Bealanana faritra Sofia aho efa ho 3 taona izao. Tamin’ny alalan’ny fivoriambem-pokolonolona no nanendrena ahy hanao izany asa […]

Tsy mahafa-po ny asan’ny mpitondra : “Tokony hijoro ny mpanohitra”, hoy ny Sefafi 

Tsy mahafa-po ny asan’ny mpitondra : “Tokony hijoro ny mpanohitra”, hoy ny Sefafi 

Mby aiza ny asan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao? Mitaky ny fijoroan’ny mpanohitra ny Sefafi. “Tokony hijoro ny mpanohitra. Nahoana no tsy misy an’izany? Nefa voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana fa omena toerana sy hasina ny mpanohitra. Tokony hisy sahy hijoro sy hiteny hoe mpanohitra.” Tenin’ny mpandrindra nasionalin’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi), Andriamandranto Ralison, teny Ambodivona, […]