Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Efa tafaverina an-tanindrazana ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, rehefa avy niatrika ny fivorian’ny ben’ny Tanàna aty amin’ny ranomasimbe Indianina, tatsy amin’ny Nosy La Réunion ny herinandro teo.  Nifampizara traikefa sy ny fomba fitantanana ary nitady fiaraha-miasa ny tenany tamin’izany. Hamoaka ny bokikely mirakitra ny fanambarana nataony tamin’ny taona 2015 ny fiarahamonim-pirenena Sefafi, ny zoma izao. […]

Miaramila malagasy : niofana tamin’ny Cutlass express 2016

Miaramila malagasy : niofana tamin’ny Cutlass express 2016

Niofana tao amin’ny fandaharan’asa Cutlass express 2016 ireo miaramila malagasy an-dranomasina, mpampiasa ny RC Trozona. Vita ny faran’ny herinandro teo ity karazana fanazarantena nokarakarain’ny Forces navales des USA en Europe-Afrique ity, izay ahitana firenena 18 mandray anjara amin’izany, ka anisan’izany ny miaramila malagasy. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny fifanakalozam-baovao, fiarovana ny ranomasina sy ny asa […]

Tsy nandray vatsim-pianarana enim-bolana : nidina an-dalambe ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato

Tsy nandray vatsim-pianarana enim-bolana : nidina an-dalambe ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato

 Nanao diabe ny mpianatry ny oniversite Fianarantsoa, omaly. Niatrana ny Emmo/Reg nanoloana izany. Efa nangitakitaka nahita ny hamaroan’ny mpianatra ny olona. Nitokona ireo mpianatry ny oniversiten’Andrainjato, Fianarantsoa, omaly. Nivory tao amin’ny faritry ny oniversite ireo mpianatra ary nanapa-kevitra fa hanao diabe hamakivaky ny tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Niroso tamin’izany tokoa ireo mpianatra, izay efa nandrasan’ny Emmo/Reg teny […]

Analakely : nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana ny Jly Florens

Analakely : nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana ny Jly Florens

Hentitra ny jeneraly Florens, omaly, nanoloana ireo mpitarika ny hetsik’ireo mpivarotra amoron-dalana fa tsy hitsitsy intsony ny Emmo/Reg, anio, manoloana ireo mpanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny mpanelingelina ny fifamoivoizana. Milaza hiroso amin’ny fisamborana sy ny fanaparitahana amin’izay izy ireo, raha mbola manao ny ataony ireo mpivarotra amoron-dalana. Ireto farany, nanohy ny hetsika fanaony amin’ny fitakiana […]

Tselatra

Manjaka tanteraka ireo jiolahy manendaka any anaty fitohanan’ny fifamoivoizana eny Faravohitra. Manao andiany ireo jiolahy sady mitondra sabatra. Mitebiteby ny olona eny an-toerana satria tsy afa-manoatra manoloana ireo jiolahy. Manahy ny sasany amin’izy ireo fa mety hiitatra hanafika trano ry zalahy rehefa tsy mahita fiara hoendahina.   Jiolahy miisa efatra nitondra basy iray no tompon’antoka […]

Antenimierandoholona : voafidy ho filoha Rakotomanana Honoré

Antenimierandoholona : voafidy ho filoha Rakotomanana Honoré

Fombafomba fotsiny sisa… Voafidy ho filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré, tamin’ny fivoriana manokan’ny Antenimierandoholona teny amin’ny lapan’Anosikely, omaly. Kandidà tokana tsy nisy mpifaninana izy, zokiolona indrindra, ary natolotra ny antokom-pitondrana maro anisa izay manana loholona 34 amin’ny 63 mandrafitra io andrimpanjakana io. Nahazo vato 60 amin’ny 62 izy, ary nanao vato fotsy roa. Tsy tonga ny […]

Ralay Christian : “Tsy manao kolikoly amin’ny voafonja ny mpiandry fonja”

Manoloana ny nahavoatifitra an’i Dorice, jiolahy nitsoaka ny fonja tao Ambalatavoahangy izay lavon’ny zandary tao Anivorana ny herinandro lasa teo, nitondra fanamarihana, ny lehiben’ny fonja amin’ny filazan’ny olona sasany fa voafonja niniana nampandosirina iny voafonja iny. “Noho ny olana amin’ny tsy maintsy mampiasa kitay ny fonja saika ireny gadra be efa voatsara ireny no azo […]

Vitsy mikitrana irery…

Vitsy mikitrana irery…

Fiteny mahazatra ny hoe: ny vy, tsy mikitrana irery. Ilazana ny ady, misy antony fa tsy tongatonga ho azy na mandeha irery io: matoa misy ady, misy ankolafiny roa mifanohitra sy mifanandrina ao. Fa mety misy ny hoe vitsy mikitrana irery: miady irery, mitabataba irery… Amin’izany, mety misy mpihaino na tsia. Tsy karazan’ny vitsy mikitrana […]

Vonoan’olona feno habibiana tao Salazamay, Toamasina : norasarasaina, niparitaka ny vatan’ilay vehivavy

Vonoan’olona feno habibiana tao Salazamay, Toamasina : norasarasaina, niparitaka ny vatan’ilay vehivavy

Tombanana ho 20 hatramin’ny 23 taona eo ho eo ity vehivavy hita faty teo Salazamay, Toamasina, omaly maraina ity. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, satria norasarasaina, niparitaka tanteraka ny vatany. Tsy hita teo kosa anefa ny foto-peny, ny tendany, ny lelany, ny fivaviany ary ny fony. Halatra taova ?   Nampihoron-koditra ! Fatim-behivavy iray notapatapahina valo no […]

Judo – Grand Slam de Paris : nody maina ireo mpikatroka malagasy

Judo – Grand Slam de Paris : nody maina ireo mpikatroka malagasy

Tsy namokatra. Tsy nisy tafavoaka ka nahazo toerana tsaratsara tamin’ireo sokajin-danja nandraisantsika anjara tamin’ny fiadiana ny « Grand Slam de Paris », taranja judo, ireo solontenan’i Madagasikara dimy mianadahy (Ratiarson Asaramanitra, Chan Ling Janeiro, Andrianjakavelo Sandaniaina, Rakotoarivony Royal, Ratsimiziva Fetra). Fifaninanana iraisam-pirenena notanterahina tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vokatra, tsy nisy tafavoaka teo […]

Basikety – Coupe du Président : mbola manjakazaka ireo ekipan’Analamanga

Basikety – Coupe du Président : mbola manjakazaka ireo ekipan’Analamanga

ampiseho ny heriny ireo ekipa misolo tena an’Analamanga amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny « Coupe du Président » ho an’ny Zone Centre, any Toamasina. Tsy mbola nahazoana vaovao kosa aloha, hatreto, ny vokatra ho an’ny Zone Nord, any Antsiranana. « Coupe du Président ». Miditra amin’ny andiany faharoa io hetsika nasionaly io, nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny 14 […]

Tenisy – Afrique U14/U16 : efa manomana mafy i Madagasikara

Fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16 zazalahy sy zazavavy, isika. Fifaninanana hotanterahina any Pretoria, Afrika Atsimo, ny 7 – 18 marsa izao. Araka izany, tsy niandry ela ny federasiona malagasy (FMT) fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fanomanana ny ekipa nasionaly, ny faran’ny herinandro teo teny […]

Fahasalamana : tena ilaina ny mpanentana eny ifotony

Tanterahina eny Ivato nanomboka omaly ary mitohy anio ny atrikasa iarahana amin’ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana eny ifotony izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina hanafainganana ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza. Nisongadina tamin’izany fa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpisehatra ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny ady hatao amin’ny […]

Kalo an-gitara : hamelombelona ireo hiram-pitiavana ny Zandry Gasy

Kalo an-gitara : hamelombelona ireo hiram-pitiavana ny Zandry Gasy

Hiaka-tsehatra voalohany ny tarika Zandry Gasy amin’ity taona ity. Manome fotoana ireo mpankafy ny hira gasigasy an-gitara indray ry zalahy, ny zoma 12 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hikoriana mandritra io fotoana io ireo hiram-pitiavana, araka ny fanaovan’ny Zandry Gasy azy”, hoy ny nambaran’i Mbola Talenta. Ankoatran’ny hiram-pitiavana […]

LSFM : hojerena ny olan’ny maso vokatry ny diabeta

Ankoatra ny fandraisana ny olona voan’ny katarakta, hijery akaiky ny olona tratran’ny diabeta ka niteraka olana amin’ny fahitana eo aminy ny fikambanana Lions Sight First Madagascar (LSFM), hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana Rabenjamina Olivier, omaly. Raha tsy ara-potoana ny fitiliana ny aretina eo amin’ilay marary, mety ho lasa jamba tanteraka izy. Efa misy ny fiaraha-miasa […]

Cenhosoa : hisokatra ny taona 2017 ny toeram-pandidiana ny fo sy lalandra

Cenhosoa : hisokatra ny taona 2017 ny toeram-pandidiana ny fo sy lalandra

Hisokatra amin’ny volana avrily 2017 ny toeram-pitsaboana sy fandidiana ny aretin’ny fo sy lalandra eny amin’ny hopitaly Cenhosoa, Soavinandriana Antananarivo, araka ny fanambaran’ny mpikambana ao amin’ny Lions Club eto Antananarivo, ny dokotera Ratsimbazafy Fidy, omaly teny Anosy. Eo an-dalam-pamaranana azy ny fotodrafitrasa eny Soavinandriana, amin’izao fotoana izao. Telo ny zavatra apetraka ao : fandidiana momba ny fo […]

Vita ny fifamindram-pahefana : horaisina mpanakanto ny minisiteran’ny Kolontsaina

Vita ny fifamindram-pahefana : horaisina mpanakanto ny minisiteran’ny Kolontsaina

Nesorina tamin’ny maha minisitra azy, ka notendrena ho loholona Rasamoelina Brigitte. Notendrena hampandeha ny raharaha ao amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny vakoka kosa ny minisitra Andriamosarisoa Jean-Anicet, izay mpanakanto ihany koa. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin-dRasamoelina Brigitte, minisitry ny Kolontsaina sy ny asa tanana, sy Andriamosarisoa Jean-Anicet, minisitry ny fanatanjahantena. […]

Any Atsimo : hifarimbonana ny ady amin’ny kere

Hotanterahina ny 19 sy 20 febroary izao any Ambovombe Androy, ny atrikasa lehibe hifarimbonan’ireo minisitera tompon’andraikitra sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra handinihana ny vahaolan’ny kere izay mianjady isan-taona amin’ny mponina any atsimon’ny Nosy. Handrafetana ny drafitrasa sy paikady azo ampiharina avy hatrany hanampiana ny mponina any atsimo no hatao amin’izany. Eo koa ny fijerena ny asa […]

Fakafaka : tsara ny vokatra… Mila tohizana…

Tafita ny hafatra ! Tsy isalasalana intsony fa manomboka miverina ao amin’ny Malagasy ilay fahafantarana sy fankafizana ny maha izy azy. Feno olona ny Alliance française etsy Andavamamba nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika Solika. Tsara ny vokatra, mila tohizina ny hetsika tahaka ireny. Tsy tohizina fe tohizana fotsiny fa atao totoafo mihitsy satria efa mitaky izany […]

Taona 2016 : 367 ny efitrano fianarana haorina

Hanorina efitrano fianarana 367 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ity taona ity, hoy ny tale jeneralin’ny fanabeazana fototra sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, Andriamampandry Todisoa, omaly teny Anosy. 114 ny efitrano ho an’ny EPP, 83 eny amin’ny CEG ary 170 ho an’ny lycée. Misy ny efitrano vaovao, misy kosa ny efa ampiasaina fa havaozina amin’ny […]

Collectif Tany : mampihemotra ny mpampiasa vola vahiny ny tsy filaminan’ny fananan-tany

Collectif Tany : mampihemotra ny mpampiasa vola vahiny ny tsy filaminan’ny fananan-tany

 Miahiahy ny lalàna vaovao hifehy ny fananan-tany ny fikambanana Collectif Tany. Tsy ampahafantarina ny besinimaro ny votoatiny, sady ahina tsy hanome tombontsoa ny Malagasy sy ny tantsaha. Ary mampihemotra ny mpampiasa vola vahiny rahateo. Tsy misy mangarahara! Naneho hevitra ny fikambanana Collectif Tany, ny 5 febroary teo. Amin’izy ireo, atao tsiambaratelo, tsy fantatry ny benisimaro […]

Fakana onitra mihoampampana : hitsabahan’ny mpanolotsaina ny prezidansa ny raharaha ?

Fakana onitra mihoampampana : hitsabahan’ny mpanolotsaina ny prezidansa ny raharaha ?

 Mitohy ny raharaha mikasika ilay fakana onitra mihoa-pampana (567 tapitrisa Ar), nataon’ny vehivavy iray, voaroaka tao amin’ny orinasa vaventy misahana harena an-kibon’ny tany. Tsiahivina fa voamarina ny fandroahana azy, saingy nitory tany amin’ny fitsarana izy taty aoriana. Araka ny loharanom-baovao, misy fikasan’ny mpanolotsaina iray ao amin’ny prezidansa hitsabaka amin’ity raharaha ity. Voalaza fa toa nantsoin’ity […]

Fanjakana japoney : tohanany ny voly vary, fotodrafitrasa, sosialy ary fitantanana

Fanjakana japoney : tohanany ny voly vary, fotodrafitrasa, sosialy ary fitantanana

Nanampy ary mbola vonona ny hanampy betsaka an’i Madagasikara ry zareo Japoney. Tapaka izany fanampiana izany fotoana naharitra, noho ny “Raharaha 2009”. Niverina indray ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta, ny taona 2014. Mitondra fanazavana momba izay fiaraha-miasa Japana sy Madagasikara izay ny Premier secrétaire ao amin’ny masoivoho japoney, Shigechika Yamada. Resaka nifanaovana tamin’ny gazety […]

BFV-SG sy ny IEP : tohanana amin’ny tontolon’ny asa ny mpianatra

Nosoniavina, ny 5 febroary teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny banky BFV-SG sy ny sekoly Ivontoerana fianarana politika IEP. Tanjona ny hanohanana ny mpianatra hampidirana azy ireo tsikelikely eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fihariana. Ao anatin’izany ny hanamorana ny fahalalana ny mombamomba ny banky sy ny fanomezana tombondahiny ny mpianatra amin’ny tolotra omen’ity banky ity, […]

An-kitsim-po : tsy hita izay tena ataon’ny kaominina

Samy manaiky ny rehetra fa potika sy maloto ny tontolo iainana. Miavosa hatrany ny fako, raha ny hita eto an-dRenivohitra. Tsy hita izay tena politika faritan’ny kaominina ho tonga amin’ny fanavahana fako hatrany amin’ny fanodinana azy ho lasa zezika na angovo. Hatramin’izao, tsy ahitana fandraisana andraikitra mivantana momba izany ny kaominina, raha ny zava-misy, manomboka […]