Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanorina efitrano fianarana : hampivotra an’Ampazony ny association VGB

Hanampy ny fokontany Ampazony, kaominina Belobaka ao Mahajanga II, hampivotra ny mponina ao aminy ny fikambanana Vivre et grandir à Madagascar izay efa niasa teto nandritra ny dimy taona. Hanangana efitrano fianarana telo izy ireo, hanaovana CEG sy lycée ho an’ny mpianatra 360 ao amin’ny EPP amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, tsy hianatra fotsiny ny […]

Jly Rakotomahanina Florens : « Efa azonay ny anaran’ireo mikasa hanakorontana »

Jly Rakotomahanina Florens  : « Efa azonay ny anaran’ireo mikasa hanakorontana »

Miatrana ny Emmo/Far. Nampitandrina ireo mikasa ny hanakorontana amin’izao fetim-pirenena izao ny lehiben’ny CIRGN, ny Jly Rakotomahanina Florens. « Efa misy anarana azonay amin’ireo mihevitra ny hanakorontana, araka ny angom-baovao ka efa miomana hiatrika izany izahay ary handray andraikitra raha mitombina izany… Aoka tsy hanakorontana fa tsy maintsy ho tratranay ianareo… », hoy izy, tetsy Ankadilalana omaly. […]

Fitsaram-bahoaka tany Ampitatafika… : nodoran’ny olona, nasitrika tao anaty tanimbary ilay lehilahy

Fitsaram-bahoaka tany Ampitatafika…  : nodoran’ny olona, nasitrika tao anaty tanimbary ilay lehilahy

Teo am-baravaran’ny tokatrano iray no tratran’ny fokonolona, tao amin’ny fokontany Ambonivary, kaominina ambanivohitra Ampitatafika, ity lehilahy iray saika hamaky trano ka niharan’ny fitsaram-bahoka. Rehefa avy nodarohana sy nodorana tamin’ny kitay, nasitriky ny olona tao anaty tanimbary ka maty sempotra tao. Leom-boanana! Tratran’ny fokonolona teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray tany Mahatazana Antanifotsy, ny alatsinainy […]

Saina sy ny saina…

Saina sy ny saina…

Efa mihofahofa any an-tanànan’i Mahajanga, amin’ny ankamaroan’ny trano sy ny biraom-panjakana, ny sainam-pirenena. Tsy niandry ny toromarika sy ny fanentanana ny any an-toerana fa efa nanomboka izany ny herinandro teo. Efa mivolon’andro fety ny ao an-drenivohitr’i Boeny ao. Ny eto Antananarivo indray, mbola ny biraom-panjakana sasany no ahitana izany, miaraka amin’ny ravaka samihafa… Tsy mbola […]

Rallye Dzama : hatao eto Antananarivo

Hiavaka ny dingana faharoa, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny rallye. Fihaonana izay karakarain’ny klioba Asacm. Tsy hotontosaina any Antsirabe araka izay efa voalaza mantsy ity, fihaonana ity, fa hatao eto Antananarivo. “Rallye Asacm indray andro”, ny anarana nampitondraina ny fifaninanana. Araka izany, ny asabotsy 18 jona tontolo andro ny hanaovana azy ity. Araka […]

Cnaps Sport : nahazo dojo karate sy judo

Cnaps Sport  : nahazo dojo  karate sy judo

Ankoatra ny baolina kitra, ny atletisma, ny taranja tenisy sy ny tsipy kanetibe , nisokatra indray ny dojo-na karate sy judo, ho an’ny klioban’ny Cnaps Sport. Notokanana ny asabotsy lasa teo izany, etsy amin’ny 67 ha no misy azy. Raha tsiahivina, efa nisy teo anivon’ny “Mutuelle”-n’ny Cnaps ny karate ny taona 2011. Natao ho an’ny […]

Basikety – Mada N1A H/D : hiady voalohany ny MB2All

Araka ny efa fantatra, hotanterahin’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) miaraka amin’ny orinasa Telma, mpanohana ny basikety malagasy, sy ny ligin’i Diana, any Antsiranana, ao amin’ny kianja mitafo sy kianjan’ny Secren, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy N1A lahy sy vavy, fihodinana voalohany. Anisan’ireo ekipa hiady ny laharana voalohany amin’izany ny MB2All (Analamanga) eo amin’ny sokajy […]

IFM – « Gasy Bulles » : aranty an-tsary ny fahalalahana

IFM – « Gasy Bulles »  : aranty an-tsary ny fahalalahana

Marobe ireo fampirantiana tafiditra ao anatin’ny « Gasy Bulles », « festival » ho an’ny tantara an-tsary, andiany faha-12, nanomboka ny 4 jona teo. Anisan’ny misongadina ny « Dessins en liberté », etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely. Hita ao amin’ity fampirantiana ity ny sanganasan’ireo mpanao sariitatra miisa 50, samy miasa amin’ny gazety any amin’ny firenen-tsamihafa. Araka izany […]

Nanomboka omaly… : niakatra indray ny vidin-tsolika

Nanomboka omaly…  : niakatra indray ny vidin-tsolika

Niakatra indray ny vidin-tsolika nanomboka omaly 7 jona. Fisondrotana vaovao tao anatin’ny iray volana katroka. « Anjaranay fotsiny ny mampihatra izany araka izay toromarika avy any amin’ny OMH », hoy ny tompon’andraikitra iray amin’ireo kaompania mpivarotra solika ireo. Avy any amin’ny Office malgache des hydrocarbures (OMH), ny vidin-tsolika alefa any amin’ireo kaompania mpivarotra ho an’ny mpanjifa. Fisondrotana […]

Mozika klasika : vahinin’ny « Concert du midi » i Benja Gasy

Mozika klasika : vahinin’ny « Concert du midi » i Benja Gasy

Mozika tsy misy fefy… Porofon’izany, anjaran’i Benja Gasy indray no manafana ny « Concert du midi », fikarakaran’ny Madagascar Mozarteum. Hotontosaina ny tolakandron’ny 15 jona ho avy izao io, etsy amin’ny IFM Analakely hatrany. Hiova kely, araka izany, ny fotoana ifanomezana isam-bolana amin’ity volana jona ity. Mozika klasika hatrany ny fototra, saingy hanehoan’i Benja Gasy ny talentany […]

Unesco – Famongorana ny fahantrana : ilaina ny fiarovana ny natiora dia

Unesco – Famongorana ny fahantrana : ilaina ny fiarovana ny natiora dia

Nandritrany fanamarihana « Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana ». no namoaboasan-dRtoa Hanta Raboanary, sekretera jeneralin’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco ny anjara andraikitra lehibe tanan’ny Unesco manoloana ny fanarenana ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fanentanana ny mponina hanaraka ny fitsipiky ny varotra amin’ny natiora dia. Famondronana ireo hevitra rehetra mitarika any amin’ny fiarovana, fitrandrahana ary […]

“Raharaha loholona Lylison” : tsy mbola misy ny fanalana ny zo tsy azo enjehina

“Raharaha loholona Lylison”  : tsy mbola misy ny fanalana ny zo tsy azo enjehina

 Aiza ho aiza ny “Raharaha loholona Lylison René de Roland”? Tsy mbola misy ny fangatahana fanalana ny zo tsy azo enjehina…   “Inona ny zavatra tena anenjehana azy?” hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, momba ny “Raharaha loholona Lylison René de Roland”. Inona izay mandrafitra ny heloka raha misy […]

Ratsima James : “Tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara”

Ratsima James : “Tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara”

“Tsy misy afa-tsy ny fitakiana ny Fahaleovantena tena izy sy mangarahara no vahaolana, satria iarahantsika mahita fa tsy mahaleo tena ny Malagasy. Miara-miaiky isika fa tsy mahaleo tena ara-tafika, ara-toekarena, ara-tsosialy… “ Io ny nambaran’ny mpitarika ny “Asandratro ny fireneko”, Ratsima James, tamin’ny mpanao gazety teny Andavamamba, omaly, amin’izao ankatoky ny fahatsiarovana ny fiverenan’ny Fahaleovantena […]

Fantina sy fintina

Notapahin’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona, omaly tetsy Anosy fa hatao amin’ny herinandro ny fifidianana ny solontenan’izy ireo eo anivon’ireo rafitra sasany. Anisan’izany ny eo anivon’ny HCC sy ny Fitsarana avo (HCJ) ary ny HCDDED. « Mbola banga ny toeranay amin’ireo. Mbola hivory anefa ny filoham-baomiera rahampitso (anio) hamaritra sy hanapaka ny ho lahadinika hatao », hoy ny […]

Vinany Itaosy : tratran’ny polisy ny jiolahy iray nitondra basy P.A

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy teny Vinany Itaosy, ny asabotsy hariva teo, ny jiolahy iray antsoina hoe Vorogidy, 32 taona niaraka tamin’ny basy P.A vita gasy iray sy bala efatra. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy vehivavy iray nendahina jiolahy roa nitondra basy vita gasy iray marika Unique 7,65 mm teo amin’ny sampanana mankany Vinany […]

Fetim-pirenena : diovina ny tanàna

Nitohy omaly teny Soarano sy ny manodidina azy, ao anatin’ny boriborintany voalohany, ny asa fanadiovana, tafiditra amin’ny fanatsaràna ny Tanàna amin’izao ankatoky ny Fetim-pirenena izao. Niara-nanatontosa izany ireo mpanadio Tanàna,  ireo tompon’andraikitry ny fotodrafitrasa, ny polisy monisipaly ary ny ekipan’ny boriborintany voalohany. Nampiavaka ny hetsika ny fampiasana fitaovana raitra toy ny «Souffleurs», «Camions citerne», ary […]

Miralenta sy ny fampandrosoana : hatsaraina ny fampahefana ny vehivavy ara-bola

Hatsaraina ny fampahefana ny vehivavy ara-bola satria zava-dehibe ny fandraisany an-tanana ny fiainany indrindra ny fahaleovantena ara-bola. Miteraka herisetra amin’ny vehivavy ny fiankinan-doha loatra amin’ny vadiny momba ny vola, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Gender links, Ialfine Papisy, omaly teny Antaninarenina. Hojerena manokana ao anatin’ny fanavaozana ny fenitra iraisan’ny firenena mpikambana ao amin’ny Sadec momba ny […]

Saika hitsoaka ilay mpamily… : 4X4 nifaoka mpandeha sy nanimba fiaran’olon-kafa

Saika hitsoaka ilay mpamily…  : 4X4 nifaoka mpandeha sy nanimba fiaran’olon-kafa

Nentin’ny toaka ity lehilahy nitondra fiara 4×4 Rav4 teny Ambanidia ka nifaoka mpivarotra sy mpandeha an-tongotra, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo. Ankizivavikely 13 taona sy lehilahy lehibe iray voadonan’ilay 4×4 tamin’izany, ankoatra ny entan’olona voadona ka niparitaka tamin’ny tany. Saika hitsoaka ity fiara ity, kanjo nidona tamin’ny fiara tsy lavitra teo. […]

Fampianarana : nahazo ny diplaoma TEFL ireo mpilatsaka an-tsitrapo 23

Notolorana ny diplaoma TEFL omaly ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina 23 . Niantsehatra teo amin’ny fampianarana teny anglisy izay nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena izy 23 mianadahy ireo. Voalohany tamin’ity taona ity no nanolotra izao diplaoma izao ny Corps de la paix eto Madagasikara. Nianatra manokana ny ho matihanina tanteraka amin’ny fampianarana teny anglisy nandritra ny 30 […]

Andrianainarivelo Hajo : “Sarintsarina fitsinjaram-pahefana no misy eto”

Andrianainarivelo Hajo : “Sarintsarina fitsinjaram-pahefana no misy eto”

  “Sarotra ny hampandroso firenena amin’izao sarintsarina fitsinjaram-pahefana izao”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, afakomaly raha nanao valandresaka ho an’ny mpianatra sosiolojia teny Ankatso, momba ny olan’ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy manome andraikitra ny rehetra ny mpitondra ary tsy misy ny fizarana ny fahefana. Arakaraka ny fizarana ny fahefana anefa no mahamafy orina […]

Mila mailo ny tanora : mitarika fanararaotana ara-nofo ny internet

Mila mailo ny tanora  : mitarika fanararaotana ara-nofo ny internet

Tanora valo amin’ny 10 feno 18 taona, mahatsapa fa mety iharan’ny fanararaotana ara-nofo avokoa ny tanora mitovy aminy rehefa mikirakira internet, araka ny fanadihadiana nataon’ny Unicef. Tanora 10 000 feno 18 taona avy amin’ny firenena 25 no nanaovana ny fanadihadiana nitondra ny tsoa-kevitra voalaza etsy ambony. « Amin’izao fotoana izao, ankizy ny mpampiasa internet iray amin’ny telo […]

Volana ho an’ny ankizy

Volana ho an’ny ankizy

… Tsy afaka mivölagna loatra satria mbola kely ! Na izany aza, omen’ny lehibe lanja ao anatin’ny taona ihany ny ankizy malagasy satria nanokanany ny volana jona ho azy. Niainga tamin’ny « Ankizy ankehitrio, mpanangana ny ho avy ». Nandalo ny « Ankizy tompon’ny taona 2000 », sns. Teny filamatra toa nenti-naminavina sahady fa hanana ny hoaviny mamiratra ity Madagasikara […]

Tao no tapa-tanana, nisy no niboraka hatramin’ny tsinainy… : jiolahy 5 niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tao no tapa-tanana, nisy no niboraka hatramin’ny tsinainy… : jiolahy 5 niharan’ny fitsaram-bahoaka

 Tao anatin’ny indray alina monja, jiolahy dimy no tratran’ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao Barikadimy, Mangarano, Ankirihiry, samy ao an-drenivohitr’i Toamasina. Leo ny olona ka nataony nahita faisana ireo jiolahy. Tao no notapahina ny tanany, nisy aza no niboraka hatramin’ny tsinainy. Fitsaram-bahoaka !   Tsy mitsitsy intsony! Jiolahy miisa dimy indray niharan’ny fitsaram-bahoaka […]

Rugby – Can 1B : manamafy ny «avant» ny Makis de Madagascar

Rugby – Can 1B  : manamafy ny «avant» ny Makis de Madagascar

Vonona ny Makis de Madagascar, hiatrika ny «Can 2016», taranja rugby ho an’ny vondrona 1B. Fanazarantena, mametraka ny taktika, miaraka amin’ny tanjaka ara-batana sisa  ataon’ny Malagasy. Ao anatin’ny tsipika mahitsy farany amin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby na ny «Can 1B», ny Makis de Madagsacar, ankehitriny. Nambaran’ny mpanazatra fa ny fanamafisana […]

Meeting VW : afa-po tamin’ny hetsika ny MaGolf II

“Afa-po tanteraka”. Io no nambaran-dry zareo avy tamin’ny fikambanana MaGolf II tamin’ny hetsika “Meeting VW”, izay nokarakarainy, ny 4 jona teo, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Raha ny fampitam-baovao, tapitra tanteraka ny tapakila tamin’iny andiany fahefatra niarahan’izy ireo tamin’ny orinasa Liqui-Moly iny. Maro ireo liana tamin’ny hetsika indrindra ireo teo amin’ny sokajy VAG (Volkswagen Aktiengesellshaft) […]