Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra Afrikanina : hatao any Mahajanga ny lalaon’ny Adema sy ny Cnaps

Araka ny angom-baovao, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga avokoa no hanatontosana ireo lalao iraisam-pirenena, hatrehin’ireo ekipa solontenan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana afrikanina. Ny Cnaps Sport, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny an’ny Adema, eo amin’ny amboaran’ny kaonfederasiona. Anton’izany, ny tsy fahavitan’ny kianjaben’i Mahamasina ara-potoana. Raha tsiahivina, notrongisina ny bozaka ao aminy ary mbola haharitra […]

Kaominina Fenoarivo : nahazo trano famakiam-boky ny EPP

Kaominina Fenoarivo : nahazo trano famakiam-boky ny EPP

Nahazo toeram-pamakiam-boky ny EPP eny amin’ny kaominina Fenoarivo, distrika Atsimondrano ary notokanana, omaly. Ahitana boky fianarana, fialam-boly amin’ny tenim-pirenena malagasy sy vahiny roa ny efitrano nametrahana izany, izay fanomezana avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Voahangy. Misy ordinatera sy fahitalavitra koa niaraka amin’ny boky ho an’ny mpianatra sy ny mponina ao anatin’ny kaominina. Ankoatra izay, nohavaozina […]

Lamatra : nisokatra ny taom-panjonoana

Lamatra : nisokatra ny taom-panjonoana

Miverina misokatra ny 1 janoary teo ny taom-panjonoana lamatra (langouste) ho an’ity taona ity, nikatona nandritra ny telo volana (oktobra-desambra 2015). Nampiharina ity fepetra ity, nanomboka ny taona 2013, entina iarovana ny fitomboana ahafahan’ny makamba manatody sy manaranaka. Efa manana fe-potoam-panjonoana toy izao koa ny karazana trondro sy hazandranomasina hafa. Toy ny makamba (crevette), manomboka […]

Jirama : naharitra 2.920 ora ny delestazy tamin’ny 2015

Jirama : naharitra 2.920 ora ny delestazy tamin’ny 2015

 Olana iray goavana niainana nandritra ny taona 2015, ny “delestazy”. Faritra 90 misy ny Jirama manerana ny Nosy nahita faisana tamin’izany avokoa. Nampikorontana ny fiaraha-monina, niteraka tsy fandriampahalemana ary indrindra nanapotika ny toekarena. Nisy vondrona mpianatra niaraka tamina mpandraharaha vitsivitsy, nanao kajikajy, nahita fa nahatratra 2.920 ora ny faharetan’ny delestazy manerana an’i Madagasikara tamin’ny taona […]

Fanadinam-panjakana 2016 : manomboka ny fisoratana anarana

Nisokatra ny alatsinainy teo ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana voalohany CEPE ary hikatona ny 18 marsa amin’ny 4 ora hariva. Ho an’ny BEPC, hosantarina ny 22 febroary ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny mpiadina ary hikatona ny 22 avrily amin’ny 4 ora hariva. Ho an’ny fanadinana momba ny mpampianatra kosa, hanomboka ny 28 marsa […]

Eran-tany

 Tafidina latsaky ny 7% (6,9%) ny tahan’ny fitomboan-karena tany Sina ny taona 2015 teo. Taha ambany indrindra io, hatramin’ny taona 2009. Nahatratra 11,6% izany ny taona 2006, ary niakatra 13% ny taona 2007. Ho an’ny taona 2010, nahatratra 10,3% ny fitomboan-karena. Izany hoe, ireo ilay lazaina fa nitombo “tarehimarika roa”, toy ilay vinavina sy fanambin’ny […]

Filomanosana : sady fialamboly no fitaizam-batana feno

Filomanosana : sady fialamboly no fitaizam-batana feno

Feno sy hipoka tanteraka ireo dobo filomanosana eto amintsika rehefa fotoana tsy fianarana iny. Refa mafana toy izao mantsy ny andro, maro ny voasarika amin’ny filomanosana. Sady fialamboly tokoa mantsy ny lomano no fitaizam-batana feno. Ao anatin’ny vanim-potoana mafana mihitsy isika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka izany, efa misokatra avokoa ireo dobo filomanosana ary […]

Samy tanora : inona ny vita, inona no miandry ?

Resahantsika eto foana ity lohahevitra ity isan-taona, saingy tsy maninona, hiverenana indray. Nivalona iny ny taona 2015, efa tonga kosa ity ny taona 2016.  Inona ny vita, inona no tsy tontosa? Samy manana ny havaliny izany isika tsirairay avy. Mety eo amin’ny lafiny fianarana, fiangonana, asa, fiarahamonina, fa indrindra izay mikasika ny tenanao manokana io. […]

Hanafoana ny tazomoka ny Crispr

Olona 3,2 lavitrisa isan-taona no voan’ny tazo vokatry ny kaikitry ny moka. Efa hitsahatra izany noho ny voka-pikarohana goavana nataon’ny mpikaroka telo avy ao amin’ny Oniversiten’i Californie. Namoaka fomba vaovao hiadiana amin’ny fifindran’ny tazo noho ny kaikitry ny moka izy ireo tamin’ny alalan’ny fanovana ny ADN-ny moka ihany. Niara-niasa tamin’ny fanovana ny ADN ny moka […]

Taona 2015 : nanomboka ny ady amin’ny fanambadiana aloha loatra

Nalaza tamin’ny taon-dasa ny ady amin’ny fanambadiana aloha loatra, indrindra ho an’ny ankizivavy, izay nataon’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Niantsehatra ho amin’ny fanoherana izany fampanambadiana aloha loatra ny ankizy izany avokoa ireo lohandoham-pisorona rehetra, indrindra ny olobe ao an-tanàna toy ny ampanjaka sy ny Tangalamena… Natao izany tany […]

Taratry ny kanto

Jeneraly no hanokatra ny taona etsy amin’ny Piment Café. Rehefa niato kely, hiverina indray ny “cabaret” fanao isaky ny zoma etsy Behoririka. Fantatra fa ny tarika Jeneraly hisantatra izany amin’ity taona ity, ny zoma ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora alina ny tarika Jeneraly. Fotoana iray indray hiaraha-mamerina ireo hiran’i Ghaby, izay nomen’ny tarika […]

Jery todika 2015 : nolalovan-drahona ny kolontsaina malagasy

Jery todika 2015 : nolalovan-drahona ny kolontsaina malagasy

Fahombiazana ? Tsy fahombiazana ? Nety ? Tsy nety ?… Samy niezaka nanamarina ireo avokoa ny zava-nisy niainan’ny kolontsaina malagasy nandritra iny taona 2015 iny. Niraisana kosa ny alahelo tamin’ny tranga sasany. Nilaozan’ny feomanga ny hira malagasy ! Gina tanteraka ireo rehetra nahare fa nindaosin’ny fahafatesana tany Antsirabe i Andriamahatana Ridasoa na i Rida, mpikambana ao amin’ny tarika Ny Railovy, […]

Jery todika taona 2015 : fampihavanam-pirenena… nampisara-bazana ara-politika

Jery todika taona 2015 : fampihavanam-pirenena… nampisara-bazana ara-politika

Mby aiza ny fampihavanam-pirenena natomboky ny FFKM? Niteraka fisaraham-bazana politika ny fehinkevitra na sosokevitra…    Taorian’ny fampihaonana ireo filoha efa-tonta sy ny filohan’ny Tetezamita teo aloha, nanomboka ny 19 desambra 2014, mitohy ny asa fampihavanan’ny FFKM. Nisy, ohatra, ny fihaonana ny 13 sy 15 ary 16 janoary 2015. Na izany aza, teo ny fisintahan’ny filoha teo […]

Nosy malagasy  : hidina an-dalambe indray ireo mpanao hetsika fitakiana

Nosy malagasy  : hidina an-dalambe indray ireo mpanao hetsika fitakiana

Hidina an-dalambe indray ny Hetsika Madagasikara miaro ireo Nosy malagasy, ny 9 janoary ho avy izao, amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina, araka ny tapak’izy ireo teny  Andravoahangy Ambony, omaly. Fanohizana ny fidinana an-dalambe ny 12 desambra 2015 izany. Hiainga eny Ambohijatovo ny diabe, hihazo ny araben’ny Fahaleovantena, ary hifarana eo anoloan’ny masoivoho frantsay, Ambatomena, […]

Fifidianana loholona  : miaiky ny fahadisoana ny Ceni

Fifidianana loholona  : miaiky ny fahadisoana ny Ceni

“Maro ireo fahadisoana, fa mety misy ny tsy mbola zatra tamin’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana na noho ny fikoropahana”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, momba ny fifidianana loholona. Misy tamin’ireo faritra sasany izay nahitana zavatra mila fanarenana sy fanitsiana. Anisan’izany, ohatra, ny nahitana biletà tokana misy famantarana manokana tsy araka ny […]

Hosoka, tsy fanarahan-dalàna, fihoaram-pefy… : tsy hanaiky ny voka-pifidianana ny Tim, Mapar, MMM, ny Marina

Hosoka, tsy fanarahan-dalàna, fihoaram-pefy… : tsy hanaiky ny voka-pifidianana ny Tim, Mapar, MMM, ny Marina

 Tsy afaka ny hangina ka nanambatra ny heriny, omaly ireo kandidà loholona avy amin’ny antoko Tim, ny Mapar, MMM ary ny Marina. Narangarangan’izy ireo tamin’izany ny tranga niseho, mialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana loholona farany teo. Manoloana izany, tsy eken’izy ireo ny voka-pifidianana.   « Efa vonona ny porofo rehetra. Handeha amin’ny ambaratongam-pitsarana aloha izahay. […]

Hopitalibe – Toamasina : olona iray maty noho ny tsy fisian’ny oxygène

Hopitalibe – Toamasina : olona iray maty noho ny tsy fisian’ny oxygène

Nisedra olana ny Hopitalibe – Toamasina nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona  noho ny tsy fisian’ny famelomana aina (oxygène) ka nisy ny aina nafoy vokatr’izany, araka ny fanadihadina natao. Na nilamindamin-dratsy aza ny fankalazana ny fety, nahatratra dimy ny namoy ny ainy ka ny iray tamin’ ireo, ny marain’ny 2 janoary lasa teo, ary vokatry […]

Halatra : marobe ireo môtô nosavain’ny polisy  

Tsikaritra hatry ny omaly teto an-dRenivohitra indrindra teny Anosy hatreny Anosizato, 67 ha, Petite Vitesse ny fisavana nataon’ny polisy ireo mpitondra môtô. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fisavana ny taratasina môtô fotsiny ihany ny polisy fa nisava hatrany anaty môtô mihitsy. Notazonina ary tsy afa-nihetsika avy hatrany ireo môtô mampiahiahy. Somary niteraka fimenomenomana teo amin’ireo mpitondra […]

Farihin’Anosy : mpaka tondro efatra nifanenjehan’ny polisy

Farihin’Anosy : mpaka tondro efatra nifanenjehan’ny polisy

Niala maina ireo polisy nanenjika ireo efa-dahy nisaka trondro teny amin’ny farihin’Anosy omaly antoandro. Tafita teny ampitan’ny rano izy ireo, ary tafatsoaka. Nahatondra trondro efa ho tapa-gony avy izy ireo tamin’izany. Ny olona teny amin’ny manodidina no nampandre ny polisy ny fisian’ireo andian’olona maka trondro eny Anosy ireo. Efa fanaon’ny polisy ihany koa ny manao […]

Taona 2015  : nanjaka ny resaka kidnapping teto Antananarivo sy Toamasina

Taona 2015  : nanjaka ny resaka kidnapping teto Antananarivo sy Toamasina

 Taon’ny vonoan’olona sy ny fakana an-keriny iny taona 2015 lasa teo io. Tena lasibatry ny kidnapping ireo teratany karana ary farany teo ireo zanaka mpandraharaha iray any Toamasina. Olona telo fanta-daza kosa, niharan’ny vonoan’olona feno habibiana..   Raha efa lefilefy ny “Raharaha kidnapping” tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, ny taona 2015 teo kosa no tena […]

Ambatondrazaka : dahalo 12 voasambotry ny zandary 

Ambatondrazaka : dahalo 12 voasambotry ny zandary 

Nidoboka am-ponja avy hatrany ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka, ny herinandro lasa teo ireo dahalo miisa 12 tompon’antoka tamin’ny halatra omby tany an-toerana. Araka ny fanazavana voaray, nanafika tao Amparimaro fokontanin’Ambodifarihy Ampasikely ireto dahalo ireto, ny faramparan’ny volana desambra 2015 lasa teo iny. Omby ampolony maro no lasan’ireo dahalo tamin’io fotoana io raha ny fanazavana hatrany. Nirongo […]

Rugby : hofoanana ary hosoloina ny fifaninanana “Top 14”

Rugby : hofoanana ary hosoloina ny fifaninanana “Top 14”

 Manomboka amin’ity taona 2016 ity, tsy hisy intsony ny fifaninanana “Top 14”. Hanana endrika vaovao mihitsy ny fiadiana ny ho tompondaka na ho an’ny ligin’Analamanga na ny fifaninanam-pirenena. Hiova ny fifaninanana eo amin’ny taranja rugby, manomboka amin’ity taom-pilalaovana 2016 ity. Araka izay efa nambaran’ny tomponandraikitra teo anivon’ny federasiona malagasin’ny rugby (FMR) mantsy, tsy hisy intsony […]

Tily eto Madagasikara : 80 taona ny Louveteaux

Tily eto Madagasikara : 80 taona ny Louveteaux

Mankalaza ny faha-80 tapna nijoroany ny Louveteaux ao anatin’ny Foibe Tily eto Madagasikara. Nanatanteraka lasin’ny Mpihaza izy ireo ny faran’ny taona teo tany Miarinarivo Itasy. Nahatratra 140 mahery ny Louveteaux tonga nanatrika izany lasy goavana izany. Nahatonga solontena avokoa ny sampana rehetra avy amin’ny faritra manerana ny Nosy. Raha ny fanazavana, lasy lehibe atrehin’ny solontenan’ny […]

Kitra atsy Afrika : misaona ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Kitra atsy Afrika : misaona ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Sembain-drahona ny baolina kitra ivoarianina, ankehitriny. Nodimandry ny alakamisy 31 desambra lasa teo, tany Dusseldorf, Alemaina, mantsy i Steve Gohouri. Vodilaharan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, teo aloha, ary nilalao tao amin’ny Steinbach, ekipa diviziona fahefatra any Alemaina izy. Araka ny tati-baovaon’ny polisy alemà, tsy hita efa nanomboka ny 12 desambra ny lehilahy. Tao anaty rano no nahitana […]

Taona 2015 : betsaka ny traboina sy tratran’ny kere

Nampiavaka iny taona 2015 iny teo amin’ny fiainan’ny mponina tamin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy ny fisian’ny tondra-drano sy ny tany nihotsaka vokatry ny ora-mikija nisesy. Betsaka, araka izany, ny traboina. Nahatratra 134.000 ireo traboina manerana ny Nosy raha ny tatitry ny minisiteran’ny Mponina. 60.000 tamin’ireo, avy eto Antananarivo avokoa. Mbola betsaka ireo fianakaviana tsy […]