Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Androy : olona 10 000 tohanana ara-tsakafo

Hitohy hatramin’ny volana febroary ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mitondra vohoka 10 000 sy zaza latsaky ny 5 taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, nanomboka ny volana novambra lasa teo any amin’ny faritra Androy. Nisy ny fizarana fanampin-tsakafo Plumpy Sup (ahitana voanjo, siramamy, menaka, proteine azo avy amin’ny soza ary ronono) ary serealy notovonana vitamine sy singa mineraly […]

Avy tany Frantsa : hihaona amin’ny mpankafy i Black Nadia

Avy tany Frantsa : hihaona amin’ny mpankafy i Black Nadia

Efa nampanantena izy nialoha ny niaingany fa tsy maintsy hisy ny seho ho mariky ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, eo amin’i Black Nadia sy ny mpankafy azy eto an-toerana. Fantatra, fa higadona anio rehefa avy nanatontosa seho vitsivitsy  tany Frantsa i Black Nadia sy ny tariny. Manome fotoana avy hatrany ireo mpankafy azy etsy […]

Atsy ho atsy : 500 Ar isan’ora ny fiantsonan’ny fiara

Nivory omaly ny tompon’andraikitry ny “parking” ao amin’ny kaominin’Antananarivo miaraka amin’ireo mpiara-miasa ka nanapaka fa hasondrotra 500 Ar isan’ora ny saram-piantsonan’ny  fiara amin’ireo toerana telo ao Analakely sy ny manodidina. Voakasik’izany ny toeram-piantsonana eo amin’ny Esplanade Analakely, Antaninarenina ary Antsahavola. Tsy mbola hihatra avy hatrany anefa izany raha tsy tafapetraka ny “horodateur”, ilay milina mamoaka […]

Apipa : halalinina ny lakandrano

Apipa : halalinina ny lakandrano

 Ho fanalefahana ny mety hisian’ny tondra-drano amin’ny faritra iva mandritra ny fotoam-pahavaratra, miditra amin’ny fanadiovana ny lakandrano ny Apipa. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany sy ny C3 izay tanterahin’ny Apipa. Iarahana amin’ny  fanjakana foibe ny fanatanterahana ny asa raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rateloson Philippe. Halalinina ny lakandrano, kaohina amin’ny fitaovana […]

Kabary fifampiarahabana eny Iavoloha  : andrasana izay tena fijerena ny fiainam-bahoaka amin’izay

Kabary fifampiarahabana eny Iavoloha  : andrasana izay tena fijerena ny fiainam-bahoaka amin’izay

Ho taon’ny inona indray ity taona ity? Taon’ny fanadiovana tamin’ny taon-dasa, raha ny nambara herintaona lasa toy izao, ny 9 janoary 2015. Nefa ao anaty fako Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara tamin’ny faran’ny taona. Hatramin’izao, mbola tsy afaka izany. Tsy afaka faran’ny lohany, fa sasatry ny miarina sy manombo-javatra? Amin’izao lanonana fifampiarahaban’ireo filohan’andrimpanjakana miaraka amin’ny solontenan’ny masoivoho […]

Vatovavy Fitovinany : mitsipaka ny voka-pifidianana ny mpanolotsaina

« Hijoro hatramin’ny farany izahay ary efa nandefa ny fitoriana amin’ireo ambaratonga samihafa, manoloana ny tsindry sy ny fandrahonana nahazo anay mpifidy any amin’ny distrikan’i Manakara. Tsy haniky lembenana izahay fa hiaro ny zonay hatramin’ny farany », hoy ny filohan’ny mpanolotsaina any an-toerana, Tsabotokay Francis, omaly tetsy 67 ha. Notanisain’izy ireo ny tranga niseho, toy ny fividianana […]

Toliara : nampiaka-peo ireo kandidà 10

Manao ranolava tonga hatrany Toliara koa. Nivondrona ireo kandida 10 tsy lany tamin’ny fifidianana loholona hanohitra ny voka-pifidianana noho ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana. Nambaran’izy ireo amin’ny mpanao gazety ny fiandohan’ny herinandro teo fa marika hafa ankoatry ny X sy lavotondro, voarakitra amin’ny lalàna momba ny fifidianana  no hita amin’ireo vato. Ohatra, ny A,V,C, […]

Fadintseranana : tsy asiana resaka intsony ny tolotra ho an’ny tsy miankina

Fadintseranana : tsy asiana resaka intsony ny tolotra ho an’ny tsy miankina

Nitondra fanazavana ny sendikàn’ny fadintseranana (Sempidou), omaly teny Antaninarenina, tohin’ilay fitsipahan’izy ireo, tamin’ny 17 desambra 2015, ny tolotra tadiavin’ny fanjakana ho an’ny sehatra tsy miankina, hanao asa fanaraha-maso aorian’ny fampidirana entana. Taorian’izay, nanome fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana  izy ireo ny 22 desambra. Noraisin’ny tao Mahazoarivo ka nangatahin’ny governemanta ny hidiran’io sendikà io ao anatin’ny […]

Rasolo André : “Mila sahy miatrika ny fampihavanam-pirenena isika rehetra”

Rasolo André : “Mila sahy miatrika ny fampihavanam-pirenena isika rehetra”

 Taona vaovao izao… Mby aiza ny fampihavanam-pirenena? Manazava ny avy amin’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fampihavanam-pirenena, Rasolo André: “Raharaha iombonan’ny samy Malagasy ny fampihavanana, ka tsy hisy hanao tompony mangataka atiny isika. Samy tokony ho sahy maka ny andraikiny.” Dinidinika…   Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza izao ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena amin’izao […]

Fantina sy fintina

Hitsidika eto amintsika, ny asabotsy izao, ny sekretera lefitra amerikanina misahana ny raharaha afrikanina, Linda Thomas-Greenfield. Anisan’ny handray azy amin’izany ny filoha Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice. Hatao ani, eny Alarobia, ny famindram-pitantanana eo amin’ny filohan’ny Cenit, Ralaiariliva Mamy, sy ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery. Tombanana fa hanan-kambara momba ny fifidianana rehetra […]

Zaka tsara : politika… tsy ihinanana

Amin’izao fiandohan’ny taona izao: raikitra sy manomboka koa ny politika, na noho ny fisian’ny vokatry ny fifidianana loholona natao ny 29 desambra ihany aza. Mitondra inona eo amin’ny fiainan’ny vahoaka ifotony ny politika? Tsy fandriampahalemana izao, faharavam-pananana amin’izany, kere, tsy fisiana asa… Ho an’ny sarambabem-bahoaka, eo ihany ny eo: miharatsy aza… Politika tsy ihinanan-kanina? Mbola […]

Fiaraha-miasa amin’ny UA : tonga hanombana ny fifidianana i Lakhdar B.

Fiaraha-miasa amin’ny UA : tonga hanombana ny fifidianana i Lakhdar B.

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, tetsy Anosy omaly, ny Vondron’ireo olon-kendry eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Lakhdar Brahimi. Tafiditra amin’ny tomban’ny fifidianana teto amintsika sy ny fametrahana fitoniana izao fahatongavan’izy ireo eto izao. « Efa nampahafantarin’ny minisitra anay ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Hoentina any amin’ny fivorian’ny UA, ny faran’ny volana izao, izany », hoy […]

 Mpifidy vaventy :  « Tsy mila vidiana izahay…”

Aty amin’ny fitondrana foibe ny ain’ny kaominina : fototra ivelomany ny « subvention », 12 tapitrisa Ar isan-taona. Ataon’ny fanjakana tara fotsiny ny fanampiana ka kofona ny kaominina. Mazava ny tenin’ilay ben’ny Tanàna  any atsimo ka nanambara ampahibemaso fa hifidy ny lisitra « fantatra fa ho lany”. Mety ho teo ny teritery sy ny vola saingy ireo no  nambaran’ireo […]

Fiainana antoko : nanampy ireo sahirana ny Arema  

Ankoatra ny teto an-dRenivohitra, nanatanteraka ny fanambiny, hanampy ireo sahirana sy tratry ny tsy fanajarian-tsakafo tany amin’ny faritra Anosy sy Androy ny eo anivon’ny antoko Arema ny faran’ny taona teo. Mbola hitohy amin’izao taona vaovao izao izany ary hahazo avokoa ny faritra rehetra, araka ny voalaza.      Nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa tafiditra amin’ny fankalazana sy […]

Toerana avo : tsy lonaka sy tsy mamokatra ny tany

Toerana avo : tsy lonaka sy tsy mamokatra ny tany

Na maro tsy mahatsikaritra aza, nilaza ny teknisianina avy amin’ny Foibe misahana ny fikarohana amin’ny fambolena (Fofifa), fa tsy mamokatra loatra ny tany aty afovoan-tany sy toerana avo. Antony, kivatovatoana ny tany ary lasa any amin’ny morontsiraka sy ny lemaka ny tsiron’ny tany. Tsy mahagaga noho izany raha mamokatra kokoa any amin’ny toerana midadasika sy […]

Haratsian-dalana eto an-dRenivohitra : mety hanao hetsika ireo mpitatitra taxi-be

Haratsian-dalana eto an-dRenivohitra : mety hanao hetsika ireo mpitatitra taxi-be

 Miantraika amin’ny sehatra maro ny haratsian-dalana eto an-dRenivohitra. Ifanilihana ve ny andraikitra rehefa tsy misy ny vola fa ifarombahana ny laza raha misy? Sorena! Tsy misy tsy mitaraina amin’ny haratsian-dalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Samy mitazam-potsiny ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ifanilihana toy ny fako koa. Miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ny haratsian-dalana, ankoatra ny mpivarotra […]

Nirahina zandrina mpitondra ambony, hono… : Kolonely 3 lahy nibodo tany karieran’olona

Trangan-javatra efa mpiverina matetika hatramin’ny Tetezamita noho mankaty ny fakana na fibodoana tanin’olona, indrindra fa toeram-pitrandrahana vato io. Voatonontonona matetika amin’izany ny manamboninahitra eo anivon’ny mpitandro filaminana, toy tany Ilakaka, Ambatondrazaka sns. Tamin’ity indray mitoraka ity, toeram-pitrandrahana vato iray any amin’ny kaominina Marotsipoy, disitrikan’Anjozorobe, isehoana olana amin’ny resaka fitrandrahana io. Araka ny fanazavana avy amin’ny […]

Tselatra

 Miisa valo ireo gadra tsy ampy taona nandositra ny fonja ao Mahajanga, ny alin’ny 2 janoary 2016 teo. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fonja ao an-toerana, nohazonina tao amin’ny fonja vaovao namboarin’ny Croix Rouge izy ireo. Fantatra ny anaran’ireo gadra enina raha tsy fantatra kosa, ny mombamomba ireo roa lahy hafa, araka ny fanazavana. Voalaza fa […]

Kidnapping ao Toamasina : mandrahona hanao valifaty ireo mpaka an-keriny.

Kidnapping ao Toamasina : mandrahona hanao valifaty ireo mpaka an-keriny.

Miainga any ny resaka valifaty! Milaza ny hamotsotra an’ i Arnaud fa hanatanteraka valifaty amin’ny ray aman-dreniny sy ny zandarin’ny Gsis kosa ny mpaka an-keriny. Ny mpitsara etsy andaniny, mampiaka-peo amin’ny fisavana ny tranon’izy ireo. Miakatra ny hafanana. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaangona manodidina ny raharaha kidnapping ao Toamasina ity, ny alahady teo, nilaza fandrahonana […]

Ambavatapia : balana tafondro hitan’ny zandary          

Ambavatapia : balana tafondro hitan’ny zandary          

    Balana tafondro miisa telo no hitan’ny zandary tao ambany tetezana iray ao Ambavatapia Ilaka Centre Ambositra, omaly. Araka ny loharanom-baovao voaray, olona no nahatsikaritra ireto fitaovam-piadiana ireto ka nampilaza amin’ny ben’ny Tanànan’Ilaka Centre. Ny ben’ny tanàna indray no nampilaza tamin’ny borigadin’ny zandary ao an-toerana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary manampahaizana manokana momba […]

Miandry kabary

Miandry kabary

Fako sy fihinanambe. Ireo lohahevitra roa mifangarika kanefa mifameno ireo indray izao no malaza sy be mpiresaka indrindra. Hotontosaina rahampitso tokoa mantsy ilay lanonam-panjakana, ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao, eny Iavoloha. Andro vitsivitsy izay, nandeha ny fifanentanana anatin’ireny tambajotra sosialy ireny, mba hanaovana hetsika hanafoanana izany. “Mandatsa ny vahoaka, miaina anaty fako sy milomano […]

Ambodifilao : tratra ilay ramatoa milaza fa mahatafiditra mpiasa ao amin’ny Men

Ambodifilao : tratra ilay ramatoa milaza fa mahatafiditra mpiasa ao amin’ny Men

 Saron’ny polisin’ny Sureté Urbaine de Tananarive (Sut)  teny Ambodifilao, ny alatsinainy teo ny renim-pianakaviana voarohirohy ho malaza ratsy amin’ny fisolokiana avo lenta. Araka ny fanazavan’ny polisy, milaza ho mahatafiditra mpiasa hiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) eny Anosy ity renim-pianakaviana ity. Nisy olona fito tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisin’ny Sut, ny volana novambra 2015 […]

Voaroba ny volabe tao an-trano… : maty norasarasain’ny jiolahy ilay vehivavy

Voaroba ny volabe tao an-trano… : maty norasarasain’ny jiolahy ilay vehivavy

Tsy mifidy ora intsony ny jiolahy. Voatafika tamin’ny andro antoandro ity tokantrano iray eny Ambavahaditokana Itaosy ity. Maty novonoin’ireo jiolahy tamin’izany ny renim-pianakaviana  tao an-trano ary norobainy ny vola. Mandry an-driran’antsy ny mponina, na andro na alina. Tsy milamina ny tany. Sady norobaina no novonoina ilay renim-pianakaviana ! Ny talata tolakandro, tokony ho tamin’ny 3 ora […]

Kitra any Eoropa : lasa mpanazatran’ny Real de Madrid i Zidane

Kitra any Eoropa : lasa mpanazatran’ny Real de Madrid i Zidane

Rehefa tsy niakatra kianja intsony i Zinedine Zidane, nanapa-kevitra ny lehilahy fa hanao mpanazatra. Notendren’ny filohan’ny klioba Real de Madrid, hanazatra ity ekipa “Madrilène” ity ny tenany. Nanomboka, ny alatsinainy lasa teo, ilay kintan’ny baolina kitra frantsay, Zinedine Zidane (Zizou) indray no hanazatra ny Real de Madrid. Nambaran’i Florentino Perez filohan’ny ekipa Réal de Madrid, […]

Federation Malgache de Lutte : tanjona ny hiatrehana ny Lalao Olympika

Federation Malgache de Lutte : tanjona ny hiatrehana ny Lalao Olympika

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pilalaovana 2016, ho an’ny federasiona malagasin’ny taranja Lutte. Anisan’ny tanjona amin’izany, ny fiatrehana ny Lalao Olympika 2016, hotanterahina any Brezila. Na izany aza, tsy maintsy mbola mandalo fifaninanana fifanintsanana intelo miantoana, hiadian-toerana hiatrehana izany ireo atleta malagasy. Anisan’izany, ny fifanintsanana voalohany, izay hatao any Alzeria, ny fiandohan’ny volana avrily […]