Analakely : ankizy 8 sarona nangarom-paosy

Nanararaotra ny fitangoronan’ny olona, noraisim-potsiny teo Analakely, ny tontakely valo lahy, ny harivan’ny alahady teo. Nandritra ny fampisehoana goavana teo amin’ny Araben’ ny Fahaleovantena, tomefy olona ny lalana. Niandry kendry tohina ireo mpijery fotsiny izy valo mirahalahy ireto ary nanao ny asa ratsiny. Tetsy an­kilany, ankoatra ny fifehezana ireo olona mety ho nihoa-pefy, nanara-maso ireo olon-dratsy mpanararaotra koa ny mpitandro filaminana. Vokany, tra-te­haka teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy ireto, izay tsy ampy taona ny ankamaroany. Ankoatra ny finday, alain’izy ireo avokoa izay rehetra mety havadika ho vola teny amin’ireo sendra azy. Nentina natao fanadihadiana izy ireo alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: