Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsiroanomandidy-Fenoarivobe: amboarina ny ampahan-dalana 32 km

    Toy ny any amin’ny faritra hafa novatsin’ny fitondrana foibe fitaovana, nahazo ny azy koa ny any amin’ny faritra Bongolava, ho an’ny fanamboaran-dalana. Hisantarana ny asa ny fanamboarana ampahan-dalana 32 km mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Laharam-pahamehana ao anatin’ny faritra io lalana io, manamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra eo amin’ny distrika roa tonta. Manamora ihany koa ny fampidirana herinaratra sy ny fitandroana ny fandriampahalemana.

    Ezaka goavana izao fanamboaran-dalana izao ao amin’ny kaominina Fenoarivobe, hahafahana mifandray amin’ireo kaominina manodidina, hahazoana mampandroso amin’ny lafiny rehetra ny faritra Bongolava, indrindra ny toekarena. Tsy misy tsy mahalala fa anisan’ny iankinan’ny fampandrosoana ny faritra ny fahavitan’ny lalana hahazoana mamoaka vokatra, ny fambolena sy ny fiompiana. Mitombo ny fidiram-bola, ary miakatra ny fari-piainan’ireo tantsaha, raha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana fotsiny no asian-teny.

     

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.