Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    RN 4 – Andranofasika: fiara iray namantana tany ambany tetezana

    RN 4 – Andranofasika: fiara iray namantana tany ambany tetezana

    Nitsoraka tany ambany tetezana ny fiara Hyundai iray rehefa tsy tafiditra ny tetezana eo amin’ny PK 451+600 mialoha ny hidirana an’Andranofasika RN 4, ny asabotsy antoandro teo. Avy any Mahajanga hihazo an’i Maevatanana ity fiara ity no tra-doza rehefa tsy tafiditra ny tetezana noho ny fandehanana mafy, araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranofasika. Raha ny fanadihadiana nataon’ny zandary teny an-toerana, tsy nahafehy ny familiana ny mpamily vokatry ny fandehanana mafy ka nitsoraka avy hatrany tany ambany tetezana. Misy fiolahana mampidi-doza rahateo io toerana io raha avy any Mahajanga kanefa tery ny miditra eo amin’ity tetezana ity sady tsy misy arofanina. Any anaty rano ao ambany tetezana no nifatratra ilay fiara. Tsy nisy kosa ny aina nafoy teo amin’ireo roa lahy tao anaty fiara fa ratra maivana ihany ny nahazo ny mpamily. potika tanteraka ilay fiara vokatr’ity loza ity. Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa efa nisy fiara Hyundai iray hafa koa vao nilatsaka tsy ela teo amin’ity toerana nilatsahan’ity fiara ity ihany koa. Olona efatra no indray namoy ny ainy tamin’izay. Mety hiteny ny sasany izao hoe maka olona hatrany (ho an’ireo mino izany) eto amin’ity tetezana ity sa ny loza no efa ho avy vokatry ny tsy fitandremana.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.