Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ravinala Airports: nahazo fanamiana ny mpamonjy voina Tanjombato

    Ravinala Airports: nahazo fanamiana ny mpamonjy voina Tanjombato

    Nahazo fanamiana sy kojakoja ihany koa ny sampana mpamonjy voina ao amin’ny kaominina Tanjombato, avy amin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy any Nosy Be. Avy amin’ny fikambanana Fondation vondrona ADP (Aéroport de Paris) miara-miasa amin’ny Aviation sans frontiers ireo fitaovana ireo, toy ny efa azon’ny mpamponjy voina eto Antananarivo, ny any Nosy Be ary ny any Fianarantsoa.

    Miisa 245 ireo fanamiana ireo miaraka amin’ny kojakoja samihafa. Nahazo fanamiana miisa 79 ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana any Tanjombato. Nilaza ny talen’ny QHSSSEIVR Ravinala Airports, Rtoa Ratsimbazafy Felana, fa tsy mijanona hatreo ny asanay fa mitohy hatrany amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra ny orinasa. Adidinay ny miray hina amin’ny fiarahamonina malagasy, toy izao fanohanana ny mpamponjy voina sy ny mpiasan’ny fahasalamana izao.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.