Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    MAE: nivoaka ireo andiany diplaomaty matihanina

    MAE: nivoaka ireo andiany diplaomaty matihanina

    Nanao ny fianianany, ny herinandro teo, ireo “agents diplomatiques et consulaires”, andiany « Harena » sy « Madio », miisa 35. Notanterahina tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) izany, araka ny fepetra apetraky ny didim-panjakana mifehy azy ireo. Hanatevin-dahàrana ny minisitera ireto diplaomaty matihanina ireto taorian’ny fiofanana teny amin’ny Enam. Maro ny fanamby atrehin’ny MAE. Anisan’izany ireo velirano napetraky ny filoha Rajoelina Andry mba hotanterahin’ny governemanta manontolo, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, hanarenana sy hampandrosoana ny firenena. Anisan’ny andraikitry ny MAE koa ny fiarovana ny tombontsoan’ny firenena eo amin’ny iraisam-pirenena. Zava-dehibe ny hanana diplaomaty tsara hofana, vonona hanatanteraka ny iraka ampanaovina azy. Vonona koa hiaro ny fiandrianam-pirenena.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.