Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lehilahy saika hotontaina vato: voasambotra ireo tompon’antoka

    Lehilahy saika hotontaina vato: voasambotra ireo tompon’antoka

    Saron’ny zandary avy ao Ambohimangakely avokoa ireo jiolahy saika hanao fanafihana sy vono olona eo Ikanja-Ambohimangakely ny alakamisy lasa teo. Saika nikendry raim-pianakaviana, mpanao « cash point » eo an-toerana, ireo jiolahy ary tra-tehaky ny zandarimaria. Nisy vola mitentina 3 tapitrisa Ar tany amin’io lehilahy io, saika horobain’ireo jiolahy telo lahy. Nandamoka anefa ny teti-dratsy fa nisy ny fanairana voarain’ny zandary mahakasika ny tranga ka nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Vokany, voasambotra avokoa ireo jiolahy telo lahy. Tamin’ny fanadihadiana, nilaza ireto farany fa saika  notontaina tamin’ny vato ny lohan’ilay tompona « cash point » ary horobaina ny vola ka handositra amin’ny moto izy ireo. Nambarany ihany koa fa ny roa amin’izy ireo no hanao ny asa ratsy raha mpanoro olona hotafihina kosa ny iray hafa.

    Ankoatra izay, lehilahy iray saika hanao fanafihana teny Betafo ihany koa tratra ny zandary teo am-pidirana ny tokantranon’olona iray ny andron’io ihany. Mbola tratra teny amin’io lehilahy io koa ny famaky saika nampiasainy tamin’izany. Samy niakatra ny fampanoavana avokoa ireo voasambotra ary samy nalefa eny Antanimora daholo ny zoma teo.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.