Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifanohanana sy firaisankina: nandefa iraka nampahery ny filoha Rajoelina ny Vondrona afrikanina

    Fifanohanana sy firaisankina: nandefa iraka nampahery ny filoha Rajoelina ny Vondrona afrikanina

    Nandefa iraka nitondra teny fankaherezana ho an’ny filoha Rajoelina Andry ny avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA).  Noraisin’ny filoha nihaona taminy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny 31 jolay teo, ny iraky ny filohan’ny Repoblika demokratikan’i Congo (RDC), i Felix Tshisekedi, sady filoha am-perinasan’ny UA. Nitarika izany ny minisitry ny Fitantanam-bola kongoley, i Nicolas Kazadi Kadima. Nampahery sy nitondra ny teny fankaherezana ho an’ny filoha Rajoelina Andry manoloana ireny fikasana hifofo ny ainy ireny ireto delegasiona ireto.

    Fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena

    Voaresaka koa anefa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Manampy izany ireo fanamby iraisana eo amin’ny samy firenena afrikanina sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.