Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifanandrinana tamin’ny dahalo: takin’ny fokonolona ny hamoahana ireo zandary migadra

    Mangataka ny hamoahana sy ny tsy hanasaziana ireo zandary voatana vonjimaika any am-ponja ny fokonolona any Amborompotsy, Ambatofinandrahana. Takin’izy ireo ny hamerenan-jo ireo zandary miisa fito nanenjika dahalo nahafaty ny namany, mpitandro filaminana roa tany Soaseragna, fokontany Soanafindra. Namerina ny fangatahany amin’ny isan’ambaratongany indray ny fokonolona amin’izao fitanana ireto zandary ireto, nanomboka ny 21 oktobra 2019 ka hatramin’izao, miandry ny fitsarana azy.

    Voalaza fa nahafaty dahalo raindahiny tany Tambohobe, ny volana aogositra 2018, izy ireo ka  ahina ho nanitsakitsaka zon’olombelona tamin’ny nahafatesan’ireo dahalo mirahalahy, i Mahery sy i Mahatandra, anisan’ny nampitondra faisana ny kaominina. “Tombontsoam-bahoaka ny asa vitan’ireo zandary ireo. Nandry fahalemana iny faritra iny hatramin’ny namongorany ireo olon-dratsy nitarika dahalo roanjato mahery isaky ny manafika ireo”, hoy ireo fokonolona.

    Niaro tena noho ny tifitra natao azy…

    Notsiahivin’ny solontenan’izy ireo fa nitifitra ka nahafaty zandary roa, nisakana ny hidirany tany amin’ny kizon’i Tambohobe, ireto dahalo tamin’ny fifandonany tao Soaseragna ny 13 aogositra 2018. “Nidina tany an-toerana hanao ny hetsika ireto mpitandro filaminana ireto, hisambotra azy ireo, saingy novaliny tifitra ka voatery niaro tena”, hoy ihany izy ireo. Nankasitrahin’ny fokonolona ny fandraisana andraikitra efa nataon’ny zandary.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.