Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiainana antoko: maka bahana amin’ny fihaonambe nasionaly ny MMM

    Velona sy miaina. Nanatanteraka fikaonandoham-paritra ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, any Boeny ny faran’ny herinandro teo. Santary ny hetsika rehetra mbola hatao any amin’ny faritra hafa izany. Nohavaozina ny birao mitarika any an-toerana sady tafiditra amin’ny fameloma-maso ny antoko rahateo izany. Nambaran’ireo mpitarika fa efa mivonona hiatrika ireo ambaratongam-pifidianana ho avy izy ireo ka antony nanatanterahana izao fikaonandoha izao. “Hitohy any anivon’ny distrika sy ny kaominina ato anivon’ny faritra ny fametrahana ny rantsa-mangaika”, hoy ny mpandrindram-paritry ny antoko any an-toerana, i Faouzi Gerard. Niaiky izy ireo fa somary nangina teo aloha teo noho ny hamehana ara-pahasalamana, saingy efa mivonona kosa amin’izao fotoana izao.

    Hitondra fampandrosoana

    Notanterahina tamin’izany koa ny fifidianana ny biraom-paritra raha mpitantana vonjimaika ny nisahana izany teo aloha. Nampanantena izy ireo ny hamondrona hery sy hitondra fampandrosoana ny firenena, miaraka amin’ny vahoaka, indrindra ho an’ny any Boeny. Haravona ny fehinkevitra tapaka tamin’ny fikaonandoha ary hoentina eo anivon’ny fihaonambe nasionalin’ny MMM izany avy eo. Niatrika izany ireo mpikambana rehetra any Boeny sy ireo olom-boafidy ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy amin’ny Malagasy miara-miainga amin’iny faritra iny sy ireo avy amin’ny birao politika foibe, notarihin-dRamaroson Laurent.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.