Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Carion: kamiaobe nifandona tamin’ny lamasinina

    Carion: kamiaobe nifandona tamin’ny lamasinina

    Tandrevaka! Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby indray tao Carion, lalam-pirenena faharoa (RN2) mihazo an’i Toamasina, ny asabotsy antoandro teo. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, kamiaobe mpitatitra vokatra ity nifandona amin’ny lamasinina ity. Avy aty an-dRenivohitra saika hihazo an’i Toamasina haka solika ity lamasinina mitondra “citerne” ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Efa nampaneno anjombona fanairana ilay lamasinina raha iny niditra an’i Carion iny. Nandritra izany anefa no nanapaka tampoka ny lalamby ilay kamiaobe. Tsy afa-nijanona anefa ilay lamasinina nandritra izany ka nofaohin’ilay kamiaobe tamin’ny valahany. Vokany, samy nahitana fahasimbana na ilay kamiaobe na ilay lamasinina. Tsy lavitra teo anefa ny zandary ka tonga nanao fanadihadiana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza niaraka amin’ny polisin’ny gara avy ao amin’ny “commissariat special”. Tazonina anaovana fanadihadiana ao amin’ny zandary ao Carion ny mpamilin’ilay kamiaobe. Ny polisin’ny gara kosa no misahana ny fanadihadiana rehetra momba ity raharaha ity. Nohamafisin’ny polisy fa voasazy mandoa 7 000Ar isa-minitra arakaraka ny fotoana lany nijanonan’ilay lamasinina ny mpamilin’ilay kamiaobe raha voamarina fa avy aminy ny fahadisoana. Lalàna mipetraka amin’ny loza an-dalamby izany, izay aloa amin’ny orinasa misy ilay lamasinina.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.