Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nandeha mafy ary vaky kodiarana : maty tsy tra-drano ilay pretran’Antsampandrano

    Nandeha mafy ary vaky kodiarana : maty tsy tra-drano ilay pretran’Antsampandrano

    Ankoatra ilay mompera avy ao Antsampandrano maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana, omaly tolakandro, naratra mafy ihany koa ilay frera namany…

    Tranga mampalahelo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny fokontany Ambohipoloalina, kaominina ambanivohitr’Ambatondrakalavao, atsimo-atsinanana ny distrikan’Ambatolampy, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora. Tra-doza tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalana iray nitondra mpitondra fivavahana sy olona telo hafa avy ao Antsampandrano saika hihazo ny renivohitra. Vokany, maty tsy tra-drano ny mompera iray nitondra ny fiara raha tapa-tanana kosa ilay mpianatra frera iray hafa teo akaikiny. Nambaran’ny zandary avy ao Ambatolampy misahana ny famotorana fa tsy naninona kosa ireo olona roa hafa tao afaran’ny fiara. « Mety nandeha mafy ilay fiara 4×4 io ka vaky ny kodiarana. Avy eo, mety nadonan’ny mpamily teny amin’ilay rindrin-tany, antony nitarika ny fahafatesan’ny mpamily », hoy hatrany ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Taorian’ny tranga, nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana ao Ambatolampy ilay frera, ary nalefa vonjimaika eny amin’ny hopitaly eto an-drenivohitra. Ny vata-mangatsiakan’ilay mompera kosa mety hapetraka ao Antsapandrano, toerana niasany.

    Dona mafy

    Potika tanteraka ny fiara nentin’ireo mpitondra fivavahana. Tsikaritra tety ivelan’ny fiara mihitsy ny ra ary nahitana izany ihany koa teo amin’ny tany vokatry ny dona mafy. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola eny an-toerana manao ny famotorana ny zandarimarian’Ambatolampy. Mbola ao an-toerana ihany koa ilay fiara, saingy efa nahitsy izany.

    Tsiahivina fa mompera niasa tao amin’ny fiangonana katolika etsy 67 ha ilay namoy ny ainy. Efa niasa teo Andramasina ihany koa izy mialohan’ny nitondrany fivavahana ao Antsampandrano Ambatolampy.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.