Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tranombokim-pirenena Anosy: haneho « Hiaka » ny  Hay-Sorakanto

    Tranombokim-pirenena Anosy: haneho « Hiaka » ny  Hay-Sorakanto

    Mitohy hatrany ny hetsika etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, hitondra ny « Hiaka » indray ny Hay-Sorakanto, rahampitso asabotsy 31 jolay, manomboka amin’ny 2 ora.  Hay-Sorakanto dia nitambatra tao amin’ny vondrona YMCA Madagascar teo aloha, Y-Sorakanto ny anarany fa nahaleo tena dia lasa fikambanana Hay-Sorakanto. Ny mpikambana rehetra no hifandimby hiantsa tononkalo, miisa 14 ary intelo miditra ny antsan-tononkalo. Izany hoe mizara telo mazava ny seho. « Hiaka, teny nentinay nifaly, hiakam-pifaliana satria dia hihaona amin’ny mpankafy indray izahay raha ny hetsika « Anjomara » no nahitana anay farany tao amin’ny CEMDLAC Analakely, ny taona 2019. Tamin’ny herintaona tsy afaka niaka-tsehatra mihitsy. Hiakan’alahelo koa noho ny poezia entina mitatitra ny zavatra iainan’ny fiarahamonina andavanandro. Marary ny firenena ka mila taterina izany… », hoy i Mina Ilarion. Ao anatin’izany, hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.