Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taratry ny kanto

    Voatendry ny talen’ny ISSM – Andriantseheno Dominique José no voatendry hitantana ny ivontoeran’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara, na ny ISSM. Taorian’ny nanafoana ny Ofisy malagasy misahana ny sarimihetsika na ny OMACI no nananganana ity departemanta eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ity. Olon’ny sarimihetsika, satria efa niasa an-taona maro tao amin’ny Scoop Digital ny tale vaovao. Efa mpanao gazety ihany koa.

    “Mifampitaritarika” – Io no anarana nampisalorana ny hetsika hiseho eny amin’ny Oléo Tanàna, eny Ankadindravola Ivato, ny asabotsy 31 jolay izao, manomboka amin’ny 5 ora hariva. Hifampitaritarika ao anatin’izany fiarahana izany ry Datita Rabeson, Jovin, Mbola Talenta ary Faly, izay samy mpitendry gitara. Hanampy azy ireo koa i Riri eo amin’ny karazan’amponga sy ny zavamaneno ravaka. Mozika maroloko manodidina ny bagasy, folk, jazz, flamenco, sns, no ketrehin’izy dimy mirahalahy hatolotra ireo mpankafy ny vazo an-gitara amin’io.

    Nangonin’i Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.