Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    No Doze: hiray sehatra ry Weaver Trio sy Sity Rakoto

    No Doze: hiray sehatra ry Weaver Trio sy Sity Rakoto

    Hahazo vahana indray ny tontolon’ny Jazz ho an’ity faran’ny herinandro ity… Hitondra ny mozika indray ry Weaver Trio sy Sity Rakoto etsy amin’ny No Doze By Tranobongo Tanjombato, anio zoma 30 jona, manomboka amin’ny 8 ora alina. Mpanakanto anisan’ny manana ny maha izy azy ireo hanao ny fampisehoana ary antenaina fa hahazo fahafinaretana tanteraka ireo mpankafy ny mozika Jazz amin’ity indray mitoraka ity. Ny Weaver Trio moa dia ivondronan’ireo kalaza amin’ny resaka mozika toa an-dry Njaka Rakotonirainy eo amin’ny Piano, i Hents Andriamasimanana,  miangaly ny « Contrebasse » ary i Josia Rakotondravohitra, hively amponga maroanaka.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.