Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Atsinanana: harenina ny lalana Manambato, Ambila …

    Atsinanana: harenina ny lalana Manambato, Ambila …

    Feno dimy, ny 22 jolay teo, ny isan’ny fitaovana vaventy fanamboaran-dalana azon’ny faritra Atsinanana. Nambaran’ny governora, Rafidison Richard Théodore, fa hosantarina hanarenana ny lalana mankany amin’ny toerana ara-pizahantany ireo fitaovana ireo. Antony,  mba hameloman’aina indray ity sehatra iray tena potiky ny tranga Covid-19 ity. Isan’izany ny lalana mirefy 7 km, miala eo Brickaville (RN 2) mankany Manambato. Hanomboka amin’ny volana aogositra ny asa ary haharitra iray volana. Aorian’izay, ny avy eo amin’ny RN 2 ihany, mankany Ambila Lemaitso, mirefy 13 km ary mitohy any Andovoranto, mihazo ny tetezan’Andavakomena.

    Hatao Antanambao Manampotsy

    Fantatra koa fa hanomboka amin’ny volana oktobra, amin’ny fotoana tsy hisian’ny orana ny lalana RN 11 A, mankany Antanambao Manampotsy, araka ny toky nomen’ny filoha Rajoelina. Nampatsiahy ny governora Atsinanana, fa tsy hanamboatra lalana hatao godirao ireto fitaovana azon’ny faritra maromaro eto amin’ny Nosy ireto, fa entina hanafahana ireo kaominina tsy hitoka-monina, noho ny haratsian-dalana, mifandray amin’ny distrika isanisany avy. Avy amin’izany no hivoahan’ny vokatra isaky ny kaominina.

    Sajo sy Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.