Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Lalao olympika »: misongadina hatrany ireo firenena matanjaka

    « Lalao olympika »: misongadina hatrany ireo firenena matanjaka

    Mifampitana tanteraka eo amin’ny fakana medaly volamena ireo atleta avy amin’ireo firenena matanjaka miatrika ny « Lalao olympika » any Tokyo amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny omaly, mitana ny laharana voalohany manana medaly 23 ny mpampiantrano ka volamena ny 13 amin’ireo. Manaraka azy i Sina, nandrombaka medaly 27, saingy ny 12 amin’ireo no volamena. Etsy ankilany, mitana ny laharana fahatelo ry zareo Amerikanina nahazo medaly  31 ka volamena 11 tamin’izany. Ny komity rosianina na ny ROC kosa no mitana ny toerana fahefatra, hatramin’izao. Manana medaly volamena fito izy ireo raha toa ka mitotaly 23 ny medaly norombahin’izy ireo.

    Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.