Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Doritos la relève »: mitohy ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana

    Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana « Doritos la relève » iandraiketan’ny mpanazatra teo aloha ny Barea, i Nicolas Dupuis. Tontosaina etsy amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona ny fifandonana eo amin’ireo ekipa eto Antananarivo Renivohitra ny 31 jolay sy ny 1 aogositra ho avy izao. Hifanandrina mandritra izany ny ekipa miisa 32 ka samy hitiliana ireo mpilalao sangany ahafahana manatanteraka ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny fanatontosana tsy ho ela ny akademia Barea. Tsy eto an-dRenivohitra ihany, hitohy hatrany amin’ny faritany ny fitiliana ataon’ity mpanazatra ny ekipam-pirenena teo aloha ity ka aorian’ny eto Antananarivo, ireo tanora ao Mahajanga indray no hanohizany ny fikarohana. Ny 3 aogositra hatramin’ny 10 aogositra izao ny anjaran’ny any an-toerana ka azon’ireo mpandray anjara atao ny misoratra anarana ao amin’ny Fosa Juniors. Ireo tanora teraka tao anelanelan’ny 1 janoary 2006 ka hatramin’ny 31 desambra 2007 no kendrena manokana amin’ity hetsika ity.

    Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.