Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Casting Miss & Mister Rock »: omen-danja ny lamaody Rock sy ny tontolony

    « Casting Miss & Mister Rock »: omen-danja ny lamaody Rock sy ny tontolony

    Tsy ny tontolon’ny sarimihetsika ihany ny miatrika fifantenana « casting » fa ny tontolon’ny mozika ihany koa. Mikarakara hetsika maimaimpoana « Casting Miiss & Mister Rock » ny Art original Pro Event, ny asabotsy 31 jolay izao eo anoloan’ny No comment Bar Isoraka, ny maraina mandra-pahariva. « Tanjona amin’ilay “catsing” ny hampiakarana sy hampiroboroboana ny tontolon’ny rock sy ny lamaody rock, ampisehoana ny ankizy mpankafy izany fa manan-danja koa zareo eo amin’ny lamaody ankehitriny », hoy Andrianjoelinirina Hariniaina Nandrianina, PDG-n’ny Art pro Event, manana ny foibeny eny Isoraka. Sehatra iray hampiroboroboana ny zavakanto ny Art’Original Pro Event, mpamokatra sady mpikarakara lanonana. Folo taona niseharana ao anatin’izany izy ireo. Fizoran’ny fifantenana “casting” mitondra ny sary miisa enina, ahitana sary tapaka roa, sary lava roa ary sary ngeza “buste” roa ihany koa. Ho an’ny vehivavy, 1 m sy 50 no ho mihoatra, miakanjo “style vestimentaire rock”. Ho an’ny lehilahy kosa 1 m sy 60 no ho mihoatra ary manao akanjo “rock” ihany koa. Azo ekena ny fisian’ny tombokavatsa ho an’ireo rehetra mandray anjara. Manana ny tambajotran-tserasera facebook “Art’Original Pro Event” izy ireo ho an’izay mila fanazavana sy liana amin’ny zavatra ataon’izy ireo.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.