Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    15 taona nanafanana lanonana: hihaona amin’ireo mpankafy ny Sanda Mozika

    15 taona nanafanana lanonana: hihaona amin’ireo mpankafy ny Sanda Mozika

    Sanda Mozika… Anarana orikesitra tsy zovina amin’ny maro, fanta-daza amin’ny fanafanana lanonana isan-karazany. Nandalo dingana maro anefa izy vao tonga amin’izay lazany izay. Fantatra fa tokony hanamarika ny faha-15 taona nisiany ny Sanda Mozika tamin’ny taon-dasa, saingy tsy faka nanatontosa izany noho ny toe-draharaha misy.
    “Hatambatray amin’ny zoma izao ny fankalazana sy ny fihaonana efa nampanantenaina tamin’ny namana sy ny mpankafy”, hoy ny nambaran’i Tantely, mpitarika ny orikesitra. Tsy lanonana manokana, araka izany, fa misokatra ho an’ny besinimaro ny homanin’izy ireo ny zoma 30 jolay izao manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny Le By Pass After Work, ampitan’ny kianja Elgeco Plus.
    “Hiangalianay manokana ireo hira nandrotsirotsy tamin’ny taona 70, ny 80, ny 90 izay mbola be mpankafy hatramin’izao. Araka ny efa fantatry ny mpanaraka anay, hataonay avokoa na hira malagasy na vahiny. Anisan’ny miavaka, ohatra, ireo hiran’ny tarika Abba izay be mpangataka isaky ny miaka-tsehatra izahay”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’i Tantely.
    Marihina fa sivy mianadahy ireo mpikambana ao amin’ny Sanda Mozika, izay efa niaraka ela. Anisan’ny tombony ho azy ireo izay fahaizana miray sehatra sy mitily ary mamaly ny andrasan’ny mpifety izay.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.