Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rallye: nodimandry i Kael

    Rallye: nodimandry i Kael

    Misaona ny tontolon’ny familiana fiarakodia malagasy. Nodimandry ny asabotsy lasa teo, Rasoloarison Tsiry Princy (Kael), mpanamory mpanampy ao amin’ny klioba Asa Tana. Ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, teny amin’ny lalana Miadana Ambohimanjaka Ambohidratrimo, izay nampivadika ny fiara Renault nentiny no nitarika ny fahafatesany. Araka ny vaovao voaray, nanao famantaran-dalana, ho an’ny “rallye” izy izao nitrangan-doza, izao.

    Marihina fa anisan’ireo olona tena mpankafy ny taranja mekanika Itompokolahy satria efa “co-pilote”-n’i Titi Rahamefy izy, teo amin’ny fifaninanana rallye. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny rallye d’Andranovelona, nokarakarain’ny klioba Asacm, ny volana jona teo Itompokolahy, izay rallye voalohany nandraisany anjara. 41 taona izy izao tojo ny fahafatesana izao. Halevina, ny alarobia 28 jolay ho avy izao,  eny amin’ny fasan-drazany eny Ankadimbazaha Imerimasoandro. Namela mananon-tena sy kamboty mirahavavy i Kael. Manolotra ny fampiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye ny Gazety Taratra.

     

    Torcelin

     

    Les commentaires sont fermées.