Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kick-Boxing: notontosaina omaly ny Open nationaly andiany faha-5

    Kick-Boxing: notontosaina omaly ny Open nationaly andiany faha-5

    Mpikatroka kick-boxing miisa 60 mahery no nandray anjara nandritra ny  fifaninanana Open Nationaly andian’ny fahadimy notontosaina tetsy amin’ny Gymnase couvert Mahamasina, omaly. Nasongadin’ny mpikarakara nandritra izany ny fanomezana sehatra ireo tanora kilasy A sy B. Tsy vitan’izay, nohamafisin’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotorazafiarison Mino Harifetra fa tafiditra anatin’ny fitiliana ireo tanora anatin’ny kilasy A, hanomanana ny fiatrehana ny fiadiana tompondakan’i Madagasikara io hetsika io. Na nisy aza ny hamehana ara-pahasalamana, tsy nahasakana ireo mpankafy ity taranja ity ny fandraisana anjara ka naharesy lahatra ny mpikarakara. « Afa-po tamin’ny fisian’izao fifaninanana izao izahay ary tanjona hatrany ny hanosehana ireo tanora hivelatra amin’ny sehatry ny fanatanjahantena », hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Gasi, Rasoamampionona Lilie. Izy ireo izay niara-nisalahy tamin’ny Fehezama tamin’ny fanatanterahana ity Open andiany fahadimy ity.

    Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.