Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

     

    Taksiborosy iray tra-doza, omaly tao Amparaky, Ihazolava RN7. Avy ao Ambohimandroso hihazo an’Antananarivo ity fiara ity kanjo tratran’ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Tsy nety nivily ilay fiara ka latsaka tany anaty lalan-drano. Vokany, namoy ny ainy ny lehilahy telo ka isan’izany ny resevera.

     

    Avotry ny polisy teny am-pelatanan-dreniny mamo toaka ny zazakely vao valo volana monja, ny talata alina teo tao Antsenakely Antsirabe. Mamo be tsy tompon’ny tenany izy nefa nitondra zazakely. Ireo polisy nanao fisafoana no nahitana izany ka naka ilay zazakely teny an-tanany sy nitondra azy mianaka tamin’ny fiara.

     

     

    Les commentaires sont fermées.